< 창세기 47 >

1 요셉이 바로에게 가서 고하여 가로되 `나의 아비와 형들과 그들의 양과 소와 모든 소유가 가나안 땅에서 와서 고센 땅에 있나이다' 하고
Ary Josefa nankao amin’ i Farao ka nilaza taminy hoe: Ny raiko sy ny rahalahiko ary ny ondry aman’ osiny sy ny ombiny mbamin’ izay rehetra ananany dia efa tonga avy tany amin’ ny tany Kanana; ka, indreo, ao amin’ ny tany Gosena izy.
2 형들 중 오인을 택하여 바로에게 보이니
Ary ny dimy lahy tamin’ ny rahalahiny no nalainy ka nentiny teo anatrehan’ i Farao.
3 바로가 요셉의 형들에게 묻되 `너희 생업이 무엇이냐? 그들이 바로에게 대답하되 `종들은 목자이온데 우리와 선조가 다 그러하니이다' 하고
Ary hoy Farao tamin’ ireo rahalahin’ i Josefa: Inona moa no raharaha fanaonareo? Dia hoy izy tamin’ i Farao: Mpiandry ondry izahay mpanomponao hatramin’ ny razanay.
4 그들이 또 바로에게 고하되 `가나안 땅에 기근이 심하여 종들의 떼를 칠 곳이 없기로 종들이 이곳에 우거하러 왔사오니 청컨대 종들로 고센 땅에 거하게 하소서'
Ary hoy koa izy tamin’ i Farao: Mba hivahiny eto amin’ ity tany ity no nihavianay; fa tsy misy ahitra ho an’ ny ondry aman’ osin’ ny mpanomponao, fa mafy ny mosary any amin’ ny tany Kanana; koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka mba honina ao amin’ ny tany Gosena ny mpanomponao.
5 바로가 요셉에게 일러 가로되 `네 아비와 형들이 네게 왔은즉
Ary Farao dia niteny tamin’ i Josefa ka nanao hoe: Ny rainao sy ny rahalahinao efa tonga atỳ aminao;
6 애굽 땅이 네 앞에 있으니 땅의 좋은 곳에 네 아비와 형들로 거하게 하되 고센 땅에 그들로 거하게 하고 그들 중에 능한 자가 있는줄 알거든 그들로 나의 짐승을 주관하게 하라'
ny tany Egypta dia eo anoloanao; koa amin’ izay tany tsara indrindra no amponeno ny rainao sy ny rahalahinao; aoka honina ao amin’ ny tany Gosena izy ary raha fantatrao fa misy lehilahy mahay eo aminy, tendreo izy ho lehiben’ ny mpiandry ny omby aman’ ondriko.
7 요셉이 자기 아비 야곱을 인도하여 바로 앞에 서게 하니 야곱이 바로에게 축복하매
Dia nentin’ i Josefa ho eo anatrehan’ i Farao Jakoba rainy; ary Jakoba dia nisaotra an’ i Farao.
8 바로가 야곱에게 묻되 `네 연세가 얼마뇨?'
Ary hoy Farao tamin’ i Jakoba: Firy taona moa no andro niainanao?
9 야곱이 바로에게 고하되 `내 나그네 길의 세월이 일백 삼십년이니이다 나의 연세가 얼마 못되니 우리 조상의 나그네 길의 세월에 미치지 못하나 험악한 세월을 보내었나이다' 하고
Dia hoy Jakoba tamin’ i Farao: Telo-polo amby zato taona no andro nivahiniako; sady vitsy no ratsy ny andro niainako ka tsy nahatratra ny andro niainan’ ny razako tamin’ ny andro nivahiniany.
10 야곱이 바로에게 축복하고 그 앞에서 나오니라
Ary Jakoba, rehefa nisaotra an’ i Farao, dia lasa niala teo anatrehany.
11 요셉이 바로의 명대로 그 아비와 형들에게 거할 곳을 주되 애굽의 좋은 땅 라암세스를 그들에게 주어 기업을 삼게 하고
Dia namponenin’ i Josefa ny rainy sy ny rahalahiny ka nomeny zara-tany tao amin’ ny tany Egypta, dia tao amin’ ny tany tsara indrindra, tao amin’ ny tany Ramesesa, araka izay efa nandidian’ i Farao.
