< 다니엘 7 >

1 바벨론 왕 벨사살 원년에 다니엘이 그 침상에서 꿈을 꾸며 뇌 속으로 이상을 받고 그 꿈을 기록하며 그 일의 대략을 진술하니라
Fahitana niseho tamin’ i Daniela ny amin’ ny fanjakana efatra lehibe, sy ny hitsaran’ Andriamanitra ireo. Tamin’ ny taona voalohany nanjakan’ i Belsazara, mpanjakan’ i Babylona, dia nanonofy Daniela sady nahita fahitana tao am-pandriany, ary nosoratany ny nofy, ka nambarany ny fotopototry ny teny.
2 다니엘이 진술하여 가로되 내가 밤에 이상을 보았는데 하늘의 네 바람이 큰 바다로 몰려 불더니
Dia niteny Daniela ka nanao hoe: Nahita tamin’ ny fahitako tamin’ ny alina aho, fa, indreo, ny rivotra efatry ny lanitra nibosesika teny amin’ ny ranomasina lehibe.
3 큰 짐승 넷이 바다에서 나왔는데 그 모양이 각각 다르니
Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tamin’ ny ranomasina.
4 첫째는 사자와 같은데 독수리의 날개가 있더니 내가 볼 사이에 그 날개가 뽑혔고 또 땅에서 들려서 사람처럼 두 발로 서게 함을 입었으며 또 사람의 마음을 받았으며
Ny voalohany dia toy ny liona ary nanana elatry ny voromahery; nijery aho ambara-panongotra ny elany, ary natsangana avy tamin’ ny tany izy ka najoro tamin’ ny tongony roa toy ny fijoron’ ny olona, sady natao manana fon’ olombelona izy.
5 다른 짐승 곧 둘째는 곰과 같은데 그것이 몸 한편을 들었고 그 입의 잇사이에는 세 갈빗대가 물렸는데 그에게 말하는 자가 있어 이르기를 일어나서 많은 고기를 먹으라 하였으며
Ary indro koa ny faharoa, biby hafa tahaka ny bera, izay nampisondrotra ny ila-tenany, sady nisy taolan-tehezana telo teo am-bavany anelanelan’ ny nifiny; ary toy izao no voalaza taminy: Mitsangàna, homàna nofo be.
6 그 후에 내가 또 본즉 다른 짐승 곧 표범과 같은 것이 있는데 그 등에는 새의 날개 넷이 있고 그 짐승에게 또 머리 넷이 있으며 또 권세를 받았으며
Ary nony afaka izany, dia nahita aho fa, indro, nisy hafa koa toy ny leoparda, izay nanana ela-borona efatra teo an-damosiny, ary io biby io nanana loha efatra, ary nomena fanapahana izy.
7 내가 밤 이상 가운데 그 다음에 본 네째 짐승은 무섭고 놀라우며 또 극히 강하며 또 큰 철 이가 있어서 먹고 부숴뜨리고 그 나머지를 발로 밟았으며 이 짐승은 전의 모든 짐승과 다르고 또 열 뿔이 있으므로
Nony afaka izany, dia nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina aho, ary, indro ny fahefatra, biby mahatsiravina sady matanjaka sy mahery indrindra, ary nanana nify vy lehibe izy; nihinana sy nanotahota izy, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ ny tongony; ary hafa noho ny biby rehetra teo alohany izy sady nanana tandroka folo.
8 내가 그 뿔을 유심히 보는 중 다른 작은 뿔이 그 사이에서 나더니 먼저 뿔 중에 셋이 그 앞에 뿌리까지 뽑혔으며 이 작은 뿔에는 사람의 눈 같은 눈이 있고 또 입이 있어 큰 말을 하였느니라
Nodinihiko ny tandroka, ka, indro, nisy tandroka iray kely koa nipoitra teo aminy, ary novohana teo anoloan’ io ny tandroka telo tamin’ ireo taloha; ary, indro, nanana maso toy ny mason’ olona sy vava miteny zavatra mihoa-pampana izy.
