< 창세기 12 >

1 여호와께서 아브람에게 이르시되 너는 너의 본토 친척 아비 집을 떠나 내가 네게 지시할 땅으로 가라
Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrama: Mandehana miala amin’ ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ ny rainao hankany amin’ ny tany izay hasehoko anao;
2 내가 너로 큰 민족을 이루고 네게 복을 주어 네 이름을 창대케 하리니 너는 복의 근원이 될지라!
dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
3 너를 축복하는 자에게는 내가 복을 내리고 너를 저주하는 자에게는 내가 저주하리니 땅의 모든 족속이 너를 인하여 복을 얻을 것이니라 하신지라
ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
4 이에 아브람이 여호와의 말씀을 좇아 갔고 롯도 그와 함께 갔으며 아브람이 하란을 떠날 때에 그 나이 칠십 오세였더라
Dia nandeha Abrama araka izay efa nolazain’ i Jehovah taminy, ary Lota koa mba niaraka taminy. Ary efa dimy amby fito-polo taona Abrama, raha niala tao Harana izy.
5 아브람이 그 아내 사래와 조카 롯과 하란에서 모은 모든 소유와 얻은 사람들을 이끌고 가나안 땅으로 가려고 떠나서 마침내 가나안 땅에 들어 갔더라
Ary Abrama nitondra an’ i Saray vadiny sy Lota zana-drahalahiny mbamin’ ny fananan’ izy rehetra izay efa nohariny sy ny olona izay efa azony tao Harana; dia niainga izy ireo hankany amin’ ny tany Kanana, ka tonga tany amin’ ny tany Kanana izy.
6 아브람이 그 땅을 통과하여 세겜 땅 모레 상수리 나무에 이르니 그 때에 가나안 사람이 그 땅에 거하였더라
Ary Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, dia tao an-kazo terebintan’ i More. Ary ny Kananita no tompon-tany tany Kanana fahizay.
7 여호와께서 아브람에게 나타나 가라사대 내가 이 땅을 네 자손에게 주리라 하신지라 그가 자기에게 나타나신 여호와를 위하여 그 곳에 단을 쌓고
Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia nanorina alitara teo izy ho an’ i Jehovah Izay niseho taminy.
8 거기서 벧엘 동편 산으로 옮겨 장막을 치니 서는 벧엘이요, 동은 아이라 그가 그 곳에서 여호와를 위하여 단을 쌓고 여호와의 이름을 부르더니
Ary nifindra niala teo izy hankany amin’ ny tendrombohitra atsinanan’ i Betela ka nanorina ny lainy teo anelanelan’ i Betela tao andrefany sy Ay tao atsinanany; dia nanorina alitara teo koa ho an’ i Jehovah izy ka niantso ny anaran’ i Jehovah.
9 점점 남방으로 옮겨 갔더라
Ary nifindra Abrama ka nandroso niandalana ho any amin’ ny tany atsimo.
10 그 땅에 기근이 있으므로 아브람이 애굽에 우거하려 하여 그리로 내려갔으니 이는 그 땅에 기근이 심하였음이라
Ary nisy mosary teo amin’ ny tany; ary Abrama dia nidina nankany Egypta hivahiny any, fa mafy ny mosary teo amin’ ny tany.
11 그가 애굽에 가까이 이를 때에 그 아내 사래더러 말하되 `나 알기에 그대는 아리따운 여인이라
Ary rehefa nadiva ho tonga tany Egypta izy, dia hoy izy tamin’ i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,
12 애굽 사람이 그대를 볼 때에 이르기를 이는 그의 아내라 하고 나는 죽이고 그대는 살리리니
ka, raha hitan’ ny Egyptiana, dia hataony hoe: Vadiny io; ka hovonoiny aho, fa ianao kosa hovelominy.
13 원컨대 그대는 나의 누이라 하라 그리하면 내가 그대로 인하여 안전하고 내 목숨이 그대로 인하여 보존하겠노라' 하니라
Masìna ianao, lazao fa anabaviko ianao, mba hasiany soa aho noho ny aminao, ka ianao no hamelomany ahy.
14 아브람이 애굽에 이르렀을 때에 애굽 사람들이 그 여인의 심히 아리따움을 보았고
Ary rehefa tonga tany Egypta Abrama, dia hitan’ ny Egyptiana fa tsara tarehy indrindra ravehivavy.
15 바로의 대신들도 그를 보고 바로 앞에 칭찬하므로 그 여인을 바로의 궁으로 취하여 들인지라
Ary nahita azy ny tandapan’ i Farao ka nidera azy tamin’ i Farao; dia nentina tao an-tranon’ i Farao izy.
16 이에 바로가 그를 인하여 아브람을 후대하므로 아브람이 양과, 소와, 노비와, 암수 나귀와, 약대를 얻었더라
Ary Abrama nasian’ i Farao soa noho ny amin’ i Saray; dia nahazo ondry sy omby sy borikilahy sy andevolahy sy andevovavy sy borikivavy sy rameva izy.
17 여호와께서 아브람의 아내 사래의 연고로 바로와 그 집에 큰 재앙을 내리신지라
Dia nasian’ i Jehovah areti-mandoza Farao sy ny ankohonany noho ny amin’ i Saray, vadin’ i Abrama.
18 바로가 아브람을 불러서 이르되 `네가 어찌하여 나를 이렇게 대접하였느냐? 네가 어찌하여 그를 네 아내라고 내게 고하지 아니하였느냐?
Ary Farao dia nampaka an’ i Abrama ka nanao hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
19 네가 어찌 그를 누이라 하여 나로 그를 취하여 아내를 삼게 하였느냐? 네 아내가 여기 있으니 이제 데려 가라' 하고
Nahoana ianao no nanao hoe: Anabaviko izy? ka nalaiko ho vady izy; koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento izy, ka mandehana.
20 바로가 사람들에게 그의 일을 명하매 그들이 그 아내와 그 모든 소유를 보내었더라
Dia nomen’ i Farao teny ny mpanompony sasany ny amin’ i Abrama; ary dia nanatitra azy sy ny vadiny mbamin’ ny fananany rehetra ireo.

< 창세기 12 >