< 사무엘상 25 >

1 사무엘이 죽으매 온 이스라엘 무리가 모여 그를 애곡하며 라마 그의 집에서 그를 장사한지라 다윗이 일어나 바란 광야로 내려가니라
Ary maty Samoela; ary nivory ny Isiraely rehetra ka nisaona azy sy nandevina azy tao amin’ ny fonenany tao Rama. Ary Davida niainga ka nidina nankany an-efitra Parana.
2 마온에 한 사람이 있는데 그 업이 갈멜에 있고 심히 부하여 양이 삼천이요 염소가 일천이므로 그가 갈멜에서 그 양털을 깎고 있었으니
Ary nisy lehilahy tao Maona, ary tao Karmela ny fananany; mpanjatobe ralehilahy ka nanana ondry telo arivo sy osy arivo, ary nanety ny ondriny tao Karmela izy.
3 그 사람의 이름은 나발이요 그 아내의 이름은 아비가일이라 그 여자는 총명하고 용모가 아름다우나 남자는 완고하고 행사가 악하며 그는 갈멜 족속이었더라
Nabala no anaran-dralehilahy; ary Abigaila no anaran’ ny vavy; vehivavy hendry sady tsara tarehy izy; fa ny lahy kosa saro-po sy ratsy amin’ izay ataony; ary isan’ ny taranak’ i Kaleba izy.
4 다윗이 광야에 있어서 나발이 자기 양털을 깎는다 함을 들은지라
Ary ren’ i Davida tany an-efitra fa Nabala manety ny ondriny.
5 다윗이 이에 열 소년을 보내며 그 소년들에게 이르되 `너희는 갈멜로 올라가 나발에게 이르러 내 이름으로 그에게 문안하고
Dia naniraka zatovo folo lahy Davida ka nanao taminy hoe: Miakara any Karmela ianareo, ary mankanesa any amin’ i Nabala, ka miarahabà azy amin’ ny anarako.
6 이같이 그 부하게 사는 자에게 이르기를 너는 평강하라, 네 집도 평강하라, 네 소유의 모든 것도 평강하라,
Ary izao no holazainareo aminy: trarantitra ianao, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana ho amin’ ny ankohonanao, ary fiadanana ho amin’ izay anananao rehetra.
7 네게 양털 깎는 자들이 있다 함을 이제 내가 들었노라 네 목자들이 우리와 함께 있었으나 우리가 그들을 상치 아니하였고 그들이 갈멜에 있는 동안에 그들의 것을 하나도 잃지 아니하였나니
Ary ankehitriny efa reko fa manety ondry ianao; koa ny mpiandry ondrinao, izay tao aminay, tsy nasianay ratsy, ary tsy nisy very na inona na inona tamin’ ny andro rehetra nitoerany tao Karmela.
8 네 소년들에게 물으면 그들이 네게 고하리라 그런즉 내 소년들로 네게 은혜를 얻게 하라 우리가 좋은 날에 왔은즉 네 손에 있는 대로 네 종들과 네 아들 다윗에게 주기를 원하노라 하더라' 하라
Anontanio ny zatovonao, fa hilaza aminao izy. Koa aoka hahita fitia eo imasonao ny zatovo (fa andro fifaliana no ihavianay); masìna ianao, mba omeo amin’ izay azon’ ny tananao ireto mpanomponao sy Davida zanakao.
9 다윗의 소년들이 가서 다윗의 이름으로 이 모든 말을 나발에게 고하기를 마치매
Ary rehefa tonga ny zatovon’ i Davida, dia niteny tamin’ i Nabala tamin’ ny anaran’ i Davida araka izany teny rehetra Izany izy, ka dia nipetraka.
10 나발이 다윗의 사환들에게 대답하여 가로되 `다윗은 누구며 이새의 아들은 누구뇨 근일에 각기 주인에게서 억지로 떠나는 종이 많도다
Fa Nabala namaly ny mpanompon’ i Davida hoe: Inona moa Davida? Ary inona moa ny zanak’ i Jese? Misy mpanompo maro ankehitriny izay milefa miala amin’ ny tompony.
11 내가 어찌 내 떡과 물과 내 양털 깎는 자를 위하여 잡은 고기를 가져 어디로서인지 알지도 못하는 자들에게 주겠느냐?' 한지라
Koa halaiko va ny mofoko sy ny ranoko ary ny zavatra izay efa novonoiko ho an’ ny mpanety ondriko, ka homeko izay olona tsy fantatro nihaviana akory?
12 이에 다윗의 소년들이 돌이켜 자기 길로 행하여 돌아와서 이 모든 말로 그에게 고하매
Dia nihodina ny zatovon’ i Davida ka nankany amin’ izay nalehany; ary dia nody tany aminy indray izy ka nanambara izany teny rehetra izany taminy.
