< 이사야 58 >

1 크게 외치라! 아끼지 말라! 네 목소리를 나팔 같이 날려 내 백성에게 허물을, 야곱 집에 그 죄를 고하라
Ezaho ny fiantsonao, fa aza atao malemy, Asandrato ny feonao ho tahaka ny an’ ny anjomara, ka ambarao amin’ ny oloko ny fahadisoany Ary amin’ ny taranak’ i Jakoba ny fahotany;
2 그들이 날마다 나를 찾아 나의 길 알기를 즐거워함이 마치 의를 행하여 그 하나님의 규례를 폐하지 아니하는 나라 같아서 의로운 판단을 내게 구하며 하나님과 가까이 하기를 즐겨하며
Nefa Izaho mbola tadiaviny ihany isan’ andro isan’ andro, ary ny hahalala ny lalako no sitrany. Tahaka ny firenena efa nanao ny marina ka tsy nahafoy ny fitsipik’ Andriamaniny no fanontaniany amiko ny fitsipiky ny fahamarinana, sy aniriany ny hihavian’ Andriamanitra.
3 이르기를 우리가 금식하되 주께서 보지 아니하심은 어찜이오며 우리가 마음을 괴롭게 하되 주께서 알아주지 아니하심은 어찜이니이까 하느니라 보라 너희가 금식하는 날에 오락을 찾아 얻으며 온갖 일을 시키는도다
Nahoana izahay no mifady, hoy izy, nefa tsy hitanao? Ary nahoana izahay no mampahory ny tenanay, nefa tsy ahoanao? Indro fa amin’ ny andro fifadianareo aza dia mbola ny tianareo ihany no ataonareo, ary ny mpiasa rehetra ao aminareo dia ampahorinareo.
4 보라, 너희가 금식하면서 다투며 싸우며 악한 주먹으로 치는도다 너희의 오늘 금식하는 것은 너희 목소리로 상달케 하려 하는 것이 아니라
Indro, ny hiady sy ny hifanditra no anton’ ny ifadianareo ary ny hamely amin’ ny totohondrin’ ny faharatsiana; Izao fifadianareo izao dia tsy andrenesana ny feonareo any amin’ ny avo.
5 이것이 어찌 나의 기뻐하는 금식이 되겠으며 이것이 어찌 사람이 그 마음을 괴롭게 하는 날이 되겠느냐 그 머리를 갈대 같이 숙이고 굵은 베와 재를 펴는 것을 어찌 금식이라 하겠으며 여호와께 열납될 날이라 하겠느냐
Moa fifadiana toy izany va no ankasitrahako? Dia andro hampahorian’ ny olona tena? Ny hampiondrika ny lohany tahaka ny zozoro sy ny hamelatra lamba fisaonana rarahan-davenona ho fandriany, moa izany va no ataonao hoe fifadiana sy andro ankasitrahan’ i Jehovah?
6 나의 기뻐하는 금식은 흉악의 결박을 풀어주며 멍에의 줄을 끌러주며 압제 당하는 자를 자유케 하며 모든 멍에를 꺾는 것이 아니겠느냐
Tsy izao va no fifadiana izay ankasitrahako: Dia ny hamaha ny famatoran’ ny faharatsiana, sy hanaboraka ny fehin’ ny zioga, sy handefa ny ampahorina ho afaka, ary hanapatapaka ny zioga rehetra?
7 또 주린 자에게 네 식물을 나눠주며 유리하는 빈민을 네 집에 들이며 벗은 자를 보면 입히며 또 네 골육을 피하여 스스로 숨지 아니하는 것이 아니겠느냐
Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?
8 그리하면 네 빛이 아침 같이 비췰 것이며 네 치료가 급속할 것이며 네 의가 네 앞에 행하고 여호와의 영광이 네 뒤에 호위하리니
Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah ho vodi-lalanao
9 네가 부를 때에는 나 여호와가 응답하겠고 네가 부르짖을 때에는 말하기를 내가 여기 있다 하리라 만일 네가 너희 중에서 멍에와 손가락질과 허망한 말을 제하여 버리고
Ary amin’ izany dia hiantso ianao, ary Jehovah hamaly; Eny, hanandratra ny feonao ianao, ary Izy hanao hoe: Inty Aho. Raha esorinao tsy ho eo aminao ny zioga sy ny fanondroan’ ny fanondro sy ny fitenenan-dratsy,
10 주린 자에게 네 심정을 동하며 괴로와하는 자의 마음을 만족케 하면 네 빛이 흑암 중에서 발하여 네 어두움이 낮과 같이 될 것이며
Ary afoinao ho an’ ny noana izay hanina tianao, ka mahavoky ny ory ianao, dia hiposaka ao amin’ ny maizina ny fahazavanao, ary ny aizim-pitonao ho tahaka ny mitataovovonana;
11 나 여호와가 너를 항상 인도하여 마른 곳에서도 네 영혼을 만족케 하며 네 뼈를 견고케 하리니 너는 물댄 동산 같겠고 물이 끊어지지 아니하는 샘 같을 것이라
Ary Jehovah hitari-dalana anao mandrakariva sady hahavoky ny fanahinao ao amin’ ny tany karankaina aza sy hampahatanjaka ny taolanao; dia ho tahaka ny saha vonton-drano ianao sy ho tahaka ny loharanao miboiboika izay tsy mety ritra.
12 네게서 날 자들이 오래 황폐된 곳들을 다시 세울 것이며 너는 역대의 파괴된 기초를 쌓으니리 너를 일컬어 무너진 데를 수보하는 자라 할 것이며 길을 수축하여 거할 곳이 되게 하는 자라 하리라
Ary izay taranakao no hanangana ny efa rava ela, ary ny naorina hatry ny fony fahagola no hamboarinao; ary ianao dia hatao hoe mpamboatra ny rava, mpamelon-dalana honenana amin’ ny tany.
13 만일 안식일에 네 발을 금하여 내 성일에 오락을 행치 아니하고 안식일을 일컬어 즐거운 날이라, 여호와의 성일을 존귀한 날이라 하여 이를 존귀히 여기고 네 길로 행치 아니하며 네 오락을 구치 아니하며 사사로운 말을 하지 아니하면
Raha miaro ny tongotrao amin’ ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masìna, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’ i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana,
14 네가 여호와의 안에서 즐거움을 얻을 것이라 내가 너를 땅의 높은 곳에 올리고 네 조상 야곱의 업으로 기르리라 여호와의 입의 말이니라
Dia hiravoravo amin’ i Jehovah ianao, ary hasandratro ao amin’ ny havoana amin’ ny tany ianao, sy hofahanako amin’ ny lovan’ i Jakoba rainao; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.

< 이사야 58 >