< 예레미야 36 >

1 유다 왕 요시야의 아들 여호야김 사 년에 여호와께로서 예레미야에게 말씀이 임하니라 가라사대
Ary tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah izao teny izao hoe:
2 너는 두루마리 책을 취하여 내가 네게 말하던 날 곧 요시야의 날부터 오늘까지 이스라엘과 유다와 열방에 대하여 나의 네게 이른 모든 말을 그것에 기록하라
Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin’ izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin’ ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin’ ny andro nilazako taminao dia hatramin’ ny andron’ i Josia ka mandraka androany.
3 유다 족속이 내가 그들에게 내리려한 모든 재앙을 듣고 각기 악한 길에서 돌이킬듯 하니라 그리하면 내가 그 악과 죄를 사하리라
Angamba hoheverin’ ny taranak’ i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin’ ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.
4 이에 예레미야가 네리야의 아들 바룩을 부르매 바룩이 예레미야의 구전대로 여호와께서 그에게 이르신 모든 말씀을 두루마리 책에 기록하니라
Ary Jeremia niantso an’ i Baroka, zanak’ i Neria, ary dia nosoratan’ i Baroka tamin’ ny horonan-taratasy ny tenin’ i Jehovah rehetra avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.
5 예레미야가 바룩을 명하여 가로되 나는 감금을 당한지라 여호와의 집에 들어갈 수 없은즉
Ary Jeremia nandidy an’ i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon’ i Jehovah;
6 너는 들어가서 나의 구전대로 두루마리에 기록한 여호와의 말씀을 금식일에 여호와의 집에 있는 백성의 귀에 낭독하고 유다 모든 성에서 온 자들의 귀에도 낭독하라
fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan’ ny vahoaka ao an-tranon’ i Jehovah amin’ ny andro fifadiankanina ny tenin’ i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin’ ny vavako, ary vakio eo anatrehan’ ny Joda rehetra izay tonga avy any amin’ ny tanànany koa.
7 그들이 여호와앞에 기도를 드리며 각기 악한 길을 떠날듯 하니라 여호와께서 이 백성에 대하여 선포하신 노와 분이 크니라
Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan’ i Jehovah, ka dia samy hiala amin’ ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain’ i Jehovah ny amin’ ity firenena ity.
8 네리야의 아들 바룩이 무릇 선지자 예레미야의 자기에게 명한대로하여 여호와의 집에서 책에 있는 여호와의 말씀을 낭독하니라
Ary Baroka, zanak’ i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian’ i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin’ i Jehovah tamin’ ny taratasy teo an-tranon’ i Jehovah.
9 유다 왕 요시야의 아들 여호야김의 오년 구월에 예루살렘 모든 백성과 유다 성읍들에서 예루살렘에 이른 모든 백성이 여호와 앞에서 금식을 선포한지라
Fa tamin’ ny volana fahasivy tamin’ ny taona fahadimy manjakan’ i Joiakima, zanak’ i Josia, mpanjakan’ ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan’ i Jehovah izy tamin’ ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin’ ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin’ ny tanànan’ ny Joda.
10 바룩이 여호와의 집 윗뜰 곧 여호와의 집 새문 어귀의 곁에 있는 사반의 아들 서기관 그마랴의 방에서 그 책에 있는 예레미야의 말을 낭독하여 모든 백성에게 들리니라
Dia novakin’ i Baroka teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah ny tenin’ i Jeremia tamin’ ny taratasy, dia tao amin’ ny efi-tranon’ i Gemaria, zanak’ i Safana mpanoratra, teo amin’ ny kianja ambony, teo anoloan’ ny vavahady vaovao amin’ ny tranon’ i Jehovah.
11 사반의 손자요 그마랴의 아들인 미가야가 그 책에 있는 여호와의 말씀을 다 듣고
Ary nony ren’ i Mikaia, zanak’ i Gemaria, zanak’ i Safana, ny tenin’ i Jehovah rehetra tamin’ ny boky,
12 왕궁에 내려가서 서기관의 방에 들어가니 모든 방백 곧 서기관 엘리사마와 스마야의 아들 들라야와 악볼의 아들 엘라단과 사반의 아들 그마랴와 하나냐의 아들 시드기야와 모든 방백이 거기 앉았는지라
dia nidina nankany amin’ ny tranon’ ny mpanjaka izy ka nankao amin’ ny efi-tranon’ ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak’ i Semaia, sy Elnatana zanak’ i Akbora, sy Gemaria, zanak’ i Safana, sy Zedekia, zanak’ i Hanania, mbamin’ ny mpanapaka rehetra.
13 미가야가 바룩의 백성의 귀에 책을 낭독할 때에 들은 모든 말로 그들에게 고하매
Dia nambaran’ i Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin’ ny namakian’ i Baroka ny taratasy teo anatrehan’ ny vahoaka.
14 이에 모든 방백이 구시의 증손 셀레먀의 손자 느다냐의 아들 여후디를 바룩에게 보내어 이르되 너는 백성의 귀에 낭독한 두루마리를 손에 가지고 오라 네리야의 아들 바룩이 두루마리를 손에 가지고 그들에게로 가매
Dia nirahin’ ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak’ i Netania, zanak’ i Selemia, zanak’ i Kosy, ho any amin’ i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan’ ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin’ i Baroka, zanak’ i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.
