< 에스겔 19 >

1 너는 이스라엘 방백들을 위하여 애가를 지어
Ary manaova hira fahalahelovana ny amin’ ireo andrianan’ ny Isiraely ianao,
2 부르기를 네 어미는 무엇이냐 암사자라 그가 사자들 가운데 엎드리어 젊은 사자 중에서 그 새끼를 기르는데
ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka tao amin’ ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin’ ny liona tanora?
3 그 새끼 하나를 키우매 젊은 사자가 되어 식물 움키기를 배워 사람을 삼키매
Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
4 이방이 듣고 함정으로 그를 잡아 갈고리로 꿰어끌고 애굽 땅으로 간지라
Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin’ ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin’ ny tany Egypta izy.
5 암사자가 기다리다가 소망이 끊어진 줄을 알고 그 새끼 하나를 또 취하여 젊은 사자가 되게 하니
Ary nony hitan’ ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.
6 젊은 사자가 되매 여러 사자 가운데 왕래하며 식물 움키기를 배워 사람을 삼키며
Ary nivoivoy teny amin’ ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.
7 그의 궁실들을 헐고 성읍들을 훼파하니 그 우는 소리로 인하여 땅과 그 가득한 것이 황무한지라
Ary nisavika ny mpitondratenan’ ireny izy sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin’ izay rehetra tao aminy. Noho ny feon’ ny fierony.
8 이방이 둘려 있는 지방에서 그를 치러 와서 그의 위에 그물을 치고 함정에 잡아
Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin’ ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin’ ny lavaka izy.
9 갈고리로 꿰고 철롱에 넣어 끌고 바벨론 왕에게 이르렀나니 그를 옥에 가두어서 그 소리로 다시 이스라엘 산에 들리지 않게 하려 함이니라
Ary nataony tamin’ ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy, nentiny ho ao amin’ ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin’ ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.
10 네 피의 어미는 물 가에 심긴 포도나무 같아서 물이 많으므로 실과가 많고 가지가 무성하며
Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin’ ny andro niadananao: Vokatra sady nanaroka izy azon’ ny rano be,
11 그 가지들은 견강하여 권세 잡은 자의 홀이 될만한데 그 하나의 키가 굵은 가지 가운데서 높았으며 많은 가지 가운데서 뛰어나서 보이다가
Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an’ izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin’ ny rahona matevina, ary niseho tamin’ ny hahavony izy noho ny hamaroan’ ny rantsany.
12 분노 중에 뽑혀서 땅에 던짐을 당하매 그 실과는 동풍에 마르고 그 견강한 가지들은 꺾이고 말라 불에 탔더니
Nefa nongotana tamin’ ny fahavinirana izy ka nazera ho amin’ ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon’ ny afo ireny.
13 이제는 광야, 메마르고 가물이 든 땅에 심긴바 되고
Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin’ ny tany maina karankaina izy.
14 불이 그 가지 중 하나에서부터 나와서 그 실과를 태우니 권세 잡은 자의 홀이 될만한 견강한 가지가 없도다 이것이 애가라 후에도 애가가 되리라
Ary afo no mivoaka avy amin’ ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.

< 에스겔 19 >