13 다윗이 자기 사람들에게 이르되 `너희는 각기 칼을 차라' 각기 칼을 차매 다윗도 자기 칼을 차고 사백명 가량은 데리고 올라가고 이백명은 소유물 곁에 있게 하니라
Ary hoy Davida tamin’ ny olony: Samia manao ny sabatrareo eo amin’ ny fehin-tsabany avy ianareo; ka dia samy nanao ny sabany teo amin’ ny fehin-tsabany avy ny olona, ary dia mba nanao ny sabany teo amin’ ny fehin-tsabany koa Davida; ary nisy tokony ho efa-jato lahy niakatra nanaraka an’ i Davida, ary roan-jato lahy kosa nipetraka teo amin’ ny entana.
14 소년중 하나가 나발의 아내 아비가일에게 고하여 가로되 `다윗이 우리 주인에게 문안하러 광야에서 사자들을 보내었거늘 주인이 그들을 수욕하였나이다
Ary Abigaila, vadin’ i Nabala, dia nilazan’ ny anankiray tamin’ ny zatovony hoe: Indro, Davida naniraka olona avy tany an-efitra mba hiarahaba ny tompontsika, nefa nisafoaka tamin’ ireny izy.
15 우리가 들에 있어 그들과 상종할 동안에 그 사람들이 우리를 매우 선대하였으므로 우리가 상하거나 잃은 것이 없었으니
Fa ireo lehilahy ireo dia nanao tsara tokoa taminay, ka tsy naninona tsy naninona izahay, ary tsy nisy zavatra very tamin’ izay andro nitoeranay tao aminy, fony tany an-tsaha izahay.
16 우리가 양을 지키는 동안에 그들이 우리와 함께 있어 밤낮 우리에게 담이 되었음이라
Izy no mandanay andro aman’ alina tamin’ ny andro rehetra nitoeranay niandry ondry tao aminy.
17 그런즉 이제 당신은 어떻게 할 것을 알아 생각하실지니 이는 다윗이 우리 주인과 주인의 온 집을 해하기로 결정하였음이니이다 주인은 불량한 사람이라 더불어 말할 수 없나이다'
Koa dia fantaro sy hevero ankehitriny izay hataonao; fa ratsy no ifofoan’ ny tompontsika mbamin’ ny ankohonany rehetra; fa Nabala dia tena ratsy fanahy, ka tsy misy olona mahazo miteny aminy.
18 아비가일이 급히 떡 이백 덩이와 포도주 두 가죽 부대와 잡아 준비한 양 다섯과 볶은 곡식 다섯 세아와 건포도 백송이와 무화과뭉치 이백을 취하여 나귀들에게 싣고
Dia nandeha faingana Abigaila ka naka mofo roan-jato sy divay eran’ ny tavoara roa sy ondry dimy voavoatra sy lango indimin’ ny vata sy takela-boaloboka maina zato ary ampempan’ aviavy roan-jato, dia nasampiny tamin’ ny boriky izany.
19 소년들에게 이르되 `내 앞서 가라 나는 너희 뒤에 가리라' 하고 그 남편 나발에게는 고하지 아니하니라
Ary hoy izy tamin’ ny zatovony: Mandehana eo alohako, indro, izaho hanaraka anareo; nefa Nabala vadiny tsy mba nilazany.
20 아비가일이 나귀를 타고 산 유벽한 곳으로 좇아 내려가더니 다윗과 그의 사람들이 자기에게로 마주 내려오는 것을 만나니라
Ary tamin’ izany, nony nitaingina ny borikiny izy ka nidina tao amin’ ny takon’ ny havoana, dia indro, Davida sy ny olony nidina nanatona azy, ary izy nifanena taminy.
21 다윗이 이미 말하기를 `내가 이 자의 소유물을 광야에서 지켜 그 모든 것을 하나도 손실이 없게 한 것이 진실로 허사라 그가 악으로 나의 선을 갚는도다
Ary Davida efa nilaza hoe: Foana tokoa ny an-efitra, ka tsy nisy very na inona na inona; fa novaliany ratsy ny soa nataoko.
22 내가 그에게 속한 모든 것 중 한 남자라도 아침까지 남겨두면 하나님은 다윗에게 벌을 내리시고 또 내리시기를 원하노라' 하였더라
Mba hataon’ Andriamanitra toy izany anie ny fahavalon’ i Davida, eny, mihoatra noho izany aza, raha dia havelako hisy miangana na dia lehilahy iray aza izay mety ho azy ambara-pahazavan’ ny andro.
23 아비가일이 다윗을 보고 급히 나귀에서 내려 다윗의 앞에 엎드려 그 얼굴을 땅에 대니라
Ary Abigaila, raha nahita an’ i Davida, dia niala faingana tamin’ ny boriky ary niankohoka teo anatrehan’ i Davida ka nitsaoka azy.
