< 이사야 40 >

1 너희 하나님이 가라사대 너희는 위로하라 내 백성을 위로하라
Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
2 너희는 정다이 예루살렘에 말하며 그것에게 외쳐 고하라 그 복역의 때가 끝났고 그 죄악의 사함을 입었느니라 그 모든 죄를 인하여 여호와의 손에서 배나 받았느니라 할지니라
Mitoria teny soa mahafaly amin’ i Jerosalema, ka lazao aminy fa vita ny adiny, sady voavela ny helony, ary efa nandray indroa heny tamin’ ny tànan’ i Jehovah izy ho valin’ ny fahotana rehetra nataony.
3 외치는 자의 소리여 가로되 너희는 광야에서 여호와의 길을 예비하라 사막에서 우리 하나님의 대로를 평탄케 하라
Injany! misy feon’ ny miantso hoe: Manamboara lalana any an-efitra ho an’ i Jehovah, manaova lalambe any an-tany foana ho an’ Andriamanitsika.
4 골짜기마다 돋우어지며 산마다 작은 산마다 낮아지며 고르지 않은 곳이 평탄케 되며 험한 곳이 평지가 될 것이요
Aoka hasandratra ny lohasaha rehetra, Aoka haetry ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra; Aoka ny be havoana ho tonga lembalemba, ary ny tany saro-dalana ho tonga lemaka;
5 여호와의 영광이 나타나고 모든 육체가 그것을 함께 보리라 대저 여호와의 입이 말씀하셨느니라
Dia hiseho ny voninahitr’ i Jehovah, ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany; Fa ny vavan’ i Jehovah no efa niteny.
6 말하는 자의 소리여 가로되 외치라 대답하되 내가 무엇이라 외치리이이까? 가로되 모든 육체는 풀이요 그 모든 아름다움은 들의 꽃 같으니
Injany! misy miteny hoe: Miantsoa. Ary hoy izy: Ahoana anefa no antso hataoko? Ahitra ny nofo rehetra, ary ny hatsaran-tarehiny rehetra dia tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha;
7 풀은 마르고 꽃은 시듦은 여호와의 기운이 그 위에 붊이라 이 백성은 실로 풀이로다
Maina ny ahitra, malazo ny voniny, satria tsofin’ ny fofonain’ i Jehovah ireny; Eny, ahitra tokoa ny olona.
8 풀은 마르고 꽃은 시드나 우리 하나님의 말씀은 영영히 서리라 하라
Maina ny ahitra, malazo ny voniny; Fa ny tenin’ Andriamanitsika dia haharitra mandrakizay.
9 아름다운 소식을 시온에 전하는 자여 너는 높은 산에 오르라 아름다운 소식을 예루살렘에 전하는 자여 너는 힘써 소리를 높이라 두려워 말고 소리를 높여 유다의 성읍들에 이르기를 너희 하나님을 보라 하라
Ry Ziona, izay mitondra teny soa mahafaly ô, miakara any an-tendrombohitra avo; Ry Jerosalema izay mitondra teny soa mahafaly ô, Asandrato mafy ny feonao, asandrato, fa aza matahotra; Lazao amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe. Indro Andriamanitrareo!
10 보라, 주 여호와께서 장차 강한 자로 임하실 것이요 친히 그 팔로 다스리실 것이라 보라 상급이 그에게 있고 보응이 그 앞에 있으며
Indro, Jehovah Tompo ho avy amin’ ny heriny, ka ny sandriny ihany no hanapaka; indro, ny valim-pitia hatolony dia eny aminy, ary ny valin’ asa homeny dia eo anoloany.
11 그는 목자같이 양무리를 먹이시며 어린 양을 그 팔로 모아 품에 안으시며 젖먹이는 암컷들을 온순히 인도하시리로다
Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
12 누가 손바닥으로 바다 물을 헤아렸으며 뼘으로 하늘을 재었으며 땅의 티끌을 되에 담아 보았으며 명칭으로 산들을, 간칭으로 작은 산들을 달아 보았으랴
Iza no namatra ny rano teo am-pelatanany, ary nanjehy ny lanitra tamin’ ny zehiny, sy namory ny vovo-tany tamin’ ny vata, ary nandanja ny tendrombohitra tamin’ ny fandanjana sy ny havoana tamin’ ny mizana?
13 누가 여호와의 신을 지도하였으며 그의 모사가 되어 그를 가르쳤으랴
Iza no nanome hevitra ny Fanahin’ i Jehovah, ary iza no mpanolo-tsaina nampianatra Azy?
14 그가 누구로 더불어 의논하셨으며 누가 그를 교훈하였으며 그에게 공평의 도로 가르쳤으며 지식을 가르쳤으며 통달의 도를 보여주었느뇨
Iza no nidinihany ka nanome saina Azy sy nanoro Azy ny lalan’ ny fitsarana ary nampianatra fahalalana Azy sy nampahafantatra Azy ny lalan’ ny fahendrena?
15 보라, 그에게는 열방은 통의 한 방울 물 같고 저울의 적은 티끌 같으며 섬들은 떠오르는 먼지 같으니
Indro, ny firenena dia tahaka ny rano indray mitete avy amin’ ny siny ary atao ho tahaka ny vovoka madinika amin’ ny mizana; Indro, ny nosy dia tsintsininy tahaka ny zavatra bitika indrindra.
16 레바논 짐승들은 번제 소용에도 부족하겠고 그 삼림은 그 화목 소용에도 부족할 것이라
Ary Libanona aza tsy ampy hataina, ary ny biby ao tsy ampy ho fanatitra dorana.
