< 출애굽기 38 >

1 그가 또 조각목으로 번제단을 만들었으니 장이 오 규빗이요, 광이 오 규빗이라 네모 반듯하고 고는 삼 규빗이며
Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin’ ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.
2 그 네 모퉁이 위에 그 뿔을 만들되 그 뿔을 단과 연하게 하고 단을 놋으로 쌌으며
Ary nanao ny tandrony teo amin’ ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.
3 단의 모든 기구 곧 통과, 부삽과, 대야와, 고기 갈고리와, 불 옮기는 그릇을 다 놋으로 만들고
Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran’ afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.
4 단을 위하여 놋 그물을 만들어 단 사면 가장자리 아래 두되 단 절반에 오르게 하고
Ary nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ ny alitara izy, dia eo ambanin’ ny sikiny, hatreo am-bodin’ ny alitara ka hatreo amin’ ny fisasahany.
5 그 놋 그물 네 모퉁이에 채를 꿸 고리 넷을 부어 만들었으며
Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin’ ny makarakara varahina izy ho fitoeran’ ny bao.
6 채를 조각목으로 만들어 놋으로 싸고
Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.
7 단 양편 고리에 그 채를 꿰어 메게 하였으며 단은 널판으로 비게 만들었더라
Ary nampiditra ny bao teo amin’ ny vava vola teo amin’ ny lafiny roa amin’ ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.
8 그가 놋으로 물두멍을 만들고 그 받침도 놋으로 하였으니 곧 회막문에서 수종드는 여인들의 거울로 만들었더라
Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin’ ny fitaratra varahin’ ny vehivavy izay nanompo teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
9 그가 또 뜰을 만들었으니 남으로 뜰의 남편에는 세마포 포장이 백 규빗이라
Ary nanao ny kianja izy: tamin’ ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin’ ny kianja natao tamin’ ny rongony fotsy madinika voahasina;
10 그 기둥이 스물이며, 그 받침이 스물이니, 놋이요 기둥의 갈고리와 가름대는 은이며
ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
11 그 북편에도 백 규빗이라, 그 기둥이 스물이며, 그 받침이 스물이니, 놋이요 기둥의 갈고리와 가름대는 은이며
Ary tamin’ ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
12 서편에 포장은 오십 규빗이라, 그 기둥이 열이요, 받침이 열이며, 기둥의 갈고리와, 가름대는 은이며
Ary tamin’ ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.
13 동으로 동편에도 오십 규빗이라
Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho.
14 문 이편의 포장이 십 오 규빗이요, 그 기둥이 셋이요, 받침이 셋이며
Ary nisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho tamin’ ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.
15 문 저편도 그와 같으니 뜰문 이편, 저편의 포장이 십 오 규빗씩이요, 그 기둥이 셋씩, 받침이 셋씩이라
Ary nisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho tamin’ ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;
16 뜰 사면의 포장은 세마포요
Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban’ ny kianja manodidina.
17 기둥 받침은 놋이요, 기둥의 갈고리와 가름대는 은이요, 기둥머리 싸개는 은이며, 뜰의 모든 기둥에 은 가름대를 꿰었으며
Ary ny faladian’ ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin’ ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.
18 뜰의 문장을 청색, 자색, 홍색실과, 가늘게 꼰 베실로 수 놓아 짰으니 장은 이십 규빗이요, 광 곧 고는 뜰의 포장과 같이 오 규빗이며
Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ ny kianja dia asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin’ ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon’ ny fefy lamban’ ny kianja.
19 그 기둥은 넷인데 그 받침 넷은 놋이요, 그 갈고리는 은이요, 그 머리 싸개와 가름대도 은이며
Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin’ ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.
20 성막 말뚝과 뜰의 사면 포장 말뚝은 다 놋이더라
Ary ny tsimatra amin’ ny tabernakely sy amin’ ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.
21 성막 곧 증거막을 위하여 레위 사람의 쓴 재료의 물목은 제사장 아론의 아들 이다말이 모세의 명대로 계산하였으며
Ary izao no isan’ ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin’ i Mosesy; natao fanompoan’ ny Levita, fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona, ny nanisa azy.
22 유다 지파 훌의 손자요 우리의 아들인 브사렐은 여호와께서 모세에게 명하신 모든 것을 만들었고
Ary Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda, nanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
23 단 지파 아히사막의 아들 오홀리압은 그와 함께 하였으니 오홀리압은 재능이 있어서 조각하며 또 청색, 자색, 홍색실과, 가는 베실로 수 놓은 자더라
Ary ny namany dia Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.
24 성소 건축 비용으로 드린 금은 성소의 세겔대로 이십 구 달란트와 칠백 삼십 세겔이며
Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masìna, ny volamena rehetra izay lany tamin’ ny asa rehetra tamin’ ny fitoerana masìna, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.
25 조사를 받은 회중의 드린 은은 성소의 세겔대로 일백 달란트와 일천 칠백 칠십 오 세겔이니
Ary ny volafotsy avy tamin’ ny olona izay voaisa tamin’ ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masìna:
26 조사를 받은 자가 이십세 이상으로 육십만 삼천 오백 오십명인즉 성소의 세겔대로 매인에게 은 한 베가 곧 반 세겔씩이라
beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masìna, no naloan’ izay rehetra voalamina, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.
27 은 일백 달란트로 성소의 판장 받침과 문장 기둥 받침 합 일백을 부어 만들었으니 매 받침에 한 달란트씩 합 일백 달란트요
Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ ny fitoerana masìna sy ny faladian’ ny efitra lamba: dia faladia zato tamin’ ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.
28 일천 칠백 칠십오 세겔로 기둥 갈고리를 만들고 기둥머리를 싸고 기둥 가름대를 만들었으며
Ary tamin’ ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin’ ny andry, sy nametahana takela-bola tamin’ ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.
29 드린 놋은 칠십 달란트와 이천 사백 세겔이라
Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.
30 이것으로 회막 문기둥 받침과, 놋 단과, 놋그물과, 단의 모든 기구를 만들었으며
Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,
31 뜰 사면의 기둥 받침과 그 문장 기둥 받침이며 성막의 모든 말뚝과 뜰 사면의 모든 말뚝을 만들었더라
ary ny faladia tamin’ ny kianja manodidina sy ny faladia tamin’ ny vavahadin’ ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin’ ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin’ ny kianja manodidina.

< 출애굽기 38 >