< 역대상 27 >

1 이스라엘 자손의 모든 족장과 천부장과 백부장과 왕을 섬기는 유사들이 그 인수대로 반차가 나누이니 각 반열이 이만 사천명씩이라 일년동안 달마다 체번하여 들어가며 나왔으니
Ary ny amin’ ny Zanak’ Isiraely araka ny isany, dia ny lohan’ ny fianakaviany sy ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny mpifehy azy, izay nanompo ny mpanjaka tamin’ izay raharahany rehetra isan-tokony, Izay nifandimby isam-bolana mandritra ny herintaona, dia efatra arivo amby roa alina avy no isan’ ny isan-tokony.
2 정월 첫반의 반장은 삽디엘의 아들 야소브암이요 그 반열에 이만 사천명이라
Ny nifehy ny antokony voalohany, ho amin’ ny volana voalohany, dia Jasobeama, zanak’ i Zabdiela, ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina;
3 저는 베레스의 자손으로서 정월반의 모든 장관의 두목이 되었고
isan’ ny taranak’ i Fareza izy sady lohan’ ny mpifehy rehetra tamin’ ny miaramila amin’ ny volana voalohany.
4 이월반의 반장은 아호아 사람 도대요 또 미글롯이 그 반의 주장이 되었으니 그 반열에 이만 사천명이요
Ary ny nifehy ny antokony ho amin’ ny volana faharoa dia Dodo Ahohita; Miklota andriandahy no isan’ ny antokony; ary ny antokon’ ny Ahohita dia efatra arivo amby roa alina.
5 삼월 군대의 세째 장관은 대제사장 여호야다의 아들 브나야요 그 반열에 이만 사천명이라
Ny komandin’ ny antokony fahatelo tamin’ ny miaramila, ho amin’ ny volana fahatelo, dia Benaia lohany, zanak’ i Joiada mpisorona; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
6 이 브나야는 삼십인중에 용사요 삼십인 위에 있으며 그 반열 중에 그 아들 암미사밧이 있으며
Io no ilay Benaia, izay nahery sady ambony tamin’ izy telo-polo lahy; Amizabada zanany no isan’ ny antokony.
7 사월 네째 장관은 요압의 아우 아사헬이요 그 다음은 그 아들 스바댜니 그 반열에 이만 사천명이요
Ny fahefatra, ho amin’ ny volana fahefatra, dia Asahela, rahalahin’ i Joaba, ary Zebadia zanany no nanarakaraka azy; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
8 오월 다섯째 장관은 이스라 사람 삼훗이니 그 반열에 이만 사천명이요
Ny fahadimy, ho amin’ ny volana fahadimy, dia Samihota Jizarita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
9 유월 여섯째 장관은 드고아 사람 익게스의 아들 이라니 그 반열에 이만 사천명이요
Ny fahenina, ho amin’ ny volana fahenina, dia Ira, zanak’ Ikesy Tekoïta; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
10 칠월 일곱째 장관은 에브라임자손에 속한 발론 사람 헬레스니 그 반열에 이만 사천명이요
Ny fahafito, ho amin’ ny volana fahafito, dia Heleza Pelonita, isan’ ny taranak’ i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
11 팔월 여덟째 장관은 세라 족속 후사 사람 십브개니 그 반열에 이만 사천명이요
Ny fahavalo, ho amin’ ny volana fahavalo, dia Sibekay Hosatita, isan’ ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
12 구월 아홉째 장관은 베냐민 자손 아나돗 사람 아비에셀이니 그 반열에 이만 사천명이요
Ny fahasivy, ho amin’ ny volana fahasivy, dia Abiezera Anatotita, Isan’ ny Benjamita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
13 시월 열째 장관은 세라 족속 느도바 사람 마하래니 그 반열에 이만 사천명이요
Ny fahafolo, ho amin’ ny volana fahafolo, dia Maharay Netofatita, isan’ ny Zerita; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
14 십일월 열 한째 장관은 에브라임 자손에 속한 비라돈 사람 브나 야니 그 반열에 이만 사천명이요
Ny fahiraika ambin’ ny folo, ho amin’ ny volana fahiraika ambin’ ny folo, dia Benaia Piratonita, isan’ ny taranak’ i Efraima; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
15 십이월 열 둘째 장관은 옷니엘 자손에 속한 느도바 사람 헬대니 그 반열에 이만 사천명이었더라
Ny faharoa ambin’ ny folo, ho amin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo, dia Helday Netofatita, isan’ ny taranak’ i Otniela; ary ny antokony dia efatra arivo amby roa alina.
