< 에스라 7 >

1 이 일 후 바사 왕 아닥사스다가 위에 있을 때에 에스라라 하는 자가 있으니라 저는 스라야의 아들이요, 아사랴의 손자요, 힐기야의 증손이요
Ary rehefa afaka izany, tamin’ ny nanjakan’ i Artaksersesy, mpanjakan’ i Persia, dia niakatra Ezra, zanak’ i Seraia, zanak’ i Azaria, zanak’ i Hilklay
2 살룸의 현손이요, 사독의 오대손이요, 아히둡의 육대손이요,
zanak’ i Saloma, zanak’ i Zadoka, zanak’ i Ahitoba,
3 아마랴의 칠대손이요, 아사랴의 팔대손이요, 므라욧의 구대손이요,
zanak’ i Amaria, zanak’ i Azaria, zanak’ i Meraiota,
4 스라히야의 십대손이요, 웃시엘의 십 일대손이요, 북기의 십 이대손이요,
zanak’ i Zerahia, zanak’ i Ozy, zanak’ i Boky,
5 아비수아의 십 삼대손이요, 비느하스의 십 사대손이요, 엘르아살의 십 오대손이요, 대제사장 아론의 십 륙대손이라
zanak’ i Abisoa, zanak’ i Finehasa, zanak’ i Eleazara, zanak’ i Arona mpisoronabe;
6 이 에스라가 바벨론에서 올라왔으니 저는 이스라엘 하나님 여호와께서 주신 바 모세의 율법에 익숙한 학사로서 그 하나님 여호와의 도우심을 입으므로 왕에게 구하는 것은 다 받는 자더니
io Ezra io dia niakatra avy tany Babylona (mpanora-dalàna izy sady nahay ny lalàn’ i Mosesy, izay efa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely); ary nomen’ ny mpanjaka azy izay rehetra nangatahiny, araka ny nomban’ ny tànan’ i Jehovah Andriamaniny azy.
7 아닥사스다 왕 칠년에 이스라엘 자손과 제사장들과 레위 사람들과 노래하는 자들과 문지기들과 느디님 사람들 중에 몇사람이 예루살렘으로 올라올 때에
Ary niakatra koa ny sasany amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ny sasany amin’ ny mpisorona mbamin’ ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana ary ny Netinima mba hankany Jerosalema tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ i Artaksersesy mpanjaka.
8 이 에스라가 올라왔으니 왕의 칠년 오월이라
Ary tonga tany Jerosalema Ezra tamin’ ny volana fahadimy tamin’ ny taona fahafito nanjakan’ ny mpanjaka.
9 정월 초하루에 바벨론에서 길을 떠났고 하나님의 선한 손의 도우심을 입어 오월 초하루에 예루살렘에 이르니라
Fa tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany no niaingany niakatra avy tany Babylona; ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana fahadimy no nahatongavany tany Jerosalema araka ny soa nataon’ ny tànan’ Andriamaniny taminy.
10 에스라가 여호와의 율법을 연구하여 준행하며 율례와 규례를 이스라엘에게 가르치기로 결심하였었더라
Fa Ezra nampiomana ny fony hitady ny lalàn’ i Jehovah ka hankatò izany ary hampianatra ny Isiraely didy sy fitsipika.
11 여호와의 계명의 말씀과 이스라엘에게 주신 율례의 학사인 학사겸 제사장 에스라에게 아닥사스다 왕이 내린 조서 초본은 아래와 같으니라
Ary izao no tenin’ ny taratasy izay nomen’ i Artaksersesy mpanjaka an’ i Ezra mpisorona, ilay mpanora-dalàna mahay ny tenin’ ny lalàn’ i Jehovah sy ny didiny tamin’ ny Isiraely:
12 모든 왕의 왕 아닥사스다는 하늘의 하나님의 율법에 완전한 학사겸 제사장 에스라에게
Artaksersesy, mpanjakan’ ny mpanjaka, ho an’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay tsara ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra.
13 조서하노니 우리 나라에 있는 이스라엘 백성과 저희 제사장들과 레위 사람들 중에 예루살렘으로 올라갈 뜻이 있는 자는 누구든지 너와 함께 갈지어다
Izaho manao didy fa na iza na iza eto amin’ ny fanjakako amin’ ny olona Isiraely sy ny mpisorony ary ny Levita no te-hiaraka aminao hankany Jerosalema, dia mahazo mandeha izy.
14 너는 네 손에 있는 네 하나님의 율법을 좇아 유다와 예루살렘의 정형을 살피기 위하여 왕과 일곱 모사의 보냄을 받았으니
Fa ianao efa nirahin’ ny mpanjaka sy izy fito lahy mpanolo-tsainy handinika ny toetran’ i Joda sy Jerosalema araka ny lalàn’ Andriamanitrao izay eny an-tananao;
15 왕과 모사들이 예루살렘에 거하신 이스라엘 하나님께 성심으로 드리는 은금을 가져가고
ary hitondra ny volafotsy sy ny volamena izay efa naterin’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsaina tamin’ ny sitrapo ho an’ Andriamanitry ny Isiraely, Izay monina any Jerosalema;
16 또 네가 바벨론 온 도에서 얻을 모든 은금과 및 백성과 제사장들이 예루살렘 그 하나님의 전을 위하여 즐거이 드릴 예물을 가져다가
ary ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay ho azonao eran’ ny tany Babylona sy ny fanati-tsitrapo aterin’ ny olona sy ny mpisorona, dia izay ateriny amin’ ny sitrapo hanaovany ny tranon’ Andriamaniny, izay any Jerosalema.
