< 이사야 18 >

1 슬프다 구스의 강 건너편 날개치는 소리 나는 땅이여
Indrisy ny tany be fibiziziokan’ elatra! Izay any an-dafin’ ny onin’ i Etiopia,
2 갈대 배를 물에 띄우고 그 사자를 수로로 보내며 이르기를 너희 경첩한 사자들아 너희는 강들이 흘러 나누인 나라로 가되 장대하고 준수한 백성 곧 시초부터 두려움이 되며 강성하여 대적을 밟는 백성에게로 가라 하도다
Izay mampandeha iraka eny ambonin’ ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin’ ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin’ ny firenena lava tsanganana sady mandimandina, any amin’ ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany, dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, izay vakin’ ny ony maro ny taniny.
3 세상의 모든 거민, 지상에 거하는 너희여 산들 위에 기호를 세우거든 너희는 보고 나팔을 불거든 너희는 들을지니라
Ry mponina rehetra amin’ izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin’ ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.
4 여호와께서 내게 이르시되 내가 나의 처소에서 종용히 감찰함이 쬐이는 일광 같고 가을 더위에 운무 같도다
Fa izao no nolazain’ i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin’ ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misy zavona amin’ ny hainandro fararano.
5 추수하기 전에 꽃이 떨어지고 포도가 맺혀 익어 갈 때에 내가 낫으로 그 연한 가지를 베며 퍼진 가지를 찍어버려서
Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin’ ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.
6 산의 독수리들에게와 땅의 들짐승들에게 끼쳐주리니 산의 독수리들이 그것으로 과하하며 땅의 들짐승들이 다 그것으로 과동하리라 하셨음이니라
Dia hafoy avokoa izy ho an’ ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an’ ny biby eny ambonin’ ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin’ ny tany handany ririnina any.
7 그 때에 강들이 흘러 나누인 나라의 장대하고 준수하며 시초부터 두려움이 되며 강성하여 대적을 밟는 백성에게서 만군의 여호와께 드릴 예물을 가지고 만군의 여호와의 이름을 두신 곳 시온산에 이르리라
Amin’ izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia firenena lava tsanganana sady mandimandina, ary avy amin’ ny firenena mahatahotra hatreto ka hatrany hatrany dia firenena mpanao teny tsy valiana sady maherisetra, Izay vakin’ ny ony maro ny taniny ho ao amin’ ny fitoeran’ ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.

< 이사야 18 >