< 예레미야 5 >

1 너희는 예루살렘 거리로 빨리 왕래하며 그 넓은 거리에서 찾아보고 알라 너희가 만일 공의를 행하며 진리를 구하는 자를 한 사람이라도 찾으면 내가 이 성을 사하리라
Miveziveze eny an-dalamben’ i Jerosalema ianareo, ka izahao sy fantaro ary tadiavo ao an-kalalahana, fa raha mba misy olona hitanareo, izay manao ny marina sy mitady ny hitsiny, dia havelako ny helok’ i Jerosalema.
2 그들이 여호와의 사심으로 맹세할지라도 실상은 거짓 맹세니라
Ary na dia misy aza manao hoe: Raha velona koa Jehovah, dia entiny mianian-tsy tò izany.
3 여호와여 주의 눈이 성실을 돌아보지 아니하시나이까 주께서 그들을 치셨을지라도 그들이 아픈줄을 알지 못하며 그들을 거진 멸하셨을지라도 그들이 징계를 받지 아니하고 그 얼굴을 반석보다 굳게하여 돌아오기를 싫어하므로
Jehovah ô, tsy mijery ny toe-panahy mahatoky va ny masonao? Namely azy Hianao, nefa tsy nahatsiaro naharary izy; Nandany azy Hianao, nefa tsy nety nino anatra izy; Nohamafisiny mihoatra noho ny harambato ny tarehiny, tsy nety niverina izy.
4 내가 말하기를 이 무리는 비천하고 우준한 것 뿐이라 여호와의 길, 자기 하나님의 법을 알지 못하니
Ka dia hoy izaho: Olona ambany ireto; Adala izy fa tsy mahalala ny lalan’ i Jehovah, na ny fitsipik’ Andriamaniny;
5 내가 귀인들에게 가서 그들에게 말하리라 그들은 여호와의 길, 자기 하나님의 법을 안다 하였더니 그들도 일제히 그 멍에를 꺾고 결박을 끊은지라
Handeha ho any amin’ ny lehibe aho lahy ka hiteny aminy, fa ireny dia mahalala ny lalan’ i Jehovah sy ny fitsipik’ Andriamaniny; Kanjo ireny koa aza dia samy efa nanapaka zioga sy nanito fatorana.
6 그러므로 수풀에서 나오는 사자가 그들을 죽이며 사막의 이리가 그들을 멸하며 표범이 성읍들을 엿보온즉 그리로 나오는 자마다 찢기오리니 이는 그들의 허물이 많고 패역이 심함이니이다
Koa noho izany dia mamely azy ny liona avy any an’ ala, ary mandringana azy ny amboadia avy any an-efitra, ny leoparda miandry hamely ny tanànany, ka izay rehetra mivoaka avy ao dia viraviraina; Fa efa maro ny fahadisoany, ary fatratra ny fiodinany.
7 내가 어찌 너를 사하겠느냐 네 자녀가 나를 버리고 신이 아닌 것들로 맹세하였으며 내가 그들을 배불리 먹인즉 그들이 행음하며 창기의 집에 허다히 모이며
Koa nahoana Aho no hamela ny helokao? Efa nahafoy Ahy ny zanakao ka efa nianiana tamin’ izay tsy Andriamanitra; Efa nampianianiko izy, nefa nijangajanga ihany ka nirohitra niditra tao an-tranon’ ny vehivavy janga.
8 그들은 살지고 두루 다니는 수 말 같이 각기 이웃의 아내를 따라 부르짖는도다
Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin’ izay tiany, samy naneno tamin’ ny vadin’ ny namany avy.
9 나 여호와가 이르노라 내가 어찌 이 일들을 인하여 벌하지 아니하겠으며 내 마음이 이런 나라에 보수하지 않겠느냐?
Tsy hovaliako va izy amin’ izany? hoy Jehovah; Ary tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
10 너희는 그 성벽에 올라가 훼파하되 다 훼파하지 말고 그 가지만 꺾어버리라 여호와의 것이 아님이니라
Miakara eo amin’ ny mandany ianareo, ka mameleza, nefa aza dia levonina avokoa izy; Esory ny sakeliny, satria tsy an’ i Jehovah izy.
11 나 여호와가 말하노라 이스라엘 족속과 유다 족속이 내게 심히 패역하였느니라
Fa efa nivadika tamiko mihitsy ny taranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda, hoy Jehovah.
12 그들이 여호와를 인정치 아니하며 말하기를 여호와는 계신 것이 아닌즉 재앙이 우리에게 임하지 않을 것이요 우리가 칼과 기근을 보지 아니할 것이며
Nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;
13 선지자들은 바람이라 말씀이 그들의 속에 있지 아니한즉 그같이 그들이 당하리라 하느니라
Ny mpaminany dia hanjary rivotra, ary tsy ao am-pony Ilay miteny; Eny, izany no hanjo azy.
14 그러므로 만군의 하나님 여호와가 이같이 말하노라 그들이 이말을 하였은즉 볼지어다! 내가 네 입에 있는 나의 말로 불이 되게 하고 이 백성으로 나무가 되게 하리니 그 불이 그들을 사르리라
Koa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny maro. Noho ny nanaovanareo izany teny izany, indro, hataoko afo ny teniko izay eo am-bavanao, ary ity firenena ity ho kitay hazo ka holevoniny.
