< 창세기 20 >

1 아브라함이 거기서 남방으로 이사하여 가데스와 술 사이 그랄에 우거하며
Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin’ ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan’ i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.
2 그 아내 사라를 자기 누이라 하였으므로 그랄 왕 아비멜렉이 보내어 사라를 취하였더니
Ary hoy ny filazan’ i Abrahama an’ i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan’ i Gerara, nampaka an’ i Saraha.
3 그 밤에 하나님이 아비멜렉에게 현몽하시고 그에게 이르시되 네가 취한 이 여인을 인하여 네가 죽으리니 그가 남의 아내임이니라
Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Abimeleka, tamin’ ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin’ olona izy.
4 아비멜렉이 그 여인을 가까이 아니한 고로 그가 대답하되 `주여, 주께서 의로운 백성도 멸하시나이까?
Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina?
5 그가 나더러 이는 내 누이라고 하지 아니하였나이까? 그 여인도 그는 내 오라비라 하였사오니 나는 온전한 마음과 깨끗한 손으로 이렇게 하였나이다'
Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin’ ny fahatsoran’ ny foko sy ny fahadiovan’ ny tanako no nanaovako izany.
6 하나님이 꿈에 또 그에게 이르시되 네가 온전한 마음으로 이렇게 한 줄을 나도 알았으므로 너를 막아 내게 범죄하지 않게 하였나니 여인에게 가까이 못하게 함이 이 까닭이니라
Ary hoy Andriamanitra taminy tamin’ ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin’ ny fahatsoran’ ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.
7 이제 그 사람의 아내를 돌려 보내라 그는 선지자라 그가 너를 위하여 기도하리니 네가 살려니와 네가 돌려 보내지 않으면 너와 네게 속한 자가 다 정녕 죽을 줄 알지니라
Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin’ izay rehetra mety ho anao.
8 아비멜렉이 그 아침에 일찌기 일어나 모든 신복을 불러 그 일을 다 말하여 들리매 그 사람들이 심히 두려워하였더라
Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.
9 아비멜렉이 아브라함을 불러서 그에게 이르되 `네가 어찌하여 우리에게 이리 하느냐? 내가 무슨 죄를 네게 범하였관대 네가 나와 내 나라로 큰 죄에 빠질 뻔하게 하였느냐? 네가 합당치 않은 일을 네게 행하였도다` 하고
Ary Abimeleka dia nampaka an’ i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
10 아비멜렉이 또 아브라함에게 이르되 `네가 무슨 의견으로 이렇게 하였느냐?'
Ary hoy koa Abimeleka tamin’ i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao?
11 아브라함이 가로되 `이곳에서는 하나님을 두려워함이 없으니 내 아내를 인하여 사람이 나를 죽일까 생각하였음이요
Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra tokoa amin’ ity tany ity, ka hovonoin’ ny olona aho noho ny amin’ ny vadiko.
12 또 그는 실로 나의 이복 누이로서 내 처가 되었음이니라
Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin’ ny raiko, fa tsy mba zanakavavin’ ny reniko; ka dia nanambady azy aho.
13 하나님이 나로 내 아비 집을 떠나 두루 다니게 하실 때에 내가 아내에게 말하기를 이후로 우리의 가는 곳마다 그대는 나를 그대의 오라비라 하라 이것이 그대가 내게 베풀 은혜라 하였었노라`
Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ ny tranon’ ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin’ ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’ izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.
14 아비멜렉이 양과 소와 노비를 취하여 아브라함에게 주고 그 아내 사라도 그에게 돌려보내고
Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an’ i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.
15 아브라함에게 이르되 `내 땅이 네 앞에 있으니 너 보기에 좋은 대로 거하라' 하고
Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin’ izay tianao.
16 사라에게 이르되 `내가 은 천개를 네 오라비에게 주어서 그것으로 너와 함께 한 여러 사람 앞에서 네 수치를 풀게 하였노니 네 일이 다 선히 해결되었느니라'
Ary hoy kosa izy tamin’ i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin’ izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin’ izany rehetra izany.
17 아브라함이 하나님께 기도하매 하나님이 아비멜렉과 그 아내와 여종을 치료하사 생산케 하셨으니
Ary Abrahama dia nifona tamin’ Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an’ i Abimeleka sy ny vadiny mbamin’ ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.
18 여호와께서 이왕에 아브라함의 아내 사라의 연고로 아비멜렉의 집 모든 태를 닫히셨음이더라
Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin’ ny ankohonan’ i Abimeleka noho ny amin’ i Saraha, vadin’ i Abrahama.

< 창세기 20 >