< 사무엘상 22 >

1 그러므로 다윗이 그곳을 떠나 아둘람 굴로 도망하매 그 형제와 아비의 온 집이 듣고는 그리로 내려가서 그에게 이르렀고
Ary Davida niala teo ka nandositra nankany amin’ ny zohin’ i Adolama; ary nony nandre izany ny rahalahiny sy ny mpianakavin-drainy, dia nidina tany aminy ireo.
2 환난 당한 모든 자와 빚진 자와 마음이 원통한 자가 다 그에게로 모였고 그는 그 장관이 되었는데 그와 함께 한 자가 사백명 가량이었더라
Ary izay mahantra rehetra sy izay mpitrosa rehetra ary izay manana alahelo am-po rehetra dia nivory tao aminy, ary izy no tonga mpifehy azy; ka dia tonga tokony ho efa-jato lahy ny tao aminy.
3 다윗이 거기서 모압 미스베로 가서 모압 왕에게 이르되 `하나님이 나를 위하여 어떻게 하실 것을 내가 알기까지 나의 부모로 나와서 당신들과 함께 있게 하기를 청하나이다' 하고
Ary Davida niala tao nankany Mizpa any Moaba ka nanao tamin’ ny mpanjakan’ i Moaba hoe: Masìna ianao, avelao ny raiko sy ny reniko ho avy atỳ hitoetra etỳ aminao ambara-pahafantatro izay hataon’ Andriamanitra amiko.
4 부모를 인도하여 모압 왕 앞에 나아갔더니 그들이 다윗의 요새에 있을 동안에 모압 왕과 함께 있었더라
Ary dia nentiny ho eo anatrehan’ ny mpanjakan’ i Moaba izy ireo ka nonina teo aminy tamin’ ny andro rehetra nitoeran’ i Davida tao amin’ ny batery fiarovana.
5 선지자 갓이 다윗에게 이르되 `이 요새에 있지 말고 떠나 유다땅으로 들어가라' 다윗이 떠나 헤렛 수풀에 이르니라
Ary hoy Gada mpaminany tamin’ i Davida: Aza mitoetra ao amin’ ny batery fiarovana; fa mialà, ka mankanesa any amin’ ny tanin’ ny Joda. Dia nandeha Davida ka tonga tany an’ ala Hareta.
6 사울이 다윗과 그와 함께 있는 사람들이 나타났다함을 들으니라 때에 사울이 기브아 높은 곳에서 손에 단창을 들고 에셀나무 아래 앉았고 모든 신하들은 그 곁에 섰더니
Ary ren’ i Saoly fa hita Davida sy ny olona nanaraka azy (nipetraka tao Gibea teo ambanin’ ny hazo tamariska teo an-kavoana Saoly tamin’ izay, sady nisy lefona teny an-tànany, ary ny mpanompony rehetra nitsangana teo anoloany),
7 사울이 곁에 선 신하들에게 이르되 `너희 베냐민 사람들아, 들으라! 이새의 아들이 너희에게 각기 밭과 포도원을 주며 너희로 천부장 백부장을 삼겠느냐?
dia hoy Saoly tamin’ ny mpanompony izay teo anoloany: Henoy kely, ry taranak’ i Benjamina: Moa ianareo rehetra koa mba homen’ ny zanak’ i Jese saha sy tanim-boaloboka, ary mba hataony mpifehy arivo sy mpifehy zato ianareo rehetra,
8 너희가 다 공모하여 나를 대적하며 내 아들이 이새의 아들과 맹약하였으되 내게 고발하는 자가 하나도 없고 나를 위하여 슬퍼하거나 내 아들이 내 신하를 선동하여 오늘이라도 매복하였다가 나를 치려 하는 것을 내게 고발하는 자가 하나도 없도다'
no dia miray tetika hanohitra ahy ianareo rehetra, ka tsy nisy nanambara tamiko fa ny zanako nanao fanekena tamin’ ny zanak’ i Jese, ary tsy nisy nalahelo ahy akory ianareo, na nanambara tamiko fa ny zanako efa nanome fo ny mpanompoko ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
9 때에 에돔 사람 도엑이 사울의 신하 중에 섰더니 대답하여 가로되 이새의 아들이 놉에 와서 아히둡의 아들 아히멜렉에게 이른 것을 내가 보았었는데
Ary Doega Edomita, mpifehy ny mpanompon’ i Saoly, namaly ka nanao hoe: Nahita ny zanak’ i Jese tonga tany Noba aho tany amin’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba.
10 아히멜렉이 그를 위하여 여호와께 묻고 그에게 식물도 주고 블레셋 사람 골리앗의 칼도 주더이다
Ary Ahimeleka nanontany ho azy tamin’ i Jehovah sady nanome azy vatsy; ary nomeny azy koa ny sabatr’ i Goliata Filistina.
11 왕이 보내어 아히둡의 아들 제사장 아히멜렉과 그 아비의 온 집 곧 놉에 있는 제사장들을 부르매 그들이 다 왕께 이른지라
Ary ny mpanjaka dia naniraka naka an’ i Ahimeleka mpisorona, zanak’ i Ahitoba, sy ny tarana-drainy rehetra, izay mpisorona, tao Noba; ka dia tonga tany amin’ ny mpanjaka izy rehetra.
