< 창세기 24 >

1 아브라함이 나이 많아 늙었고 여호와께서 그의 범사에 복을 주셨더라
Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an’ i Abrahama tamin’ ny zavatra rehetra.
2 아브라함이 자기 집 모든 소유를 맡은 늙은 종에게 이르되 `청컨대 네 손을 내 환도뼈 밑에 넣으라
Ary hoy Abrahama tamin’ ilay lehiben’ ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao;
3 내가 너로 하늘의 하나님, 땅의 하나님이신 여호와를 가리켜 맹세하게 하노니 너는 나의 거하는 이 지방 가나안 족속의 딸 중에서 내 아들을 위하여 아내를 택하지 말고
fa hampianianiko amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita izay iraisako monina ianao;
4 내 고향 내 족속에게로 가서 내 아들 이삭을 위하여 아내를 택하라'
fa any amin’ ny tanin-drazako sy amin’ ny havako no halehanao haka vady ho an’ Isaka zanako.
5 종이 가로되 `여자가 나를 좇아 이 땅으로 오고자 아니하거든 내가 주인의 아들을 주인의 나오신 땅으로 인도하여 돌아가리이까?'
Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin’ ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin’ ny tany izay nialanao va aho?
6 아브라함이 그에게 이르되 `삼가 내 아들을 그리로 데리고 돌아가지 말라
Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako.
7 하늘의 하나님 여호와께서 나를 내 아버지의 집과 내 본토에서 떠나게 하시고 내게 말씀하시며 내게 맹세하여 이르시기를 이 땅을 네 씨에게 주리라 하셨으니 그가 그 사자를 네 앞서 보내실지라 네가 거기서 내 아들을 위하여 아내를 택할지니라
Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin’ ny tranon’ ny raiko sy tamin’ ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ ny zanako.
8 만일 여자가 너를 좇아 오고자 아니하면 나의 이 맹세가 너와 상관이 없나니 오직 내 아들을 데리고 그리로 가지 말지니라'
Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin’ izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanako
9 종이 이에 주인 아브라함의 환도뼈 아래 손을 넣고 이 일에 대하여 그에게 맹세하였더라
Ary nataon’ ilay mpanompo tambanin’ ny fen’ i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin’ izany zavatra izany izy.
10 이에 종이 그 주인의 약대 중 열 필을 취하고 떠났는데 곧 그 주인의 모든 좋은 것을 가지고 떠나 메소보다미아로 가서 나홀의 성에 이르러
Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin’ ny ramevan’ ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan’ ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan’ i Nahora.
11 그 약대를 성 밖 우물 곁에 꿇렸으니 저녁 때라 여인들이 물을 길러 나올 때이었더라
Ary nampandohalehiny teo ivelan’ ny tanàna tanilan’ ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin’ ilay fandehanan’ ny vehivavy mpantsaka iny
12 그가 가로되 `우리 주인 아브라함의 하나님 여호와여! 원컨대 오늘날 나로 순적히 만나게 하사 나의 주인 아브라함에게 은혜를 베푸시옵소서!
Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.
13 성 중 사람의 딸들이 물 길러 나오겠사오니 내가 우물 곁에 섰다가
Indro, mijanona eto anilan’ ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano;
14 한 소녀에게 이르기를 청컨대 너는 물 항아리를 기울여 나로 마시게 하라 하리니 그의 대답이 마시라 내가 당신의 약대에게도 마시우리라 하면 그는 주께서 주의 종 이삭을 위하여 정하신 자라 이로 인하여 주께서 나의 주인에게 은혜 베푸심을 내가 알겠나이다'
koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’ Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.
15 말을 마치지 못하여서 리브가가 물 항아리를 어깨에 메고 나오니 그는 아브라함의 동생 나홀의 아내 밀가의 아들 브두엘의 소생이라
Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak’ i Betoela, zanakalahin’ i Milka, vadin’ i Nahpra, rahalahin’ i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.
16 그 소녀는 보기에 심히 아리땁고 지금까지 남자가 가까이 하지 아니한 처녀더라 그가 우물에 내려가서 물을 그 물 항아리에 채워 가지고 올라오는지라
Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin’ ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.
17 종이 마주 달려가서 가로되 `청컨대 네 물 항아리의 물을 내게 조금 마시우라'
Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ ny sininao aho.
18 그가 가로되 `주여, 마시소서' 하며 급히 그 물 항아리를 손에 내려 마시게 하고
Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.
19 마시우기를 다하고 가로되 `당신의 약대도 위하여 물을 길어 그것들로 배불리 마시게 하리이다' 하고
Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.
20 급히 물 항아리의 물을 구유에 붓고 다시 길으려고 우물로 달려가서 모든 약대를 위하여 긷는지라
Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin’ ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin’ ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an’ ny ramevany rehetra izy.
21 그 사람이 그를 묵묵히 주목하며 여호와께서 과연 평탄한 길을 주신 여부를 알고자 하더니
Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin’ i Jehovah ny nalehany, na tsia.
