< 예레미야 33 >

1 예레미야가 아직 시위대 뜰에 갇혔을 때에 여호와의 말씀이 그에게 임하니라 가라사대
Ary tonga fanindroany tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan’ ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe:
2 일을 행하는 여호와, 그것을 지어 성취하는 여호와, 그 이름을 여호와라 하는 자가 이같이 이르노라
Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;
3 너는 내게 부르짖으라! 내가 네게 응답하겠고 네가 알지 못하는 크고 비밀한 일을 네게 보이리라
Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
4 이스라엘의 하나님 여호와가 말하노라 무리가 이 성읍의 가옥과 유다 왕궁을 헐어서 갈대아인의 흉벽과 칼을 막아
Fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin’ ny trano amin’ ity tanàna ity sy ny amin’ ny lapan’ ny mpanjakan’ ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,
5 싸우려 하였으나 내가 나의 노와 분함으로 그들을 죽이고 그 시체로 이 성에 채우게 하였나니 이는 그들의 모든 악을 인하여 나의 얼굴을 가리워 이 성을 돌아보지 아니하였음이니라
Raha mandroso hiady amin’ ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin’ ny fatin’ olona, izay novonoiko tamin’ ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin’ ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra:
6 그러나 보라, 내가 이 성을 치료하며 고쳐 낫게 하고 평강과 성실함에 풍성함을 그들에게 나타낼 것이며
Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren’ ny fiadanana sy ny fahamarinana.
7 내가 유다의 포로와 이스라엘의 포로를 돌아오게 하여 그들을 처음과 같이 세울 것이며
Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin’ ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy.
8 내가 그들을 내게 범한 그 모든 죄악에서 정하게 하며 그들의 내게 범하여 행한 모든 죄악을 사할 것이라
Ary hodioviko ho afaka amin’ ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko.
9 이 성읍이 세계 열방 앞에서 내게 기쁜 이름이 될 것이며 찬송과 영광이 될 것이요 그들은 나의 이 백성에게 베푼 모든 복을 들을 것이요 나의 이 성읍에 베푼 모든 복과 모든 평강을 인하여 두려워하며 떨리라
Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
10 나 여호와가 이같이 말하노라 너희가 가리켜 말하기를 황폐하여 사람도 없고 짐승도 없다하던 여기 곧 황폐하여 사람도 없고 주민도 없고 짐승도 없던 유다 성읍들과 예루살렘 거리에서 즐거워하는 소리, 기뻐하는 소리, 신랑의 소리, 신부의 소리와 및 만군의 여호와께 감사하라, 여호와는 선하시니 그 인자하심이 영원하다
Izao no lazain’ i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin’ ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin’ ny tanànan’ ny Joda sy ao amin’ ny lalamben’ i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy
11 하는 소리와 여호와의 집에 감사제를 드리는 자들의 소리가 다시 들리리니 이는 내가 이 땅의 포로로 돌아와서 처음과 같이 되게 할 것이니라 여호와의 말이니라 (33장 10절 내용의 계속임 (10절과 11절의 내용 같음)
Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon’ ny mpampakatra sy ny feon’ ny ampakarina ary ny feon’ izay manao hoe: Miderà an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon’ i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah.
12 나 만군의 여호와가 이같이 말하노라 황폐하여 사람도 없고 짐승도 없던 이 곳과 그 모든 성읍에 다시 목자의 거할 곳이 있으리니 그 양무리를 눕게 할 것이라
Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Eto amin’ ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin’ ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan’ ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman’ osiny,
13 산지 성읍들과 평지 성읍들과 남방의 성읍들과 베냐민 땅과 예루살렘 사면과 유다 성읍들에서 양 무리가 다시 계수하는 자의 손 아래로 지나리라 여호와의 말이니라
Dia amin’ ny tanàna any amin’ ny tany havoana sy amin’ ny tanàna any amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka, ary amin’ ny tanana any amin’ ny tany atsimo sy amin’ ny tanin’ ny Benjamina sy amin’ ny manodidina an’ i Jerosalema ary amin’ ny tanànan’ ny Joda, ary ny ondry aman’ osy mbola handroso araka ny fitondran’ ny mpanisa azy, hoy Jehovah.
14 나 여호와가 말하노라 보라 내가 이스라엘 집과 유다 집에 대하여 이른 선한 말을 성취할 날이 이르리라
Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin’ ny aranak’ Isiraely sy ny taranak’ i Joda.
15 그 날 그 때에 내가 다윗에게 한 의로운 가지가 나게 하리니 그가 이 땅에 공평과 정의를 실행할 것이라
Amin’ izany andro izany sy amin’ izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an’ i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin’ ny tany Izy.
16 그 날에 유다가 구원을 얻겠고 예루살렘이 안전히 거할 것이며 그 성은 여호와 우리의 의라 일컬음을 입으리라
Amin’ izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
17 나 여호와가 이같이 말하노라 이스라엘 집 위에 앉을 사람이 다윗에게 영영히 끊어지지 아니할 것이며
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny taranak’ Isiraely;
18 내 앞에서 번제를 드리며 소제를 사르며 다른 제를 항상 드릴 레위 사람 제사장들도 끊어지지 아니하리라 하시니라
Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary fanatitra hafa alatsa-drà.
19 여호와의 말씀이 예레미야에게 임하니라 가라사대
Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
20 나 여호와가 이같이 말하노라 너희가 능히 낮에 대한 나의 약정과 밤에 대한 나의 약정을 파하여 주야로 그 때를 잃게할 수 있을진대
Izao no lazain’ i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin’ ny andro sy ny fanekeko ny amin’ ny alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin’ ny fotoany,
21 내 종 다윗에게 세운 나의 언약도 파하여 그로 그 위에 앉아 다스릴 아들이 없게 할 수 있겠으며 내가 나를 섬기는 레위인 제사장에게 세운 언약도 파할 수 있으리라
Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin’ i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin’ ny seza fiandrianany, sy ny amin’ ny Levita mpisorona, mpanompoko.
22 하늘의 만상은 셀 수 없으며 바다의 모래는 측량할 수 없나니 내가 그와 같이 내 종 다윗의 자손과 나를 섬기는 레위인을 번성케 하리라 하시니라
Toy ny hamaroan’ ny kintana eny amin’ ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin’ ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak’ i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
23 여호와의 말씀이 예레미야에게 임하니라 가라사대
Ary tonga tamin’ i Jeremia ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
24 이 백성이 말하기를 여호와께서 그 택하신 두 족속을 버리셨다 한 것을 네가 생각지 아니하느냐 그들이 내 백성을 멸시하여 자기들 앞에서 나라로 인정치 아니하도다
Tsy hitanao va izay nolazain’ ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin’ i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
25 나 여호와가 이같이 말하노라 나의 주야의 약정이 서지 아니할 수 있다든지 천지의 규례가 정한 대로 되지 아니할 수 있다 할진대
Izao no lazain’ i Jehovah: Raha tsy amin’ ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany,
26 내가 야곱과 내 종 다윗의 자손을 버려서 다시는 다윗의 자손 중에서 아브라함과 이삭과 야곱의 자손을 다스릴 자를 택하지 아니하리라 내가 그 포로된 자로 돌아오게하고 그를 긍휼히 여기리라
Dia hariako ny taranak’ i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin’ ny fahababoana izy ka hamindrako fo.

< 예레미야 33 >