< 열왕기하 21 >

1 므낫세가 위에 나아갈 때에 나이 십이세라 예루살렘에서 오십 오년을 치리하니라 그 모친의 이름은 헵시바더라
Roa ambin’ ny folo taona Manase, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Hefziba.
2 므낫세가 여호와 보시기에 악을 행하여 여호와께서 이스라엘 자손 앞에서 쫓아내신 이방 사람의 가증한 일을 본받아서
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
3 그 부친 히스기야의 헐어버린 산당을 다시 세우며 이스라엘 왕 아합의 소위를 본받아 바알을 위하여 단을 쌓으며 아세라 목상을 만들며 하늘의 일월 성신을 숭배하여 섬기며
Fa namboariny indray ny fitoerana avo, izay noravan’ i Hezekia rainy, ka nanangana alitara ho an’ i Bala izy sady nanao Aseraha, tahaka izay nataon’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely; ary niankohoka teo anatrehan’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra izy ka nanompo ireny,
4 여호와께서 전에 이르시기를 내가 내 이름을 예루살렘에 두리라 하신 여호와의 전의 단들을 쌓고
sady nanao alitara tao an-tranon’ i Jehovah koa izy, dia tao amin’ izay nolazain’ i Jehovah hoe: Ao Jerosalema no hasiako ny anarako.
5 또 여호와의 전 두 마당에 하늘의 일월 성신을 위하여 단들을 쌓고
Fa nanao alitara teo anatin’ ny kianja roa tamin’ ny tranon’ i Jehovah ho an’ izay rehetra eny amin’ ny lanitra izy.
6 또 그 아들을 불 가운데로 지나게 하며 점치며 사술을 행하며 신접한 자와 박수를 신임하여 여호와 보시기에 악을 많이 행하여 그 진노를 격발하였으며
Ary ny zanany nampamakiny ny afo, sady nanandro sy nanao sikidy izy ary naka ny manao azy ho tsindrian-javatra sy ny mpanao hatsarana, ary nahery nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy ka nampahatezitra Azy.
7 또 자기가 만든 아로새긴 아세라 목상을 전에 세웠더라 옛적에 여호와께서 이 전에 대하여 다윗과 그 아들 솔로몬에게 이르시기를 내가 이스라엘 모든 지파중에서 택한 이 전과 예루살렘에 내 이름을 영원히 둘지라
Ary ny sarin’ i Astarta izay nataony dia napetrany tao amin’ ny trano nolazain’ i Jehovah tamin’ i Davida sy Solomona zanany hoe: Ato amin’ ity trano ity sy eto Jerosalema, izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely rehetra, no hasiako ny anarako mandrakizay.
8 만일 이스라엘이 나의 모든 명령과 나의 종 모세의 명한 모든 율법을 지켜 행하면 내가 그들의 발로 다시는 그 열조에게 준 땅에서 떠나 유리하지 않게 하리라 하셨으나
Ary tsy hampandeha ny tongotry ny Isiraely intsony hiala amin’ ny tany izay nomeko ny razany Aho, raha mba hitandrina ka hanao araka izay rehetra nandidiako azy sy araka ny lalàna rehetra izay nandidian’ i Mosesy mpanompoko azy ihany izy.
9 이 백성이 듣지 아니하였고 므낫세의 꾀임을 받고 악을 행한 것이 여호와께서 이스라엘 자손 앞에서 멸하신 열방보다 더욱 심하였더라
Nefa tsy nihaino izy; fa Manase nitaona azy hanao ratsy mihoatra noho ny nataon’ ny jentilisa, izay naringan’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
10 여호와께서 그 종 모든 선지자들로 말씀하여 가라사대
Ary Jehovah nampilaza ny mpaminany mpanompony hoe:
11 유다 왕 므낫세가 이 가증한 일과 악을 행함이 그 전에 있던 아모리 사람의 행위보다 더욱 심하였고 또 그 우상으로 유다를 범죄케 하였도다
Satria Manase, mpanjakan’ ny Joda, nanao izao fahavetavetana izao ka nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra nataon’ ny Amorita izay teo alohany sady nampanota ny Joda tamin’ ny sampiny,
12 그러므로 이스라엘 하나님 여호와가 말하노니 내가 이제 예루살렘과 유다에 재앙을 내리리니 듣는 자마다 두 귀가 울리리라
dia izao kosa no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin’ i Jerosalema sy ny Joda Aho, ka izay rehetra mandre izany dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
13 내가 사마리아를 잰 줄과 아합의 집을 다림보던 추로 예루살렘에 베풀고 또 사람이 그릇을 씻어 엎음 같이 예루살렘을 씻어 버릴지라
Ary hohenjaniko ato Jerosalema ny famolainan’ i Samaria sy ny pilaon’ ny taranak’ i Ahaba; ary hamaoka an’ i Jerosalema Aho, toy ny olona mamaoka lovia ka sady mamaoka no manohoka azy koa.
