< 출애굽기 4 >

1 모세가 대답하여 가로되 `그러나 그들이 나를 믿지 아니하며 내 말을 듣지 아니하고 이르기를 여호와께서 네게 나타나지 아니하셨다 하리이다'
Ary namaly Mosesy ka nanao hoe: Indro, tsy hino ahy na hihaino ny feoko izy, fa hanao hoe: Tsy niseho taminao Jehovah.
2 여호와께서 그에게 이르시되 네 손에 있는 것이 무엇이냐? 그가 가로되 `지팡이니이다'
Ary hoy Jehovah taminy: Inona moa iny an-tananao? Dia novaliany hoe: Tehina ity.
3 여호와께서 가라사대 그것을 땅에 던지라! 곧 땅에 던지니 그것이 뱀이 된지라 모세가 뱀 앞에서 피하매
Ary hoy Izy: Atsipazo amin’ ny tany iny. Dia natsipiny tamin’ ny tany ka tonga menarana, dia nandositra azy Mosesy.
4 여호와께서 모세에게 이르시되 네 손을 내밀어 그 꼬리를 잡으라! 그가 손을 내밀어 잡으니 그 손에서 지팡이가 된지라
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ahinjiro ny tananao, ka raiso amin’ ny rambony iny, dia naninjitra ny tànany izy ka nandray azy; dia tonga tehina teo an-tànany indray izy
5 또 가라사대 이는 그들로 그 조상의 하나님 곧 아브라함의 하나님, 이삭의 하나님, 야곱의 하나님 여호와가 네게 나타난 줄을 믿게 함이니라 하시고
mba hinoan’ ireo fa efa niseho taminao Jehovah, Andriamanitry ny razany, dia Andriamanitr’ i Abrahama sy Andriamanitr’ Isaka ary Andriamanitr’ i Jakoba.
6 여호와께서 또 가라사대 네 손을 품에 넣으라! 하시매 손을 품에 넣었다가 내어보니 그 손에 문둥병이 발하여 눈 같이 흰지라
Ary hoy koa Jehovah taminy: Atsofohy ao an-tratranao ny tananao. Dia natsofony tao an-tratrany ny tànany; ary nony notsoahany, dia, indro, efa boka ny tànany ka fotsy tahaka ny oram-panala.
7 가라사대 네 손을 다시 품에 넣으라! 하시매 그가 다시 손을 품에 넣었다가 내어보니 손이 여상하더라
Ary hoy koa Izy: Atsofohy ao an-tratranao indray ny tananao (dia natsofony tao an-tratrany indray ny tànany; ary nony notsoahany tamin’ ny tratrany, dia, indro, efa tonga tahaka ny hodiny indray izy).
8 여호와께서 가라사대 그들이 너를 믿지 아니하며 그 처음 이적의 표징을 받지 아니하여도 둘째 이적의 표징은 믿으리라
Ary raha tsy hino anao izy ka tsy hihaino ny feon’ ny famantarana voalohany, dia hino ny feon’ ny famantarana aoriana izy.
9 그들이 이 두 이적을 믿지 아니하며 네 말을 듣지 아니하거든 너는 하수를 조금 취하여다가 육지에 부으라! 네가 취한 하수가 육지에서 피가 되리라
Ary raha tsy hino izany famantarana roa izany aza izy, na hihaino ny feonao, dia haka rano avy ao Neily ianao, ka haidinao amin’ ny tany maina; ary izay rano alainao avy ao Neily dia ho tonga rà eo amin’ ny tany maina.
10 모세가 여호와께 고하되 `주여, 나는 본래 말에 능치 못한 자라 주께서 주의 종에게 명하신 후에도 그러하니 나는 입이 뻣뻣하고 혀가 둔한 자니이다'
Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tompo ô, mifona aminao aho, olona tsy mahay mandaha-teny aho, na hatrany aloha, na hatramin’ izao itenenanao amin’ ny mpanomponao izao aza; fa votsa vava sy miadam-piteny aho.
11 여호와께서 그에게 이르시되 누가 사람의 입을 지었느뇨! 누가 벙어리나 귀머거리나 눈 밝은 자나 소경이 되게 하였느뇨! 나 여호와가 아니뇨?
Ary hoy Jehovah taminy; Iza moa no nanao ny vavan’ ny olona? ary iza no mampahamoana, na mampaharenina, na mampahiratra, na mampahajamba? tsy Izaho Jehovah va
12 이제 가라 내가 네 입과 함께 있어서 할 말을 가르치리라
Koa ankehitriny, dia mandehana, fa Izaho no homba ny vavanao ka hanoro anao izay holazainao.
13 모세가 가로되 `주여, 보낼만한 자를 보내소서'
Fa hoy izy: Tompo ô! mifona aminao aho, iraho izay tianao hirahina.
14 여호와께서 모세를 향하여 노를 발하시고 가라사대 레위 사람 네 형 아론이 있지 아니하뇨? 그의 말 잘함을 내가 아노라 그가 너를 만나러 나오나니 그가 너를 볼 때에 마음에 기뻐할 것이라
Dia nirehitra tamin’ i Mosesy ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Tsy ao ihany va Arona Levita rahalahinao? fantatro fa mahay mandaha-teny izy. Ary indro koa, avy hitsena anao izy; koa rehefa mahita anao izy, dia ho faly ny fony.
15 너는 그에게 말하고 그 입에 말을 주라 내가 네 입과 그의 입에 함께 있어서 너의 행할 일을 가르치리라
Dia hiteny aminy ianao ka hanolo-teny azy; ary Izaho homba ny vavanao sy ny vavany ka hanoro anareo izay hataonareo.
