< 사무엘상 10 >

1 이에 사무엘이 기름병을 취하여 사울의 머리에 붓고 입맞추어 가로되 `여호와께서 네게 기름을 부으사 그 기업의 지도자를 삼지 아니하셨느냐?
Ary Samoela nitondra tavoara feno diloilo ka nanidina ny diloilo teo an-dohan’ i Saoly, dia nanoroka azy ka nanao hoe: Tsy nanosotra anao va Jehovah mba ho mpanapaka ny lovany?
2 네가 오늘 나를 떠나가다가 베냐민 경계 셀사에 있는 라헬의 묘실 곁에서 두 사람을 만나리니 그들이 네게 이르기를 네가 찾으러 갔던 암나귀들을 찾은지라 네 아비가 암나귀들의 염려는 놓았으나 너희를 인하여 걱정하여 가로되 내 아들을 위하여 어찌하리요 하더라 할 것이요
Rehefa misaraka amiko ianao anio, dia hahita olona roa lahy eo anilan’ ny fasan-dRahely, ao amin’ ny fari-tanin’ ny Benjamina, ao Zelza, ary izy ireo hilaza aminao hoe: Efa hita ny boriky izay notadiavinao; ary, indro, tsy ny boriky intsony no heverin’ ny rainao, fa ianareo kosa indray no ahiny, ka hoy izy: Ahoana re no hataoko ny amin’ ny zanako?
3 네가 거기서 더 나아가서 다볼 상수리나무에 이르면 거기서 하나님께 뵈려고 벧엘로 올라가는 세 사람이 너와 만나리니 하나는 염소 새끼 셋을 이끌었고 하나는 떡 세덩이를 가졌고 하나는 포도주 한 가죽부대를 가진 자라
Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin’ ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ ny olona telo lahy miakatra ho any amin’ Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak’ osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara;
4 그들이 네게 문안하고 떡 두 덩이를 주겠고 너는 그 손에서 받으리라
ary hiarahaba anao ireo sy hanome anao mofo roa, dia horaisinao amin’ ny tànany izany.
5 그 후에 네가 하나님의 산에 이르리니 그곳에는 블레셋 사람의 영문이 있느니라 네가 그리로 가서 그 성읍으로 들어갈 때에 선지자의 무리가 산당에서부터 비파와 소고와 저와 수금을 앞세우고 예언하며 내려오는 것을 만날 것이요
Rehefa afaka izany, dia ho tonga any Gibean’ Andriamanitra ianao, izay misy miaramilan’ ny Filistina; ary rehefa tonga ao an-tanàna ianao, dia hifanena amin’ ny mpaminany maro irai-dia midìna avy ao amin’ ny fitoerana avo mitondra lokanga sy ampongatapaka sy sodina ary valiha eo alohany, dia haminany ireo.
6 네게는 여호와의 신이 크게 임하리니 너도 그들과 함께 예언을 하고 변하여 새 사람이 되리라
Ary hilatsaka aminao ny Fanahin’ i Jehovah, ka hiara-maminany aminy ianao, dia ho voaova ho olom-baovao.
7 이 징조가 네게 임하거든 너는 기회를 따라 행하라! 하나님이 너와 함께 하시느니라!
Ary rehefa tonga aminao ireo famantarana ireo, dia ataovy izay azon’ ny tananao atao, fa Andriamanitra no momba anao.
8 너는 나보다 앞서 길갈로 내려가라 내가 네게로 내려가서 번제와 화목제를 드리리니 내가 네게 가서 너의 행할 것을 가르칠 때까지 칠일을 기다리라'
Ary ianao hidina eo alohako ho any Gilgala, ary indro aho hidina ho any aminao mba hanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana; ka hafitoana no hitoeranao mandra-pahatongako aminao, dia holazaiko aminao izay hataonao.
9 그가 사무엘에게서 떠나려고 몸을 돌이킬 때에 하나님이 새 마음을 주셨고 그 날 그 징조도 다 응하니라
Ary raha vao nihodina niala tamin’ i Samoela izy, dia nomen’ Andriamanitra fo vaovao; ary tonga avokoa androtrizay ihany ireo famantarana rehetra ireo.
10 그들이 산에 이를 때에 선지자의 무리가 그를 영접하고 하나님의 신이 사울에게 크게 임하므로 그가 그들 중에서 예언을 하니
Ary rehefa tonga tany Gibea, izy indro, ny mpaminany maro irai-dia nifanena taminy; dia nilatsaka tamin’ i Saoly ny Fanahin’ Andriamanitra, ka naminany teo aminy izy.
11 전에 사울을 알던 모든 사람이 사울의 선지자들과 함께 예언함을 보고 서로 이르되 `기스의 아들의 당한 일이 무엇이뇨 사울도 선지자들 중에 있느냐' 하고
Ary nony hitan’ izay rehetra nahalala azy hatramin’ ny taloha fa, indro, maminany eo amin’ ny mpaminany izy, dia nifampilaza ny olona ka nanao hoe: Inona izao tonga amin’ ny zanak’ i Kisy izao? Saoly koa va mba isan’ ny mpaminany?
12 그곳의 어떤 사람은 말하여 이르되 `그들의 아비가 누구냐?' 한지라 그러므로 속담이 되어 가로되 `사울도 선지자들 중에 있느냐?' 하더라
Ary ny anankiray teo namaly hoe: Fa iza moa no rain’ ireny? Ary izany no nisehoan’ ny fitenenana hoe: Saoly koa va mba isan’ ny mpaminany?
13 사울이 예언하기를 마치고 산당으로 가니라
Ary rehefa nitsahatra naminany Saoly, dia nankeo amin’ ny fitoerana avo.
