< 사무엘상 24 >

1 사울이 블레셋 사람을 따르다가 돌아오매 혹이 그에게 고하여 가로되 `보소서 다윗이 엔게디 황무지에 있더이다'
Ary rehefa niverina avy nanenjika ny Filistina Saoly, dia nisy nanambara taminy hoe; Indro, Davida any an-efitr’ i En-jedy.
2 사울이 온 이스라엘에서 택한 사람 삼천을 거느리고 다윗과 그의 사람들을 찾으러 들염소 바위로 갈새
Ary Saoly naka telo arivo lahy voafantina tamin’ ny Isiraely rehetra ka lasa nitady an’ i Davida sy ny olony tany amin’ ny vatolampin’ ny osi-dia.
3 길 가 양의 우리에 이른즉 굴이 있는지라 사울이 그 발을 가리우러 들어가니라 다윗과 그의 사람들이 그 굴 깊은 곳에 있더니
Ary tonga teo amin’ ny valan’ ondry tamoron-dalana izay nisy zohy izy, ka niditra tao Saoly mba hiavela; nefa Davida sy ny olony efa nipetraka tao anatin’ ny zohy.
4 다윗의 사람들이 가로되 `보소서! 여호와께서 당신에게 이르시기를 내가 원수를 네 손에 붙이리니 네 소견에 선한대로 그에게 행하라 하시더니 이것이 그 날이니이다' 다윗이 일어나서 사울의 겉옷자락을 가만히 베니라
Ary hoy ny olon’ i Davida taminy: Izao no andro nolazain’ i Jehovah taminao hoe: Indro, hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao hataonao araka izay sitrakao. Dia nitsangana Davida ka nitsaitsaika nanapaka ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly.
5 그리한 후에 사울의 옷자락 벰을 인하여 다윗의 마음이 찔려
Nefa nony efa vita izany, dia namely an’ i Davida ny eritreriny noho ny nanapahany ny sisin’ ny kapôtin’ i Saoly,
6 자기 사람들에게 이르되 `내가 손을 들어 여호와의 기름 부음을 받은 내 주를 치는 것은 여호와의 금하시는 것이니 그는 여호와의 기름 부음을 받은 자가 됨이니라' 하고
ka hoy izy tamin’ ny olony: Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah, raha hanao izany zavatra izany amin’ ny tompoko izay voahosotr’ i Jehovah ka haninjitra ny tanako aminy, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
7 다윗이 이 말로 자기 사람들을 금하여 사울을 해하지 못하게 하니라 사울이 일어나 굴에서 나가 자기 길을 가니라
Dia nampijanona ny mpanompony tamin’ izany teny izany Davida ka tsy namela azy hitsangana hamely an’ i Saoly. Ary Saoly nitsangana ka niala tao an-johy, dia nandeha tamin’ izay nalehany.
8 그 후에 다윗도 일어나 굴에서 나가 사울의 뒤에서 외쳐 가로되 `내 주 왕이여!' 하매 사울이 돌아보는지라 다윗이 땅에 엎드려 절하고
Ary rehefa afaka izany, dia mba nitsangana koa Davida ka niala tao an-johy koa, dia niantso an’ i Saoly ka nanao hoe: Ry mpanjaka tompoko ô! Ary nony nitodika azy Saoly, dia niondrika tamin’ ny tany Davida ka niankohoka.
9 사울에게 이르되 `다윗이 왕을 해하려 한다고 하는 사람들의 말을 왕은 어찌하여 들으시나이까?
Ary hoy Davida tamin’ i Saoly: Nahoana ianao no maka vavan’ olona hoe: Indro, Davida mitady hanisy ratsy anao?
10 오늘 여호와께서 굴에서 왕을 내 손에 붙이신 것을 왕이 아셨을 것이니이다 혹이 나를 권하여 왕을 죽이라 하였으나 내가 왕을 아껴 말하기를 나는 내 손을 들어 내 주를 해치 아니하리니 그는 여호와의 기름 부음을 받은 자가 됨이니라 하였나이다
Indro, hitan’ ny masonao androany ny nanoloran’ i Jehovah anao ho eo an-tanako tao an-johy; ary nisy nilaza hevitra hamonoana anao, saingy niantra anao ny masoko, ka hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ ny tompoko aho, fa voahosotr’ i Jehovah izy.