15 나 여호와가 말하노라 이스라엘 족속아! 보라 내가 한 나라를 원방에서 너희에게로 오게 하리니 곧 강하고 오랜 나라이라 그 방언을 네가 알지 못하며 그 말을 네가 깨닫지 못하느니라
Indro, efa hitondra firenena avy lavitra Aho hamely anareo, ry taranak’ Isiraely, hoy Jehovah, dia firenena mateza hery, Firenena hatry ny ela, Firenena izay tsy fantatrao ny fiteniny, ka tsy ho azonao izay lazainy.
16 그 전통은 열림 묘실이요 그 사람들은 다 용사라
Ny tranon-jana-tsipìkany dia tahaka ny fasana misokatra; Izy rehetra dia samy lehilahy mahery avokoa.
17 그들이 네 자녀들의 먹을 추수 곡물과 양식을 먹으며 네 양떼와 소떼를 먹으며 네 포도나무와 무화과나무 열매를 먹으며 네가 의뢰하는 견고한 성들을 칼로 파멸하리라
Ary hohaniny ny vokatrao sy ny haninao, hohaniny ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy, hohaniny ny ondry aman’ osinao sy ny ombinao, hohaniny ny voalobokao sy ny aviavinao, sady horavany amin’ ny sabatra ny tanàna mimanda izay itokianao.
18 나 여호와가 말하노라 그 때에도 내가 너희를 진멸치는 아니하리라
Nefa na dia amin’ izany andro izany aza, hoy Jehovah, tsy dia holevoniko avokoa ianareo.
19 그들이 만일 이르기를 우리 하나님 여호와께서 어찌하여 이 모든 일을 우리에게 행하셨느뇨 하거든 너는 그들에게 이르기를 너희가 여호와를 버리고 너희 땅에서 이방 신들을 섬겼은즉 이와 같이 너희 것이 아닌 땅에서 이방인들을 섬기리라 하라
Ary raha hoy izy: Nahoana Jehovah Andriamanitsika no dia nanao izany rehetra izany tamintsika? Dia hovalianao hoe: Toy ny nahafoizanareo Ahy sy ny nanompoanareo andriamani-kafa teo amin’ ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ ny tany izay tsy anareo.
20 너는 이를 야곱 집에 선포하며 유다에 공포하여 이르기를
Ambarao ao amin’ ny taranak’ i Jakoba, ary torio ao amin’ ny Joda hoe:
21 우준하여 지각이 없으며 눈이 있어도 보지 못하며 귀가 있어도 듣지 못하는 백성이여, 이를 들을지어다
Henoy izao, ry firenena adala sady tsy manan-tsaina, izay mana-maso, fa tsy mahita, ary manan-tsofina, fa tsy mandre:
22 여호와께서 말씀하시되 너희가 나를 두려워 아니하느냐? 내 앞에서 떨지 아니하겠느냐 내가 모래를 두어 바다의 계한을 삼되 그것으로 영원한 계한을 삼고 지나치지 못하게 하였으므로 파도가 흉용하나 그것을 이기지 못하며 뛰노나 그것을 넘지 못하느니라
Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin’ ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.
23 그러나 너희 백성은 배반하며 패역하는 마음이 있어서 이미 배반하고 갔으며
Fa ity firenena ity dia manana fo maditra sy miodina; Mihodìna izy ka lasa,
24 또 너희 마음으로 우리에게 이른 비와 늦은 비를 때를 따라 주시며 우리를 위하여 추수 기한을 정하시는 우리 하나님 여호와를 경외하자 말하지도 아니하니
Ary tsy manao anakampo akory hoe: Aoka isika hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitsika, izay mandatsaka ranonorana, dia ny loha-orana sy ny fara-orana amin’ ny fotoany avy; Ary ireo herinandro voatendry ho amin’ ny fararano dia tandremany ho antsika.
25 너희 허물이 이러한 일들을 물리쳤고 너희 죄가 너희에게 오는 좋은것을 막았느니라
Ny helokareo no nampiala izany, ary ny fahotanareo no misakana ny soa tsy ho azonareo.
26 내 백성 너희 중에 악인이 있어서 새 사냥군의 매복함같이 지키며 덫을 놓아 사람을 잡으며
Fa misy hita fa ratsy fanahy ny oloko; Mamitsaka sy mijoko toy ny mpamandri-borona izy, mamela-pandrika izy, ka olona no azony.
27 조롱에 새들이 가득함같이 너희 집들에 속임이 가득하도다 그러므로 너희가 창대하고 거부가 되어
Toy ny tranom-borona feno vorona no mahafeno fitaka ny tranony; Ary noho izany dia tonga lehibe sy mpanankarena izy.
28 살지고 윤택하며 또 행위가 심히 악하여 자기 이익을 얻으려고 송사 곧 고아의 송사를 공정히 하지 아니하며 빈민의 송사를 공평히 판결치 아니하니
Efa mihatavy izy ka mandimandina, dia mihoa-pampana amin’ ny fanaovan-dratsy; Tsy mety mitsara ady mba hahazoan’ ny kamboty ny rariny izy, ary ny adin’ ny malahelo tsy mba tsarainy.
29 내가 이 일들을 인하여 벌하지 아니하겠으며 내 마음이 이같은 나라에 보수하지 않겠느냐 여호와의 말이니라
Tsy hovaliako amin’ izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
30 이 땅에 기괴하고 놀라운 일이 있도다
Zava-mahagaga sy mahatsiravina no atao eo amin’ ny tany;
31 선지자들은 거짓을 예언하며 제사장들은 자기 권력으로 다스리며 내 백성은 그것을 좋게 여기니 그 결국에는 너희가 어찌 하려느냐
Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona: manapaka araka izay atoron’ ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any am-parany?

< 예레미야 5 >