< 열왕기상 22 >

1 아람과 이스라엘 사이에 전쟁이 없이 삼년을 지내었더라
Ary nandry fahizay ny Syriana sy ny Isiraely telo taona, fa tsy niady.
2 제 삼년에 유다 왕 여호사밧이 이스라엘 왕에게 내려가매
Ary nony tamin’ ny taona fahatelo, dia nidina Josafata, mpanjakan’ ny Joda, ho any amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
3 이스라엘 왕이 그 신복에게 이르되 길르앗 라못은 본래 우리의 것인줄을 너희가 알지 못하느냐 우리가 어찌 아람 왕의 손에서 취하지 아니하고 잠잠히 있으리요 하고
Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ ny mpanompony: Moa fantatrareo va fa antsika Ramota-gileada, nefa isika mitoetra foana ka tsy maka azy amin’ ny tanan’ ny mpanjakan’ i Syria?
4 여호사밧에게 이르되 당신은 나와 함께 길르앗 라못으로 가서 싸우시겠느뇨 여호사밧이 이스라엘 왕에게 이르되 나는 당신과 일반이요 내 백성은 당신의 백성과 일반이요 내 말들도 당신의 말들과 일반이니이다
Ary hoy koa izy tamin’ i Josafata: Mba hiaraka amiko hiady an’ i Ramota-gileada va ianao? Dia hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely. Eny, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
5 여호사밧이 또 이스라엘 왕에게 이르되 청컨대 먼저 여호와의 말씀이 어떠하신지 물어 보소서
Ary hoy Josafata tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely: Masìna ianao, anontanio aloha ny tenin’ i Jehovah.
6 이스라엘 왕이 이에 선지자 사백인쯤 모으고 저희에게 이르되 내가 길르앗 라못에 가서 싸우랴 말랴 저희가 가로되 올라가소서 주께서 그 성을 왕의 손에 붙이시리이다
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely dia nanangona ny mpaminany tokony ho efa-jato lahy ka nanao taminy hoe: Handena hanafika an’ i Ramota-gileada va aho, sa hijanona ihany? Dia hoy ireo: Mandehana, fa hatolotry ny Tompo eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
7 여호사밧이 가로되 이 외에 우리가 물을만한 여호와의 선지자가 여기 있지 아니하니이까
Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin’ i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
8 이스라엘 왕이 여호사밧에게 이르되 오히려 이믈라의 아들 미가야 한 사람이 있으니 저로 말미암아 여호와께 물을 수 있으나 저는 내게 대하여 길한 일은 예언하지 아니하고 흉한 일만 예언하기로 내가 저를 미워하나이다 여호사밧이 가로되 왕은 그런 말씀을 마소서
Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak’ i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’ i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
9 이스라엘 왕이 한 내시를 불러 이르되 이믈라의 아들 미가야로 속히 오게 하라 하니라
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely niantso ny tandapa anankiray ka nanao taminy hoe: Alao faingana Mikaia, zanak’ i Jimla.
10 이스라엘 왕과 유다 왕 여호사밧이 왕복을 입고 사마리아 문어귀 광장에서 각기 보좌에 앉았고 모든 선지자가 그 앞에서 예언을 하는데
Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda, samy nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany avy teo amin’ ny famoloana eo anoloan’ ny vavahadin’ i Samaria sady samy efa niakanjo ny akanjony avy; ary ny mpaminany rehetra naminany teo matrehany.
11 그나아나의 아들 시드기야는 철로 뿔들을 만들어 가지고 말하되 여호와의 말씀이 왕이 이것들로 아람 사람을 찔러 진멸하리라 하셨다 하고
Ary Zedekia, zanak’ i Kenana, dia nanao tandroby ka nanao hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: ireto no hanotoanao ny Syriana mandra-paharingany.
12 모든 선지자도 그와 같이 예언하여 이르기를 길르앗 라못으로 올라가 승리를 얻으소서 여호와께서 그 성을 왕의 손에 붙이시리이다 하더라
Ary ny mpaminany rehetra naminany toy izany koa hoe: Mandehana any Ramota-gileada, dia hambinina ianao; fa Jehovah hanolotra azy eo an-tananao, ry mpanjaka.
13 미가야를 부르러 간 사자가 일러 가로되 선지자들의 말이 여출 일구하여 왕에게 길하게 하니 청컨대 당신의 말도 저희 중 한 사람의 말처럼 길하게 하소서
Ary ilay iraka izay nandeha naka an’ i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an’ ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ ny anankiray amin’ ireo, ka mba mitenena soa koa.