16 그가 너를 대신하여 백성에게 말할 것이니 그는 네 입을 대신할 것이요 너는 그에게 하나님 같이 되리라
Ary izy hiteny amin’ ny olona hisolo anao; ka dia izy no ho solovavanao, ary ianao kosa ho solon’ Andriamanitra aminy.
17 너는 이 지팡이를 손에 잡고 이것으로 이적을 행할지니라
Dia ho entinao eny an-tananao io tehina io, izay hanaovanao ireo famantarana ireo.
18 모세가 장인 이드로에게로 돌아가서 그에게 이르되 `내가 애굽에 있는 내 형제들에게로 돌아가서 그들이 생존하였는지 보려하오니 나로 가게 하소서' 이드로가 그에게 '평안히 가라' 하니라
Dia lasa nandeha Mosesy ka niverina ho any amin’ i Jetro rafozany ka nanao taminy hoe: Masìna ianao, aoka aho handeha hiverina ho any amin’ ny rahalahiko, izay any Egypta, ka hizaha na mbola velona ihany izy, na tsia. Ary hoy Jetro tamin’ i Mosesy: Mandehana soa aman-tsara.
19 여호와께서 미디안에서 모세에게 이르시되 애굽으로 돌아가라 네 생명을 찾던 자가 다 죽었느니라
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy tany Midiana: Mandehana miverina any Egypta, fa maty ny olona rehetra izay nitady ny ainao.
20 모세가 그 아내와 아들들을 나귀에 태우고 애굽으로 돌아가는데 하나님의 지팡이를 손에 잡았더라
Dia nalain’ i Mosesy ny vadiny sy ny zananilahy ka nampitaingeniny boriky, dia niverina ho any amin’ ny tany Egypta izy; ary nentin’ i Mosesy teny an-tànany ilay tehin’ Andriamanitra.
21 여호와께서 모세에게 이르시되 네가 애굽으로 돌아가거든 내가 네 손에 준 이적을 바로 앞에서 다 행하라 그러나 내가 그의 마음을 강퍅케 한즉 그가 백성을 놓지 아니하리니
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Raha mandeha miverina ho any Egypta ianao, indreo ireo fahagagana rehetra ireo, izay nataoko eo an-tananao, dia ataovy eo anatrehan’ i Farao; ary Izaho hanamafy ny fony, ka tsy handefa ny olona izy.
22 너는 바로에게 이르기를 여호와의 말씀에 이스라엘은 내 아들, 내 장자라!
Ary lazao amin’ i Farao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Zanako lahimatoa Isiraely;
23 내가 네게 이르기를 내 아들을 놓아서 나를 섬기게 하라 하여도 네가 놓기를 거절하니 내가 네 아들 네 장자를 죽이리라 하셨다 하라 하시니라
koa efa nolazaiko taminao hoe: Alefaso ny zanako mba hanompo Ahy; fa efa nandà tsy handefa azy ianao, koa, indro, Izaho hamono ny zanakao lahimatoa.
24 여호와께서 길의 숙소에서 모세를 만나사 그를 죽이려 하시는지라
Ary nony tany an-dalana tao amin’ ny fandriam-bahiny izy, dia nitsena azy Jehovah ka nitady hamono azy.
25 십보라가 차돌을 취하여 그 아들의 양피를 베어 모세의 발 앞에 던지며 가로되 `당신은 참으로 내게 피 남편이로다' 하니
Dia naka fiharatra vato Zipora ka namora ny zanany, ary izay nesoriny dia natsipiny teo anilan’ ny tongony, ka hoy izy: Efa vady azoko amin’ ny fandatsahan-drà ianao.
26 여호와께서 모세를 놓으시니라 그 때에 십보라가 피 남편이라 함은 할례를 인함이었더라
Dia niala taminy Izy; ary hoy ravehivavy: Vady azo amin’ ny fandatsahan-drà ianao, noho ny fora.
27 여호와께서 아론에게 이르시되 광야에 가서 모세를 맞으라 하시매 그가 가서 하나님의 산에서 모세를 만나 그에게 입맞추니
Ary hoy Jehovah tamin’ i Arona: Mandehana hitsena an’ i Mosesy any an-efitra. Dia lasa nandeha izy ka nifanena taminy tao amin’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra, dia nanoroka azy.
28 모세가 여호와께서 자기에게 부탁하여 보내신 모든 말씀과 여호와께서 자기에게 명하신 모든 이적을 아론에게 고하니라
Ary nambaran’ i Mosesy tamin’ i Arona izay teny rehetra efa nanirahan’ i Jehovah azy sy izay famantarana rehetra efa nandidiany azy.
29 모세와 아론이 가서 이스라엘 자손의 모든 장로를 모으고
Dia lasa nandeha Mosesy sy Arona ka nanangona ny loholon’ ny Zanak’ Isiraely rehetra.
30 아론이 여호와께서 모세에게 명하신 모든 말씀을 전하고 백성 앞에서 이적을 행하니
Dia nolazain’ i Arona ny teny rehetra izay efa nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy, sady nataony teo imason’ ny olona ny famantarana.
31 백성이 믿으며 여호와께서 이스라엘 자손을 돌아보시고 그 고난을 감찰하셨다 함을 듣고 머리 숙여 경배하였더라
Dia nino ny olona; ary rehefa reny fa Jehovah efa namangy ny Zanak’ Isiraely ka efa nitsinjo ny fahoriany, dia niondrika izy ka niankohoka.

< 출애굽기 4 >