22 약대가 마시기를 다하매 그가 반 세겔중 금고리 한개와, 열 세겔중 금 손목고리 한 쌍을 그에게 주며
Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’ orona volamena iray, lanjan’ ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan’ ny sekely folo, hatao amin’ ny tànany;
23 가로되 `네가 뉘 딸이냐? 청컨대 내게 고하라 네 부친의 집에 우리 유숙할 곳이 있느냐?'
ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon’ ny rainao?
24 그 여자가 그에게 이르되 `나는 밀가가 나홀에게 낳은 아들 브두엘의 딸이니이다'
Ary hoy izy taminy: Zanakavavin’ i Betoela, zanakalahin’ i Milka, izay naterany tamin’ i Nahora, aho.
25 또 가로되 `우리에게 짚과 보리가 족하며 유숙할 곳도 있나이다'
Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa.
26 이에 그 사람이 머리를 숙여 여호와께 경배하고
Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah,
27 가로되 `나의 주인 아브라함의 하나님 여호와를 찬송하나이다! 나의 주인에게 주의 인자와 성실을 끊이지 아니하셨사오며 여호와께서 길에서 나를 인도하사 내 주인의 동생집에 이르게 하셨나이다' 하니라
ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny tompoko; fa izaho dia notantanan’ i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon’ ny havan’ ny tompoko.
28 소녀가 달려가서 이 일을 어미 집에 고하였더니
Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin’ ny tao an-tranon’ ny reniny.
29 리브가에게 오라비가 있어 이름은 라반이라 그가 우물로 달려가 그 사람에게 이르니
Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.
30 그가 그 누이의 고리와 그 손의 손목고리를 보고 또 그 누이 리브가가 그 사람이 자기에게 이같이 말하더라 함을 듣고 그 사람에게로 나아감이라 때에 그가 우물가 약대 곁에 섰더라
Ary rehefa hitany ny kavin’ orona sy ny haba teny an-tànan’ ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan’ ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.
31 라반이 가로되 `여호와께 복을 받은 자여! 들어오소서 어찌 밖에 섰나이까? 내가 방과 약대의 처소를 예비하였나이다'
Ary hoy Labana: Miakara, ry ilay notahin’ i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran’ ny rameva.
32 그 사람이 집으로 들어가매 라반이 약대의 짐을 부리고 짚과 보리를 약대에게 주고 그 사람의 발과 그 종자의 발 씻을 물을 주고
Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin’ ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an’ ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy.
33 그 앞에 식물을 베푸니 그 사람이 가로되 `내가 내 일을 진술하기 전에는 먹지 아니하겠나이다' 라반이 가로되 `말하소서'
Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!
34 그가 가로되 `나는 아브라함의 종이니이다
Dia hoy ralehilahy: Mpanompon’ i Abrahama aho.
35 여호와께서 나의 주인에게 크게 복을 주어 창성케 하시되 우양과, 은,금과, 노비와, 약대와, 나귀를 그에게 주셨고
Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman’ osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.
36 나의 주인의 부인 사라가 노년에 나의 주인에게 아들을 낳으매 주인이 그 모든 소유를 그 아들에게 주었나이다
Ary rehefa antitra Saraha, vadin’ ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin’ ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an’ ny zanany izay rehetra ananany.
37 나의 주인이 나로 맹세하게 하여 가로되 너는 내 아들을 위하여 나 사는 땅 가나안 족속의 딸 중에서 아내를 택하지 말고
Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita, izay iraisako monina;
38 내 아비 집 내 족속에게로 가서 내 아들을 위하여 아내를 택하라 하시기로
fa any amin’ ny tranon’ ikaky sy any amin’ ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an’ ny zanako.
39 내가 내 주인에게 말씀하되 혹 여자가 나를 좇지 아니하면 어찌 하리이까? 한즉
Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.
40 주인이 내게 이르되 나의 섬기는 여호와께서 그 사자를 너와 함께 보내어 네게 평탄한 길을 주시리니 너는 내 족속 중 내 아비 집에서 내 아들을 위하여 아내를 택할 것이니라
Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny havako sy amin’ ny tranon’ ikaky.
41 네가 내 족속에게 이를 때에는 네가 내 맹세와 상관이 없으리라 설혹 그들이 네게 주지 아니할지라도 네가 내 맹세와 상관이 없으리라 하시기로
Dia ho afaka amin’ ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin’ ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin’ ny fampianianako anao koa ianao.
42 내가 오늘 우물에 이르러 말씀하기를 나의 주인 아브라함의 하나님 여호와여, 만일 나의 행하는 길에 형통함을 주실진대
Ary tonga androany teo amin’ ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,
43 내가 이 우물 곁에 섰다가 청년 여자가 물을 길러 오거든 내가 그에게 청하기를 너는 물 항아리의 물을 내게 조금 마시우라 하여
indro, mijanona eto anilan’ ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ ny sininao aho,
44 그의 대답이 당신은 마시라 내가 또 당신의 약대를 위하여도 길으리라 하면 그 여자는 여호와께서 나의 주인의 아들을 위하여 정하여 주신 자가 되리이다 하며
ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin’ i Jehovah ho an’ ny zanakalahin’ ny tompoko.