14 미가야가 가로되 여호와의 사심을 가리켜 맹세하노니 여호와께서 내게 말씀하시는 것 곧 그것을 내가 말하리라 하고
Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain’ i Jehovah amiko ihany no hambarako.
15 이에 왕에게 이르니 왕이 저에게 이르되 미가야야 우리가 길르앗 라못으로 싸우러 가랴 말랴 저가 왕께 이르되 올라가서 승리를 얻으소서 여호와께서 그 성을 왕의 손에 붙이시리이다
Dia nankany amin’ ny mpanjaka izy. Ary hoy ny mpanjaka taminy: Ry Mikaia, handeha hanafika an’ i Ramota-gileada va isika, sa hijanona ihany? Ary izy namaly azy hoe: Mandehana, fa hambinina ianao, fa hatolotr’ i Jehovah eo an-tananao izy, ry mpanjaka.
16 왕이 저에게 이르되 내가 몇번이나 너로 맹세케 하여야 네가 여호와의 이름으로 진실한 것으로만 내게 고하겠느냐
Ary hoy ny mpanjaka taminy: Impiry no hampianianako anao mba tsy hilaza na inona na inona amiko amin’ ny anaran’ i Jehovah afa-tsy izay marina ihany
17 저가 가로되 내가 보니 온 이스라엘이 목자 없는 양 같이 산에 흩어졌는데 여호와의 말씀이 이 무리가 주인이 없으니 각각 평안히 그 집으로 돌아갈 것이니라 하셨나이다
Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
18 이스라엘 왕이 여호사밧에게 이르되 저 사람이 내게 대하여 길한 것을 예언하지 아니하고 흉한 것을 예언하겠다고 당신에게 말씀 하지 아니하였나이까
Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Tsy efa voalazako taminao va fa tsy mba mety maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany?
19 미가야가 가로되 그런즉 왕은 여호와의 말씀을 들으소서 내가 보니 여호와께서 그 보좌에 앉으셨고 하늘의 만군이 그 좌우편에 모시고 서 있는데
Ary hoy Mikaia: Henoy ary ny tenin’ i Jehovah: Nahita an’ i Jehovah nipetraka teo amin’ ny seza fiandrianany aho, ary ireo maro be rehetra any an-danitra nitsangana teo an-daniny avy, dia teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
20 여호와께서 말씀하시기를 누가 아합을 꾀어 저로 길르앗 라못에 올라가서 죽게 할꼬 하시니 하나는 이렇게 하겠다 하고 하나는 저렇게 하겠다 하였는데
Ary hoy Jehovah: Iza no hitaona an’ i Ahaba handeha ho any Ramotagileada ka ho lavo any? Ary ny anankiray niteny toy izao, ary ny anankiray kosa niteny toy izao.
21 한 영이 나아와 여호와 앞에 서서 말하되 내가 저를 꾀이겠나이다
Dia nandroso ny fanahy ka nitsangana teo anatrehan’ i Jehovah ary nanao hoe: Izaho no hitaona azy. Ary hoy Jehovah taminy: Amin’ inona anefa?
22 여호와께서 저에게 이르시되 어떻게 하겠느냐 가로되 내가 나가서 거짓말 하는 영이 되어 그 모든 선지자의 입에 있겠나이다 여호와께서 가라사대 너는 꾀이겠고 또 이루리라 나가서 그리하라 하셨은즉
Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
23 이제 여호와께서 거짓말하는 영을 왕의 이 모든 선지자의 입에 넣으셨고 또 여호와께서 왕에게 대하여 화를 말씀하셨나이다
Koa, indro, Jehovah efa nanisy fanahy mandainga ao am-bavan’ ireto mpaminaninao rehetra ireto ary Izy koa efa nilaza ny loza hanjo anao.
24 그나아나의 아들 시드기야가 가까이 와서 미가야의 뺨을 치며 이르되 여호와의 영이 나를 떠나 어디로 말미암아 가서 네게 말씀 하더냐
Fa Zedekia, zanak’ i Kenana, nanatona, dia namely ny takolak’ i Mikaia sady nanao hoe: Taiza no nialan’ ny Fanahin’ i Jehovah tamiko hiteny aminao?
25 미가야가 가로되 네가 골방에 들어가서 숨는 그 날에 보리라
Dia hoy Mikaia: Indro, ho hitanao izany amin’ ny andro hidiranao ao amin’ ny efi-trano anatiny hierenao.