17 그 돈으로 수송아지와 수양과 어린 양과 그 소제와 그 전제의 물품을 신속히 사서 예루살렘 네 하나님의 전 단 위에 드리고
Koa amin’ izany dia ividiano omby sy ondrilahy sy zanak’ ondry mbamin’ ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy amin’ io vola io araka izay marina, ka atero eo ambonin’ ny alitara ao an-tranon’ Andriamanitrareo izay any Jerosalema ireny.
18 그 나머지 은금은 너와 너의 형제가 선히 여기는 일에 너희 하나님의 뜻을 좇아 쓸지며
Ary izay rehetra sitrakao sy ny rahalahinao hatao amin’ ny volafotsy sy ny volamena sisa, dia ataovy izany araka ny sitrapon’ Andriamanitrareo.
19 네 하나님의 전에서 섬기는 일을 위하여 네게 준 기명은 예루살렘 하나님 앞에 드리고
Ary ny fanaka izay nomena anao hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitrao dia atolory eo anatrehan’ Andriamanitra any Jerosalema.
20 그 외에도 네 하나님의 전에 쓰일 것이 있어서 네가 드리고자 하거든 무엇이든지 왕의 내탕고에서 취하여 드릴지니라
Ary izay rehetra mbola hilainao koa ka tsy maintsy haloanao ho an’ ny tranon’ Andriamanitrao dia alao ao amin’ ny trano firaketan’ ny mpanjaka.
21 나 곧 나 아닥사스다 왕이 강 서편 모든 고지기에게 조서를 내려 이르기를 하늘의 하나님의 율법의 학사겸 제사장 에스라가 무릇 너희에게 구하는 것은 신속히 시행하되
Ary izaho, Artaksersesy mpanjaka, dia manao didy koa ho amin’ ny mpitahiry ny haren’ ny fanjakana rehetra izay any an-dafin’ ny ony, fa na inona na inona no ilain’ i Ezra mpisorona, mpanora-dalàna mahay ny lalàn’ Andriamanitry ny lanitra, aminareo, dia tovy marina izany,
22 은은 일백 달란트까지 밀은 일백 고르까지, 포도주는 일백 밧까지, 기름도 일백 밧까지 하고 소금은 정수 없이 하라
na hatramin’ ny talenta volafotsy zato sy ny vary tritika zato kora sy ny divay zato bata sy ny diloilo zato bata ary ny sira tsy misy fatrany aza.
23 무릇 하늘의 하나님의 전을 위하여 하늘의 하나님의 명하신 것은 삼가 행하라! 어찌하여 진노가 왕과 왕자의 나라에 임하게 하랴
Na inona na inona andidian’ Andriamanitry ny lanitra dia aoka hataonao tanteraka avokoa ho an’ ny tranon’ Andriamanitry ny lanitra; fa nahoana no havela hisy fahatezerana hihatra amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka sy ny zanany?
24 내가 너희에게 이르노니 제사장들이나 레위 사람들이나 노래하는 자들이나 문지기들이나 느디님 사람들이나 혹 하나님의 전에서 일하는 자들에게 조공과 잡세와 부세를 받는 것이 불가하니라 하였노라
Ary mampahafantatra anareo koa izahay fa ny mpisorona rehetra sy ny Levita sy ny mpihira sy ny mpiandry varavarana sy ny Netinima ary ny mpanompo amin’ io tranon’ Andriamanitra io dia tsy mba hampandoavina hetra, na haba, na sara.
25 에스라여! 너는 네 손에 있는 네 하나님의 지혜를 따라 네 하나님의 율법을 아는 자로 유사와 재판관을 삼아 강 서편 모든 백성을 재판하게 하고 그 알지 못하는 자는 너희가 가르치라
Ary ianao, ry Ezra, araka ny fahendren’ Andriamanitrao izay eo an-tananao, dia manendre mpanapaka sy mpitsara, izay hitsara ny olona rehetra any an-dafin’ ny ony, dia izay rehetra mahalala ny lalàn’ Andriamanitrao; fa izay tsy mbola mahalala izany dia aoka hampianarinareo.
26 무릇 네 하나님의 명령과 왕의 명령을 준행치 아니하는 자는 속히 그 죄를 정하여 혹 죽이거나 정배하거나 가산을 적몰하거나 옥에 가둘지니라 하였더라
Ary na iza na iza tsy mety mankatò ny lalan’ Andriamanitrao sy ny lalàn’ ny mpanjaka, dia aoka hotsaraina marina izy na hovonoina, na horoahina, na hosazina, na hafatotra.
27 우리 열조의 하나님 여호와를 송축할지로다! 그가 왕의 마음에 예루살렘 여호와의 전을 아름답게 할 뜻을 두시고
Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, Izay efa nanisy izany tao am-pon’ ny mpanjaka hahatsara tarehy ny tranon’ i Jehovah any Jerosalema.
28 또 나로 왕과 그 모사들의 앞과 왕의 권세 있는 모든 방백의 앞에서 은혜를 얻게 하셨도다 나의 하나님 여호와의 손이 나의 위에 있으므로 내가 힘을 얻어 이스라엘 중에 두목을 모아 나와 함께 올라오게 하였노라
sady efa nampahazo ahy famindram-po teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ireo mpanolo-tsainy ary ny mpanapaka lehibe rehetra ao amin’ ny mpanjaka. Ary dia nampaherezina aho araka ny nomban’ ny tanan’ i Jehovah Andriamanitro ahy ka nahangona loholona tamin’ ny Isiraely mba hiara-miakatra amiko.

< 에스라 7 >