9 내가 보았는데 왕좌가 놓이고 옛적부터 항상 계신 이가 좌정하셨는데 그 옷은 희기가 눈 같고 그 머리털은 깨끗한 양의 털같고 그 보좌는 불꽃이요 그 바퀴는 붙는 불이며
Mbola nijery ihany aho mandra-pametraka ny seza fiandrianana, ary ny Fahagola no nipetraka teo, ny fitafiany dia fotsy toy ny fanala, ary ny volon-dohany toy ny volon’ ondry madio; ny seza fiandrianany dia lelafo, ary ny kodiany dia afo mirehitra.
10 불이 강처럼 흘러 그 앞에서 나오며 그에게 수종하는 자는 천천이요 그 앞에 시위한 자는 만만이며 심판을 베푸는데 책들이 펴 놓였더라
Ony afo no nivoaka sy nandeha avy teo anatrehany; arivoarivo no nanompo Azy, ary alinalina no nitsangana teo anatrehany; nipetraka ny Mpitsara, ary novelarina ny boky.
11 그 때에 내가 그 큰 말하는 작은 뿔의 목소리로 인하여 주목하여 보는 사이에 짐승이 죽임을 당하고 그 시체가 상한 바 되어 붙는 불에 던진 바 되었으며
Dia mbola nijery ihany aho noho ny feon’ ny teny mihoapampana notenenin’ ilay tandroka; eny, nijery aho ambara-pamono ny biby, ka nolevonina ny tenany, ary natao teo amin’ ny afo mirehitra izy.
12 그 남은 모든 짐승은 그 권세를 빼았겼으나 그 생명은 보존되어 정한 시기가 이르기를 기다리게 되었더라
Ary ny amin’ ny biby, sasany, dia nesorina taminy ny fanapahany; nefa nohalavaina ihany ny andro hiainany mandra-pahalanin’ ny andro sy ny fotoana.
13 내가 또 밤 이상 중에 보았는데 인자 같은 이가 하늘 구름을 타고 와서 옛적부터 항상 계신 자에게 나아와 그 앞에 인도되매
Ary mbola nahita tamin’ ny fahitana tamin’ ny alina ihany aho, ary, indro, nisy toy ny zanak’ olona avy tamin’ ny rahon’ ny lanitra, ary nankeo amin’ ny Fahagola Izy, dia nampanakekeny teo anatrehany.
14 그에게 권세와 영광과 나라를 주고 모든 백성과 나라들과 각 방언하는 자로 그를 섬기게 하였으니 그 권세는 영원한 권세라 옮기지 아니할 것이요 그 나라는 폐하지 아니할 것이니라
Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy, mba hanompoan’ ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra Azy; ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka, ary ny fanjakany tsy ho rava.
15 나 다니엘이 중심에 근심하며 내 뇌 속에 이상이 나로 번민케 한지라
Izaho Daniela nalahelo tam-panahy, ary ny fahitan’ ny lohako naharaiki-tahotra ahy.
16 내가 그 곁에 모신 자 중 하나에게 나아가서 이 모든 일의 진상을 물으매 그가 내게 고하여 그 일의 해석을 알게 하여 가로되
Dia nanakaiky ilay anankiray tamin’ izay nitsangana teo aho ka nanontany azy ny fototr’ izany rehetra izany. Dia nambarany tamiko, ka nampahafantariny ahy ny hevitry ny zavatra.
17 그 네 큰 짐승은 네 왕이라 세상에 일어날 것이로되
Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin’ ny tany.
18 지극히 높으신 자의 성도들이 나라를 얻으리니 그 누림이 영원하고 영원하고 영원하리라
Nefa ny olo-masin’ ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo.
