< 역대하 13 >

1 여로보암 왕 제 십팔년에 아비야가 유다 왕이 되고
Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan’ i Abia tamin’ ny Joda.
2 예루살렘에서 삼년을 치리하니라 그 모친의 이름은 미가야라 기브아사람 우리엘의 딸이더라 아비야가 여로보암으로 더불어 싸울새
Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin’ i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama.
3 아비야는 택한 바 싸움에 용맹한 군사 사십만으로 싸움을 예비하였고 여로보암은 택한 바 큰 용사 팔십만으로 대진한지라
Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa.
4 아비야가 에브라임산 중 스마라임산 위에 서서 가로되 여로보암과 이스라엘 무리들아 다 들으라
Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin’ ny tany havoan’ i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra:
5 이스라엘 하나님 여호와께서 소금 언약으로 이스라엘 나라를 영원히 다윗과 그 자손에게 주신 것을 너희가 알 것이 아니냐
Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an’ i Davida mandrakizay ny fanjakan’ ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin’ ny fanekena nasiantsira.
6 다윗의 아들 솔로몬의 신복 느밧의 아들 여로보암이 일어나 그 주를 배반하고
Nefa kosa Jeroboama, zanak’ i Nebata, mpanompon’ i Solomona, zanak’ i Davida, nitsangana ka niodina tamin’ ny tompony.
7 난봉과 비류가 모여 좇으므로 스스로 강하게 하여 솔로몬의 아들 르호보암을 대적하나 그 때에 르호보암이 어리고 마음이 연약하여 능히 막지 못하였었느니라
Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak’ Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy.
8 이제 너희가 또 다윗자손의 손으로 다스리는 여호와의 나라를 대적하려 하는도다 너희는 큰 무리요 또 여로보암이 너희를 위하여 신으로 만든 금송아지가 너희와 함께 있도다
Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan’ i Jehovah, izay eo an-tànan’ ny taranak’ i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon’ i Jeroboama ho andriamanitrareo.
9 너희가 아론 자손된 여호와의 제사장과 레위 사람을 쫓아내고 이방 백성의 풍속을 좇아 제사장을 삼지 아니하였느냐 무론 누구든지 수송아지 하나와 수양 일곱을 끌고 와서 장립을 받고자 하는 자마다 허무한 신의 제사장이 될 수 있도다
Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’ i Jehovah, dia ny taranak’ i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon’ ny firenena amin’ ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin’ ireo tsi-Andriamanitra.
10 우리에게는 여호와께서 우리 하나님이 되시니 그를 우리가 배반치 아니하였고 여호와를 섬기는 제사장들이 있으니 아론의 자손이요 또 레위 사람이 수종을 들어
Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah, dia ny taranak’ i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany;
11 조석으로 여호와 앞에 번제를 드리며 분향하며 또 깨끗한 상에 진설병을 놓고 또 금등대가 있어 그 등에 저녁마다 불을 켜나니 우리는 우리하나님 여호와의 계명을 지키나 너희는 그를 배반하 였느니라
ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an’ i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin’ ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin’ ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain’ i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy.
12 하나님이 우리와 함께 하사 우리의 머리가 되시고 그 제사장들도 우리와 함께하여 경고의 나팔을 불어 너희를 공격하느니라 이스라엘 자손들아 너희 열조의 하나님 여호와와 싸우지 말라 너희가 형통치 못하리라
Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak’ isiraely ô, aza miady amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo.
13 여로보암이 유다의 뒤를 둘러 복병하였으므로 그 앞에는 이스라엘 사람이 있고 그 뒤에는 복병이 있는지라
Fa nasain’ i Jeroboama nanompirana no fandehan’ ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan’ ny Joda, ary ny otrika teo ivohony.
14 유다 사람이 돌이켜 보고 자기 앞뒤의 적병을 인하여 여호와께 부르짖고 제사장은 나팔을 부니라
Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin’ i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra.
15 유다 사람이 소리지르매 유다 사람의 소리지를 때에 하나님이 여로보암과 온 이스라엘을 아비야와 유다 앞에서 쳐서 패하게 하시니라
Dia nihoby ny lehilahy amin’ ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an’ i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan’ i Abia sy ny Joda.
16 이스라엘 자손이 유다 앞에서 도망하는지라 하나님이 그 손에 붙이신고로
Ary ny Zanak’ isiraely nandositra niala teo anoloan’ ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tànany,
17 아비야와 그 백성이 크게 도륙하니 이스라엘의 택한 병정이 죽임을 입고 엎드러진 자가 오십만이었더라
ka nahafatesan’ i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin’ ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina.
18 그 때에 이스라엘 자손이 항복하고 유다 자손이 이기었으니 이는 저희가 그 열조의 하나님 여호와를 의지하였음이라
Toy izany no nampietrena ny Zanak’ isiraely fahizay; ary ny taranak’ i Joda no nahery, satria niankina tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy.
19 아비야가 여로보암을 쫓아가서 그 성읍들을 빼앗았으니 곧 벧엘과 그 동네와 여사나와 그 동네와 에브론과 그 동네라
Ary Abia nanenjika an’ i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin’ ny zana-bohiny sy Jesana mbamin’ ny zana-bohiny ary Efrona mbamin’ ny zana-bohiny.
20 아비야 때에 여로보암이 다시 강성하지 못하고 여호와의 치심을 입어 죽었고
Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin’ ny andron’ i Abia; ary Jehovah namely azy, ka dia maty izy.
21 아비야는 점점 강성하며 아내 열 넷을 취하여 아들 스물 둘과 딸 열 여섯을 낳았더라
Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin’ ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin’ ny folo.
22 아비야의 남은 사적과 그 행위와 그 말은 선지자 잇도의 주석책에 기록되니라
Ary ny tantaran’ i Abia sisa mbamin’ ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ Ido mpaminany.

< 역대하 13 >