< 출애굽기 8 >

1 여호와께서 모세에게 이르시되 너는 바로에게 가서 그에게 이르기를 여호와의 말씀에 내 백성을 보내라 그들이 나를 섬길 것이니라
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
2 네가 만일 보내기를 거절하면 내가 개구리로 너의 온 지경을 칠지라
Fa raha mandà ka tsy mandefa azy ianao, indro, Izaho hamely ny taninao rehetra amin’ ny sahona;
3 개구리가 하수에서 무수히 생기고 올라와서 네 궁에와, 네 침실에와, 네 침상 위에와, 네 신하의 집에와, 네 백성에게와, 네 화덕에와, 네 떡반죽 그릇에 들어갈지며
dia hisy sahona betsaka any Neily, ary hiakatra ireny ka hankao amin’ ny tranonao sy ny trano fandrianao sy eny ambonin’ ny farafaranao sy any amin’ ny tranon’ ny mpanomponao sy amin’ ny vahoakanao ary eny amin’ ny fanendasa-mofonao sy eny amin’ ny vilia fanaova-mofonao.
4 개구리가 네게와, 네 백성에게와, 네 모든 신하에게 오르리라 하셨다 하라
Dia ho aminao sy ny vahoakanao ary ny mpanomponao rehetra no hiakaran’ ny sahona.
5 여호와께서 모세에게 이르시되 아론에게 명하기를 네 지팡이를 잡고 네 팔을 강들과 운하들과 못 위에 펴서 개구리로 애굽 땅에올라오게 하라 할지니라
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe: Ahinjiro ny tananao mitana ny tehinao eny ambonin’ ny sampan-drano ary eny ambonin ny lahin-drano sy ny heniheny, ka mampiakara ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta.
6 아론이 팔을 애굽 물들 위에 펴매 개구리가 올라와서 애굽 땅에 덮이니
Ary nahinjitr’ i Arona tambonin’ ny rano tany Egypta ny tànany; dia niakatra ny sahona ka nandrakotra ny tany Egypta.
7 술객들도 자기 술법대로 이와 같이 하여 개구리로 애굽 땅에 올라오게 하였더라
Ary ny ombiasy mba nanao toy izany koa tamin’ ny fankatovany ka nampiakatra ny sahona ho eny amin’ ny tany Egypta.
8 바로가 모세와 아론을 불러 이르되 `여호와께 구하여 개구리를 나와 내 백성에게서 떠나게 하라 내가 이 백성을 보내리니 그들이 여호와께 희생을 드릴 것이니라'
Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mangataha amin’ i Jehovah hampialany ny sahona amiko sy amin’ ny vahoakako; dia halefako ny olona mba hamono any zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah.
9 모세가 바로에게 이르되 `내가 왕과 왕의 신하와 왕의 백성을 위하여 어느 때에 구하여 이 개구리를 왕과 왕궁에서 끊어서 하수에만 있게 하오리이까? 내게 보이소서'
Ary hoy Mosesy tamin’ i Farao: Aoka hiseho ny voninahitrao noho izay hataoko; rahoviana no hangatahako ho anao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, hanesorana ny sahona aminao sy amin’ ny tranonao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy?
10 그가 가로되 `내일이니라' 모세가 가로되 `왕의 말씀대로 하여 왕으로 우리 하나님 여호와와 같은 이가 없는 줄을 알게 하리니
Dia hoy izy: Rahampitso. Ary hoy kosa izy: Aoka àry dia ho araka ny teninao, mba hahafantaranao fa tsy misy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitray.
11 개구리가 왕과, 왕궁과, 왕의 신하와, 왕의 백성을 떠나서 하수에만 있으리이다' 하고
Ary ny sahona dia hiala aminao sy amin’ ny tranonao sy ny mpanomponao ary ny vahoakanao, ka ho ao Neily ihany no hisy azy.
