< 에스겔 27 >

1 여호와의 말씀이 내게 임하여 가라사대
Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
2 인자야 너는 두로를 위하여 애가를 지으라
Hianao, ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ i Tyro,
3 너는 두로를 향하여 이르기를 바다 어귀에 거하여 여러 섬 백성과 통상하는 자여 주 여호와의 말씀에 두로야 네가 말하기를 나는 온전히 아름답다 하였도다
ka ataovy aminy hoe: He, ry ilay monina amin’ ny vava-ranomasina, Mpandranto ho an’ ny firenena ho any ny moron-dranomasina maro samy hafa; Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: He, ry Tyro, ianao efa nanao hoe: Izaho dia tena tsara tarehy!
4 네 지경이 바다 가운데 있음이여 너를 지은 자가 네 아름다움을 온전케 하였도다
Ao amin’ ny ranomasina ny taninao, efa tanteraky ny mpandrafitra anao ny hatsaran-tarehinao.
5 스닐의 잣나무로 네 판자를 만들었음이여 너를 위하여 레바논 백향목을 가져 돛대를 만들었도다
Hazo kypreso avy any Senira no nanaovany ny lampihazonao; Sedera avy any Libanona no nalainy hatao andrin-tsambonao.
6 바산 상수리나무로 네 노를 만들었음이여 깃딤섬 황양목에 상아로 꾸며 갑판을 만들었도다
Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima no nataony fipetrahan’ ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.
7 애굽의 수 놓은 가는 베로 돛을 만들어 기를 삼았음이여 엘리사 섬의 청색 자색 베로 차일을 만들었도다
Rongony madinika samy hafa soratra avy any Egypta no natao lainao mba ho faneva ho anao; Lamba manga sy volomparasy avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Elisa no eloelonao.
8 시돈과 아르왓 거민들이 네 사공이 되었음이여 두로야 네 가운데 있는 박사가 네 선장이 되었도다
Ny mponina any Sidona sy Arvada no mpivoinao; Ny olon-kendrinao, ry Tyro, no tao aminao, ka ireo no mpitondra sambonao.
9 그발의 노인과 박사들이 네 가운데서 배의 틈을 막는 자가 되었음이여 바다의 모든 배와 그 사공들은 네 가운데서 무역하였도다
Ny zokiolon’ i Gebala sy izay hendry tany no tao aminao ho mpanentsin-tsambonao; ny sambo rehetra teny amin’ ny ranomasina mbamin’ ny matilony dia tonga tao aminao hanakalo ny rantonao.
10 바사와 룻과 붓이 네 군대 가운데서 병정이 되었음이여 네 가운데서 방패와 투구를 달아 네 영광을 나타내었도다
Ny avy any Persia sy ny Lydiana ary ny Libyana dia isan’ ny miaramila mpiadinao; Nanantona ampinga sy fiarovan-doha teny aminao ireo ka nahatsara tarehy anao.
11 아르왓 사람과 네 군대는 네 사면 성 위에 있었고 용사들은 네 여러 망대에 있었음이여 네 사면 성 위에 방패를 달아 네 아름다움을 온전케 하였도다
Ny terak’ i Arvada sy ny miaramilanao no teny ambonin’ ny mandanao manodidina, ary lehilahy mahery no tao amin’ ny tilikambonao; Ny ampingany dia nahantony teny amin’ ny mandanao manodidina; Ireo no nahatanteraka ny hatsaran-tarehinao.
12 다시스는 각종 보화가 풍부하므로 너와 통상하였음이여 은과 철과 상납과 납을 가지고 네 물품을 무역하였도다
Tarsisy no mpandranto nankany aminao noho ny haben’ ny harena samy hafa rehetra; Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka na nentiny natakalo ny entanao.
13 야완과 두발과 메섹은 네 장사가 되었음이여 사람과 놋그릇을 가지고 네 상품을 무역하였도다
Javana sy Tobala ary Maseka no mpandranto nankany aminao, ka olona sy fanaka varahina no natakalony ny varotrao.
