< 열왕기상 15 >

1 느밧의 아들 여로보암 왕 제 십팔년에 아비얌이 유다 왕이 되고
Ary tamin’ ny taona fahavalo ambin’ ny folo nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, no vao nanjakan’ i Abia tamin’ ny Joda.
2 예루살렘에서 삼년을 치리하니라 그 모친의 이름은 마아가라 아비살롬의 딸이더라
Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
3 아비얌이 그 부친의 이미 행한 모든 죄를 행하고 그 마음이 그 조상 다윗의 마음 같지 아니하여 그 하나님 여호와 앞에 온전치 못하였으나
Ary nandeha tamin’ ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
4 그 하나님 여호와께서 다윗을 위하여 예루살렘에서 저에게 등불을 주시되 그 아들을 세워 후사가 되게 하사 예루살렘을 견고케 하셨으니
Nefa noho ny amin’ i Davida dia nomen’ i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an’ i Jerosalema Izy,
5 이는 다윗이 헷 사람 우리아의 일 외에는 평생에 여호와 보시기에 정직히 행하고 자기에게 명하신 모든 일을 어기지 아니하였음이라
satria Davida nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah ka tsy nivily niala tamin’ izay nandidiany azy tamin’ ny andro rehetra niainany, afa-tsy ilay tamin’ i Oria Hetita ihany.
6 르호보암과 여로보암 사이에 사는 날 동안 전쟁이 있었더니
Ary niady Rehoboama sy Jeroboama tamin’ ny andro rehetra niainany.
7 아비얌과 여로보암 사이에도 전쟁이 있으니라 아비얌의 남은 사적과 무릇 행한 일이 유다 왕 역대지략에 기록되지 아니하였느냐
Ary ny tantaran’ i Abia sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Ary niady Abia sy Jeroboama
8 아비얌이 그 열조와 함께 자니 다윗성에 장사되고 그 아들 아사가 대신하여 왕이 되니라
Ary Abia lasa nodi-mandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao an-Tanànan’ i Davida izy; ary Asa zanany no nanjaka nandimby azy.
9 이스라엘 왕 여로보암 제 이십년에 아사가 유다 왕이 되어
Ary tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Jeroboama, mpanjakan’ ny Isiraely, no vao nanjakan’ i Asa tamin’ ny Joda.
10 예루살렘에서 사십 일년을 치리하니라 그 모친의 이름은 마아가라 아비살롬의 딸이더라
Ary iraika amby efa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Imaka, zanakavavin’ i Absaloma.
11 아사가 그 조상 다윗같이 여호와 보시기에 정직하게 행하여
Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah toy ny nataon’ i Davida rainy.
12 남색하는 자를 그 땅에서 쫓아내고 그 열조의 지은 모든 우상을 없이 하고
Fa nesoriny tamin’ ny tany ny olona izay nanolotena hijangajanga ho fanompoan-tsampy, sady nariany ny sampy rehetra izay nataon-drainy.
13 또 그 모친 마아가가 아세라의 가증한 우상을 만들었으므로 태후의 위를 폐하고 그 우상을 찍어서 기드론 시냇가에서 불살랐으나
Ary na dia Imaka reniny aza dia naetriny tsy ho andriambavy, satria efa nanao sampy ho an’ ny Aseraha; ary Asa nikapa ny sampiny ka nandoro azy tao an-dohasahan-driaka Kidrona.
14 오직 산당은 없이하지 아니하니라 그러나 아사의 마음이 일평생 여호와 앞에 온전하였으며
Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana; nefa nahitsy teo imason’ i Jehovah ny fon’ i Asa tamin’ ny andro rehetra niainany.
15 저가 그 부친의 구별한 것과 자기의 구별한 것을 여호와의 전에 받들어 드렸으니 곧 은과 금과 기명들이더라
Ary nampidiriny ho ao an-tranon’ i Jehovah ny zavatra izay nohamasinin-drainy mbamin’ izay nohamasinin’ ny tenany, dia volafotsy sy volamena ary fanaka.
16 아사와 이스라엘 왕 바아사 사이에 일생 전쟁이 있으니라
Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ ny andro rehetra niainany.
17 이스라엘 왕 바아사가 유다를 치러 올라와서 라마를 건축하여 사람을 유다 왕 아사에게 왕래하지 못하게 하려 한지라
Ary Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, niakatra hamely ny Joda, dia nanamboatra an’ i Rama mba tsy hisy hahazo hivoaka sy hiditra ho any amin’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda.
18 아사가 여호와의 전 곳간과 왕궁 곳간에 남은 은, 금을 몰수히 취하여 그 신복의 손에 붙여 다메섹에 거한 아람 왕 헤시온의 손자 다브림몬의 아들 벤하닷에게 보내며 가로되
Ary Asa naka ny volafotsy sy ny volamena rehetra izay sisa tamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah sy tamin’ ny rakitry ny tranon ny mpanjaka, ka natolony teo an-tànan’ ny mpanompony; ary Asa mpanjaka nampanatitra azy tany amin’ i Beni-hadada, zanak’ i Tabrimona, zanak’ i Heziona, mpanjakan’ i Syria, izay nonina tao Damaskosy, ka nanao hoe:
19 `나와 당신 사이에 약조가 있고 내 부친과 당신의 부친 사이에도 있었느니라 내가 당신에게 은금 예물을 보내었으니 와서 이스라엘 왕 바아사와 세운 약조를 깨뜨려서 저로 나를 떠나게 하라'하매
Aoka hisy fanekena amiko sy aminao toy ny tamin’ ny raiko sy ny rainao; koa, indro, mampanatitra volafotsy sy volamena ho fanomezana ho anao aho; andeha, tsoahy ny fanekenao tamin’ i Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, mba hialany amiko.
