< 신명기 12 >

1 네 열조의 하나님 여호와께서 네게 주셔서 얻게 하신 땅에서 너희가 평생에 지켜 행할 규례와 법도는 이러하니라
Izao no didy sy fitsipika izay hotandremanareo harahina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, anao holovana amin’ ny andro rehetra hiainanareo ambonin’ ny tany.
2 너희가 쫓아 낼 민족들이 그 신들을 섬기는 곳은 높은 산이든지 작은 산이든지 푸른 나무 아래든지 무론하고 그 모든 곳을 너희가 마땅히 파멸하며
Horavanareo mihitsy ny toerana rehetra izay nanompoan’ ny firenen-tsamy hafa izay horoahinareo ny andriamaniny teny ambonin’ ny tendrombohitra avo sy ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
3 그 단을 헐며 주상을 깨뜨리며 아세라 상을 불사르고 또 그 조각한 신상들을 찍어서 그 이름을 그곳에서 멸하라
Dia horavanareo ny alitarany, ary hotorotoroinareo ny tsangam-baton-tsampiny, ary hodoranareo amin’ ny afo ny Aserahany, ary ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hokapainareo, ka dia hofoananareo tsy ho eo amin’ izany tany izany intsony ny anarany.
4 너희 하나님 여호와에게는 너희가 그처럼 행하지 말고
Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
5 오직 너희 하나님 여호와께서 자기 이름을 두시려고 너희 모든 지파 중에서 택하신 곳인 그 거하실 곳으로 찾아 나아가서
Fa ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo amin’ ny firenenareo rehetra hasiany ny anarany sy honenany no hohatoninareo sy halehanareo.
6 너희 번제와 너희 희생과 너희의 십일조와 너희 손의 거제와 너희 서원제와 낙헌 예물과 너희 우양의 처음 낳은 것들을 너희는 그리로 가져다가 드리고
Ary any no hitondranareo ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo sy ny fanalam-boadinareo sy ny fanati-tsitraponareo ary ny voalohan-teraky ny ombinareo sy ny ondry aman’ osinareo;
7 거기 곧 너희 하나님 여호와 앞에서 먹고 너희 하나님 여호와께서 너희 손으로 수고한 일에 복 주심을 인하여 너희와 너희 가족이 즐거워할지니라
ary any no hihinananareo sy ny ankohonanareo eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ary hifalianareo amin’ izay rehetra harin’ ny tananareo, izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
8 우리가 오늘날 여기서는 각기 소견대로 하였거니와 너희가 거기서는 하지 말지니라
Aza manao araka izay rehetra ataontsika eto ankehitriny intsony ianareo, dia izao samy manao izay mahitsy eo imasony avy izao.
9 너희가 너희 하나님 여호와의 주시는 안식과 기업에 아직은 이르지 못하였거니와
Fa ianareo tsy mbola tonga any amin’ ny fitsaharana sy ny lova izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.
10 너희가 요단을 건너 너희 하나님 여호와께서 너희에게 기업으로 주시는 땅에 거하게 될 때 또는 여호와께서 너희로 너희 사방의 모든 대적을 이기게 하시고 너희에게 안식을 주사 너희로 평안히 거하게 하실 때에
Fa rehefa tafita an’ i Jordana ianareo ka monina any amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrareo anareo holovana, ary homeny fitsaharan’ ady amin’ ny fahavalonareo rehetra manodidina ianareo ka mandry fahizay,
11 너희는 너희 하나님 여호와께서 자기 이름을 두시려고 한 곳을 택하실 그 곳으로 나의 명하는 것을 모두 가지고 갈지니 곧 너희 번제와, 너희 희생과, 너희 십일조와, 너희 손의 거제와, 너희가 여호와께 서원하는 모든 아름다운 서원물을 가져가고
dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrareo hampitoerany ny anarany no hitondranareo izay rehetra andidiako anareo, dia ny fanatitra doranareo sy ny fanatitrareo hafa alatsa-drà sy ny fahafolon-karenareo sy ny fanatitra asandratry ny tananareo, ary izay zavatra tsara ataonareo voady amin’ i Jehovah.
12 너희와 너희 자녀와 노비와 함께 너희 하나님 여호와 앞에서 즐거워할 것이요 네 성중에 거하는 레위인과도 그리할지니 레위인 은 너희 중에 분깃이나 기업이 없음이니라
Dia hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo-lahy sy ny zanakareo-vavy sy ny ankizilahinareo sy ny ankizivavinareo ary ny Levita izay ao an-tanànanareo; fa ny Levita tsy mba manana anjara na lova eo aminareo.
13 너는 삼가서 네게 보이는 아무 곳에서든지 번제를 드리지 말고
Mitandrema mba tsy haterinao eny amin’ izay tany rehetra tianao ny fanatitra doranao;
14 오직 너희의 한 지파 중에 여호와의 택하실 그 곳에서 너는 번제를 드리고 또 내가 네게 명하는 모든 것을 거기서 행할지니라
fa eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah ihany amin’ ny firenenao anankiray no hanateranao azy, sady eo koa no hanaovanao izay rehetra andidiako anao.
15 그러나 네 하나님 여호와께서 네게 주신 복을 따라 각 성에서 네 마음에 즐기는 대로 생축을 잡아 그 고기를 먹을 수 있나니 곧 정한 자나 부정한 자를 무론하고 노루나 사슴을 먹음과 같이 먹으려니와
Kanefa mahazo mamono zavatra sy mihinan-kena ianao, araka izay rehetra irinao eny amin’ ny tanànanao rehetra, araka ny fitahian’ i Jehovah Andriamanitrao izay omeny anao; na ny maloto, na ny madio dia samy mahazo mihinana azy ihany, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.
16 오직 그 피는 먹지 말고 물 같이 땅에 쏟을 것이며
Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano.