14 도갈마 족속은 말과 전마와 노새를 가지고 네 물품을 무역하며
Ny terak’ i Togarma nitondra soavaly sy soavaly fitaingina ary ampondra natakalo ny entanao.
15 드단 사람은 네 장사가 되었음이여 여러 섬이 너와 통상하여 상아와 오목을 가져 네 물품을 무역하였도다
Ny terak’ i Dedana no mpandranto nankany aminao; Ny avy amin’ ny moron-dranomasina maro no tonga hivarotra tao aminao ka nitondra ivory sy hazomainty natakalo ny entanao.
16 너의 제조품이 풍부하므로 아람은 너와 통상하였음이여 남보석과 자색 베와 수 놓은 것과 가는 베와 산호와 홍보석을 가지고 네 물품을 무역하였도다
Syria no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan’ ny tao-zavatrao, ka karbonkolo sy lamba volomparasy sy tenona samy hafa soratra sy rongony fotsy madinika sy voahangy ary robina No nentiny natakalo ny entanao.
17 유다와 이스라엘 땅 사람이 네 장사가 되었음이여 민닛 밀과 과자와 꿀과 기름과 유향을 가지고 네 물품을 무역하였도다
Joda sy ny tanin’ ny Isiraely no mpandranto nankany aminao, ka vary tritika avy tany Minita sy zava-mamy sy tantely sy diloilo ary balsama no natakalony ny varotrao.
18 너의 제조품이 많고 각종 보화가 풍부하므로 다메섹이 너와 통상하였음이여 헬본 포도주와 흰 양털을 가지고 너와 무역하였도다
Damaskosy no mpandranto nankany aminao noho ny habetsahan’ ny taozavatrao, dia ny haben’ ny harenao rehetra, ka nitondra divay avy any Helbona sy volon’ ondry fotsy izy.
19 워단과 야완은 길쌈하는 실로 네 물품을 무역하였음이여 백철과 육계와 창포가 네 상품중에 있었도다
Vedana koa sy Javana avy any Ozala dia nitondra vy voatefy natakalo ny entanao; Kasia sy veromanitra no natakalony ny varotrao.
20 드단은 네 장사가 되었음이여 탈 때 까는 담으로 너와 무역하였도다
Dedana no mpandranto nankany aminao, nitondra lamba fanao lamban-tsoavaly.
21 그들이 다 너를 위하여 머리털을 밀고 굵은 베로 띠를 띠고 마음이 아프게 슬피 통곡하리로다 아라비아와 게달의 모든 방백은 네 수하에 상고가 되어 어린 양과 수양과 염소들 그것으로 너와 무역하였도다 아라비아와 게달의 모든 방백은 네 수하에 상고가 되어 어린 양과 수양과 염소들 그것으로 너와 무역하였도다 그들이 다 너를 위하여 머리털을 밀고 굵은 베로 띠를 띠고 마음이 아프게 슬피 통곡하리로다
Arabia sy ireo andriandahin’ i Kedara rehetra no nandranto tany aminao, ka zanak’ ondry sy ondrilahy ary osilahy no nentiny natao varotra tao aminao.
22 스바와 라아마의 장사들도 너의 장사들이 됨이여 각종 상등 향재료와 각종 보석과 황금으로 네 물품을 무역하였도다
Ny mpandranto avy any Sheba sy Rama no mpandranto nankany aminao, Ka zava-manitra tsara indrindra sy vato soa samy hafa karazana ary volamena no nentiny natakalo ny entanao.
23 하란과 간네와 에덴과 스바와 앗수르와 길맛의 장사들도 너의 장사들이라
Harana sy Kane ary Edena sy mpandranto avy any Sheba sy Asyria ary Kilmada no mpandranto nankany aminao.
24 이들이 아름다운 물화 곧 청색 옷과 수놓은 물품과 빛난 옷을 백향목 상자에 담고 노끈으로 묶어 가지고 너와 통상하여 네 물품을 무역하였도다
Ireo no mpandranto nankany aminao nitondra ny fitafiana marevaka rehetra, dia kapôty manga sy samy hafa soratra ary vata sedera mifehy misy fitafiana soa no natakalony ny varotrao.