15 그들이 바룩에게 이르되 앉아서 이를 귀에 낭독하라 바룩이 그들 귀에 낭독하매
Ary hoy izy Ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin’ i Baroka teo anatrehany.
16 그들이 그 모든 말씀을 듣고 놀라서 서로 보며 바룩에게 이르되 우리가 이 모든 말을 왕에게 고하리라
Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin’ i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin’ ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
17 그들이 또 바룩에게 물어 가로되 네가 그 구전하는 이 모든 말을 어떻게 기록하였느뇨 청컨대 우리에게 이르라
Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin’ ny vavany.
18 바룩이 대답하되 그가 그 입으로 이 모든 말을 내게 베풀기로 내가 먹으로 책에 기록하였노라
Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin’ ny ranomainty.
19 이에 방백들이 바룩에게 이르되 너는 가서 예레미야와 함께 숨고 너희 있는 곳을 사람에게 알리지 말라 하니라
Dia hoy ny mpanapaka tamin’ i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.
20 그들이 두루마리를 서기관 엘리사마의 방에 두고 뜰에 들어가 왕께 나아가서 이 모든 말로 왕의 귀에 고하니
Dia niditra tao amin’ ny mpanjaka tao amin’ ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin’ ny efi-tranon’ i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan’ ny mpanjaka ny teny rehetra.
21 왕이 여후디를 보내어 두루마리를 가져오게 하매 여후디가 서기관 엘리사마의 방에서 가져다가 왕과 왕의 곁에 선 모든 방백의 귀에 낭독하니
Ary nirahin’ ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin’ ny efi-tranon’ i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin’ i Jehody teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
22 때는 구월이라 왕이 겨울 궁전에 앉았고 그 앞에는 불피운 화로가 있더라
Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin’ ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
23 여후디가 삼 편 사 편을 낭독하면 왕이 소도로 그것을 연하여 베어 화로 불에 던져서 온 두루마리를 태웠더라
Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin’ ny mpanjaka tamin’ ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon’ ny afo azy rehetra teo am-patana.
24 왕과 그 신하들이 이 모든 말을 듣고도 두려워하거나 그 옷을 찢지 아니하였고
Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.
25 엘라단과 들라야와 그마랴가 왕께 두루마리를 사르지 말기를 간구하여도 왕이 듣지 아니하였으며
Ary na dia efa nifona tamin’ ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy.
26 왕이 왕의 아들 여라므엘과 아스리엘의 아들 스라야와 압디엘의 아들 셀레먀를 명하여 서기관 바룩과 선지자 예레미야를 잡으라 하였으나 여호와께서 그들을 숨기셨더라
Ary ny mpanjaka nandidy an’ i Jeremeia, zanak’ andriana, sy Seraia, zanak’ i Azriela, ary Selemia, zanak’ i Abdela, hisambotra an’ i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin’ i Jehovah izy roa lahy.
27 왕이 두루마리와 바룩이 예레미야의 구전으로 기록한 말씀을 불사른 후에 여호와의 말씀이 예레미야에게 임하니라 가라사대
Dia tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, taorian’ ny nandoroan’ ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan’ i Baroka avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia, nanao hoe:
28 너는 다시 다른 두루마리를 가지고 유다 왕 여호야김의 불사른 첫 두루마리의 모든 말을 기록하고
Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin’ ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda.
29 또 유다 왕 여호야김에 대하여 이같이 말하기를 여호와의 말씀에 그가 이 두루마리를 불사르며 말하기를 네가 어찌하여 바벨론 왕이 정녕히 와서 이 땅을 멸하고 사람과 짐승을 이 땅에서 없어지게 하리라 하는 말을 이 두루마리에 기록하였느뇨 하도다
Ary ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin’ iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan’ i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin’ ny biby eto?
30 그러므로 나 여호와가 유다 왕 여호야김에 대하여 이같이 말하노라 그에게 다윗의 위에 앉을 자가 없게 될것이요 그 시체는 버림을 입어서 낮에는 더위, 밤에는 추위를 당하리라
Koa izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin’ ny seza fiandrianan’ i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian’ ny hainandro amin’ ny antoandro ary ny fanala amin’ ny alina.
31 또 내가 그와 그 자손과 신하들을 그들의 죄악을 인하여 벌할 것이라 내가 일찍 그들과 예루살렘 거민과 유다 사람에게 선포하였으나 그들이 듣지 아니한 그 모든 재앙을 내리리라 하셨다 하라
Ary hampijaliko izy mbamin’ ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin’ ny mponina any Jerosalema ary amin’ ny lehilahy amin’ ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.
32 이에 예레미야가 다를 두루마리를 취하여 네리야의 아들 서기관 바룩에게 주매 그가 유다 왕 여호야김의 불사른 책의 모든 말을 예레미야의 구전대로 기록하고 그 외에도 그 같은 말을 많이 더 하였더라
Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an’ i Baroka mpanoratra, zanak’ i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin’ ny vavan’ i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin’ ilay horonan-taratasy nodoran’ i Joiakima, mpanjakan’ ny Joda, tamin’ ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.

< 예레미야 36 >