< 에스더 7 >

1 왕이 하만과 함께 또 왕후 에스더의 잔치에 나아가니라
Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankao amin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, ho ao amin’ ny fanasana
2 왕이 이 둘째 날 잔치에 술을 마실때에 다시 에스더에게 물어 가로되 왕후 에스더여! 그대의 소청이 무엇이뇨? 곧 허락하겠노라 그대의 요구가 무엇이뇨? 곧 나라의 절반이라 할지라도 시행하겠노라
Ary hoy indray ny mpanjaka tamin’ i Estera teo am-pisotroan-divay tamin’ ny andro faharoa inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ ny mpanjaka? Fa homena anao izany. Ary inona ange no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza dia hotovina izany.
3 왕후 에스더가 대답하여 가로되 `왕이여! 내가 만일 왕의 목전에서 은혜를 입었으며 왕이 선히 여기시거든 내 소청대로 내 생명을 내게 주시고 내 요구대로 내 민족을 내게 주소서
Dia namaly Estera, vadin’ ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako;
4 나와 내 민족이 팔려서 죽임과 도륙함과 진멸함을 당하게 되었나이다 만일 우리가 노비로 팔렸더면 내가 잠잠하였으리이다 그래도 대적이 왕의 손해를 보충하지 못하였으리이다'
fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
5 아하수에로 왕이 왕후 에스더에게 일러 가로되 `감히 이런 일을 심중에 품은 자가 누구며 그가 어디 있느뇨'
Dia namaly Ahasoerosy mpanjaka ka nanao tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, hoe: Iza moa izany, ary aiza no hisy hasesiky ny fony hanao izany akory?
6 에스더가 가로되 `대적과 원수는 이 악한 하만이니이다!' 하니 하만이 왕과 왕후 앞에서 두려워하거늘
Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny vadin’ ny mpanjaka Hamana.
7 왕이 노하여 일어나서 잔치 자리를 떠나 왕궁 후원으로 들어가니라 하만이 일어서서 왕후 에스더에게 생명을 구하니 이는 왕이 자기에게 화를 내리기로 결심한 줄 앎이더라
Ary tezitra dia tezitra ny mpanjaka, dia nitsangana niala teo am-pisotroan-divay ho eny an-tanimbolin’ ny trano; ary Hamana kosa nitsangana hangataka ny ainy tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, satria hitany fa misy loza hamelin’ ny mpanjaka azy.
8 왕이 후원으로부터 잔치 자리에 돌아오니 하만이 에스더의 앉은 걸상 위에 엎드렸거늘 왕이 가로되 `저가 궁중 내 앞에서 왕후를 강간까지 하고자 하는가' 이 말이 왕의 입에서 나오매 무리가 하만의 얼굴을 싸더라
Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin’ ny trano ho ao amin’ ilay efa nisotroany divay teo, ary Hamana sendra niapoka tamin’ ny farafara nandrian’ i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin’ ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io? Raha vantany vao naloaky ny vavan’ ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan’ i Hamana
9 왕을 모신 내시 중에 하르보나가 왕에게 아뢰되 `왕을 위하여 충성된 말로 고발한 모르드개를 달고자 하여 하만이 고가 오십 규빗되는 나무를 준비하였는데 이제 그 나무가 하만의 집에 섰나이다' 왕이 가로되 '하만을 그 나무에 달라' 하매
Ary Harbona, tsindranolahy anankiray, izay teo anatrehan’ ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin’ ny tranon’ i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon’ i Hamana hanantonany an’ i Mordekay, ilay niteny soa ho an’ ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin’ io izy.
10 모르드개를 달고자 한 나무에 하만을 다니 왕의 노가 그치니라
Ary Hamana dia nahantony tamin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana an’ i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran’ ny mpanjaka.

< 에스더 7 >