< 에스겔 28 >

1 여호와의 말씀이 또 내게 임하여 가라사대
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe;
2 인자야 너는 두로 왕에게 이르기를 주 여호와의 말씀에 네 마음이 교만하여 말하기를 나는 신이라 내가 하나님의 자리 곧 바다 중심에 앉았다 하도다 네 마음이 하나님의 마음 같은 체 할지라도 너는 사람이요 신이 아니어늘
Ry zanak’ olona, lazao amin’ ny mpanjakan’ i Tyro hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao, ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin’ ny anankiray amin’ ny fipetrahan’ Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan’ ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon’ Andriamanitra aza ny fonao,
3 네가 다니엘보다 지혜로와서 은밀한 것을 깨닫지 못할 것이 없다하고
Hay! hendry noho Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!
4 네 지혜와 총명으로 재물을 얻었으며 금 은을 곳간에 저축하였으며
Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin’ ny rakitrao
5 네 큰 지혜와 장사함으로 재물을 더하고 그 재물로 인하여 네 마음이 교만하였도다
Ny haben’ ny fahendrenao tamin’ ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao;
6 그러므로 나 주 여호와가 말하노라 네 마음이 하나님의 마음 같은 체 하였으니
Koa, indro, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon’ Andriamanitra ny fonao,
7 그런즉 내가 외인 곧 열국의 강포한 자를 거느리고 와서 너를 치리니 그들이 칼을 빼어 네 지혜의 아름다운 것을 치며 네 영화를 더럽히며
Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin’ ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanao
8 또 너를 구덩이에 빠뜨려서 너로 바다 가운데서 살륙을 당한 자의 죽음 같이 바다 중심에서 죽게 할지라
Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan’ izay voatrabaka ao amin’ ny ranomasina.
9 너를 살륙하는 자 앞에서 네가 그래도 말하기를 내가 하나님이라 하겠느냐 너를 치는 자의 수중에서 사람뿐이요 신이 아니라
Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason’ izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan’ izay manatrabaka anao
10 네가 외인의 손에서 죽기를 할례 받지 않은 자의 죽음 같이 하리니 내가 말하였음이니라 나 주 여호와의 말이니라 하셨다 하라
Tahaka ny fahafatesan’ ny tsy voafora no hahafatesan’ ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.
11 여호와의 말씀이 또 내게 임하여 가라사대
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
12 인자야 두로 왕을 위하여 애가를 지어 그에게 이르기를 주 여호와의 말씀에 너는 완전한 인이었고 지혜가 충족하며 온전히 아름다왔도다
Ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ ny mpanjakan’ i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,
13 네가 옛적에 하나님의 동산 에덴에 있어서 각종 보석 곧 홍보석과, 황보석과, 금강석과, 황옥과, 홍마노와, 창옥과, 청보석과, 남보석과, 홍옥과, 황금으로 단장하였었음이여 네가 지음을 받던 날에 너를 위하여 소고와 비파가 예비되었었도다
Tany Edena, sahan’ Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin’ ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.
14 너는 기름 부음을 받은 덮는 그룹임이여 내가 너를 세우매 네가 하나님의 성산에 있어서 화광석 사이에 왕래하였었도다
Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin’ Andriamanitra ianao; Tao amin’ ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.
15 네가 지음을 받던 날로부터 네 모든 길에 완전하더니 마침내 불의가 드러났도다
Tsy nanan-tsiny ianao tamin’ ny nalehanao hatramin’ ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.
16 네 무역이 풍성하므로 네 가운데 강포가 가득하여 네가 범죄하였도다 너 덮는 그룹아 그러므로 내가 너를 더럽게 여겨 하나님의 산에서 쫓아 내었고 화광석 사이에서 멸하였도다
Noho ny habetsahan’ ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin’ ny vato mirehitra.
17 네가 아름다우므로 마음이 교만하였으며 네가 영화로우므로 네 지혜를 더럽혔음이여 내가 너를 땅에 던져 열왕 앞에 두어 그들의 구경거리가 되게 하였도다
Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin’ ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan’ ireo mpanjaka,
18 네가 죄악이 많고 무역이 불의하므로 네 모든 성소를 더럽혔음이여 내가 네 가운데서 불을 내어 너를 사르게 하고 너를 목도하는 모든 자 앞에서 너로 땅 위에 재가 되게 하였도다
Noho ny haben’ ny helokao tamin’ ny tsi-fahamarinan’ ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masìna; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin’ ny tany ianao eo imason’ izay rehetra mijery anao.
19 만민 중에 너를 아는 자가 너로 인하여 다 놀랄 것임이여 네가 경계거리가 되고 네가 영원히 다시 있지 못하리로다 하셨다 하라
Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.
20 여호와의 말씀이 또 내게 임하여 가라사대
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
21 인자야 너는 낯을 시돈으로 향하고 그를 쳐서 예언하라
Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy,
22 너는 이르기를 주 여호와의 말씀에 시돈아 내가 너를 대적하나니 네 가운데서 내 영광이 나타나리라 하셨다 하라 내가 그 가운데서 국문을 행하여 내 거룩함을 나타낼 때에 무리가 나를 여호와인 줄 알지라
ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masìna amin’ ny ataoko aminy.
23 내가 그에게 염병을 보내며 그의 거리에 피가 흐르게 하리니 사방에서 오는 칼에 상한 자가 그 가운데 엎드러질 것인즉 무리가 나를 여호와인 줄 알겠고
Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rà ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.
24 이스라엘 족속에게는 그 사면에서 그들을 멸시하는 자 중에 찌르는 가시와 아프게 하는 가시가 다시는 없으리니 그들이 나를 주 여호와인 줄 알리라
Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an’ ny taranak’ Isiraely, avy amin’ ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.
25 나 주 여호와가 말하노라 내가 열방에 흩어 있는 이스라엘 족속을 모으고 그들로 인하여 열국의 목전에서 내 거룩함을 나타낼 때에 그들이 고토 곧 내 종 야곱에게 준 땅에 거할지라
Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin’ ny firenena izay nampielezana azy ny taranak’ Isiraely, dia hiseho ho masìna eo imason’ ny firenena Aho amin’ ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an’ i Jakoba mpanompoko izy.
26 그들이 그 가운데 평안히 거하여 집을 건축하며 포도원을 심고 그들의 사면에서 멸시하던 모든 자를 내가 국문할 때에 그들이 평안히 살며 나를 그 하나님 여호와인 줄 알리라
Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin’ ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.

< 에스겔 28 >