14 사울의 숙부가 사울과 그 사환에게 이르되 `너희가 어디로 갔더냐?' 사울이 가로되 `암나귀들을 찾다가 얻지 못하므로 사무엘에게 갔었나이다'
Ary hoy ny rahalahin-drain’ i Saoly taminy sy tamin’ ny mpanompony: Taiza no alehanareo? Ary hoy izy: Nitady ny boriky izahay; ka nony tsy hitanay izy, dia nankany amin’ i Samoela izahay.
15 사울의 숙부가 가로되 `청하노니 사무엘이 너희에게 이른 말을 내게 고하라'
Ary hoy ny rahalahin-drain’ i Saoly: Masìna ianao, lazao amiko izay nolazain’ i Samoela taminao.
16 사울이 그 숙부에게 말하되 `그가 암나귀들을 찾았다고 우리에게 분명히 말하더이다' 하고 사무엘의 말하던 나라의 일은 고하지 아니하니라
Dia hoy Saoly tamin’ ny rahalahin-drainy: Nolazainy marimarina taminay fa efa hita ny boriky. Fa ilay nolazain’ i Samoela ny amin’ ny fanjakana tsy mba nambarany taminy.
17 사무엘이 백성을 미스바로 불러 여호와 앞에 모으고
Ary Samoela namory ny vahoaka ho any Mizpa ho any amin’ i Jehovah
18 이스라엘 자손에게 이르되 `이스라엘 하나님 여호와께서 이같이 말씀하시기를 내가 이스라엘을 애굽에서 인도하여 내고 너희를 애굽인의 손과 너희를 압제하는 모든 나라의 손에서 건져내었느니라 하셨거늘
ka nanao tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho nitondra ny Isiraely niakatra avy tany Egypta ka namonjy anareo tamin’ ny tanan’ ny Egyptiana sy tamin’ ny tanan’ ny fanjakana rehetra izay nampahory anareo.
19 너희가 너희를 모든 재난과 고통 중에서 친히 구원하여 내신 너희 하나님을 오늘날 버리고 이르기를 우리 위에 왕을 세우라 하도다 그런즉 이제 너희 지파대로 천명씩 여호와 앞에 나아오라' 하고
Nefa ianareo kosa efa nandà an’ Andriamanitrareo androany, Izay mamonjy anareo amin’ ny zavatra manjo anareo sy ny fahorianareo rehetra; fa hoy ianareo taminy: Tsia, fa manendre mpanjaka ho anay. Koa ankehitriny, mijanòna eo anatrehan’ i Jehovah araka ny firenenareo sy ny arivonareo avy.
20 사무엘이 이에 이스라엘 모든 지파를 가까이 오게 하였더니 베냐민 지파가 뽑혔고
Dia nampanatona ny firenen’ Isiraely rehetra Samoela, ka ny firenen’ i Benjamina no voafidy.
21 베냐민 지파를 그 가족대로 가까이 오게 하였더니 마드리의 가족이 뽑혔고 그 중에서 기스의 아들 사울이 뽑혔으나 그를 찾아도 만나지 못한지라
Dia nampanatona ny firenen’ i Benjamina araka ny fokony avy izy, ary ny fokon’ ny Matrita no voafidy. Dia voafidy Saoly, zanak’ i Kisy; ary raha nitady azy ny olona, dia tsy nahita azy.
22 그러므로 그들이 또 여호와께 묻되 `그 사람이 여기 왔나이까?' 여호와께서 대답하시되 그가 행구 사이에 숨었느니라
Dia nanontany tamin’ i Jehovah indray ny olona, na mba efa tonga ao ralehilahy, na tsia. Ary hoy Jehovah: Indro, miery ao amin’ ny entana izy.
23 그들이 달려가서 거기서 데려오매 그가 백성 중에 서니 다른 사람보다 어깨 위나 더 크더라
Dia nihazakazaka ny olona ka naka azy tao; ary rehefa nitsangana teo afovoan’ ny olona izy, dia nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ ny sorony no ho miakatra ny halavany.
24 사무엘이 모든 백성에게 이르되 `너희는 여호와의 택하신 자를 보느냐? 모든 백성중에 짝할 이가 없느니라' 하니 모든 백성이 왕의 만세를 외쳐 부르니라
Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka rehetra: Hitanareo va izay nofidin’ i Jehovah, fa tsy misy tahaka azy eo amin’ ny vahoaka rehetra? Dia nihoby ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka.
25 사무엘이 나라의 제도를 백성에게 말하고 책에 기록하여 여호와앞에 두고 모든 백성을 각기 집으로 보내매
Ary Samoela nilaza tamin’ ny olona izay mety ho fitondrana ny fanjakana, dia nosoratany tamin’ ny taratasy izany ka napetrany teo anatrehan’ i Jehovah. Ary ny vahoaka rehetra samy nampodin’ i Samoela ho any an-tranony avy.
26 사울도 기브아 자기 집으로 갈 때에 마음이 하나님께 감동된 유력한 자들은 그와 함께 갔어도
Fa Saoly kosa nandeha nody tany Gibea, ary nomba azy ny olona maro, izay voatendrin’ ny tànan’ Andriamanitra ny fony.
27 어떤 비류는 가로되 `이 사람이 어떻게 우리를 구원하겠느냐?' 하고 멸시하며 예물을 드리지 아니하니라 그러나 그는 잠잠하였더라
Fa nisy kosa olona tena ratsy fanahy nanao hoe: Hataon’ io lehilahy io ahoana no famonjy antsika? Dia nanazimba an’ i Saoly ireo ka tsy nitondra fanomezana ho azy. Nefa Saoly dia tahaka ny marenina.

< 사무엘상 10 >