26 이스라엘 왕이 가로되 미가야를 잡아 부윤 아몬과 왕자 요아스에게로 끌고 돌아가서
Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely: Raiso Mikaia, ka ento miverina izy ho any amin’ i Amona, komandin’ ny tanàna, sy ho any amin’ i Joasy, zanaky ny mpanjaka,
27 말하기를 왕의 말씀이 이 놈을 옥에 가두고 내가 평안히 돌아올때 까지 고생의 떡과 고생의 물로 먹이라 하라
ka lazao hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
28 미가야가 가로되 왕이 참으로 평안히 돌아오시게 될진대 여호와께서 나로 말씀하지 아니하셨으리이다 또 가로되 너희 백성들아 다 들을지어다 하니라
Fa hoy Mikaia: Raha tàhiny ho tafaverina soa aman-tsara ianao dia tsy nampitenenin’ i Jehovah aho tsy akory. Ary hoy koa izy: Samia mihaino izany ianareo, ry firenena rehetra.
29 이스라엘 왕과 유다 왕 여호사밧이 길르앗 라못으로 올라가니라
Dia niakatra nankany Ramota-gileada ny mpanjakan’ ny Isiraely sy Josafata, mpanjakan’ ny Joda.
30 이스라엘 왕이 여호사밧에게 이르되 나는 변장하고 군중으로 들어가려 하노니 당신은 왕복을 입으소서 하고 이스라엘 왕이 변장하고 군중으로 들어가니라
Ary hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Hody olon-kafa aho ka hitsarapaka any anatin’ ny ady, fa ianao kosa dia miakanjoa ny akanjonao ihany. Dia nody olon-kafa ny mpanjakan’ ny Isiraely ka nitsarapaka tany anatin’ ny ady.
31 아람 왕이 그 병거의 장관 삼십 이인에게 명하여 이르기를 너희는 작은 자나 큰 자나 더불어 싸우지 말고 오직 이스라엘 왕과 싸우라 한지라
Fa ny mpanjakan’ i Syria efa nandidy ny roa amby telo-polo lahy, komandin’ ny kalesy, nanao hoe: Aza miady na amin’ ny kely na amin’ ny lehibe, afa-tsy amin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely ihany.
32 병거의 장관들이 여호사밧을 보고 이르되 이가 필연 이스라엘 왕이라 하고 돌이켜 저와 싸우려 한즉 여호사밧이 소리지르는지라
Ary nony nahita an’ i Josafata ireo komandin’ ny kalesy, dia hoy izy: Iny mihitsy no mpanjakan’ ny Isiraely. Dia nanatrika hiady taminy ireo; ka dia niantsoantso Josafata.
33 병거의 장관들이 저가 이스라엘 왕이 아님을 보고 쫓기를 그치고 돌이켰더라
Ary rehefa hitan’ ireo komandin’ ny kalesy fa tsy ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia niverina niala taminy ireo.
34 한 사람이 우연히 활을 당기어 이스라엘 왕의 갑옷 솔기를 쏜지라 왕이 그 병거 모는 자에게 이르되 내가 부상하였으니 네 손을 돌이켜 나로 군중에서 나가게 하라 하였으나
Ary nisy lehilahy anankiray nandefa zana-tsipìka kitoatoa ka nahavoa ny mpanjakan’ ny Isiraely teo anelanelan’ ny fiarovan-tratrany sy ny eo ambaniny; ka dia hoy izy tamin’ ny mpampandeha ny kalesiny: Ahodino, ka ento miala eto amin’ ny ady aho, fa voa.
35 이날에 전쟁이 맹렬하였으므로 왕이 병거 가운데 붙들려 서서 아람 사람을 막다가 저녁에 이르러 죽었는데 상처의 피가 흘러 병거 바닥에 고였더라
Ary nihamafy ny ady tamin’ izany andro izany; ary ny mpanjaka notohanana hitsangana teo amin’ ny kalesiny tandrifin’ ny Syriana, ary dia maty izy nony efa harivariva ny andro; ary ny rà nandeha avy teo amin’ ny efa voa ho ao anatin’ ny kalesy.
36 해가 질 즈음에 군중(軍中)에서 외치는 소리 있어 가로되 각기 성읍으로 각기 본향으로 하더라
Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran’ ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin’ ny taniny avy!
37 왕이 이미 죽으매 그 시체를 메어 사마리아에 이르러 거기 장사하니라
Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao.
