< 예레미야 30 >

1 여호와께로서 말씀이 예레미야에게 임하여 이르시니라
Izao no teny tonga tamin’ i Jeremia avy tamin’ i Jehovah:
2 이스라엘의 하나님 여호와께서 이같이 일러 가라사대 내가 네게 이른 모든 말을 책에 기록하라
Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Soratinao amin’ ny boky ny teny rehetra izay efa nolazaiko taminao.
3 나 여호와가 말하노라 내가 내 백성 이스라엘과 유다의 포로를 돌이킬 때가 이르리니 내가 그들을 그 열조에게 준 땅으로 돌아 오게 할 것이라 그들이 그것을 차지하리라 여호와의 말이니라
Fa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hampodiako ny oloko, dia ny Isiraely sy ny Joda, avy amin’ ny fahababoany, hoy Jehovah; eny, hampody azy ho amin’ ny tany izay efa nomeko ny razany Aho, dia ho azy izany.
4 여호와께서 이스라엘과 유다에 대하여 하신 말씀이 이러하니라
Ary izao no teny izay nolazain’ i Jehovah ny amin’ ny Isiraely sy ny Joda,
5 여호와께서 이같이 말씀하시되 우리가 떨리는 소리를 들으니 두려움이요 평안함이 아니로다
eny, izao no lazain’ i Jehovah: Feo mampangovitra no renay; Misy tahotra, fa tsy fiadanana.
6 너희는 자식을 해산하는 남자가 있는가 물어보라 남자마다 해산하는 여인 같이 손으로 각기 허리를 짚고 그 얼굴 빛이 창백하여 보임은 어찜이뇨
Anontanionareo ka izahao, raha mba misy lehilahy mihetsi-jaza; Koa nahoana no samy hitako manery ny valahany amin’ ny tànany avy ny lehilahy rehetra hoatra ilay efa mihetsi-jaza iny, ary ny tarehy rehetra dia efa tonga hatsatra avokoa?
7 슬프다 그 날이여, 비할데 없이 크니 이는 야곱의 환난의 때가 됨이로다 마는 그가 이에서 구하여 냄을 얻으리로다
Indrisy! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy; Andro fahoriana ho an’ i Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy.
8 만군의 여호와가 말하노라 그 날에 내가 네 목에서 그 멍에를 꺾어버리며 네 줄을 끊으리니 이방인이 다시는 너를 부리지 못할 것이며
Fa amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, dia hotapahiko ny ziogany ho afaka amin’ ny vozonao sy hotosako ny fatoranao. Ary ny firenena hafa tsy hampanompo anao intsony;
9 너희는 너희 하나님 나 여호와를 섬기며 내가 너희를 위하여 일으킬 너희 왕 다윗을 섬기리라
Fa ianao hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao sy Davida Mpanjakanao, Izay hatsangako ho anao.
10 그러므로 나 여호와가 말하노라 내 종 야곱아 두려워 말라 이스라엘아 놀라지 말라 내가 너를 원방에서 구원하고 네 자손을 포로된 땅에서 구원하리니 야곱이 돌아와서 태평과 안락을 얻을 것이라 너를 두렵게 할 자가 없으리라
Koa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, hoy Jehovah; Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any lavitra ianao ary ny taranakao avy any amin’ ny tany izay nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana sy handry fahizay, ka tsy hisy hanaitaitra azy.
11 나 여호와가 말하노라 내가 너와 함께 하여 너를 구원할 것이라 내가 너를 흩었던 그 열방은 진멸한다 할지라도 너는 진멸하지 아니하리라 그러나 내가 공도로 너를 징책할 것이요 결코 무죄한자로 여기지 아니하리라
Fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah; Koa na dia levoniko aza ny firenena rehetra izay nampielezako anao, Hianao tsy mba holevoniko; Nefa kosa mba hanariko araka ny antonony ihany ianao, fa tsy dia havelako fotsiny.
12 나 여호와가 말하노라 네 상처는 고칠수 없고 네 창상은 중하도다
Fa izao no lazain’ i Jehovah: Maharary ny faharatranao, ary tsy azo sitranina ny ferinao.
13 네 송사를 변호할 자가 없고 네 상처를 싸맬 약이 없도다
Tsy misy handahatra ny teninao; Tsy manana plasitera fanasitranana hapetaka amin’ ny ferinao ianao.
