< 욥기 32 >

1 욥이 스스로 의롭게 여기므로 그 세 사람의 대답이 그치매
Ary nitsahatra tsy namaly intsony izy telo lahy ireo, satria nanamarin-tena Joba.
2 람 족속 부스 사람 바라겔의 아들 엘리후가 노를 발하니 그가 욥에게 노를 발함은 욥이 하나님보다 자기가 의롭다 함이요
Ary nirehitra kosa ny fahatezeran’ i Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, avy amin’ ny fokon’ i Rama; eny, tamin’ i Joba no nirehetan’ ny fahatezerany, satria nanao ny tenany ho marina noho Andriamanitra izy.
3 또 세 친구에게 노를 발함은 그들이 능히 대답지는 못하여도 욥을 정죄함이라
Ary tamin’ ny sakaizany telo lahy koa no nirehetan’ ny fahatezerany, satria tsy nahita teny havaliny izy ireo, kanefa nanameloka an’ i Joba.
4 엘리후가 그들의 나이 자기보다 많으므로 욥에게 말하기를 참고 있다가
Ary Eliho mbola niandry an-dr’ i Joba aloha vao niteny, fa ireo no ela niainana kokoa noho izy.
5 세 사람의 입에 대답이 없음을 보고 노를 발하니라
Ary rehefa hitany fa tsy nanan-kavaly izy telo lahy, dia nirehitra ny fahatezerany;
6 부스 사람 바라겔의 아들 엘리후가 발언하여 가로되 나는 연소하고 당신들은 연로하므로 참고 나의 의견을 감히 진술치 못하였노라
ka dia niteny Eliho, zanak’ i Barakela, Bozita, ka nanao hoe: Mbola tanora aho, fa ianareo kosa efa fotsy volo, koa dia niaoriandriana aho aloha, fa tsy sahy nanambara aminareo izay fantatro.
7 내가 말하기를 날이 많은 자가 말을 낼 것이요 해가 오랜 자가 지혜를 가르칠 것이라 하였으나
Hoy izaho: Aoka ny fahanterana no hiteny, ary aoka ny hamaroan’ ny taona no hampianatra fahendrena.
8 사람의 속에는 심령이 있고 전능자의 기운이 사람에게 총명을 주시나니
Kanefa ny fanahy izay ao anatin’ ny zanak’ olombelona sy ny fofonoin’ ny Tsitoha no mahahendry azy.
9 대인이라고 지혜로운 것이 아니요 노인이라고 공의를 깨닫는 것이 아니라
Tsy dia ny fahalehibiazana no mahahendry, ary tsy dia ny fahanterana no ahalalana ny rariny;
10 그러므로 내가 말하노니 내 말을 들으라 나도 내 의견을 보이리라
Ary noho izany dia hoy izaho: Aoka samy hihaino ahy; Izaho koa mba hanambara izay fantatro.
11 내가 당신들의 말을 기다렸고 당신들이 할 말을 합당하도록 하여보는 동안에 그 변론에 내 귀를 기울였더니
Indro, niandry ny teninareo aho, ary nandinika ny teny nalahatrareo, mandra-pihevitrareo izay holazaina;
12 자세히 들은즉 당신들 가운데 욥을 꺾어 그 말을 대답하는 자가 없도다
Eny, nihaino dia nihaino anareo aho, fa he! tsy nisy naharesy lahatra an’ i Joba ianareo, na nahavaly ny teniny akory;
13 당신들이 혹시라도 말하기를 우리가 지혜를 깨달았었구나 그를 이길 자는 하나님이시요 사람이 아니라 하지 말지니라
Fandrao ianareo hanao hoe: Hitanay ny fotony: Andriamanitra no maharesy azy, fa tsy olona.
14 그가 내게 말을 내지 아니하였으니 나도 당신들의 말처럼 그에게 대답지 아니하리라
Tsy nandaha-teny hamely ahy anefa izy; Ary tsy araka ny teninareo no havaliko azy.
15 그들이 놀라서 다시 대답하지 못하니 할 말이 없음이로구나
Very hevitra terỳ izy ireo, ka tsy namaly intsony; Efa nanalavitra azy ny teny.
16 그들이 말이 없이 가만히 서서 다시 대답지 아니한즉 내가 어찌 더 기다리랴
Hangina va aho, raha tsy miteny izy ireo, fa mijanona foana izy ka tsy mamaly intsony?
17 나도 내 본분대로 대답하고 나도 내 의향을 보이리니
Anjarako kosa izao, koa dia hamaly aho; Eny, izaho hanambara izay fantatro;
18 내게 말이 가득하고 내 심령이 나를 강박함이니라
Fa feno teny ny foko; Manery ahy ny fanahy ato anatiko.
19 보라 내 가슴은 봉한 포도주 같고 새 가죽 부대가 터지게 됨 같구나
Endrey! ny ato anatiko dia efa tahaka ny divay izay tsy misy hiainana, efa ho triatra tahaka ny siny hoditra vaovao izy.
20 내가 말을 발하여야 시원할 것이라 내 입을 열어 대답하리라
Hiteny aho mba hisy hiainako tsara; Hiloa-bava aho ka hamaly.
21 나는 결코 사람의 낯을 보지 아니하며 사람에게 아첨하지 아니하나니
Aoka tsy hizaha tavan’ olona akory aho, ary aoka tsy handrobo olona.
22 이는 아첨할 줄을 알지 못함이라 만일 그리하면 나를 지으신 자가 속히 나를 취하시리로다
Fa tsy mba mahay mandrobo aho; Raha izany, dia halain’ ny Mpanao ahy faingana aho.

< 욥기 32 >