12 사울이 가로되 `너 아히둡의 아들아 들으라' 대답하되 `내 주여 내가 여기 있나이다'
Ary hoy Saoly: Mba mihainoa ianao, ry zanak’ i Ahitoba. Ary izy namaly hoe: Inty aho, tompoko.
13 사울이 그에게 이르되 `네가 어찌하여 이새의 아들과 공모하여 나를 대적하여 그에게 떡과 칼을 주고 그를 위하여 하나님께 물어서 그로 오늘이라도 매복하였다가 나를 치게 하려 하였느뇨?'
Ary hoy Saoly taminy: Nahoana ianareo no niray tetika hanohitra ahy, dia ianao sy ny zanak’ i Jese, tamin’ ilay nanomezanao azy mofo sy sabatra ary nanontanianao ho azy tamin’ Andriamanitra hahatongavany ho mpanotrika ahy tahaka ny amin’ izao anio izao?
14 아히멜렉이 왕에게 대답하여 가로되 `왕의 모든 신하 중에 다윗 같이 충실한 자가 누구인지요 그는 왕의 사위도 되고 왕의 모신도 되고 왕실에서 존귀한 자가 아니니이까?
Ary Ahimeleka namaly ny mpanjaka hoe: Iza moa amin’ ny mpanomponao rehetra no mba mahatoky tahaka an’ i Davida, izay vinanton’ ny mpanjaka sady mpanolo-tsaina anao sy malaza ao an-tranonao?
15 내가 그를 위하여 하나님께 물은 것이 오늘이 처음이니이까? 결단코 아니니이다 원컨대 왕은 종과 종의 아비의 온 집에 아무것도 돌리지 마옵소서 왕의 종은 이 모든 일의 대소간에 아는 것이 없나이다'
Ary vao izay va no nanontaniako ho azy tamin’ Andriamanitra? Sanatria ahy izany! Aoka ny mpanjaka tsy hanome tsiny ny mpanompony na ny tarana-draiko rehetra; fa ny mpanomponao tsy nahalala na inona na inona ny amin’ izany rehetra izany, na kely na be.
16 왕이 가로되 `아히멜렉아 네가 반드시 죽을 것이요 네 아비의 온 집도 그러하리라' 하고
Fa hoy ny mpanjaka: Hatao maty tokoa ianao, ry Ahimeleka, dia ianao sy ny tarana-drainao rehetra.
17 왕이 좌우의 시위자에게 이르되 `돌이켜 가서 여호와의 제사장들을 죽이라 그들도 다윗과 합력하였고 또 그들이 다윗의 도망한 것을 알고도 내게 고발치 아니하였음이니라' 하나 왕의 신하들이 손을 들어 여호와의 제사장들 죽이기를 싫어한지라
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ ny mpiambina izay teo anoloany: Mihodìna, ka vonoy ny mpisoron’ i Jehovah; fa ny tànan’ ireo koa momba an’ i Davida, satria fantany ihany fa nandositra izy, nefa tsy nambarany tamiko izany. Fa ny mpanompon’ ny mpanjaka tsy nety naninjitra ny tànany hamely ny mpisoron’ i Jehovah.
18 왕이 도엑에게 이르되 `너는 돌이켜 제사장들을 죽이라' 하매 에돔 사람 도엑이 돌이켜 제사장들을 쳐서 그 날에 세마포 에봇 입은 자 팔십 오인을 죽였고
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Doega: Mihodìna ianao, ka asio ny mpisorona. Ary Doega Edomita nihodina ka namely ny mpisorona, dia nahafaty olona dimy amby valo-polo izay nisalotra efoda rongony fotsy.
19 제사장들의 성읍 놉의 남녀와 아이들과 젖먹는 자들과 소와 나귀와 양을 칼로 쳤더라
Dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra koa Noba, tanànan’ ny mpisorona, dia ny lehilahy sy ny vehivavy, ny ankizy madinika sy ny zaza minono, ny omby sy ny boriky ary ny ondry aman’ osy.
20 아히둡의 아들 아히멜렉의 아들 중 하나가 피하였으니 그 이름은 아비아달이라 그가 도망하여 다윗에게로 가서
Ary ny anankiray tamin’ ny zanak’ i Ahimeleka, zanak’ i Ahitoba, Abiatara no anarany, dia afa-nandositra ka nanaraka an’ i Davida.
21 사울이 여호와의 제사장들 죽인 일을 다윗에게 고하매
Ary Abiatara nanambara tamin’ i Davida ny namonoan’ i Saoly ny mpisoron’ i Jehovah.
22 다윗이 아비아달에게 이르되 `그 날에 에돔 사람 도엑이 거기 있기로 그가 반드시 사울에게 고할 줄 내가 알았노라 네 아비 집의 모든 사람 죽은 것이 나의 연고로다
Ary hoy Davida tamin’ i Abiatara: Fantatro androtr’ iny ihany fa tao Doega Edomita ka hilaza amin’ i Saoly tokoa; koa izaho no anton’ ny nahafaty ny olona rehetra tamin’ ny tarana-drainao.
23 두려워 말고 내게 있으라! 내 생명을 찾는 자가 네 생명도 찾는 자니 네가 나와 함께 있으면 보전하리라' 하니라
Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.

< 사무엘상 22 >