< 창세기 2 >

1 천지와 만물이 다 이루니라
Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.
2 하나님의 지으시던 일이 일곱째 날이 이를 때에 마치니 그 지으시던 일이 다하므로 일곱째 날에 안식하시니라
Ary tamin’ ny andro fahafito dia vitan’ Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ ny andro fahafito Izy tamin’ ny asany rehetra izay efa nataony.
3 하나님이 일곱째 날을 복 주사 거룩하게 하셨으니 이는 하나님이 그 창조하시며 만드시던 모든 일을 마치시고 이 날에 안식하셨음이더라
Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’ izany no nitsaharan’ Andriamanitra tamin’ ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ ny nanaovany azy.
4 여호와 하나님이 천지를 창조하신 때에 천지의 창조된 대략이 이러하니라
Ary izao no tantaran’ ny lanitra sy ny tany tamin’ ny namoronana azy, dia tamin’ ny nanaovan’ i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
5 여호와 하나님이 땅에 비를 내리지 아니하셨고 경작할 사람도 없었으므로 들에는 초목이 아직 없었고 밭에는 채소가 나지 아니하였으며
Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin’ ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin’ ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;
6 안개만 땅에서 올라와 온 지면을 적셨더라
nefa nisy zavona niakatra avy tamin’ ny tany ka nandena ny tany rehetra.
7 여호와 하나님이 흙으로 사람을 지으시고 생기를 그 코에 불어 넣으시니 사람이 생령이 된지라
Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.
8 여호와 하나님이 동방의 에덴에 동산을 창설하시고 그 지으신 사람을 거기 두시고
Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.
9 여호와 하나님이 그 땅에서 보기에 아름답고 먹기에 좋은 나무가 나게 하시니 동산 가운데에는 생명나무와 선악을 알게하는 나무도 있더라
Ary nampanirin’ i Jehovah Andriamanitra teo amin’ ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’ aina teo afovoan’ ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
10 강이 에덴에서 발원하여 동산을 적시고 거기서부터 갈라져 네 근원이 되었으니
Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:
11 첫째의 이름은 비손이라 금이 있는 하윌라 온 땅에 둘렸으며
Ny anaran’ ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;
12 그 땅의 금은 정금이요 그 곳에는 베델리엄과 호마노도 있으며
ary tsara ny volamena amin’ izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.
13 둘째 강의 이름은 기혼이라 구스 온 땅에 둘렸고
Ary ny anaran’ ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.
14 세째 강의 이름은 힛데겔이라 앗수르 동편으로 흐르며 네째 강은 유브라데더라
Ary ny anaran’ ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin’ i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
15 여호와 하나님이 그 사람을 이끌어 에덴 동산에 두사 그것을 다스리며 지키게 하시고
Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.
16 여호와 하나님이 그 사람에게 명하여 가라사대 동산 각종 나무의 실과는 네가 임의로 먹되
Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ ny saha dia azonao ihinanana ihany;
17 선악을 알게하는 나무의 실과는 먹지 말라! 네가 먹는 날에는 정녕 죽으리라! 하시니라
fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.
18 여호와 하나님이 가라사대 사람의 독처하는 것이 좋지 못하니 내가 그를 위하여 돕는 배필을 지으리라 하시니라
Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.
19 여호와 하나님이 흙으로 각종 들짐승과 공중의 각종 새를 지으시고 아담이 어떻게 이름을 짓나 보시려고 그것들을 그에게로 이끌어 이르시니 아담이 각 생물을 일컫는 바가 곧 그 이름이라
Ary tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan’ aina rehetra, dia izany no anarany.
20 아담이 모든 육축과 공중의 새와 들의 모든 짐승에게 이름을 주니라 아담이 돕는 배필이 없으므로
Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin’ ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.
21 여호와 하나님이 아담을 깊이 잠들게 하시니 잠들매 그가 그 갈빗대 하나를 취하고 살로 대신 채우시고
Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.
22 여호와 하나님이 아담에게서 취하신 그 갈빗대로 여자를 만드시고 그를 아담에게로 이끌어 오시니
Ary ny taolan-tehezana izay nalain’ i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.
23 아담이 가로되 `이는 내 뼈 중의 뼈요! 살 중의 살이라! 이것을 남자에게서 취하였은즉 여자라 칭하리라' 하니라
Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ ny taolako sy nofo avy amin’ ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.
24 이러므로 남자가 부모를 떠나 그 아내와 연합하여 둘이 한 몸을 이룰지로다!
Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.
25 아담과 그 아내 두 사람이 벌거벗었으나 부끄러워 아니하니라
Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.

< 창세기 2 >