< 이사야 15 >

1 모압에 관한 경고라 하루 밤에 모압 알이 망하여 황폐할 것이며 하루 밤에 모압 길이 망하여 황폐할 것이라
Faminaniana ny amin’ ny loza hanjo an’ i Moaba. Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Ara-moaba, ka fongotra izy; Fa tamin’ ny indray alina no nandravana an’ i Kira-moaba, ka fongotra izy;
2 그들은 바잇과 디본 산당에 올라가서 울며 모압은 느보와 메드바를 위하여 통곡하도다 그들이 각각 머리털을 없이 하였고 수염을 깎았으며
Miakatra ho ao amin’ ny tempoly sy ho ao Dibona ny olona, dia ao amin’ ny fitoerana avo, mba hitomany; any Nebo sy Medeba no idradradradran’ i Moaba; Mibory ny loha rehetra; Voaharatra ny somotra rehetra.
3 거리에서는 굵은 베로 몸을 동였으며 지붕과 넓은 곳에서는 각기 애통하여 심히 울며
Eny an-dalambe dia misikìna lamba fisaonana izy; eny an-tampon-tranony sy eny an-kalalahana dia midradradradra avokoa izy, eny, mijohy ny ranomasony.
4 헤스본과 엘르알레는 부르짖으며 그 소리는 야하스까지 들리니 그러므로 모압의 전사가 크게 부르짖으며 그 혼이 속에서 떨도다
Ary mitaraina Hesbona sy Elale, ka re hatrany Jahaza ny feony, ary noho izany dia miantso mafy ny miaramilan’ i Moaba, Mangovitra ny fanahiny ao anatiny.
5 내 마음이 모압을 위하여 부르짖는도다 그 귀인들은 소알과 에글랏 슬리시야로 도망하여 울며 루힛 비탈길로 올라가며 호로나임 길에서 패망을 부르짖으니
Ny foko mitaraina noho ny amin’ i Moaba; Ny mandositra avy ao dia tonga hatrany Zoara sy Egleta-selisia; fa miakatra mitomany ao amin’ ny fiakarana Lohita izy sy midradradradra amin’ ny famoizam-po eny an-dalana mankany Horonaima.
6 니므림 물이 마르고 풀이 시들었으며 연한 풀이 말라 청청한 것이 없음이로다
Fa Nimrima tsara rano dia tonga karankaina; maina ny ahitra, malazo ny zava-maniry, ka tsy misy zava-maitso intsony.
7 그러므로 그들이 얻은 재물과 쌓았던 것을 가지고 버드나무 시내를 건너리니
Ary amin’ izany ny harena be izay nohariny ny entany izay mbola voatahiriny dia entiny ho any am-pitan’ ny lohasahan-driaky ny hazomalahelo.
8 이는 곡성이 모압 사방에 둘렸고 슬피 부르짖음이 에글라임에 이르며 부르짖음이 브엘엘림에 미치며
Fa ny fitarainany manodidina ny sisin’ i Moaba, re hatrany Eglaima ny fidradradradrany Eny, re hatrany Ber-elima ny fidradradradrany.
9 디몬 물에는 피가 가득함이로다 그럴지라도 내가 디몬에 재앙을 더 내리되 모압에 도피한 자와 그 땅의 남은 자에게 사자를 보내리라
Fa ny ranon’ i Dimona dia feno rà; fa mbola hampiako ny loza manjo an’ i Dimona, dia liona handrapaka izay efa mandositra avy any Moaba, sy handany izay sisa amin’ ny tany.

< 이사야 15 >