11 나의 아버지여! 보소서 내 손에 있는 왕의 옷자락을 보소서 내가 왕을 죽이지 아니하고 겉옷자락만 베었은즉 나의 손에 악이나 죄과가 없는 줄을 아실지니이다 왕은 내 생명을 찾아 해하려 하시나 나는 왕에게 범죄한 일이 없나이다
Ary koa, ry ikaky ô, jereo dia jereo ange ny sisin’ ny kapôtinao etỳ an-tanako; fa raha nanapaka ny sisin’ ny kapôtinao aho, fa tsy nahafaty anao, dia izahao ka fantaro fa tsy misy faharatsiana na fahadisoana amin’ ny tanako, ary tsy nanota taminao aho, nefa ianao kosa mihaza ny aiko mba hahafaty azy.
12 여호와께서는 나와 왕 사이를 판단하사 나를 위하여 왕에게 보복하시려니와 내 손으로는 왕을 해하지 않겠나이다
Jehovah no hitsara ahy sy ianao, ary Jehovah no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy mba haninona anao.
13 옛 속담에 말하기를 악은 악인에게서 난다 하였으니 내 손이 왕을 해하지 아니하리이다
Araka ny lazain’ ny ohabolan’ ny ntaolo hoe: Avy amin’ ny ratsy fanahy no ivoahan’ ny ratsy, nefa ny tanako tsy haninona anao.
14 이스라엘 왕이 누구를 따라 나왔으며 누구를 쫓나이까? 죽은 개나 벼룩을 쫓음이니이다
Hitady an’ iza no nivoahan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely? Iza no enjehinao? Amboa maty; parasy iray.
15 그런즉 여호와께서 재판장이 되어 나와 왕 사이에 판결하사 나의 사정을 살펴 신원하시고 나를 왕의 손에서 건지시기를 원하나이다'
Aoka Jehovah no ho mpitsara, ka dia hitsara ahy sy ianao ary hijery sy handahatra ho ahy ka hanafaka ahy amin’ ny tananao.
16 다윗이 사울에게 이같이 말하기를 마치매 사울이 가로되 `내 아들 다윗아 이것이 네 목소리냐?' 하고 소리를 높여 울며
Ary nony vita izany teny nataon’ i Davida tamin’ i Saoly izany, dia hoy Saoly: Feonao va izany, ry Davida zanako ô? Ary Saoly nanandratra ny feony ka nitomany;
17 다윗에게 이르되 `나는 너를 학대하되 너는 나를 선대하니 너는 나보다 의롭도다
ary hoy izy tamin’ i Davida: Marina noho izaho ianao; fa ianao dia nanisy soa ahy, fa izaho kosa namaly ratsy anao.
18 네가 나 선대한 것을 오늘 나타내었나니 여호와께서 나를 네 손에 붙이셨으나 네가 나를 죽이지 아니하였도다
Ary ianao dia naneho androany ny nanaovanao soa tamiko, fa na dia natolotr’ i Jehovah teo an-tananao aza aho, dia tsy nahafaty ahy ianao.
19 사람이 그 원수를 만나면 그를 평안히 가게 하겠느냐 네가 오늘날 내게 행한 일을 인하여 여호와께서 네게 선으로 갚으시기를 원하노라
Fa moa raha misy olona mahazo ny fahavalony, havelany handeha soa aman-tsara va izy? Koa hovalian’ i Jehovah soa anie ianao noho ny nataonao tamiko androany.
20 보라 나는 네가 반드시 왕이 될 것을 알고 이스라엘 나라가 네 손에 견고히 설 것을 아노니
Ary, indro, ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka tokoa ianao, ary ny fanjakan’ ny Isiraely ho tafatoetra tsara eo an-tananao.
21 그런즉 너는 내 후손을 끊지 아니하며 내 아비의 집에서 내 이름을 멸하지 아니할 것을 이제 여호와로 내게 맹세하라'
Koa mianiàna amiko amin’ i Jehovah ianao ankehitriny fa tsy handringana ny taranako mandimby ahy ianao, ary tsy hovonoinao amin’ ny mpianakavin’ ny raiko ny anarako.
22 다윗이 사울에게 맹세하매 사울은 집으로 돌아가고 다윗과 그의 사람들은 요새로 올라가니라
Ary Davida dia nianiana tamin’ i Saoly; ary dia lasa nody Saoly, fa Davida sy ny olony kosa niakatra nankany amin’ ny batery fiarovana.

< 사무엘상 24 >