12 또 그 아비와 형들과 아비의 온 집에 그 식구를 따라 식물을 주어 공궤하였더라
Dia novelomin’ i Josefa tamin’ ny hanina ny rainy sy ny rahalahiny mbamin’ ny ankohonan’ ny rainy rehetra, araka ny isan’ ny zanany avy.
13 기근이 더욱 심하여 사방에 식물이 없고 애굽 땅과 가나안 땅이 기근으로 쇠약하니
Ary tsy nisy hanina teo amin’ ny tany rehetra; fa mafy indrindra ny mosary, ka efa reraka ny tany Egypta sy ny tany Kanana noho ny mosary.
14 요셉이 곡식을 팔아 애굽 땅과 가나안 땅에 있는 돈을 몰수히 거두고 그 돈을 바로의 궁으로 가져오니
Dia nangonin’ i Josefa ny vola rehetra izay hita tany amin’ ny tany Egypta sy tany amin’ ny tany Kanana, dia izay vidin’ ny vary novidin’ ny olona, ka nampidirin’ i Josefa tao an-tranon’ i Farao ny vola.
15 애굽 땅과 가나안 땅에 돈이 진한지라 애굽 백성이 다 요셉에게 와서 가로되 `돈이 진하였사오니 우리에게 식물을 주소서 어찌 주 앞에서 죽으리이까?'
Ary rehefa lany avokoa ny vola tany amin’ ny tany Egypta sy tany amin’ ny tany Kanana, dia nankeo amin’ i Josefa ny Egyptiana rehetra ka nanao hoe: Omeo hanina izahay; fa nahoana no dia ho faty eto anatrehanao izahay? fa efa lany avokoa ny vola.
16 요셉이 가로되 `너희의 짐승을 내라 돈이 진하였은즉 내가 너희의 짐승과 바꾸어 주리라'
Ary hoy kosa Josefa: Omeo ny omby aman’ ondrinareo hotakalozako, raha lany ny vola.
17 그들이 그 짐승을 요셉에게 끌어 오는지라 요셉이 그 말과 양떼와 소떼와 나귀를 받고 그들에게 식물을 주되 곧 그 모든 짐승과 바꾸어서 그 해 동안에 식물로 그들을 기르니라
Dia nentiny tany amin’ i Josefa ny omby aman’ ondriny, ka notakalozan’ i Josefa hanina ny soavaliny sy ny ondry aman’ osiny ary ny ombiny sy ny borikiny; dia nomeny hanina izy tamin’ izany taona izany ho takalon’ ny bibiny rehetra.
18 그 해가 다하고 새 해가 되매 무리가 요셉에게 와서 그에게 고하되 우리가 주께 숨기지 아니하나이다 우리의 돈이 다하였고 우리의 짐승떼가 주께로 돌아갔사오니 주께 낼 것이 아무 것도 남지 아니하고 우리의 몸과 전지뿐이라
Ary rehefa tapitra izany taona izany, dia nankeo aminy indray ny olona tamin’ ny taona faharoa ka nanao taminy hoe: Tsy azonay afenina amin’ itompokolahy fa efa lany ny vola, ary efa lasan’ itompokolahy avokoa ny biby fiompy; tsy misy na inona na inona intsony eto imason’ itompokolahy afa-tsy ny tenanay sy ny taninay;
19 우리가 어찌 우리의 전지와 함께 주의 목전에 죽으리이까? 우리 몸과 우리 토지를 식물로 사소서 우리가 토지와 함께 바로의 종이 되리니 우리에게 종자를 주시면 우리가 살고 죽지 아니하고 전지도 황폐치 아니하리이다'
nahoana no dia ho faty izahay eto anatrehanao, dia izahay sy ny taninay? Takalozy hanina ny tenanay sy ny taninay, dia ho mpanompon’ i Farao izahay sy ny taninay: ary omeo voa hafafy izahay, mba ho velona, fa tsy ho faty, ary mba tsy ho lao ny tany.
20 그러므로 요셉이 애굽 전지를 다 사서 바로에게 드리니 애굽 사람이 기근에 몰려서 각기 전지를 팖이라 땅이 바로의 소유가 되니라
Dia notakalozan’ i Josefa ho an’ i Farao ny tany Egypta rehetra; fa ny Egyptiana samy nanakalo ny sahany avy, satria resy mosary izy; ary dia lasan’ i Farao ny tany.