20 벤하닷이 아사 왕의 말을 듣고 그 군대장관들을 보내어 이스라엘 성들을 치되 이욘과 단과 아벨벧마아가와 긴네렛 온 땅과 납달리 온 땅을 쳤더니
Ary Beni-hadada nihaino an’ i Asa mpanjaka ka naniraka komandin’ ny miaramilany hamely ny tanànan’ ny Isiraely, ary namely an’ Iona sy Dana sy Abela-beti-maka ary Kinerota rehetra mbamin’ ny tanin’ ny Naftaly rehetra izy.
21 바아사가 듣고 라마 건축하는 일을 그치고 디르사에 거하니라
Ary rehefa ren’ i Basa izany, dia nitsahatra tsy nanamboatra an’ i Rama intsony izy sady nitoetra tao Tirza.
22 이에 아사 왕이 온 유다에 영을 내려 한 사람도 모면하지 못하게 하여 바아사가 라마를 건축하던 돌과 재목을 가져오게 하고 그것으로 베냐민의 게바와 미스바를 건축하였더라
Ary Asa mpanjaka kosa nampandre ny Joda rehetra (tsy nisy tsy nampandrenesiny); ary dia nesorin’ ny olona ny vato sy ny hazo tao Rama, izay naorin’ i Basa; ary nentin’ i Asa mpanjaka nanamboatra an’ i Geban’ i Benjamina sy Mizpa kosa izany.
23 아사의 남은 사적과 모든 권세와 무릇 그 행한 일과 성읍을 건축한 것이 유다 왕 역대지략에 기록되지 아니하였느냐 그러나 저가 늙을 때에 발에 병이 있었더라
Ary ny tantaran’ i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’ izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Nefa kosa tamin’ ny andro fahanterany dia narary tamin’ ny tongony izy.
24 아사가 그 열조와 함께 자매 그 열조와 함께 그 조상 다윗의 성에 장사되고 그 아들 여호사밧이 대신하여 왕이 되니라
Ary lasa nodimandry any amin’ ny razany, dia nalevina tao amin’ ny razany tao an-Tanànan’ i Davida rainy izy; ary Josafata zanany no nanjaka nandimby azy.
25 유다 왕 아사 제 이년에 여로보암의 아들 나답이 이스라엘 왕이 되어 이년을 이스라엘을 다스리니라
Ary Nadaba, zanak’ i Jeroboama, vao nanjaka tamin’ ny Isiraely tamin’ ny taona faharoa nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda; ary nanjaka roa taona tamin’ ny Isiraely izy.
26 저가 여호와 보시기에 악을 행하되 그 아비의 길로 행하며 그가 이스라엘로 범하게 한 그 죄중에 행한지라
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan-drainy sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.
27 이에 잇사갈 족속 아히야의 아들 바아사가 저를 모반하여 블레셋 사람에게 속한 깁브돈에서 저를 죽였으니 이는 나답과 온 이스라엘이 깁브돈을 에워싸고 있었음이더라
Ary Basa, zanak’ i Ahia, amin’ ny taranak’ Isakara, nikomy taminy dia namely azy tao Gibetona, izay an’ ny Filistina (fa Nadaba sy ny Isiraely rehetra nanao fahirano an’ i Gibetona fahizay).
28 유다 왕 아사 제 삼년에 바아사가 나답을 죽이고 대신하여 왕이 되고
Ary Basa nahafaty azy tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, ka dia nanjaka nisolo azy.
29 왕이 될 때에 여로보암의 온 집을 쳐서 생명 있는 자를 하나도 남기지 아니하고 다 멸하였는데 여호와께서 그 종 실로 사람 아히야로 하신 말씀과 같이 되었으니
Ary rehefa nanjaka izy, dia namely ny mpianakavin’ i Jeroboama rehetra izy, ka tsy nasiany niangana ho an’ i Jeroboama na dia olona iray akory aza, fa naringany avokoa ireo araka ny tenin’ i Jehovah izay nampilazainy an’ i Ahia Silonita mpanompony,
30 이는 여로보암이 범죄하고 또 이스라엘로 범하게 한 죄로 인함이며 또 저가 이스라엘 하나님 여호와의 노를 격동시킨 일을 인함이었더라
noho ny fahotana nataon’ i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely tamin’ izay nataony nampahatezitra an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
31 나답의 남은 사적과 무릇 행한 일이 이스라엘 왕 역대지략에 기록되지 아니하였느냐
Ary ny tantaran’ i Nadaba sisa mbamin’ izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
32 아사와 이스라엘 왕 바아사 사이에 일생 전쟁이 있으니라
Ary niady Asa sy Basa, mpanjakan’ ny Isiraely, tamin’ ny andro rehetra niainany.
33 유다 왕 아사 제 삼년에 아히야의 아들 바아사가 디르사에서 온이스라엘의 왕이 되어 이십 사년을 치리하니라
Tamin’ ny taona fahatelo nanjakan’ i Asa, mpanjakan’ ny Joda, no vao nanjakan’ i Basa, zanak’ i Ahia, tamin’ ny Isiraely rehetra tao Tirza; ary mpanjaka efatra amby roa-polo taona izy.
34 바아사가 여호와 보시기에 악을 행하되 여로보암의 길로 행하며 그가 이스라엘로 범하게 한 그 죄중에 행하였더라
Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy, fa nandeha tamin’ ny lalan’ i Jeroboama sy tamin’ ny fahotany izay nampanotany ny Isiraely.

< 열왕기상 15 >