45 내가 묵도하기를 마치지 못하여 리브가가 물 항아리를 어깨에 메고 나와서 우물로 내려와 긷기로 내가 그에게 이르기를 청컨대 내게 마시우라 한즉
Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin’ ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.
46 그가 급히 물 항아리를 어깨에서 내리며 가로되 마시라 내가 당신의 약대에게도 마시우리라 하기로 내가 마시매 그가 또 약대에게도 마시운지라
Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy.
47 내가 그에게 묻기를 네가 뉘 딸이뇨? 한즉 가로되 밀가가 나홀에게 낳은 브두엘의 딸이라 하기로 내가 고리를 그 코에 꿰고 손목고리를 그 손에 끼우고
Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak’ i Betoela, zanakalahin’ i Nahora, aho, izay naterak’ i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin’ orona, ary ny haba teny amin’ ny tànany.
48 나의 주인 아브라함의 하나님 여호와께서 나를 바른 길로 인도하사 나의 주인의 동생의 딸을 그 아들을 위하여 택하게 하셨으므로 내가 머리를 숙여 그에게 경배하고 찬송하였나이다!
Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah, dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin’ ny lalana marina haka ny zanakavavin’ ny rahalahin’ ny tompoko, ho an’ ny zanany
49 이제 당신들이 인자와 진실로 나의 주인을 대접하려거든 내게 고하시고 그렇지 않을지라도 내게 고하여 나로 좌우간 행하게 하소서'
Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin’ ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
50 라반과 브두엘이 대답하여 가로되 `이 일이 여호와께로 말미암았으니 우리는 가부를 말할 수 없노라
Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin’ i Jehovah no nisehoan’ izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.
51 리브가가 그대 앞에 있으니 데리고 가서 여호와의 명대로 그로 그대의 주인의 아들의 아내가 되게 하라'
Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin’ ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain’ i Jehovah.
52 아브라함의 종이 그들의 말을 듣고 땅에 엎드리어 여호와께 절하고
Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon’ i Abrahama, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Jehovah izy.
53 은, 금 패물과 의복을 꺼내어 리브가에게 주고 그 오라비와 어미에게도 보물을 주니라
Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.
54 이에 그들 곧 종과 종자들이 먹고 마시고 유숙하고 아침에 일어나서 그가 가로되 `나를 보내어 내 주인에게로 돌아가게 하소서'
Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin’ ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin’ ny tompoko.
55 리브가의 오라비와 그 어미가 가로되 `소녀로 며칠을 적어도 열흘을 우리와 함께 있게 하라 그 후에 그가 갈 것이니라'
Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.
56 그 사람이 그들에게 이르되 `나를 만류치 마소서 여호와께서 내게 형통한 길을 주셨으니 나를 보내어 내 주인에게로 돌아가게 하소서'
Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin’ ny tompoko.
57 그들이 가로되 `우리가 소녀를 불러 그에게 물으리라` 하고
Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny.
58 리브가를 불러 그에게 이르되 `네가 이 사람과 함께 가려느냐?` 그가 대답하되 `가겠나이다'
Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin’ io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.
59 그들이 그 누이 리브가와 그의 유모와 아브라함의 종과 종자들을 보내며
Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon’ i Abrahama mbamin’ ny olony izy.
60 리브가에게 축복하여 가로되 `우리 누이여, 너는 천만인의 어미가 될지어다! 네 씨로 그 원수의 성문을 얻게 할지어다'
Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin’ izay mankahala azy.
61 리브가가 일어나 비자와 함께 약대를 타고 그 사람을 따라가니 종이 리브가를 데리고 가니라
Ary niainga Rebeka mbamin’ ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.
62 때에 이삭이 브엘 라해로이에서 왔으니 그가 남방에 거하였었음이라
Ary Isaka efa tonga avy tamin’ ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin’ ny tany atsimo izy.
63 이삭이 저물 때에 들에 나가 묵상하다가 눈을 들어 보매 약대들이 오더라
Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona.
64 리브가가 눈을 들어 이삭을 바라보고 약대에서 내려
Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an’ Isaka; dia nidina faingana niala tamin’ ny rameva izy.
65 종에게 말하되 `들에서 배회하다가 우리에게로 마주 오는 자가 누구뇨?' 종이 가로되 `이는 내 주인이니이다' 리브가가 면박을 취하여 스스로 가리우더라
Ary hoy izy tamin’ ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.
66 종이 그 행한 일을 다 이삭에게 고하매
Ary dia nambaran’ ilay mpanompo tamin’ Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.
67 이삭이 리브가를 인도하여 모친 사라의 장막으로 들이고 그를 취하여 아내를 삼고 사랑하였으니 이삭이 모친 상사 후에 위로를 얻었더라
Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain’ i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.

< 창세기 24 >