21 요셉이 애굽 이 끝에서 저 끝까지의 백성을 성읍들에 옮겼으나
Ary ny olona dia nafindrany ho ao amin’ ny tanàna hatramin’ ny faran’ ny faritr’ i Egypta rehetra.
22 제사장의 전지는 사지 아니하였으니 제사장은 바로에게서 녹을 받음이라 바로의 주는 녹을 먹으므로 그 전지를 팔지 않음이었더라
Ny tanin’ ny mpisorona ihany no tsy mba natakalony; fa nanana anjara tamin’ i Farao ny mpisorona ka nihinana ny anjara izay nomen’ i Farao azy; izany no tsy nanakalozany ny taniny.
23 요셉이 백성에게 이르되 `오늘날 내가 바로를 위하여 너희 몸과 너희 전지를 샀노라 여기 종자가 있으니 너희는 그 땅에 뿌리라
Dia hoy Josefa tamin’ ny olona: Indro, efa voavidiko androany ianareo sy ny taninareo ho an’ i Farao; koa indreny ny voa hafafinareo, dia hofafazanareo ny tany.
24 추수의 오분 일을 바로에게 상납하고 사분은 너희가 취하여 전지의 종자도 삼고 너희의 양식도 삼고 너희 집 사람과 어린 아이의 양식도 삼으라'
Ary rehefa misy vokatra, dia haterinareo ho an’ i Farao ny ampahadiminy; ary ho anareo kosa ny efa-toko, ho voa hafafy any an-tsaha sy hohaninareo mbamin’ izay ao an-tranonareo ary hohanin’ ny zanakareo.
25 그들이 가로되 `주께서 우리를 살리셨사오니 우리가 주께 은혜를 입고 바로의 종이 되겠나이다'
Ary hoy izy: Efa namonjy ny ainay ianao; aoka mba hahita fitia eto imason’ itompokolahy izahay, dia ho mpanompon’ i Farao.
26 요셉이 애굽 토지법을 세우매 그 오분 일이 바로에게 상납되나 제사장의 토지는 바로의 소유가 되지 아니하여 오늘까지 이르니라
Dia nataon’ i Josefa ho lalana tany amin’ ny tany Egypta mandraka androany izany; fa ho an’ i Farao ny ampahadiminy; fa ny tanin’ ny mpisorona ihany no tsy mba lasan’ i Farao.
27 이스라엘 족속이 애굽 고센 땅에 거하며 거기서 산업을 얻고 생육하며 번성하였더라
Ary nonina tao amin’ ny tany Egypta ny Isiraely, dia tao amin’ ny tany Gosena; ary nahazo zara-tany tao izy, dia nihamaro anaka ka nihabetsaka indrindra.
28 야곱이 애굽 땅에 십 칠년을 거하였으니 그의 수가 일백 사십 칠세라
Ary ny andro niainan’ i Jakoba tao amin’ ny tany Egypta dia fito ambin’ ny folo taona; koa ny andro rehetra niainan’ i Jakoba dia fito amby efa-polo amby zato taona.
29 이스라엘의 죽을 기한이 가까우매 그가 그 아들 요셉을 불러 그에게 이르되 `이제 내가 네게 은혜를 입었거든 청하노니 네 손을 내 환도뼈 아래 넣어서 나를 인애와 성심으로 대접하여 애굽에 장사하지 않기를 맹세하고
Ary rehefa antomotra ny andro hahafatesan’ Isiraely, dia nampaka an’ i Josefa zanany izy ka nanao taminy hoe: Raha mba nahita fitia eo imasonao aho, masìna ianao, ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao, ka ataovy amiko izay soa sy izay marina; masìna ianao aza alevina atỳ Egypta aho.
30 내가 조상들과 함께 눕거든 너는 나를 애굽에서 메어다가 선영에 장사하라' 요셉이 가로되 `내가 아버지의 말씀대로 행하리이다!'
Fa rehefa lasa mody mandry any amin’ ny razako aho, dia ho entinao hiala atỳ Egypta ka halevinao ao amin’ ny fasany. Dia hoy Josefa: Hanao araka ny teninao aho.
31 야곱이 또 가로되 `내게 맹세하라' 맹세하니 이스라엘이 침상 머리에서 경배하니라
Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko. Dia nianiana taminy izy. Dia niankohoka teo an-dohan’ ny farafara Isiraely.

< 창세기 47 >