< 열왕기상 3 >

1 솔로몬이 애굽 왕 바로로 더불어 인연을 맺어 그 딸을 취하고 데려다가 다윗성에 두고 자기의 궁과 여호와의 전과 예루살렘 주위의 성이 필역되기를 기다리니라
Ary Solomona tonga vinanton’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, fa nanambady ny zanakavavin’ i Farao izy ka nitondra azy ho any an-Tanànan’ i Davida, mandra-pahavitany ny tranony sy ny tranon’ i Jehovah ary ny màndan’ i Jerosalema manodidina.
2 그 때까지 여호와의 이름을 위하여 전을 아직 건축하지 아니하였으므로 백성들이 산당에서 제사하며
Kanefa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany, fa tsy mbola nisy trano vita ho an’ ny anaran’ i Jehovah hatramin’ izany andro izany.
3 솔로몬이 여호와를 사랑하고 그 부친 다윗의 법도를 행하되 오히려 산당에서 제사하며 분향하더라
Ary Solomona tia an’ i Jehovah ka nizotra araka ny dian’ i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany.
4 이에 왕이 제사하러 기브온으로 가니 거기는 산당이 큼이라 솔로몬이 그 단에 일천 번제를 드렸더니
Ary ny mpanjaka nankany Gibeona hamono zavatra hatao fanatitra any, fa izany ilay fitoerana avo malaza; ka fanatitra dorana arivo no naterin’ i Solomona teo amin’ izany alitara izany.
5 기브온에서 밤에 여호와께서 솔로몬의 꿈에 나타나시니라 하나님이 이르시되 내가 네게 무엇을 줄꼬? 너는 구하라
Tao Gibeona no nisehoan’ i Jehovah tamin’ i Solomona tamin’ ny nofy nony alina; ary hoy Andriamanitra: Angataho izay tianao homeko anao.
6 솔로몬이 가로되 `주의 종 내 아비 다윗이 성실과 공의와 정직한 마음으로 주와 함께 주의 앞에서 행하므로 주께서 저에게 큰 은혜를 베푸셨고 주께서 또 저를 위하여 이 큰 은혜를 예비하시고 오늘날과 같이 저의 위에 앉을 아들을 저에게 주셨나이다
Dia hoy Solomona: Hianao efa naneho fahasoavana lehibe tamin’ i Davida raiko mpanomponao, araka ny nandehanany teo anatrehanao tamin’ ny tsi-fivadihana sy ny fahamarinana ary ny fahitsian’ ny fony taminao, ary Hianao efa nitahiry izao fahasoavana lehibe izao ho azy, dia ny nanomezanao azy zanakalahy hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianany tahaka ny amin’ izao anio izao.
7 나의 하나님 여호와여, 주께서 종으로 종의 아비 다윗을 대신하여 왕이 되게 하셨사오나 종은 작은 아이라 출입할 줄을 알지 못하고
Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitro ô, Hianao efa nampanjaka ahy mpanomponao handimby an’ i Davida raiko; nefa izaho dia mbola zaza ihany, ka tsy fantatro akory izay fivoaka sy fiditra.
8 주의 빼신 백성 가운데 있나이다 저희는 큰 백성이라 수효가 많아서 셀 수도 없고 기록할 수도 없사오니
Ary izaho mpanomponao koa dia ao amin’ ny olonao izay nofidinao, sady olona betsaka tsy tambo isaina ary tsy hita isa noho ny hamaroany.
9 누가 주의 이 많은 백성을 재판할 수 있사오리이까 지혜로운 마음을 종에게 주사 주의 백성을 재판하여 선악을 분별하게 하옵소서'
Koa omeo ahy mpanomponao saina malady ho entiko mitsara ny olonao hahaizako manavaka ny soa sy ny ratsy; fa iza moa no mahay mitsara izao olonao betsaka izao?
10 솔로몬이 이것을 구하매 그 말씀이 주의 마음에 맞은지라
Ary sitraky ny Tompo ny nangatahan’ i Solomona izany zavatra izany;
11 이에 하나님이 저에게 이르시되 네가 이것을 구하도다 자기를 위하여 수도 구하지 아니하며, 부도 구하지 아니하며, 자기의 원수의 생명 멸하기도 구하지 아니하고 오직 송사를 듣고 분별하는 지혜를 구하였은즉
ka dia hoy Andriamanitra taminy: Satria nangataka izany zavatra izany ianao, fa tsy ny ho ela velona, na harena, na ny ain’ ny fahavalonao, fa fahaizana hitsara no nangatahinao,
12 내가 네 말대로 하여 네게 지혜롭고 총명한 마음을 주노니 너의 전에도 너와 같은 자가 없었거니와 너의 후에도 너와 같은 자가 일어남이 없으리라
dia, indro, efa nanao araka ny teninao Aho, ka indro, efa nanome anao saina hendry sady mahiratra, ka tsy nisy tahaka anao ny teo alohanao, ary tsy hisy ho tahaka anao ny ato aorianao.
13 내가 또 너의 구하지 아니한 부와 영광도 네게 주노니 네 평생에 열왕 중에 너와 같은 자가 없을 것이라
Ary na izay tsy nangatahinao aza dia efa nomeko anao koa, dia harena sy voninahitra, ka tsy hisy mpanjaka tahaka anao amin’ ny andronao rehetra.