19 이에 내가 네째 짐승의 진상을 알고자 하였으니 곧 그것은 모든 짐승과 달라서 심히 무섭고 그 이는 철이요 그 발톱은 놋이며 먹고 부숴뜨리고 나머지는 발로 밟았으며
Dia naniry hahalala izay fototra marina ny amin’ ny fahefatra aho, dia ilay biby hafa noho izy rehetra sady mahatsiravina indrindra izay nanana nify vy sy hoho varahina sady nihinana sy nanotahota, ary ny sisa tsy laniny dia nohosihosen’ ny tongony;
20 또 그것의 머리에는 열 뿔이 있고 그 외에 또 다른 뿔이 나오매 세 뿔이 그 앞에 빠졌으며 그 뿔에는 눈도 있고 큰 말하는 입도 있고 그 모양이 동류보다 강하여 보인 것이라
ary ny amin’ ny tandroka folo teo an-dohany sy ny anankiray koa izay nipoitra, ka nisy telo potraka teo anoloany, dia ilay tandroka nanana maso sy vava izay niteny zavatra mihoapampana, ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.
21 내가 본즉 이 뿔이 성도들로 더불어 싸워 이기었더니
Mbola nijery ihany aho, ary izany tandroka izany nanoto ny olo-masìna ka naharesy azy,
22 옛적부터 항상 계신 자가 와서 지극히 높으신 자의 성도를 위하여 신원하셨고 때가 이르매 성도가 나라를 얻었더라
ambara-pihavin’ ny Fahagola, ka nomena rariny ny olo-masin’ ny Avo Indrindra; ary tonga ny fotoana nahazoan’ ny olo-masìna ny fanjakana.
23 모신 자가 이처럼 이르되 네째 짐승은 곧 땅의 네째 나라인데 이는 모든 나라보다 달라서 천하를 삼키고 밟아 부숴뜨릴 것이며
Izao no nolazainy: Ilay fahefatra amin’ ny biby dia fanjakana fahefatra etỳ ambonin’ ny tany, izay ho hafa noho ny fanjakana rehetra sady handrava ny tany rehetra ary hanosihosy sy hanorotoro azy.
24 그 열 뿔은 이 나라에서 일어날 열 왕이요 그 후에 또 하나가 일어나리니 그는 먼저 있던 자들과 다르고 또 세 왕을 복종시킬 것이며
Ary ny tandroka folo dia mpanjaka folo izay hitsangana avy amin’ izany fanjakana izany; ary hisy iray koa hitsangana manaraka azy; hafa noho ny voalohany izy ary handresy mpanjaka telo.
25 그가 장차 말로 지극히 높으신 자를 대적하며 또 지극히 높으신 자의 성도를 괴롭게 할 것이며 그가 또 때와 법을 변개코자 할 것이며 성도는 그의 손에 붙인 바 되어 한 때와 두 때와 반 때를 지내리라
Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin’ ny Avo Indrindra ary hitady hanova fotoana sy lalàna; ary hatolotra eny an-tànany ireo ambara-pahatapitry ny fetr’ andro iray sy ny fetr’ andro roa ary ny antsasaky ny fetr’ andro.
26 그러나 심판이 시작된즉 그는 권세를 빼앗기고 끝까지 멸망할 것이요
Fa hipetraka ny Mpitsara, ary hesorina ny fanapahany, ka horavana sy hosimbana hatramin’ ny farany izy.
27 나라와 권세와 온 천하 열국의 위세가 지극히 높으신 자의 성민에게 붙인 바 되리니 그의 나라는 영원한 나라이라 모든 권세 있는 자가 다 그를 섬겨 복종하리라 하여
Ary ny fanjakana sy ny fanapahana ary ny fahalehibiazan’ ny fanjakana eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia homena ny olo-masin’ ny Avo Indrindra; ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahana rehetra dia hanompo sy hanoa Azy.
28 그 말이 이에 그친지라 나 다니엘은 중심이 번민하였으며 내 낯 빛이 변하였으나 내가 이 일을 마음에 감추었느니라
Hatramin’ izao no faran’ izany zavatra izany. Ny amiko, izaho Daniela, dia naharaiki-tahotra ahy indrindra ny eritreritro, ka nivaloarika ny tarehiko, nefa notehiriziko tao am-poko ihany izany zavatra izany.

< 다니엘 7 >