16 이스라엘 지파를 관할하는 자는 이러하니라 르우벤 사람의 관장은 시그리의 아들 엘리에셀이요 시므온 사람의 관장은 마아가의 아들 스바댜요
Ary izao no lohan ny firenen’ Isiraely: Tamin’ ny Robenita dia Eliezera, zanakalahin’ i Zikry; tamin’ ny Simeonita dia Sefatia, zanakalahin’ i Maka;
17 레위 사람의 관장은 그무엘의 아들 하사뱌요 아론 자손의 관장은 사독이요
tamin’ ny Levita dia Hasabia, zanakalahin’ i Kemoela; tamin’ ny Aronita dia Zadoka;
18 유다의 관장은 다윗의 형 엘리후요 잇사갈의 관장은 미가엘의 아들 오므리요
tamin’ ny Joda dia Eliho, izay isan’ ny rahalahin’ i Davida; tamin’ ny Isakara dia Omry, zanakalahin’ i Mikaela;
19 스불론의 관장은 오바댜의 아들 이스마야요 납달리의 관장은 아스리엘의 아들 여레못이요
tamin’ ny Zebolona dia Jismala, zanakalahin’ i Obadia; tamin’ ny Naftaly dia Jerimota, zanakalahin’ i Azriela;
20 에브라임 자손의 관장은 아사시야의 아들 호세아요 므낫세 반 지파의 관장은 브다야의 아들 요엘이요
tamin’ ny taranak’ i Efraima dia Hosea, zanakalahin’ i Azazia; tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia Joela, zanakalahin’ i Pedaia;
21 길르앗에 있는 므낫세 반 지파의 관장은 스가랴의 아들 잇도요 베냐민의 관장은 아브넬의 아들 야아시엘이요
tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase tao Gileada dia Ido, zanakalahin’ i Zakaria; tamin’ ny Benjamina dia Jasiela, zanakalahin’ i Abnera;
22 단의 관장은 여로함의 아들 아사렐이니 이스라엘 지파의 관장이 이러하며
tamin’ ny Dana dia Azarela, zanakalahin’ i Jerohama. Ireo no lohan’ ny firenen’ Isiraely.
23 이스라엘 사람의 이십세 이하의 수효는 다윗이 조사하지 아니하였으니 이는 여호와께서 전에 말씀하시기를 이스라엘 사람을 하늘의 별같이 많게 하리라 하셨음이라
Nefa tsy nanisa ny hatramin’ ny roa-polo taona no ho midìna Davida; fa Jehovah efa nilaza fa hampitombo ny Isiraely ho tahaka ny kintana eny amin’ ny lanitra Izy.
24 스루야의 아들 요압이 조사하기를 시작하고 끝내지 못하여서 그 일로 인하여 진노가 이스라엘에게 임한지라 그 수효를 다윗 왕의 역대지략에 기록하지 아니하였더라
Joaba, zanak’ i Zeroia, nanomboka nanisa, fa tsy nahefa, satria nisy fahatezerana nihatra tamin’ ny Isiraely tamin’ izany, ka dia tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ i Davida mpanjaka ny isany.
25 아디엘의 아들 아스마웹은 왕의 곳간을 맡았고 웃시야의 아들 요나단은 밭과 성읍과 촌과 산성의 곳간을 맡았고
Ary ny tonian’ ny rakitry ny mpanjaka dia Azmaveta, zanak’ i Adiela; ary ny tonian ny trano firaiketana tany ambany vohitra, na tamin’ ny tanàna, na tamin’ ny vohitra, na tamin’ ny tilikambo, dia Jonatana, zanak’ i Ozia;
26 글룹의 아들 에스리는 밭 가는 농부를 거느렸고
ary ny mpifehy ny mpiasa tany an-tsaha hiasa ny tany dia Ezry, zanak’ i Keloba;
27 라마 사람 시므이는 포도원을 맡았고 스밤 사람 삽디는 포도원의 소산 포도주 곳간을 맡았고
ary ny tonian’ ny tanim-boaloboka dia Simey Ramatita; ary ny tonian’ ny divay tehirizina any amin’ ny tanim-boaloboka dia Zebdy Sifmita;
28 게델 사람 바알하난은 평야의 감람나무와 뽕나무를 맡았고 요아스는 기름 곳간을 맡았고
ary ny tonian’ ny hazo oliva sy ny aviavy eny amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Bala-hanana Gaderita; ary ny tonian’ ny diloilo tehirizina dia Joasy;
29 사론 사람 시드래는 사론에서 먹이는 소떼를 맡았고 아들래의 아들 사밧은 골짜기에 있는 소떼를 맡았고
ary ny tonian’ ny omby nandrasana tany Sarôna dia Sitray Sarônita; ary ny tonian’ ny omby tany an-dohasaha dia Safata, zanak’ i Adlay;
30 이스마엘 사람 오빌은 약대를 맡았고 메로놋 사람 예드야는 나귀를 맡았고 하갈 사람 야시스는 양떼를 맡았으니
ary ny tonian’ ny rameva dia Obila Ismaelita; ary ny tonian’ ny borikivavy dia Jedda Meronotita;
31 다윗 왕의 재산을 맡은 자들이 이러하였더라
ary ny tonian’ ny ondry aman’ osy dia Jaziza Hagarita. Ireo rehetra ireo no tonian’ ny fananan’ i Davida mpanjaka.
32 다윗의 아자비 요나단은 지혜가 있어서 모사가 되며 서기관도 되었고 학모니의 아들 여히엘은 왕의 아들들의 배종이 되었고
Ary Jonatana, rahalahin-drain’ i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sady be fahalalana izy; ary Jehiela, zanak’ i Hakmony, dia teo amin’ ny zanaky ny mpanjaka;
33 아히도벨은 왕의 모사가 되었고 아렉 사람 후새는 왕의 벗이 되었고
ary Ahitofela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka; ary Hosay Arkita no sakaizan’ ny mpanjaka;
34 브나야의 아들 여호야다와 아비아달은 아히도벨의 다음이 되었고 요압은 왕의 군대 장관이 되었더라
ary ny manarakaraka an’ i Ahitofela dia Joiada, zanak’ i Benaia, sy Abiatara; ary ny komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjaka dia Joaba.

< 역대상 27 >