12 모세와 아론이 바로를 떠나 나가서 바로에게 내리신 개구리에 대하여 모세가 여호와께 간구하매
Ary Mosesy sy Arona niala teo amin’ i Farao; ary Mosesy nitaraina tamin’ i Jehovah ny amin’ ny sahona izay efa nataony tamin’ i Farao.
13 여호와께서 모세의 말대로 하시니 개구리가 집에서, 마당에서, 밭에서 나와서 죽은지라
Dia nataon’ i Jehovah araka ny tenin’ i Mosesy, ka maty ny sahona teny amin’ ny trano sy teny amin’ ny tokotany ary tany an-tsaha.
14 사람들이 모아 무더기로 쌓으니 땅에서 악취가 나더라
Dia nangonina hivangongo teny rehetra eny ireny, ka efa maimbo ny tany.
15 그러나 바로가 숨을 통할 수 있음을 볼 때에 그 마음을 완강케 하여 그들을 듣지 아니하였으니 여호와의 말씀과 같더라
Fa nony hitan’ i Farao fa nisy hiainana, dia nanamafy ny fony izy ka tsy mba nihaino azy mirahalahy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
16 여호와께서 모세에게 이르시되 아론에게 명하기를 네 지팡이를 들어 땅의 티끌을 치라 하라 그것이 애굽 온 땅에서 이가 되리라
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Lazao amin’ i Arona hoe; Ahinjiro ny tehinao, ka kapohy ny vovo-tany, dia ho tonga moka eran’ ny tany Egypta rehetra izany.
17 그들이 그대로 행할쌔 아론이 지팡이를 잡고 손을 들어 땅의 티끌을 치매 애굽 온 땅의 티끌이 다 이가 되어 사람과 생축에게 오르니
Dia nanao toy izany izy, ka nahinjitr’ i Arona ny tànany mitana ny tehiny, ary nokapohiny ny vovo-tany, dia nisy moka teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy: fa tonga moka avokoa ny vovo-tany rehetra eran’ ny tany Egypta rehetra.
18 술객들이 자기 술법으로 이같이 행하여 이를 내려 하였으나 못하였고 이는 사람과 생축에게 있은지라
Ary mba nanao toy izany koa ny ombiasy tamin’ ny fankatovany mba hahatonga moka, kanjo tsy nahay izy; ary ny moka dia teny amin’ ny olona sy teny amin’ ny biby fiompy.
19 술객이 바로에게 고하되 `이는 하나님의 권능이니이다!' 하나 바로의 마음이 강퍅케 되어 그들을 듣지 아니하였으니 여호와의 말씀과 같더라
Dia hoy ny ombiasy tamin’ i Farao: Rantsan-tànan’ Andriamanitra ity; nefa nihamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, dia araka izay efa nolazain’ i Jehovah.
20 여호와께서 모세에게 이르시되 아침에 일찌기 일어나 바로 앞에 서라 그가 물로 나오리니 그에게 이르기를 여호와의 말씀에 내 백성을 보내라 그들이 나를 섬길 것이니라
Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mifohaza maraina koa, ka mitsangàna eo anatrehan’ i Farao (fa, indro, hivoaka ho any amin’ ny rano izy), ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Alefaso ny oloko hanompo Ahy.
21 네가 만일 내 백성을 보내지 아니하면 내가 너와 네 신하와 네 백성을 보내지 아니하면 내가 너와 네 신하와 네 백성과 네 집들에 파리떼를 보내리니 애굽 사람의 집집에 파리 떼가 가득할 것이며 그들의 거하는 땅에도 그러하리라
Fa raha tsy mandefa ny oloko ianao, indro Aho handefa lalitra betsaka hamely anao sy ny mpanomponao sy ny vahoakanao ary ny tranonao; dia ho feno lalitra ny tranon’ ny Egyptiana sy ny tany izay itoerany koa.