14 내가 나의 기업에서 남은 자를 버려 그 대적의 손에 붙인즉 저희가 모든 대적에게 노략과 겁탈이 되리니
Ary hafoiko ny lovako sisa ka hatolotro ho eo an-tànan’ ny fahavalony; dia ho sambotra sy ho babon’ ny fahavalony rehetra izy,
15 이는 애굽에서 나온 그 열조 때부터 오늘까지 나의 보기에 악을 행하여 나의 노를 격발하였음이니라 하셨더라
satria efa nanao izay ratsy eo imasoko izy ka nampahatezitra Ahy hatramin’ ny andro nivoahan’ ny razany avy any Egypta ka mandraka androany.
16 므낫세가 여호와 보시기에 악을 행하여 유다로 범하게한 그 죄외에 또 무죄한 자의 피를 심히 많이 흘려 예루살렘 이 가에서 저 가까지 가득하게 하였더라
Ary na dia ny rà marina aza dia nalatsak’ i Manase be dia be mandra-pamenony an’ i Jerosalema rehetra, ho fanampin’ ny ota izay nampanotany ny Joda tamin’ ny nanaovany izay ratsy eo imason’ i Jehovah.
17 므낫세의 남은 사적과 무릇 그 행한바와 범한 죄는 유다 왕 역대지략에 기록되지 아니하였느냐
Ary ny tantaran’ i Manase sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny fahotana izay nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
18 므낫세가 그 열조와 함께 자매 그 궁궐 동산 곧 웃사의 동산에 장사되고 그 아들 아몬이 대신하여 왕이 되니라
Ary Manase lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina teo an-tanimboly eo ala-tranony amin’ ny sahan’ i Oza; ary Amona zanany no nanjaka nandimby azy.
19 아몬이 위에 나아갈 때에 나이 이십 이세라 예루살렘에서 이년을 치리하니라 그 모친의 이름은 므술레멧이라 욧바 하루스의 딸이더라
Roa amby roa-polo taona Amona, fony izy vao nanjaka, ary roa taona no nanjakany tany Jerosalema, Ary ny anaran-dreniny dia Mesolemeta, zanakavavin’ i Haroza, avy any Jotba.
20 아몬이 그 부친 므낫세의 행함 같이 여호와 보시기에 악을 행하되
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah koa izy tahaka ny nataon’ i Manase rainy.
21 그 부친의 행한 모든 길로 행하여 그 부친의 섬기던 우상을 섬겨 경배하고
Fa nandeha tamin’ ny lalana rehetra izay efa nalehan-drainy izy ka nanompo ny sampy izay notompoin-drainy sady niankohoka teo anatrehany.
22 그 열조의 하나님 여호와를 버리고 그 길로 행치 아니하더니
Ary nahafoy an’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy, fa tsy nandeha tamin’ ny lalan’ i Jehovah.
23 그 신복들이 반역하여 왕을 궁중에서 죽이매
Ary ny mpanompon’ i Amona mpanjaka nikomy taminy ka namono azy tao an-tranony.
24 그 국민이 아몬 왕을 반역한 사람들을 다 죽이고 그 아들 요시야로 대신하여 왕을 삼았더라
Ary ny vahoaka namono izay rehetra nikomy tamin’ i Amona mpanjaka, dia nampanjaka an’ i Josia zanany hisolo azy.
25 아몬의 행한바 남은 사적은 유다 왕 역대지략에 기록되지 아니하였느냐
Ary ny tantaran’ i Amona sisa, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
26 아몬이 웃시야의 동산 자기 묘실에 장사되고 그 아들 요시야가 대신하여 왕이 되니라
Ary nalevina tao amin’ ny fasany tao amin’ ny sahan’ i Oza izy; ary Josia zanany no nanjaka nandimby azy.

< 열왕기하 21 >