< 신명기 16 >

1 아빕월을 지켜 네 하나님 여호와의 유월절 예식을 행하라! 이는 아빕월에 네 하나님 여호와께서 밤에 너를 애굽에서 인도하여 내셨음이라
Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao fa tamin’ ny volana Abiba no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny alina.
2 여호와께서 그 이름을 두시려고 택하신 곳에서 우양으로 네 하나님 여호와께 유월절 제사를 드리되
Ary vonoy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman’ osy sy omby, eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah hampitoerany ny anarany.
3 유교병을 그것과 아울러 먹지 말고 칠일 동안은 무교병 곧 고난의 떡을 그것과 아울러 먹으라 이는 네가 애굽 땅에서 급속히 나왔음이니 이같이 행하여 너의 평생에 항상 네가 애굽 땅에서 나온 날을 기억할 것이니라
Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin’ ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta.
4 그 칠일 동안에는 네 사경내에 누룩이 보이지 않게 할 것이요 또 네가 첫날 해 질 때에 제사드린 고기를 밤을 지내어 아침까지 두지 말 것이며
Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin’ ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan’ ny fanatitra izay novonoinao tamin’ ny harivan’ ny andro voalohany.
5 유월절 제사를 네 하나님 여호와께서 네게 주신 각 성에서 드리지 말고
Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao;
6 오직 네 하나님 여호와께서 그 이름을 두시려고 택하신 곳에서 네가 애굽에서 나오던 시각 곧 초저녁 해 질 때에 드리고
fa eo amin’ ny fitoerana izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.
7 네 하나님 여호와께서 택하신 곳에서 그 고기를 구워먹고 아침에 네 장막으로 돌아갈 것이니라
Ary atsatsiho amin’ ny afo izy, ka hano eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia any amin’ ny lainao.
8 너는 육일 동안은 무교병을 먹고 제 칠일에 네 하나님 여호와 앞에 성회로 모이고 아무 노동도 하지 말지니라
Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin’ izany.
9 칠주를 계속할지니 곡식에 낫을 대는 첫날부터 칠주를 계수하여
Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin’ ny andro iandohan’ ny fijinjam-bary no hanisanao azy.
10 네 하나님 여호와 앞에 칠칠절을 지키되 네 하나님 여호와께서 네게 복을 주신 대로 네 힘을 헤아려 자원하는 예물을 드리고
Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao;
11 너와 네 자녀와 노비와 네 성중에 거하는 레위인과 및 너희 중에 있는 객과 고아와 과부가 함께 네 하나님 여호와께서 그 이름을 두시려고 택하신 곳에서 네 하나님 여호와 앞에서 즐거워할지니라
ary mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
12 너는 애굽에서 종 되었던 것을 기억하고 이 규례를 지켜 행할지니라!
Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.
13 너희 타작 마당과 포도주 틀의 소출을 수장한 후에 칠일동안 초막절을 지킬 것이요
Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin’ ny famoloanao sy ny famiazanao.
14 절기를 지킬 때에는 너와 네 자녀와 노비와 네 성중에 거하는 레위인과 객과 고아와 과부가 함께 연락하되
Ary mifalia amin’ ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.
15 네 하나님 여호와께서 택하신 곳에서 너는 칠일 동안 네 하나님 여호와 앞에서 절기를 지키고 네 하나님 여호와께서 네 모든 물산과 네 손을 댄 모든 일에 복 주실 것을 인하여 너는 온전히 즐거워할지니라!
Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.
16 너의 중 모든 남자는 일년 삼차 곧 무교절과, 칠칠절과, 초막절에 네 하나님 여호와의 택하신 곳에서 여호와께 보이되 공수로 여호와께 보이지 말고
Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, eo amin’ ny tany izay hofidiny, dia amin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah;
17 각 사람이 네 하나님 여호와의 주신 복을 따라 그 힘대로 물건을 드릴지니라!
fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian’ i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.
18 네 하나님 여호와께서 네게 주시는 각 성에서 네 지파를 따라 재판장과 유사를 둘 것이요 그들은 공의로 백성을 재판할 것이니라
Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.
19 너는 굽게 판단하지 말며 사람을 외모로 보지 말며 또 뇌물을 받지 말라 뇌물은 지혜자의 눈을 어둡게 하고 의인의 말을 굽게 하느니라
Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’ olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny hendry ary mamadika ny tenin’ ny marina.
20 너는 마땅히 공의만 좇으라! 그리하면 네가 살겠고 네 하나님 여호와께서 네게 주시는 땅을 얻으리라
Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
21 네 하나님 여호와를 위하여 쌓은 단 곁에 아무 나무로든지 아세라 상을 세우지 말며
Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.
22 자기를 위하여 주상을 세우지 말라! 네 하나님 여호와께서 미워하시느니라!
Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan’ i Jehovah Andriamanitrao izany.

< 신명기 16 >