17 너는 곡식과 포도주와 기름의 십일조와 네 우양의 처음 낳은 것과 너의 서원을 갚는 예물과 너의 낙헌 예물과 네 손의 거제물은 너의 각 성에서 먹지 말고
Tsy azonao hanina ao an-tanànanao, na ny ampahafolon’ ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, na ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao, na ny zavatra rehetra hataonao voady, na ny fanati-tsitraponao, na ny fanatitra asandratry ny tananao.
18 오직 네 하나님 여호와께서 택하실 곳에서 네 하나님 여호와 앞에서 너는 네 자녀와 노비와 성중에 거하는 레위인과 함께 그것을 먹고 또 네 손으로 수고한 모든 일을 인하여 네 하나님 여호와 앞에서 즐거워하되
Fa eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao azy, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao; ary hifaly eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra hanin’ ny tananao.
19 너는 삼가서 네 땅에 거하는 동안에 레위인을 저버리지 말지니라!
Mitandrema mba tsy ho foinao ny Levita amin’ ny andro rehetra hiainanao amin’ ny taninao.
20 네 하나님 여호와께서 네게 허락하신 대로 네 지경을 넓히신 후에 네 마음에 고기를 먹고자 하여 이르기를 내가 고기를 먹으리라 하면 네가 무릇 마음에 좋아하는 대로 고기를 먹을 수 있으리니
Raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nolazainy taminao, ka hoy ianao: Hihinan-kena aho, satria maniry hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena araka izay rehetra irin’ ny fanahinao ianao.
21 만일 네 하나님 여호와께서 자기 이름을 두시려고 택하신 곳이 네게서 멀거든 내가 네게 명한 대로 너는 여호와의 주신 우양을 잡아 너의 각 성에서 네가 무릇 마음에 좋아하는 것을 먹되
Raha lavitra anao loatra ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hasiany ny anarany, dia hamonoanao ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao izay nomen’ i Jehovah anao, araka izay efa nandidiako anao, ary hohaninao ao an-tanànanao, araka izay rehetra irin’ ny fanahinao izany.
22 정한 자나 부정한 자를 무론하고 노루나 사슴을 먹음같이 먹을 수 있거니와
Kanefa tahaka ny ahazoanao mihinana ny gazela sy ny diera no hahazoanao mihinana ireny: na ny maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy.
23 오직 크게 삼가서 그 피는 먹지 말라! 피는 그 생명인즉 네가 그 생명을 고기와 아울러 먹지 못하리니
Kanefa tandremo tsara mba tsy hohaninao ny rà, fa ny rà no aina, ary tsy mahazo mihinana ny aina amin’ ny hena ianao.
24 너는 그것을 먹지 말고 물 같이 땅에 쏟으라!
Aza mihinana azy ianao, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano izy;
25 너는 피를 먹지 말라! 네가 이같이 여호와께서 의롭게 여기시는 일을 행하면 너와 네 후손이 복을 누리리라!
eny, aza mihinana azy ianao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, raha manao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ianao.
26 오직 네 성물과 서원물을 여호와께서 택하신 곳으로 가지고 가라
Kanefa ny zava-masinao sy ny zavatra nataonao voady dia ento mankany amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah.
27 네가 번제를 드릴 때에는 그 고기와 피를 네 하나님 여호와의 단에 드릴 것이요 다른 제 희생을 드릴 때에는 그 피를 네 하나님 여호와의 단 위에 붓고 그 고기는 먹을지니라
Ary atero eo amin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao ny fanatitra doranao, dia ny henany sy ny ràny; ary ny ran’ ny fanatitrao hafa dia aidino eo amin’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao, fa ny henany dia azonao hohanina ihany.
28 내가 네게 명하는 이 모든 말을 너는 듣고 지키라! 네 하나님 여호와의 목전에 선과 의를 행하면 너와 네 후손에게 영원히 복이 있으리라!
Tandremo, ka henoy izao teny rehetra izao, izay andidiako anao, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao mandrakizay, raha manao izay tsara sy mahitsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ianao.
29 네 하나님 여호와께서 네가 들어가서 쫓아낼 그 민족들을 네 앞에서 멸절하시고 너로 그 땅을 얻어 거기 거하게 하실 때에
Rehefa aringan’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ny firenen-tsamy hafa, izay alehanao horesenao, ary handresy azy ianao ka honina eo amin’ ny taniny,
30 너는 스스로 삼가서 네 앞에서 멸망한 그들의 자취를 밟아 올무에 들지 말라 또 그들의 신을 탐구하여 이르기를 이 민족들은 그 신들을 어떻게 위하였는고 나도 그와 같이 하겠다 하지 말라
dia mitandrema, fandrao voafandrika hanaraka ny fanaony ianao, rehefa voaringana eo anoloanao izy; ary andrao mamotopototra ny amin’ ny andriamaniny ianao ka manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ ireny firenena ireny ny andriamaniny? fa izaho koa mba hanao toy izany.
31 네 하나님 여호와께는 네가 그와 같이 행하지 못할 것이라 그들은 여호와의 꺼리시며 가증히 여기시는 일을 그 신들에게 행하여 심지어 그 자녀를 불살라 그 신들에게 드렸느니라
Aza manao toy izany amin’ i Jehovah Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra, izay halan’ i Jehovah, no nataony tamin’ ny andriamaniny; fa ny zananilahy sy ny zananivavy aza dia nodorany tamin’ ny afo ho an’ ny andriamaniny.
32 내가 너희에게 명하는 이 모든 말을 너희는 지켜 행하고 그것에 가감하지 말지니라!
Izay rehetra andidiako anareo dia tandremo mba harahina; aza ampianao izany, ary aza anesoranao.

< 신명기 12 >