< 역대상 26 >

1 문지기의 반차가 이러하니라 고라 족속 아삽의 자손중에 고레의 아들 므셀레먀와
Ary ny amin’ ny antokon’ ny mpiandry varavarana: Tamin’ ny Koraïta dia Meselemia, zanak’ i Kore, avy tamin’ ny zanak’ i Asafa.
2 므셀레먀의 아들들 맏아들 스가랴와 둘째 여디야엘과 세째 스바댜와 네째 야드니엘과
Ary ny zanakalahin’ i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,
3 다섯째 엘람과 여섯째 여호하난과 일곱째 엘여호에내며
sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.
4 오벧에돔의 아들들 맏아들 스마야와 둘째 여호사밧과 세째 요아와 네째 사갈과 다섯째 느다넬과
Ary ny zanakalahin’ i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,
5 여섯째 암미엘과 일곱째 잇사갈과 여덟째 브울래대니 이는 하나님이 오벧에돔에게 복을 주셨음이며
sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.
6 그 아들 스마야도 두어 아들을 낳았으니 저희의 족속을 다스리는 자요 큰 용사라
Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin’ ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.
7 스마야의 아들들은 오드니와 르바엘과 오벳과 엘사밧이며 엘사밧의 형제 엘리후와 스마갸는 능력이 있는 자니
Ny zanakalahin’ i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin’ ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.
8 이는 다 오벧에돔의 자손이라 저희와 그 아들들과 그 형제들은 다 능력이 있어 그 직무를 잘하는 자니 오벧에돔에게서 난 자가 육십 이명이며
Ireo rehetra ireo no avy tamin’ ny zanak’ i Obed-edoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin’ ny fanompoany; roa amby enim-polo no an’ i Obed-edoma.
9 또 므셀레먀의 아들과 형제 십팔인은 능력이 있는 자며
Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin’ ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.
10 므라리 자손중 호사가 아들들이 있으니 그 장자는 시므리라 시므리는 본래 맏아들이 아니나 그 아비가 장자를 삼았고
Ary Hosa, tamin’ ny taranak’ i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),
11 둘째는 힐기야요 세째는 드발리야요 네째는 스가랴니 호사의 아들과 형제가 십 삼인이더라
sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin’ i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin’ ny folo.
12 이상은 다 문지기의 반장으로서 그 형제처럼 직임을 얻어 여호와의 전에서 섬기는 자라
Ireo lohan’ ny tonian’ ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin’ ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon’ i Jehovah.
13 각 문을 지키기 위하여 그 종족을 따라 무론대소하고 다 제비 뽑혔으니
Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin’ ny isam-bavahady.
14 셀레먀는 동방에 당첨되었고 그 아들 스가랴는 명철한 의사라 저를 위하여 제비 뽑으니 북방에 당첨되었고
Koa ny loka tamin’ ny atsinanana dia azon’ i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin’ ny avaratra no azony.
15 오벧에돔은 남방에 당첨되었고 그 아들들은 곳간에 당첨되었으며
An’ i Obed-edoma ny atsimo, ary an’ ny zanany ny trano firaketana.
16 숩빔과 호사는 서방에 당첨되어 큰 길로 통한 살래겟 문 곁에 있어 서로 대하여 파수하였으니
An’ i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin’ ny vavahady Saleketa amin’ ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.
17 동방에 레위 사람이 여섯이요 북방에 매일 네 사람이요 남방에 매일 네 사람이요 곳간에는 둘씩이며
Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan’ andro, ny atsimo nisy efatra isan’ andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
18 낭실 서편 큰 길에 네 사람이요 낭실에 두 사람이니
Tany Parbara andrefana nisy efatra amin’ ny lalana, ary roa tao Parbara.
19 고라와 므라리 자손의 문지기의 반차가 이러하였더라
Dia Ireo no antokon’ ny mpiandry varavarana tamin’ ny taranak’ i Kora sy ny taranak’ i Merary.
20 레위 사람 중에 아히야는 하나님의 전 곳간과 성물 곳간을 맡았으며
Ary tamin’ ny Levita dia Ahia no tonian’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.
21 라단의 자손은 곧 라단에게 속한 게르손 사람의 자손이니 게르손 사람 라단에게 속한 족장은 여히엘리라
Ny taranak’ i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan’ ny fianakavian’ i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.
22 여히엘리의 아들은 스담과 그 아우 요엘이니 여호와의 전 곳간을 맡았고
Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah.
23 아므람 자손과 이스할 자손과 헤브론 자손과 웃시엘 자손 중에
Tamin’ ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita
24 모세의 아들 게르솜의 자손 스브엘은 곳간을 맡았고
dia Seboela, avy tamin’ ny taranak’ i Gersona, zanak’ i Mosesy, no tonian’ ny rakitra.
25 그 형제 곧 엘리에셀에게서 난 자는 그 아들 르하뱌와 그 아들 여사야와 그 아들 요람과 그 아들 시그리와 그 아들 슬로못이라
Ary ny rahalahiny avy tamin’ i Eliezera dia Rehabia, zanak’ i Eliezera, sy Jesaia, zanak’ i Rehabia, sy Jorama, zanak’ i Jesaia, sy Zikry, zanak’ i Jorama, ary Selomota, zanak’ i Zikry.
26 이 슬로못과 그 형제는 성물의 모든 곳간을 맡았으니 곧 다윗왕과 족장과 천부장과 백부장과 군대의 모든 장관이 구별하여 드린 성물이라
Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian’ ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin’ i Davida mpanjaka sy ny lohan’ ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin’ ny miaramila.
27 저희가 싸울 때에 노략하여 얻은 물건 중에서 구별하여 드려 여호와의 전을 중수하게 한 것이며
Tamin’ ny babo izay azony tamin’ ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon’ i Jehovah.
28 선견자 사무엘과 기스의 아들 사울과 넬의 아들 아브넬과 스루야의 아들 요압이 무론 무엇이든지 구별하여 드린 성물은 다 슬로못과 그 형제의 수하에 있었더라
Ary izay rehetra nohamasinin’ i Samoela mpahita sy Saoly, zanak’ i Kisy, sy Abnera, zanak’ i Nera, sy Joaba, zanak’ i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.
29 이스할 자손중에 그나냐와 그 아들들은 이스라엘 바깥 일을 다스리는 유사와 재판관이 되었고
Tamin’ ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin’ ny raharaha ivelany amin’ ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara.
30 헤브론 자손 중에 하사뱌와 그 동족 용사 일천 칠백인은 요단 서편에서 이스라엘을 주관하여 여호와의 모든 일과 왕을 섬기는 직임을 맡았으며
Ary tamin’ ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin’ ny Isiraely tany an-dafy andrefan’ i Jordana ny amin’ ny raharaha rehetra ho an’ i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.
31 헤브론 자손중에 여리야가 그 세계와 종족대로 헤브론 자손의 족장이 되었더라 다윗이 위에 있은지 사십년에 길르앗 야셀에서 그족속 중에 구하여 큰 용사를 얻었으니
Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin’ ny taona fahefa-polo nanjakan’ i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)
32 그 형제 중 이천 칠백명이 다 용사요 족장이라 다윗 왕이 저희로 르우벤과 갓과 므낫세 반 지파를 주관하여 하나님의 모든 일과 왕의 일을 다스리게 하였더라
sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan’ ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen’ i Manase, ny amin’ ny raharahan’ Andriamanitra sy ny mpanjaka.

< 역대상 26 >