< 출애굽기 6 >

1 여호와께서 모세에게 이르시되 이제 내가 바로에게 하는 일을 네가 보리라 강한 손을 더하므로 바로가 그들을 보내리라 강한 손을 더하므로 바로가 그들을 그 땅에서 쫓아내리라
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny.
2 하나님이 모세에게 말씀하여 가라사대 나는 여호와로라!
Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;
3 내가 아브라함과 이삭과 야곱에게 전능의 하나님으로 나타났으나 나의 이름을 여호와로는 그들에게 알리지 아니하였고
ary tamin’ ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,
4 가나안 땅 곧 그들의 우거하는 땅을 주기로 그들과 언약하였더니
Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.
5 이제 애굽 사람이 종을 삼은 이스라엘 자손의 신음을 듣고 나의 언약을 기억하노라
Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ ny Zanak’ Isiraely, izay ampanompoin’ ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.
6 그러므로 이스라엘 자손에게 말하기를 나는 여호와라 내가 애굽 사람의 무거운 짐 밑에서 너희를 빼어 내며 그 고역에서 너희를 건지며 편 팔과 큰 재앙으로 너희를 구속하여
Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.
7 너희로 내 백성을 삼고 나는 너희 하나님이 되리니 나는 애굽 사람의 무거운 짐 밑에서 너희를 빼어낸 너희 하나님 여호와인줄 너희가 알지라
Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo.
8 내가 아브라함과 이삭과 야곱에게 주기로 맹세한 땅으로 너희를 인도하고 그 땅을 너희에게 주어 기업을 삼게 하리라 나는 여호와로라 하셨다 하라
Ary Izaho hampiditra anareo any amin’ ny tany izay nananganako tanàna homena an’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
9 모세가 이와 같이 이스라엘 자손에게 전하나 그들이 마음의 상함과 역사의 혹독함을 인하여 모세를 듣지 아니하였더라
Ary Mosesy nilaza izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely; nefa izy tsy nihaino an’ i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.
10 여호와께서 모세에게 일러 가라사대
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
11 들어가서 애굽왕 바로에게 말하여 이스라엘 자손을 그 땅에서 내어 보내게 하라
Mankanesa ao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak’ Isiraely hiala amin’ ny taniny.
12 모세가 여호와 앞에 고하여 가로되 `이스라엘 자손도 나를 듣지 아니하였거든 바로가 어찌 들으리이까? 나는 입이 둔한 자니이다'
Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak’ Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’ i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?
13 여호와께서 모세와 아론에게 말씀하사 그들로 이스라엘 자손과 애굽 왕 바로에게 명을 전하고 이스라엘 자손을 애굽 땅에서 인도하여 내게 하시니라
Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ho amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy amin’ ny tany Egypta.
14 그 조상을 따라 집의 어른은 이러하니라 이스라엘의 장자 르우벤의 아들 하녹과, 발루와, 헤스론과, 갈미니 이들은 르우벤의 족장이요
Izao no lohan’ ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan’ Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.
15 시므온의 아들 여무엘과, 야민과, 오핫과, 야긴과, 소할과, 가나안 여인의 소생 사울이니 이들은 시므온의 족장이요
Ary ny zanakalahin’ i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin’ ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen’ i Simeona.
16 레위의 아들들의 이름은 그 연치대로 이러하니 게르손과, 고핫과, 므라리요 레위의 수는 일백 삼십 칠세이었으며
Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan’ i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.
17 게르손의 아들들은 그 가족대로 립니와, 시므이요
Ny zanakalahin’ i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny.
18 고핫의 아들들은 아므람과, 이스할과, 헤브론과, 웃시엘이요, 고핫의 수는 일백 삼십 삼세이었으며
Ary ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan’ i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona.
19 므라리의 아들은 마흘리와, 무시니 이들은 그 연치대로 레위의 족장이요
Ary ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen’ ny Levita, araka ny taranany.
20 아므람이 그 아비의 누이 요게벳을 아내로 취하였고 그가 아론과 모세를 낳았으며 아므람의 수는 일백 삼십 칠세이었으며
Ary Amrama naka an’ i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan’ i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona.
21 이스할의 아들은 고라와, 네벡과, 시그리요
Ary ny zanakalahin’ i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry.
22 웃시엘의 아들은 미사엘과, 엘사반과, 시드리요
Ary ny zanakalahin’ i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.
23 아론이 암미나답의 딸 나손의 누이 엘리세바를 아내로 취하였고 그가 나답과, 아비후와, 엘르아살과, 이다말을 낳았으며
Ary Arona naka an’ i Eliseba, zanakavavin’ i Aminadaba sady anabavin’ i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.
24 고라의 아들은 앗실과, 엘가나와, 아비아삽이니 이들은 고라 사람의 족장이요
Ary ny zanakalahin’ i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen’ ny Korana.
25 아론의 아들 엘르아살이 부디엘의 딸 중에서 아내를 취하였고 그가 비느하스를 낳았으니 이들은 레위 사람의 조상을 따라 가족의 어른들이라
Ary Eleazara, zanakalahin’ i Arona, naka vady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Potiela, dia niteraka an’ i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, araka ny fokom-pireneny.
26 이스라엘 자손을 그 군대대로 애굽 땅에서 인도하라 하신 여호와의 명을 받은 자는 이 아론과 모세요
Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’ i Jehovah hoe: Ento ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.
27 애굽 왕 바로에게 이스라엘 자손을 애굽에서 내어 보내라 말한 자도 이 모세와 아론이었더라
Ireo no niteny tamin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona.
28 여호와께서 애굽 땅에서 모세에게 말씀하시던 날에
Ary tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo amin’ ny tany Egypta,
29 여호와께서 모세에게 일러 가라사대 나는 여호와라 내가 네게 이르는 바를 너는 애굽 왕 바로에게 다 고하라
dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.
30 모세가 여호와 앞에서 고하되 `나는 입이 둔한 자이오니 바로가 어찌 나를 들으리이까?'
Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan’ i Farao ahy!

< 출애굽기 6 >