17 그 앞에는 모든 열방이 아무 것도 아니라 그는 그들을 없는 것 같이, 빈 것 같이 여기시느니라
Ny firenena rehetra dia tahaka ny tsinontsinona eo anatrehany, ka ataony ho naman’ ny tsinontsinona sy ny zava-poana izy.
18 그런즉 너희가 하나님을 누구와 같다 하겠으며 무슨 형상에 비기겠느냐
Koa ampitovinareo amin’ iza moa Andriamanitra? Ary endrik’ inona no ampanahafinareo Azy?
19 우상은 장인이 부어 만들었고 장색이 금으로 입혔고 또 위하여 은사슬을 만든 것이니라
Ny mpiasa manao sarin-javatra an-idina, ary ny mpanefy volamena mametaka takela-bolamena aminy sy manao tongalika volafotsy an-idina.
20 궁핍하여 이런 것을 드리지 못하는 자는 썩지 않는 나무를 택하고 공교한 장인을 구하여 우상을 만들어서 흔들리지 않도록 세우느니라
Izay malahelo ka tsy manan-katerina dia mifidy hazo tsy mety ho lò ary mitady mpiasa mahay zavatra mba hamorona sarin-javatra voasokitra izay tsy hihezongozona.
21 너희가 알지 못하였느냐? 너희가 듣지 못하였느냐? 태초부터 너희에게 전하지 아니하였느냐 땅의 기초가 창조될 때부터 너희가 깨닫지 못하였느냐
Tsy fantatrareo va? Tsy efa renareo va? Tsy efa nambara taminareo fony taloha va? Tsy efa azonareo an-tsaina va ny amin’ ny fanorenan’ ny tany?
22 그는 땅 위 궁창에 앉으시나니 땅의 거민들은 메뚜기 같으니라 그가 하늘을 차일 같이 펴셨으며 거할 천막 같이 베푸셨고
Izy no mipetraka amin’ ny habakabaka ambonin’ ny tany, ary ny mponina etỳ dia tahaka ny valala; Izy no mamelatra ny lanitra tahaka ny lamba manify kararavina ary manenjana azy tahaka ny lay hitoerana;
23 귀인들을 폐하시며 세상의 사사들을 헛되게 하시나니
Izy no mahatsinontsinona ny mpanapaka sy mahatonga ny mpitsara amin’ ny tany ho tahaka ny zava-poana.
24 그들은 겨우 심기웠고 겨우 뿌리웠고 그 줄기가 겨우 땅에 뿌리를 박자 곧 하나님의 부심을 받고 말라 회리바람에 불려가는 초개 같도다
Vao nambolena vetivety ireo, vao nafafy ireo, vao namaka tao amin’ ny tany ny fotony, dia notsofin’ Andriamanitra ireo, ka dia nalazo, ary nindaosin’ ny tafio-drivotra tahaka ny vodivary izy.
25 거룩하신 자가 가라사대 그런즉 너희가 나를 누구에게 비기며 나로 그와 동등이 되게 하겠느냐 하시느니라
Koa ampitovinareo amin’ iza moa Aho, hitahako aminy? Hoy ny Iray Masìna.
26 너희는 눈을 높이 들어 누가 이 모든 것을 창조하였나보라 주께서는 수효대로 만상을 이끌어 내시고 각각 그 이름을 부르시나니 그의 권세가 크고 그의 능력이 강하므로 하나도 빠짐이 없느니라
Asandrato ny masonareo, ka mijere; Iza no nahary ireny? Izy no mamoaka ny antokony araka ny isany sy miantso azy rehetra amin’ ny anarany avy noho ny haben’ ny fahatanjahany sy ny heriny tsy toha, ka tsy misy diso ireny na dia iray akory aza.
27 야곱아, 네가 어찌하여 말하며 이스라엘아 네가 어찌하여 이르기를 내 사정은 여호와께 숨겨졌으며 원통한 것은 내 하나님에게서 수리하심을 받지 못한다 하느냐
Nahoana no miteny ianao, ry Jakoba ô, ary milaza ianao, ry Isiraely ô, hoe: Miafina tsy hitan’ i Jehovah ny lalako, ary mihelina tsy hitan’ Andriamanitro ny rariny tokony ho ahy?
28 너는 알지 못하였느냐? 듣지 못하였느냐? 영원하신 하나님 여호와 땅 끝까지 창조하신 자는 피곤치 아니하시며 곤비치 아니하시며 명철이 한이 없으시며
Tsy fantatrao va? Tsy efa renao va fa Andriamanitra mandrakizay Jehovah, izay namorona ny faran’ ny tany? Tsy mba mety ho reraka na sasatra Izy; Tsy takatry ny saina ny fahalalany.
29 피곤한 자에게는 능력을 주시며 무능한 자에게는 힘을 더하시나니
Mampahatanjaka ny reraka Izy, ary izay kely hery dia omeny hery be.
30 소년이라도 피곤하며 곤비하며 장정이라도 넘어지며 자빠지되
Na dia ny tanora fanahy aza dia ho reraka sy ho sasatra, ary na dia ny zatovo aza dia mety ho tafintohina mafy;
31 오직 여호와를 앙망하는 자는 새 힘을 얻으리니 독수리의 날개치며 올라감 같을 것이요 달음박질하여도 곤비치 아니하겠고 걸어가도 피곤치 아니하리로다
Fa izay miandry an’ i Jehovah dia mandroso hery kosa; Elatra no hiakarany tahaka ny voromahery; Hihazakazaka izy, nefa tsy ho sasatra; Handeha izy, nefa tsy ho reraka.

< 이사야 40 >