< 욥기 31 >

1 내가 내 눈과 언약을 세웠나니 어찌 처녀에게 주목하랴
Efa nampanekeko ny masoko; Koa hataoko ahoana indray no fijery zazavavy?
2 그리하면 위에 계신 하나님의 내리시는 분깃이 무엇이겠으며 높은 곳에서 전능자의 주시는 산업이 무엇이겠느냐
Fa raha izany, dia inona no anjara avy amin’ Andriamanitra any ambony. Sy lova avy amin’ ny Tsitoha any amin’ ny avo?
3 불의자에게는 환난이 아니겠느냐 행악자에게는 재앙이 아니겠느냐
Moa tsy loza va no manjo ny ratsy fanahy? Ary tsy fahoriana va no mahazo ny mpanao ratsy?
4 그가 내 길을 감찰하지 아니하시느냐 내 걸음을 다 세지 아니하시느냐
Moa tsy Andriamanitra va no mijery ny lalako ka manisa ny diako rehetra?
5 언제 나의 행위가 허탄하였으며 내 발이 궤휼에 빨랐던가
Raha tàhiny nandeha tamin’ ny fitaka aho na niezaka tamin’ ny fahafetsena.
6 그리하였으면 내가 공평한 저울에 달려서 하나님이 나의 정직함을 아시게 되기를 원하노라
(Enga anie ka holanjain’ Andriamanitra eo amin’ ny mizanan’ ny fahamarinana aho! Dia ho fantany ny tsi-fananako tsiny);
7 언제 내 걸음이 길에서 떠났던가 내 마음이 내 눈을 따라갔던가 내 손에 더러운 것이 묻었던가
Raha tàhiny nivily niala tamin’ ny lalana ny diako, na nanaraka ny masoko ny foko, na nisy tsiny niraikitra tamin’ ny tanako:
8 그리하였으면 나의 심은 것을 타인이 먹으며 나의 소산이 뿌리까지 뽑히는 것이 마땅하니라
Dia aoka hamafy aho, fa olon-kafa no hihinana, ary aoka ho fongotra izay amboleko.
9 언제 내 마음이 여인에게 유혹되어 이웃의 문을 엿보아 기다렸던가
Raha tahìny adala tamin’ ny vadin’ olona ny foko, ka namitsaka teo am-baravaran’ ny namako aho,
10 그리하였으면 내 처가 타인의 매를 돌리며 타인이 더불어 동침하는 것이 마땅하니라
Dia aoka kosa ny vadiko halain’ ny sasany, ary aoka olon-kafa no handry aminy.
11 이는 중죄라 재판장에게 벌받을 악이요
Fa fahavetavetana izany, eny, heloka tokony hotsarain’ ny mpitsara;
12 멸망하도록 사르는 불이라 나의 모든 소산을 뿌리까지 없이할 것이니라
Fa afo mandevona hatrany amin’ ny fandringanana izany ka hanongotra ny vokatro rehetra.
13 남종이나 여종이 나로 더불어 쟁변할 때에 내가 언제 그의 사정을 멸시하였던가
Raha tàhiny aho nandà ny rariny izay an’ ny ankizilahiko na ny ankizivaviko, raha nifamaly tamiko izy,
14 그리하였으면 하나님이 일어나실 때에는 내가 어떻게 하겠느냐 하나님이 국문하실 때에는 내가 무엇이라 대답하겠느냐
Dia inona no hataoko, raha hitsangana Andriamanitra? Ary ahoana no havaliko Azy, raha handinika Izy?
15 나를 태 속에 만드신 자가 그도 만들지 아니하셨느냐 우리를 뱃 속에 지으신 자가 하나가 아니시냐
Fa moa tsy Izay nanao ahy tany an-kibo ihany va no nanao azy koa? Ary tsy Iray ihany va no namorona anay tany am-bohoka?
16 내가 언제 가난한 자의 소원을 막았던가 과부의 눈으로 실망케 하였던가
Raha tàhiny aho nandà Izay nirin’ ny malahelo ka nahapahina ny mason’ ny mpitondratena,
17 나만 홀로 식물을 먹고 고아에게 먹이지 아니하였던가
Na nihinana ny sombin-kaniko irery, ka tsy mba nihinanan’ ny kamboty
18 실상은 내가 젊었을 때부터 고아를 기르기를 그의 아비처럼 하였으며 내가 모태에서 나온 후로 과부를 인도하였었노라
(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
19 내가 언제 사람이 의복이 없이 죽게 된 것이나 빈궁한 자가 덮을것이 없는 것을 보고도
Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
20 나의 양털로 그 몸을 더웁게 입혀서 그로 나를 위하여 복을 빌게하지 아니하였던가
Koa tsy nankasitraka ahy ny tenany, ary tsy nanafàna azy ny volon’ ondriko;
21 나를 도와주는 자가 성문에 있음을 보고 내가 손을 들어 고아를 쳤던가
Raha tahìny aho naninjitra ny tanako hampahory ny kamboty, saingy hitako fa nisy niandany tamiko teo am-bavahady:
22 그리하였으면 내 어깨가 어깨뼈에서 떨어지고 내 팔 뼈가 부러짐이 마땅하니라
Dia aoka ny foto-tsandriko hitsoaka hiala amin’ ny rangomainako, eny, aoka ny sandriko ho latsaka hiala amin’ ny taolam-panaviko.
