< 욥기 41 >

1 네가 능히 낚시로 악어를 낚을 수 있겠느냐 노끈으로 그 혀를 맬수 있겠느냐
Mahasarika ny mamba amin’ ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ ny mahazaka?
2 줄로 그 코를 꿸 수 있겠느냐 갈고리로 그 아가미를 꿸 수 있겠느냐
Mahisy tady zozoro amin’ ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ ny fintana?
3 그것이 어찌 네게 연속 간구하겠느냐 유순한 말로 네게 이야기하겠느냐
Hifon-jato amin’ arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
4 어찌 너와 계약하고 영영히 네 종이 되겠느냐
Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
5 네가 어찌 새를 놀리는것 같이 그것을 놀리겠으며 네 소녀들을 위하여 그것을 매어 두겠느냐
Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ ny zazavavy ao aminao va ianao?
6 어찌 어부의 떼가 그것으로 상품을 삼아 상고들 가운데 나눌 수 있겠느냐
Hataon’ ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ ny mpandranto?
7 네가 능히 창으로 그 가죽을 찌르거나 작살로 그 머리를 찌를 수 있겠느냐
Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin’ ny lohany?
8 손을 그것에게 좀 대어 보라 싸울 일이 생각나서 다시는 아니하리라
Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
9 잡으려는 소망은 헛것이라 그것을 보기만 하여도 낙담하지 않겠느냐
Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
10 아무도 그것을 격동시킬 용맹이 없거든 능히 나를 당할 자가 누구냐
Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
11 누가 먼저 내게 주고 나로 갚게 하였느냐 온 천하에 있는 것이 다 내 것이니라
Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
12 내가 악어의 지체와 큰 힘과 훌륭한 구조에 대하여 잠잠치 아니하리라
Tsy mbola hangina Aho ny amin’ ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran’ ny endriny.
13 누가 그 가죽을 벗기겠으며 그 아가미 사이로 들어가겠는고
Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin’ ny nifiny roa sosona?
14 누가 그 얼굴의 문을 열 수 있을까 그 두루 있는 이가 두렵구나
Iza no mahasokatra ny varavaran’ ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
15 견고한 비늘은 그의 자랑이라 서로 연함이 봉한 것 같구나
Reharehany ny faharaoraon’ ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin’ ny tombo-kase ireo;
16 이것 저것이 한데 붙었으니 바람도 그 사이로 들어가지 못하겠고
Mikirindro ireo, ka tsy azon’ ny rivotra idirana eo anelanelany.
17 서로 연하여 붙었으니 능히 나눌 수도 없구나
Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
18 그것이 재채기를 한즉 광채가 발하고 그 눈은 새벽 눈꺼풀이 열림같으며
Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ ny maraina.
19 그 입에서는 횃불이 나오고 불똥이 뛰어나며
Lelafo no mivoaka avy amin’ ny vavany; Kilalaon’ afo no mipariaka avy aminy.
20 그 콧구멍에서는 연기가 나오니 마치 솥이 끓는 것과 갈대의 타는 것 같구나
Ny vavorony dia ivoahan’ ny setroka, tahaka ny avy amin’ ny vilany mangotraka, na amin’ ny fahandroana.
21 그 숨이 능히 숯불을 피우니 불꽃이 그 입에서 나오며
Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin’ ny vavany.
22 힘이 그 목에 뭉키었고 두려움이 그 앞에서 뛰는구나
Ny vozony no itoeran’ ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
23 그 살의 조각들이 서로 연하고 그 몸에 견고하여 움직이지 아니하며
Mivalombalona ny hotraka amin’ ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
24 그 마음이 돌 같이 단단하니 그 단단함이 맷돌 아랫짝 같구나
Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
25 그것이 일어나면 용사라도 두려워하며 경겁하여 창황하며
Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
26 칼로 칠지라도 쓸데없고 창이나 살이나 작살도 소용이 없구나
Raha misy mamely azy amin’ ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin’ ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.
27 그것이 철을 초개 같이, 놋을 썩은 나무 같이 여기니
Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
28 살이라도 그것으로 도망하게 못하겠고 물매돌도 그것에게는 겨같이 여기우는구나
Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton’ antsamotady.
29 몽둥이도 검불 같이 보고 창을 던짐을 우습게 여기며
Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
30 그 배 아래는 날카로운 와륵 같으니 진흙 위에 타작 기계 같이 자취를 내는구나
Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin’ ny fotaka izy.
31 깊은 물로 솥의 물이 끓음 같게 하며 바다로 젖는 향기름 같게 하고
Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
32 자기 뒤에 광채나는 길을 내니 사람의 보기에 바닷물이 백발 같구나
Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon’ ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
33 땅 위에는 그것 같은 것이 없나니 두려움 없게 지음을 받았음이라
Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
34 모든 높은 것을 낮게 보고 모든 교만한 것의 왕이 되느니라
Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan’ ny bibi-dia rehetra izy

< 욥기 41 >