< 열왕기상 6 >

1 이스라엘 자손이 애굽 땅에서 나온지 사백 팔십년이요 솔로몬이 이스라엘 왕이 된지 사년 시브월 곧 이월에 솔로몬이 여호와를 위하여 전 건축하기를 시작하였더라
Ary tamin’ ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian’ ny nialan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tany Egypta tamin’ ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Solomona tamin’ ny Isiraely, dia nanorina ny tranon’ i Jehovah izy.
2 솔로몬 왕이 여호와를 위하여 건축한 전은 장이 육십 규빗이요, 광이 이십 규빗이요, 고가 삼십 규빗이며
Ary ny trano nataon’ i Solomona mpanjaka ho an’ i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony.
3 전의 성소 앞 낭실의 장은 전의 광과 같이 이십 규빗이요, 그 광은 전 앞에서부터 십 규빗이며
Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan’ ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin’ ny sakan’ ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan’ ny trano ihany.
4 전을 위하여 붙박이 교창을 내고
Ary ny varavarankelin’ ny trano nataony makarakara tsy mivoha.
5 또 전의 벽 곧 성소와 지성소의 벽에 연접하여 돌아가며 다락들을 건축하되 다락마다 돌아가며 골방들을 만들었으니
Ary tamin’ ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin’ ny ati-trano lehibe, na amin’ ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
6 하층 다락의 광은 다섯 규빗이요, 중층 다락의 광은 여섯 규빗이요, 제 삼층 다락의 광은 일곱 규빗이라 전의 벽 바깥으로 돌아가며 턱을 내어 골방 들보들로 전의 벽에 박히지 않게 하였으며
ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan’ ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin’ ny rindrina.
7 이 전은 건축할 때에 돌을 뜨는 곳에서 치석하고 가져다가 건축하였으므로 건축하는 동안에 전 속에서는 방망이나 도끼나 모든 철 연장 소리가 들리지 아니하였으며
Ary tamin’ ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin’ ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon’ ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin’ ny nanaovany azy.
8 중층 골방의 문은 전 오른편에 있는데 나사모양 사닥다리로 말미암아 하층에서 중층에 오르고 중층에서 제 삼층에 오르게 하였더라
Ny varavarana mankao amin’ ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin’ ny ilany ankavanan’ ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin’ ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin’ ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin’ ny fahatelony.
9 전의 건축이 마치니라 그 전은 백향목 서까래와 널판으로 덮었고
Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon’ ny trano.
10 또 온 전으로 돌아가며 고가 다섯 규빗 되는 다락방을 건축하되 백향목 들보로 전에 연접하게 하였더라
Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin’ ny trano.
11 여호와의 말씀이 솔로몬에게 임하여 가라사대
Ary ny tenin’ i Jehovah tonga tamin’ i Solomona nanao hoe:
12 네가 이제 이 전을 건축하니 네가 만일 내 법도를 따르며 내 율례를 행하며 나의 모든 계명을 지켜 그대로 행하면 내가 네 아비 다윗에게 한 말을 네게 확실히 이룰 것이요
Ny amin’ ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin’ i Davida rainao;
13 내가 또한 이스라엘 자손 가운데 거하며 내 백성 이스라엘을 버리지 아니하리라 하셨더라
ary hitoetra ao amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.
14 솔로몬이 전 건축하기를 마치고
Ary nataon’ i Solomona ny trano, ka dia vitany.
15 백향목 널판으로 전의 안 벽 곧 전 마루에서 천장까지의 벽에 입히고 또 잣나무 널판으로 전 마루를 놓고
Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin’ ny vodi-rindrina ka hatramin’ ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon’ ny trano.
16 또 전 뒤편에서부터 이십 규빗 되는 곳에 마루에서 천장까지 백향목 널판으로 가로막아 전의 내소 곧 지성소를 만들었으며
Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin’ ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin’ ny vodirindrina ka hatramin’ ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masìna indrindra.