24 그가 다윗의 발에 엎드려 가로되 `내 주여! 청컨대 이 죄악을 나 곧 내게로 돌리시고 여종으로 주의 귀에 말하게 하시고 이 여종의 말을 들으소서
Dia niankohoka tamin’ ny tongony izy ka nanao hoe: Aoka ho ahy dia ho ahy ity heloka ity, tompokolahy; masìna ianao, avelao ny ankizivavinao hiteny eto anatrehanao, ka henoy ny tenin’ ny ankizivavinao.
25 원하옵나니 내 주는 이 불량한 사람 나발을 개의치 마옵소서 그 이름이 그에게 적당하니 그 이름이 나발이라 그는 미련한 자니이다 여종은 내 주의 보내신 소년들을 보지 못하였나이다
Masìna ianao, aoka ny tompoko tsy hisaina io Nabala lehilahy tena ratsy fanahy io, fa araka ny anarany ihany no toeny; Nabala no anarany, ary hadalana no ao aminy; fa izaho ankizivavinao, tompoko, tsy mba nahita ny zatovo nirahinao.
26 내 주여 여호와께서 사시고 내 주도 살아계시거니와 내 주의 손으로 피를 흘려 친히 보수하시는 일을 여호와께서 막으셨으니 내 주의 원수들과 내 주를 해하려 하는자들은 나발과 같이 되기를 원하나이다
Koa ankehitriny, tompoko, raha velona koa Jehovah, ary raha velona koa ny fanahinao, Jehovah efa niaro anao tsy hahazo heloka amin’ ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ ny tenanao; ary avelao ny fahavalonao sy izay mitady hanisy ratsy anao, tompoko, ho tahaka an’ i Nabala.
27 여종이 내 주에게 가져온 이 예물로 내 주를 좇는 이 소년들에게 주게 하시고
Ary izao saotra nentin’ ny ankizivavinao aminao izao, tompoko, dia aoka homena ny zatovo manaraka ny Tompoko.
28 주의 여종의 허물을 사하여 주옵소서! 여호와께서 반드시 내 주를 위하여 든든한 집을 세우시리니 이는 내 주께서 여호와의 싸움을 싸우심이요 내 주의 일생에 내 주에게서 악한 일을 찾을 수 없음이니이다
Masìna ianao, mamelà ny fahadisoan’ ny ankizivavinao, fa Jehovah hampaharitra ny taranaky ny tompoko tokoa; fa ny tompoko miady ny adin’ i Jehovah, ary tsy misy ratsy ho hita aminao amin’ ny andro rehetra iainanao.
29 사람이 일어나서 내 주를 쫓아 내 주의 생명을 찾을지라도 내 주의 생명은 내 주의 하나님 여호와와 함께 생명싸개 속에 싸였을 것이요 내 주의 원수들의 생명은 물매로 던지듯 여호와께서 그것을 던지시리이다
Nefa raha misy olona mitsangana hanenjika anao ka mitady ny ainao, dia hofehezina amin’ ny fehin’ aina ao amin’ i Jehovah Andriamanitra ny fanahin’ ny tompoko, fa ny fanahin’ ny fahavalonao kosa dia hatorany toy ny eo amin’ ny foitran’ antsamotady.
30 여호와께서 내 주에 대하여 하신 말씀대로 모든 선을 내 주에게 행하사 내 주를 이스라엘의 지도자로 세우신 때에
Ary amin’ izany, raha Jehovah mahavita amin’ ny tompoko araka ny soa rehetra nilazany anao ka manendry anao ho mpanapaka ny Isiraely,
31 내 주께서 무죄한 피를 흘리셨다든지 내 주께서 친히 보수하셨다든지 함을 인하여 슬퍼하실 것도 없고 내 주의 마음에 걸리는 것도 없으시리니 다만 여호와께서 내 주를 후대하신 때에 원컨대 내 주의 여종을 생각하소서'
dia tsy ho alahelo na ho nenina amin’ ny fon’ ny tompoko izany, fa tsy nandatsa-drà foana ianao, na namaly ho an’ ny tenanao, tompoko; fa rehefa asian’ i Jehovah soa ny tompoko, dia mba tsarovy aho ankizivavinao.
32 다윗이 아비가일에게 이르되 `오늘날 너를 보내어 나를 영접케 하신 이스라엘의 하나님 여호와를 찬송할지로다!
Ary hoy Davida tamin’ i Abigaila: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay naniraka anao hihaona amiko androany.
33 또 네 지혜를 칭찬할지며 또 네게 복이 있을지로다! 오늘날 내가 피를 흘릴 것과 친히 보수하는 것을 네가 막았느니라
Ary hotahiny anie ny fahendrenao, ary hotahiny anie ianao, izay niaro ahy androany tsy hahazo heloka amin’ ny fandatsahan-drà ary tsy hamaly ho an’ ny tenako.