25 다시스의 배는 떼를 지어 네 물화를 실었음이여 네가 바다 중심에서 풍부하여 영화가 극하였도다
Ny sambon’ i Tarsisy no mpitondra ny entanao, dia feno sady be voninahitra ianao teo amin’ ny ranomasina.
26 네 사공이 너를 인도하여 큰 물에 이름이여 동풍이 바다 중심에서 너를 파하도다
Nentin’ ny mpivoinao teny amin’ ny rano be ianao, dia nahavaky anao tao amin’ ny ranomasina ny rivotra avy any atsinanana.
27 네 재물과 상품과 무역한 물건과 네 사공과 선장과 네 배의 틈을 막는 자와 네 장사와 네 가운데 있는 모든 용사와 네 가운데 있는 모든 무리가 네 패망하는 날에 다 바다 중심에 빠질 것임이여
Ny harenao sy ny vidin’ entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin’ ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin’ ny ranomasina tamin’ ny andro nandravana anao.
28 네 선장의 부르짖는 소리에 물결이 흔들리리로다
Noho ny fidradradradran’ ny mpitondra sambonao dia mihorohoro ny tany manodidina.
29 무릇 노를 잡은 자와 사공과 바다의 선장들이 다 배에 내려 언덕에 서서
Ary samy midìna miala amin’ ny sambony ny mpivoy rehetra sy ny matilo ary ny mpitondra sambo rehetra eny an-dranomasina ka mijanòna eny an-tanety;
30 너를 위하여 크게 소리질러 통곡하고 티끌을 머리에 무릎쓰며 재 가운데 굶이여
Ary manandratra ny feony noho ny nanjo anao izy ka midradradradra mafy sady manopy vovoka hiraraka amin’ ny lohany ary mihosinkosin-davenona;
31 그들이 다 너를 위하여 머리털을 밀고 굵은 베로 띠를 띠고 마음이 아프게 슬피 통곡하리로다
Ary mibory loha avokoa izy noho ny aminao sy misikìna lamba fisaonana ary mitomany anao amin’ ny fangidiam-panahy izy, dia fisaonana mafy.
32 그들이 통곡할 때에 너를 위하여 애가를 불러 조상하는 말씀이여 두로 같이 바다 가운데서 적막한 자 누구인고
Ary raha midradradradra izy, dia manao hira fahalahelovana ny aminao ka mitomany anao hoe: Iza moa no tahaka an’ i Tyro, dia tahaka ilay rava ao ampovoan’ ny ranomasina?
33 네 물품을 바다로 실어 낼 때에 네가 여러 백성을 풍족하게 하였음이여 네 재물과 무역품이 많으므로 세상 열왕을 풍부케 하였었도다
Raha nivoaka avy amin’ ny ranomasina ny varotrao, dia nahatretrika firenena maro ianao; Tamin’ ny haben’ ny harenao sy ny varotrao dia nampanan-karena ny mpanjakan’ ny tany ianao.
34 네가 바다 깊은데서 파선한 때에 네 무역품과 네 승객이 다 빠졌음이여
Tamin’ ny andro nandravan’ ny ranomasina anao ho any amin’ ny rano lalina dia niara-nilentika taminao ny varotrao sy ny olona tafangona tao aminao.
35 섬의 거민들이 너를 인하여 놀라고 열왕이 심히 두려워하여 얼굴에 근심이 나타나도다
Talanjona anao ny mponina rehetra amin’ ny moron-dranomasina, ary raiki-tahotra ny mpanjakany ka dia mivalomainty.
36 열국의 상고가 다 너를 비웃음이여 네가 경계거리가 되고 네가 영원히 다시 있지 못하리라 하리로다 하셨다 하라
Misitrisitra anao ny mpandranto amin’ ny firenena; tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay

< 에스겔 27 >