14 너를 사랑하던 자가 다 너를 잊고 찾지 아니하니 이는 네 허물이 크고 네 죄가 수다함을 인하여 내가 대적의 상하게 하는 그것으로 너를 상하게 하며 잔학한 자의 징계하는 그것으로 너를 징계함이어늘
Ireo tia anao dia efa nanadino anao avokoa, tsy mba notadiaviny ianao; Fa famelin’ ny fahavalo no namelezako anao, dia ny famaizan’ ny lozabe, noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao.
15 어찌하여 네 상처를 인하여 부르짖느뇨 네 고통이 낫지 못하리라 네 죄악의 큼과 죄의 수다함을 인하여 내가 네게 이 일을 행하였느니라
Nahoana ianao no mitaraina noho ny faharatranao sy noho ny fanaintainanao izay tsy azo atsahatra? Fa noho ny habetsahan’ ny helokao sy ny hamaroan’ ny fahotanao no nanaovako izany taminao.
16 그러나 무릇 너를 먹는 자는 먹히며 무릇 너를 치는 자는 다 포로가 되며 너를 탈취하는 자는 탈취를 당하며 무릇 너를 약탈하는 자는 내가 그로 약탈을 당하게 하리라
Koa izay rehetra mihinana anao dia mba hohanina, ary izay rehetra mampahory anao dia ho lasan-ko babo, izay mamabo anao dia hobaboina, ary Izay rehetra mandroba anao dia hatolotro horobaina.
17 나 여호와가 말하노라 그들이 쫓겨난 자라 하며 찾는 자가 없는 시온이라 한즉 내가 너를 치료하여 네 상처를 낫게 하리라
Fa hotanterahiko ny fanasitranana anao, eny, hositraniko ny faharatranao, hoy Jehovah, noho ny nanaovany anao hoe: Ilay noroahina, sy hoe: Ziona tsy misy mpitady ity.
18 나 여호와가 말하노라 보라 내가 포로된 야곱의 장막들을 돌이키고 그 거하는 곳들을 긍휼히 여길 것이라 그 성읍은 자기 산에 중건 될 것이요 그 궁궐은 본래대로 거하는 곳이 될 것이며
Izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hampodiko avy amin’ ny fahababoana ny lain’ i Jakoba, ary ny fonenany dia hamindrako fo; ka ny tanàna dia haorina ao amin’ ny havoany, ary ny lapan’ andriana hitoetra ao amin’ izay mahamety azy.
19 감사하는 소리와 즐거워하는 자의 목소리가 그 중에서 나오리라 내가 그들을 번성케 하리니 쇠잔치 아니하겠고 내가 그들을 영화롭게 하리니 비천하지 아니하겠으며
Ary hisy fisaorana sy feon’ ny mifaly avy ao; Dia hahamaro azy Aho, ka tsy ho vitsy izy, sady hanome voninahitra azy Aho, ka tsy ho ambany izy.
20 그 자손은 여전하겠고 그 회중은 내 앞에 굳게 설 것이며 무릇 그를 압박하는 자는 내가 다 벌하리라
Ny zanany koa ho tahaka ny tany aloha, ary ny fiangonany hampitoerina eo anatrehako, dia hovaliako izay rehetra mampahory azy.
21 그 왕은 그 본족에게서 날 것이요 그 통치자는 그들 중에서 나올 것이며 내가 그를 가까이 오게 하므로 그가 내게 접근하리라 그렇지 않고 담대히 내게 접근할 자가 누구뇨 여호와의 말이니라
Ary ilay malazany dia ho avy ao aminy ihany, ary ny mpanapaka azy dia ho avy ao aminy ihany koa; Ary hampanakaiky azy Aho, ka dia hanatona Ahy izy, fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy? hoy Jehovah.
22 너희는 내 백성이 되겠고 나는 너희 하나님이 되리라!
Ary ianareo ho oloko, ary Izaho ho Andriamanitrareo.
23 보라, 여호와의 노가 발하여 폭풍과 회리바람처럼 악인의 머리를 칠 것이라
He! ny tadion’ i Jehovah! Mivoaka ny fahatezerana sy ny tadio mitambolimbolina ka miantonta amin’ ny lohan’ ny ratsy fanahy.
24 나 여호와의 진노는 내 마음의 뜻한 바를 행하여 이루기까지는 쉬지 아니하나니 너희가 말일에 그것을 깨달으리라
Ny firehetan’ ny fahatezeran’ i Jehovah tsy ho afaka ambara-panefany sy ambara-panatanterany ny hevitry ny fony; Mbola ho fantatrareo marimarina izany any am-parany.

< 예레미야 30 >