23 나는 하나님의 재앙을 심히 두려워하고 그 위엄을 인하여 아무 것도 할 수 없느니라
Fa mampahatahotra ahy ny loza avy amin’ Andriamanitra, ka tsy mahavita na inona na inona aho noho ny fahalehibiazany.
24 내가 언제 금으로 내 소망을 삼고 정금더러 너는 내 의뢰하는 바라 하였던가
Raha tàhiny aho nanao ny volamena ho fanantenako, na nanonona ny volamena tsara hoe: Ry tokiko ô;
25 언제 재물의 풍부함과 손으로 얻은 것이 많음으로 기뻐하였던가
Raha tàhiny ho nifaly noho ny haben’ ny fananako sy noho ny nahazoan’ ny tanako harena betsaka;
26 언제 태양의 빛남과 달의 명랑하게 운행되는 것을 보고
Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ ny fangarangarany izy,
27 내 마음이 가만히 유혹되어 손에 입맞추었던가
Ka voafitaka mangingina ny foko, ary nanoroka ny tanako ny vavako
28 이 역시 재판장에게 벌 받을 죄악이니 내가 그리하였으면 위에 계신 하나님을 배반한 것이니라
(Dia heloka hanamelohan’ ny mpitsara koa izany; Fa ho nihatsaravelatsihy tamin’ Andriamanitra Izay any ambony aho);
29 내가 언제 나를 미워하는 자의 멸망을 기뻐하였으며 그의 재앙 만남을 인하여 기운을 뽐내었던가
Raha tàhiny aho nifaly noho ny loza nanjo izay nankahala ahy, na nibitabitaka, raha nozoim-pahoriana izy
30 실상은 내가 그의 죽기를 구하는 말로 저주하여 내 입으로 범죄케 아니하였느니라
(Tsia, fa tsy navelako hanota akory ny vavako hangataka ozona hanjo azy);
31 내 장막 사람의 말이 주인의 고기에 배부르지 않은 자가 어디 있느뇨 하지 아니하였었는가
Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ ny henany?
32 나그네로 거리에서 자게 하지 아니하고 내가 행인에게 내 문을 열어 주었었노라
Ny vahiny aza tsy nandry teny ala-trano; Fa novohako ny varavarako manatrika ny lalana;
33 내가 언제 큰 무리를 두려워하며 족속의 멸시를 무서워함으로 잠잠하고 문에 나가지 아니하여 타인처럼 내 죄악을 품에 숨겨 허물을 가리었었던가
Raha tàhiny aho mba nanarona ny fahadisoako tahaka an’ i Adama ka nanafina ny heloko tato an-tratrako,
34 상동
Satria nampihorohoro ny foko ny vahoaka maro be, ary natahotra aho, fandrao hamavoin’ ny fokon’ olona, ka dia namitsaka, fa tsy sahy nivoaka ny varavarana
35 누구든지 나의 변백을 들을지니라 나의 서명이 여기 있으니 전능자가 내게 대답하시기를 원하노라 내 대적의 기록한 소송장이 내게 있었으면
Enga anie ka hisy hihaino ahy! Indro ny soniako! Enga anie ka hamaly ahy ny Tsitoha! Indro ny taratasy voasoratr’ ilay manana ady amiko!
36 내가 어깨에 메기도 하고 면류관처럼 머리에 쓰기도 하며
Hataoko eny an-tsoroko tokoa izany ary hafehiko amiko ho satro-boninahitra.
37 내 걸음의 수효를 그에게 고하고 왕족처럼 그를 가까이 하였으리라
Ny isan’ ny diako dia hambarako aminy, ary tahaka ny fanakon’ ny zanak’ andriana no hanatonako Azy.
38 언제 내 토지가 부르짖어 나를 책망하며 그 이랑이 일시에 울었던가
Raha tàhiny mitaraina hiampanga ahy ny taniko, ka miara-mitomany ny vavasako;
39 언제 내가 값을 내지 않고 그 소산물을 먹고 그 소유주로 생명을 잃게 하였던가
Raha tàhiny aho nihinana ny vokatra, nefa tsy nandoa ny vidiny. Na nanao izay hahafaty ny ain’ ny tompony:
40 그리하였으면 밀 대신에 찔레가 나고 보리 대신에 잡풀이 나는 것이 마땅하니라 하고 욥의 말이 그치니라
Dia aoka ny tsilo no haniry hisolo ny vary tritika. Ary ny ahi-dratsy hisolo ny vary hordea. Tapitra ny tenin’ i Joba.

< 욥기 31 >