< 욥기 26 >

1 욥이 대답하여 가로되
Dia namaly Joba ka nanao hoe:
2 네가 힘 없는 자를 참 잘 도왔구나 기력 없는 팔을 참 잘 구원하였구나
Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy!
3 지혜 없는 자를 참 잘 가르쳤구나 큰 지식을 참 잘 나타내었구나
Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka!
4 네가 누구를 향하여 말을 내었느냐 뉘 신이 네게서 나왔느냐
Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin’ izay no nivoaka avy tao aminao?
5 음령들이 큰 물과 수족 밑에서 떠나니
Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin’ ny rano sy any ambanin’ ny mponina any.
6 하나님 앞에는 음부도 드러나며 멸망의 웅덩이도 가리움이 없음 이니라 (Sheol h7585)
Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra. (Sheol h7585)
7 그는 북편 하늘을 허공에 펴시며 땅을 공간에 다시며
Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin’ ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin’ ny tsy misy.
8 물을 빽빽한 구름에 싸시나 그 밑의 구름이 찢어지지 아니하느니라
Fonosiny amin’ ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin’ ny rahona tsy mety triatra.
9 그는 자기의 보좌 앞을 가리우시고 자기 구름으로 그 위에 펴시며
Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin’ ny amelarany ny rahony hanarona azy.
10 수면에 경계를 그으셨으되 빛과 어두움의 지경까지 한정을 세우셨느니라
Asiany faritra manodidina eny ambonin’ ny rano. Hatramin’ izay ihaonan’ ny mazava sy ny maizina.
11 그가 꾸짖으신즉 하늘 기둥이 떨며 놀라느니라
Ny andrin’ ny lanitra nihozongozona sady ankona amin’ ny teny mafy ataony.
12 그는 권능으로 바다를 흉용케 하시며 지혜로 라합을 쳐서 파하시며
Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba;
13 그 신으로 하늘을 단장하시고 손으로 날랜 뱀을 찌르시나니
Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.
14 이런 것은 그 행사의 시작점이요 우리가 그에게 대하여 들은 것도 심히 세미한 소리뿐이니라 그 큰 능력의 우뢰야 누가 능히 측량하랴
Indro, ireny dia vao ny sisintsisin’ ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?

< 욥기 26 >