34 나를 막아 너를 해하지 않게 하신 이스라엘의 하나님 여호와의 사심으로 맹세하노니 네가 급히 와서 나를 영접지 아니하였더면 밝는 아침에는 과연 나발에게 한 남자도 남겨두지 아니하였으리라'
Kanefa, raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay niaro ahy tsy hanisy ratsy anao, raha tsy avy faingana hitsena ahy ianao toy izay, dia efa tsy nasiako niangana na dia lehilahy iray aza amin’ i Nabala ambara-pahazavan’ ny andro.
35 다윗이 그가 가져온 것을 그의 손에서 받고 그에게 이르되 `네 집으로 평안히 올라가라 내가 네 말을 듣고 네 청을 허락하노라'
Ka dia noraisin’ i Davida teny an-tànany ilay zavatra nentiny, ary hoy izy taminy: Miakara soa aman-tsara ho any an-tranonao ianao; indro, efa nohenoiko ny feonao, ary nankasitrahako ianao.
36 아비가일이 나발에게로 돌아오니 그가 왕의 잔치 같은 잔치를 그집에 배설하고 대취하여 마음에 기뻐하므로 아비가일이 밝는 아침까지는 다소간 말하지 아니하다가
Ary Abigaila dia tonga tao amin’ i Nabala; kanjo, indro, nanao fanasana tao an-tranony izy tahaka ny fanasan’ ny mpanjaka, ary faly ny fon’ i Nabala tamin’ izany, ary mamo loatra izy, ka dia tsy nisy nambaran’ ny vavy taminy, na kely na be mandra-pahazavan’ ny andro.
37 아침에 나발이 포도주가 깬 후에 그 아내가 그에게 이 일을 고하매 그가 낙담하여 몸이 돌과 같이 되었더니
Ary nony maraina, ka afaka ny hamamoan’ i Nabala, dia nambaran’ ny vavy taminy izany zavatra izany, ka dia matihena ny fony ka tonga tahaka ny vato.
38 한 열흘 후에 여호와께서 나발을 치시매 그가 죽으니라
Ary nony afaka hafoloana, dia nasian’ i Jehovah Nabala, ka dia maty izy.
39 다윗이 나발의 죽었다 함을 듣고 가로되 `나발에게 당한 나의 욕을 신설하사 종으로 악한 일을 하지 않게 하신 여호와를 찬송할지로다! 여호와께서 나발의 악행을 그 머리에 돌리셨도다' 하니라 다윗이 아비가일로 자기 아내를 삼으려고 보내어 그에게 말하게 하매
Ary nony ren’ i Davida fa maty Nabala, dia hoy izy: Isaorana anie Jehovah izay niady ho ahy ka nahafa-tondromaso ahy tamin’ i Nabala sy niaro ny mpanompony tsy hahatanteraka ny ratsy; fa ny ratsy nataon’ i Nabala dia nampodin’ i Jehovah ho eo an-dohany ihany. Ary Davida naniraka hiresaka amin’ i Abigaila hila azy ho vady.
40 다윗의 사환들이 갈멜에 가서 아비가일에게 이르러 그에게 일러 가로되 `다윗이 당신을 아내로 삼고자 하여 우리를 당신께 보내더이다'
Ary nony tonga tany amin’ i Abigaila teo Karmela ny mpanompon’ i Davida, dia hoy izy: Davida naniraka anay hankatỳ aminao hila anao ho vadiny.
41 그가 일어나 몸을 굽혀 얼굴을 땅에 대고 가로되 `내 주의 여종은 내 주의 사환들의 발 씻길 종이니이다' 하고
Dia nitsangana izy ary niankohoka tamin’ ny tany ka nanao hoe: Indro, aoka ny ankizivavinao ho mpanompo hanasa ny tongotry ny mpanompon’ itompokolahy.
42 급히 일어나서 나귀를 타고 따르는 처녀 다섯과 함께 다윗의 사자들을 따라가서 다윗의 아내가 되니라
Ary Abigaila nitsangana faingana ka nitaingina boriky, ary ankizivaviny dimy no nanaraka azy; dia nanaraka ny irak’ i Davida izy, ka dia novadiny.
43 다윗이 또 이스르엘 아히노암을 취하였더니 그들 두 사람이 자기 아내가 되니라
Ary Davida efa nanambady an’ i Ahinoama avy any Jezirela koa; ary samy novadiny avokoa izy roa vavy.
44 사울이 그 딸 다윗의 아내 미갈을 갈림에 사는 라이스의 아들 발디에게 주었더라
Fa Saoly efa nanome an’ i Mikala, zananivavy, vadin’ i Davida, ho vadin’ i Palty, zanak’ i Laisy, avy any Galima.

< 사무엘상 25 >