38 그 병거를 사마리아 못에 씻으매 개들이 그 피를 핥았으니 여호와의 하신 말씀과 같이 되었더라 거기는 창기들의 목욕하는 곳이었더라
Ary nony nosasana teo am-parihin’ i Samaria ny kalesiny, dia avy ny alika nilelaka ny ràny raha nandro tao ny vehivavy janga araka ny tenin’ i Jehovah.
39 아합의 남은 행적과 무릇 그 행한 일과 그 건축한 상아궁과 그 건축한 모든 성은 이스라엘 왕 역대지략에 기록되지 아니하였느냐
Ary ny tantaran’ i Ahaba sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
40 아합이 그 열조와 함께 자매 그 아들 아하시야가 대신하여 왕이 되니라
Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin’ ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
41 이스라엘 왕 아합 제 사년에 아사의 아들 여호사밧이 유다 왕이 되니
Ary Josafata, zanak’ i Asa, vao nanjaka tamin’ ny Joda tamin’ ny taona fahefatra nanjakan’ i Ahaba, mpanjakan’ ny Isiraely.
42 여호사밧이 왕이 될 때에 나이 삼십 오세라 예루살렘에서 이십 오년을 치리하니라 그 모친의 이름은 아수바라 실히의 딸이더라
Dimy amby telo-polo taona Josafata, fony izy vao nanjaka, ary dimy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Azoba, zanakavavin’ i Sily.
43 여호사밧이 이스라엘 왕으로 더불어 평화하니라
Ary nandeha tamin’ ny lalana rehetra izay nalehan’ i Asa rainy izy ka tsy niala tamin’ izany, fa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah; kanefa kosa ny fitoerana avo tsy mba noravana, fa ny olona mbola namono zavatra hatao fanatitra sady mbola nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany.
44 여호사밧의 남은 사적과 그 베푼 권세와 그 어떻게 전쟁한 것은 다 유다 왕 역대지략에 기록되지 아니하였느냐
Ary Josafata nanao fihavanana tamin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely.
45 저가 그 부친 아사의 시대에 남아 있던 남색(男色)하는 자를 그 땅에서 쫓아내었더라
Ary ny tantaran’ i Josafata sisa sy ny heriny mbamin’ ny niadiany, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany?
46 그 때에 에돔에는 왕이 없고 섭정왕이 있었더라
Ary ny sisa amin’ ny olona izay nanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, dia Izay mbola tany tamin’ ny andron’ i Asa rainy, dia nofongorany hiala amin’ ny tany.
47 여호사밧이 다시스의 선척을 제조하고 오빌로 금을 취하러 보내려 하였더니 그 배가 에시온게벨에서 파선하였으므로 가지 못하게 되매
Ary tsy nisy mpanjaka tany Edoma fahizay, fa olona voatendry no nitondra ny fanjakana.
48 아합의 아들 아하시야가 여호사밧에게 이르되 나의 종으로 당신의 종과 함께 배에 가게 하라 하나 여호사밧이 허락지 아니하였더라
Ary Josafata nanao sambon’ i Tarsisy folo hankany Ofira haka volamena; nefa tsy lasa ireo sambo ireo, fa nahavakiana tao Ezion-gebera.
49 여호사밧이 그 열조와 함께 자매 그 조상 다윗 성에 그 열조와 함께 장사되고 그 아들 여호람이 대신하여 왕이 되니라
Dia hoy Ahazia, zanak’ i Ahaba, tamin’ i Josafata: Aoka ny vahoakako hiaraka amin’ ny vahoakanao any an-tsambo. Fa tsy nety Josafata.
50 유다 왕 여호사밧 제 십 칠년에 아합의 아들 아하시야가 사마리아에서 이스라엘 왕이 되어 이년을 이스라엘을 다스리니라
Ary Josafata lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Jehorama zanany no nanjaka nandimby azy.
51 저가 여호와 보시기에 악을 행하여 그 아비의 길과 그 어미의 길과 이스라엘로 범죄케 한 느밧의 아들 여로보암의 길로 행하며
Ahazia, zanak’ i Ahaba, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tao Samaria tamin’ ny taona fahafito ambin’ ny folo nanjakan’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
52 바알을 섬겨 숭배하여 이스라엘 하나님 여호와의 노를 격동하기를 그 아비의 온갖 행위같이 하였더라
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny rainy sy ny reniny ary tamin’ ny lalan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanota ny Isiraely;
ary nanompo an’ i Bala izy, dia niankohoka teo anatrehany ka nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tahaka izay rehetra nataon-drainy.

< 열왕기상 22 >