< 욥기 33 >

1 그런즉 욥이여 내 말을 들으며 나의 모든 말에 귀를 기울이기를 원하노라
Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
2 내가 입을 여니 내 혀가 입에서 동하는구나
Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
3 내 말이 내 마음의 정직함을 나타내고 내 입술이 아는 바를 진실히 말하리라
Ny hitsim-poko no hiseho amin’ ny teniko; Ary ny fahalalan’ ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
4 하나님의 신이 나를 지으셨고 전능자의 기운이 나를 살리시느니라
Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy.
5 네가 할 수 있거든 일어서서 내게 대답하고 내 앞에 진술하라
Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
6 나와 네가 하나님 앞에서 일반이니 나도 흙으로 지으심을 입었은즉
Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga.
7 내 위엄으로는 너를 두렵게 하지 못하고 내 권세로는 너를 누르지 못하느니라
Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
8 네가 실로 나의 듣는데 말하였고 나는 네 말소리를 들었느니라 이르기를
Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ ny teninao hoe:
9 나는 깨끗하여 죄가 없고 허물이 없으며 불의도 없거늘
Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
10 하나님이 나를 칠 틈을 찾으시며 나를 대적으로 여기사
He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
11 내 발을 착고에 채우시고 나의 모든 길을 감시하신다 하였느니라
Mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
12 내가 네게 대답하리라 이 말에 네가 의롭지 못하니 하나님은 사람보다 크심이니라
He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ ny zanak’ olombelona.
13 하나님은 모든 행하시는 것을 스스로 진술치 아니하시나니 네가 하나님과 변쟁함은 어찜이뇨
Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony?
14 사람은 무관히 여겨도 하나님은 한번 말씀하시고 다시 말씀하시되
Kanefa misy fanao iray itenenan’ Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ ny olona izany,
15 사람이 침상에서 졸며 깊이 잠들 때에나 꿈에나 밤의 이상 중에
Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
16 사람의 귀를 여시고 인치듯 교훈하시나니
Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
17 이는 사람으로 그 꾀를 버리게 하려 하심이며 사람에게 교만을 막으려 하심이라
Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
18 그는 사람의 혼으로 구덩이에 빠지지 않게 하시며 그 생명으로 칼에 멸망치 않게 하시느니라
Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana.
19 혹시는 사람이 병상의 고통과 뼈가 늘 쑤심의 징계를 받나니
Anarina amin’ ny fanaintainana eo am-pandriany koa izy sy amin’ ny fikotrankotran’ ny taolany lalandava;
20 그의 마음은 식물을 싫어하고 그의 혼은 별미를 싫어하며
Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ ny fanahiny.
21 그의 살은 파리하여 보이지 아니하고 보이지 않던 뼈가 드러나서
Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
22 그의 혼이 구덩이에, 그의 생명이 멸하는 자에게 가까와지느니라
Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
23 그럴 때에 만일 일천 천사 가운데 하나가 그 사람의 해석자로 함께 있어서 그 정당히 행할 것을 보일진대
Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ ny olona,
24 하나님이 그 사람을 긍휼히 여기사 이르시기를 그를 건져서 구덩이에 내려가지 않게 하라 내가 대속물을 얻었다 하시리라
Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,
25 그런즉 그 살이 어린 아이보다 연하여져서 소년 때를 회복할 것이요
Dia ho tsara noho ny an’ ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ ny andro nahatanorany izy;
26 그는 하나님께 기도하므로 하나님이 은혜를 베푸사 그로 자기의 얼굴을 즐거이 보게 하시고 사람에게 그 의를 회복시키시느니라
Hivavaka amin’ Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ ny hafaliana, fa hampodiny amin’ ny zanak’ olombelona ny fahamarinany.
27 그가 사람 앞에서 노래하여 이르기를 내가 전에 범죄하여 시비를 바꾸었으나 내게 무익하였었구나
Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
28 하나님이 내 영혼을 건지사 구덩이에 내려가지 않게 하셨으니 내생명이 빛을 보겠구나 하리라
Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ ny fahitana ny mazava.
29 하나님이 사람에게 이 모든 일을 재삼 행하심은
Indro, izany rehetra izany no ataon’ Andriamanitra indroa amin’ ny olona, eny, intelo aza,
30 그 영혼을 구덩이에서 끌어 돌이키고 생명의 빛으로 그에게 비취려 하심이니라
Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ ny fahazavan’ aina.
31 욥이여 귀를 기울여 내게 들으라 잠잠하라 내가 말하리라
Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangìna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
32 만일 할 말이 있거든 대답하라 내가 너를 의롭게 하려 하노니 말하라
Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
33 만일 없으면 내 말을 들으라 잠잠하라 내가 지혜로 너를 가르치리라
Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.

< 욥기 33 >