22 그 날에 내가 내 백성의 거하는 고센 땅을 구별하여 그 곳에는 파리떼가 없게 하리니 이로 말미암아 나는 세상 중의 여호와인 줄을 네가 알게 될 것이라
Fa havahako amin’ izany andro izany ny tany Gosena, izay itoeran’ ny oloko, ka tsy mba hisy lalitra ao, mba hahafantaranao fa Izaho no Jehovah afovoan’ ny tany.
23 내가 내 백성과 네 백성 사이에 구별을 두리니 내일 이 표징이 있으리라 하셨다 하라 하시고
Dia hasiako fiavahana amin’ ny oloko sy ny olonao; rahampitso no hisian’ izany famantarana izany.
24 여호와께서 그와 같이 하시니 무수한 파리떼가 바로의 궁에와, 그 신하의 집에와, 애굽 전국에 이르니 파리떼로 인하여 땅이 해를 받더라
Ary nataon’ i Jehovah izany; ka dia nisy lalitra be dia be tao amin’ ny tranon’ i Farao sy tao amin’ ny tranon’ ny mpanompony ary teny amin’ ny tany Egypta rehetra; koa dia simba ny tany noho ny lalitra.
25 바로가 모세와 아론을 불러 이르되 `너희는 가서 이 땅에서 너희 하나님께 희생을 드리라'
Ary Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao hoe: Mandehana ianareo hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ Andriamanitrareo eto amin’ ity tany ity.
26 모세가 가로되 `그리함은 불가하니이다 우리가 우리 하나님 여호와께 희생을 드리는 것은 애굽 사람의 미워하는 바이온즉 우리가 만일 애굽 사람의 목전에서 희생을 드리면 그들이 그것을 미워하여 우리를 돌로 치지 아니하리이까?
Fa hoy Mosesy: Tsy azo atao izany; fa izay fadin’ ny Egyptiana no hovonoinay hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray; koa, indro, raha izay fadin’ ny Egyptiana no vonoinay eo imasony hatao fanatitra, moa tsy hotorahany vato va izahay?
27 우리가 사흘길쯤 광야로 들어가서 우리 하나님 여호와께 희생을 드리되 우리에게 명하시는대로 하려하나이다'
Handeha lalan-kateloana any an-efitra izahay, dia hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitray, araka izay holazainy aminay.
28 바로가 가로되 `내가 너희를 보내리니 너희가 너희 하나님 여호와께 광야에서 희생을 드릴 것이나 너무 멀리는 가지 말라 그런즉 너희는 나를 위하여 기도하라'
Ary hoy Farao: Izaho dia handefa anareo ihany mba hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrareo any an-efitra; fa hany ataoko: aza mandeha lavitra loatra ianareo; dia mangataha ho ahy.
29 모세가 가로되 `내가 왕을 떠나 가서 여호와께 기도하리니 내일이면 파리떼가 바로와 바로의 신하와 바로의 백성을 떠나려니와 바로는 이 백성을 보내어 여호와께 희생을 드리는 일에 다시 거짓을 행치 마소서' 하고
Ary hoy Mosesy: Indro, izaho hiala eto aminao ka hangataka amin’ i Jehovah mba hialan’ ny lalitra amin’ i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany rahampitso; fa aoka kosa tsy hamitaka intsony Farao ka tsy handefa ny olona hamono zavatra hatao fanatitra ho an i’ Jehovah.
30 모세가 바로를 떠나 나와서 여호와께 기도하니
Ary Mosesy niala teo amin’ i Farao ka nangataka tamin’ i Jehovah
31 여호와께서 모세의 말대로 하사 파리를 바로와 그 신하와 그 백성에게 몰수히 떠나게 하시니라
Ary Jehovah dia nanao araka ny tenin’ i Mosesy ka nampiala ny lalitra betsaka tamin’ i Farao sy ny mpanompony ary ny vahoakany, ka tsy nisy niangana ireny na dia iray akory aza.
32 그러나 바로가 이 때에도 마음을 완강케 하여 백성을 보내지 아니하였더라
Kanjo Farao nanamafy ny fony indray tamin’ izany ka tsy nandefa ny olona.

< 출애굽기 8 >