14 네가 만일 네 아비 다윗의 행함 같이 내 길로 행하며 내 법도와 명령을 지키면 내가 또 네 날을 길게 하리라
Ary raha handeha amin’ ny lalako ianao ka hitandrina ny lalàko sy ny didiko tahaka ny nandehanan’ i Davida rainao, dia hataoko ho ela velona ianao.
15 솔로몬이 깨어보니 꿈이더라 이에 예루살렘에 이르러 여호와의 언약궤 앞에 서서 번제와 수은제를 드리고 모든 신복을 위하여 잔치하였더라
Ary dia nahatsiaro Solomona, ka indro fa nofy izany. Ary nony tonga tany Jerosalema izy, dia nitsangana teo anoloan’ ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah ka nanatitra fanatitra odorana sy fanati-pihavanana, ary dia nanao fanasana ho an’ ny mpanompony rehetra izy.
16 때에 창기 두 계집이 왕에게 와서 그 앞에 서며
Ary tamin’ izany dia nisy vehivavy janga roa nankao amin’ ny mpanjaka ka nitsangana teo anatrehany.
17 한 계집은 말하되 `내 주여! 나와 이 계집이 한 집에서 사는데 내가 저와 함께 집에 있으며 아이를 낳았더니
Ary hoy ilay vehivavy anankiray: Trarantitra ianao, tompokolahy, izaho sy ity vehivavy ity miray trano; ary teraka tao an-trano aho, sady tao koa izy.
18 나의 해산한 지 삼일에 이 계집도 해산하고 우리가 함께 있었고 우리 둘 외에는 집에 다른 사람이 없었나이다
Ary nony efa velona hateloana aho, dia mba velona koa izavavy ity; ary izahay roa vavy ihany no tao; tsy nisy olon-kafa tao aminay tao an-trano, fa izahay roa vavy ihany.
19 그런데 밤에 저 계집이 그 아들 위에 누우므로 그 아들이 죽으니
Ary maty tamin’ ny alina ny zanak’ izavavy ity, fa voatsindriny.
20 저가 밤중에 일어나서 계집종 나의 잠든 사이에 내 아들을 내 곁에서 가져다가 자기의 품에 뉘이고 자기의 죽은 아들을 내 품에 뉘었나이다
Dia nifoha mamatonalina izy ka naka ny zanako teo amiko tamin’ ilay natory iny aho ankizivavinao, dia nampandriny teo an-tratrany, fa ny azy maty napetrany teo an-tratrako.
21 미명에 내가 내 아들을 젖 먹이려고 일어나 본즉 죽었기로 내가 아침에 자세히 보니 내가 낳은 아들이 아니더이다' 하매
Ary nony nifoha maraina hampinono ny zanako aho, indro fa maty izy; kanjo rehefa nofantariko sy nony maraina, dia indro fa tsy ny zanako naerako.
22 다른 계집은 이르되 `아니라 산것은 내 아들이요 죽은 것은 네 아들이라' 하고 이 계집은 이르되 `아니라 죽은 것이 네 아들이요 산것이 내 아들이라' 하매 왕 앞에서 그와 같이 쟁론하는지라
Ary hoy kosa ilay anankiray: Tsia, fa ny velona no zanako, ary ny maty no zanakao. Fa hoy indray ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako. Izany no teniny teo anatrehan’ ny mpanjaka.
23 왕이 가로되 `이는 말하기를 산것은 내 아들이요 죽은 것은 네 아들이라 하고 저는 말하기를 아니라 죽은 것이 네 아들이요 산 것이 내 아들이라 하는도다' 하고
Ary hoy ny mpanjaka: Ny anankiray manao hoe: Ity velona no zanako, ary ny maty no zanakao; ary hoy kosa ny anankiray: Tsia, fa ny maty no zanakao, ary ny velona no zanako.
24 또 가로되 `칼을 내게로 가져오라` 하니 칼을 왕의 앞으로 가져온지라
Koa itondray sabatra aho, hoy ny mpanjaka. Ary nentiny ny sabatra ho eo anatrehan’ ny mpanjaka.
25 왕이 이르되 `산 아들을 둘에 나눠 반은 이에게 주고 반은 저에게 주라'
Ary hoy ny mpanjaka: Sasaho ny zaza velona, ka omeo ny anankiray ny antsasany, ary ho an’ ny anankiray kosa ny antsasany.
26 그 산 아들의 어미되는 계집이 그 아들을 위하여 마음이 불붙는 것 같아서 왕께 아뢰어 가로되 `청컨대 내 주여! 산 아들을 저에게 주시고 아무쪼록 죽이지 마옵소서' 하되 한 계집은 말하기를 `내 것도 되게 말고 네 것도 되게 말고 나누게 하라' 하는지라
Fa niteny tamin’ ny mpanjaka ravehivavy, renin’ ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin’ ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.
27 왕이 대답하여 가로되 `산 아들을 저 계집에게 주고 결코 죽이지말라 저가 그 어미니라' 하매
Dia namaly ny mpanjaka ka nanao hoe: Omeo itsy ny zaza velona, fa aoka tsy hovonoina; fa io mihitsy no reniny.
28 온 이스라엘이 왕의 심리하여 판결함을 듣고 왕을 두려워하였으니 이는 하나님의 지혜가 저의 속에 있어 판결함을 봄이더라
Ary raha ren’ ny Isiraely rehetra izany fitsarana nataon’ ny mpanjaka izany, dia natahotra ny mpanjaka izy, satria hitany fa misy fahendren’ Andriamanitra ao am-pony ho entiny mitsara.

< 열왕기상 3 >