17 내소 앞에 있는 외소 곧 성소의 장이 사십 규빗이며
Ary ny lavan’ ny ati-trano lehibe teo anoloan’ io dia efa-polo hakiho.
18 전 안에 입힌 백향목에는 박과 핀 꽃을 아로새겼고 모두 백향목이라 돌이 보이지 아니하며
Ary ny sedera amin’ ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin’ ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.
19 여호와의 언약궤를 두기 위하여 전 안에 내소를 예비하였는데
Nanisy efitra anatiny tao anatin’ ny trano izy hametrahany ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah.
20 그 내소의 속이 장이 이십 규빗이요, 광이 이십 규빗이요, 고가 이십 규빗이라 정금으로 입혔고 백향목 단에도 입혔더라
Ary teo anoloan’ ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.
21 솔로몬이 정금으로 외소 안에 입히고 내소 앞에 금사슬로 건너지르고 내소를 금으로 입히고
Ary nopetahan’ i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin’ ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan’ ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara.
22 온 전을 금으로 입히기를 마치고 내소에 속한 단의 전부를 금으로 입혔더라
Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa.
23 내소 안에 감람목으로 두 그룹을 만들었는데 그 고가 각각 십 규빗이라
Ary tao anatin’ ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa, samy folo hakiho avy no hahavony.
24 한 그룹의 이 날개는 다섯 규빗이요, 저 날개도 다섯 규빗이니, 이 날개 끝으로부터 저 날개 끝까지 십 규빗이며
Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin’ ny tendron’ elany anankiray ka hatramin’ ny tendron’ elany anankiray.
25 다른 그룹도 십 규빗이니 그 두 그룹은 한 척수, 한 모양이요
Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy:
26 이 그룹의 고가 십 규빗이요, 저 그룹도 일반이라
Folo hakiho ny hahavon’ ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.
27 솔로몬이 내소 가운데 그룹을 두었으니 그룹들의 날개가 폐었는데 이 그룹의 날개는 이 벽에 닿았고, 저 그룹의 날개는 저 벽에 닿았으며 두 날개는 전의 중앙에서 서로 닿았더라
Ary ny kerobima nataony tao afovoan’ ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin’ ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan’ ny trano.
28 저가 금으로 그룹에 입혔더라
Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.
29 내외소 사면 벽에는 모두 그룹들과 종려와 핀 꽃 형상을 아로새겼고
Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.
30 내외 전 마루에는 금으로 입혔으며
Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin’ ny efi-trano anatiny, na ny teo amin’ ny ati-trano lehibe.
31 내소에 들어가는 곳에는 감람목으로 문을 만들었는데 그 문 인방과 문설주는 벽의 오분지 일이요
Ary ny varavarana mankao amin’ ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin’ ny sakan-trano.
32 감람목으로 만든 그 두 문짝에 그룹과 종려와 핀 꽃을 아로새기고 금으로 입히되 곧 그룹들과 종려에 금으로 입혔더라
Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.
33 또 외소의 문을 위하여 감람목으로 문설주를 만들었으니 곧 벽의 사분지 일이며
Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin’ ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano.
34 그 두 문짝은 잣나무라 이 문짝도 두 짝으로 접게 되었고 저 문짝도 두 짝으로 접게 되었으며
Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy.
35 그 문짝에 그룹들과 종려와 핀 꽃을 아로새기고 금으로 입히되 그 새긴데 맞게 하였고
Ary nosoratany nasiany sarin’ ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany.
36 또 다듬은 돌 세 켜와 백향목 두꺼운 판자 한 켜로 둘러 안뜰을 만들었더라
Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin’ ny vato voapaika telo an-dalana sy hazo sedera iray an-dalana izy.
37 제 사년 시브월에 여호와의 전 기초를 쌓았고
Tamin’ ny volana Ziva tamin’ ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan’ ny tranon’ i Jehovah.
38 제 십일년 불월 곧 팔월에 그 설계와 식양대로 전이 다 필역되었으니 솔로몬이 전을 건축한 동안이 칠년이었더라
Ary tamin’ ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.

< 열왕기상 6 >