< 역대상 20 >

1 해가 돌아와서 왕들의 출전할 때가 되매 요압이 그 군대를 거느리고 나가서 암몬 자손의 땅을 훼파하고 가서 랍바를 에워싸고 다윗은 예루살렘에 그대로 있더니 요압이 랍바를 쳐서 함락시키매
Ary rehefa niherina ny taona, ka mby amin’ ny andro fandehanan’ ny mpanjaka hiady, dia nitondra ny miaramila rehetra Joaba ka nandrava ny tanin’ ny taranak’ i Amona, dia tonga izy ka nanao fahirano an’ i Raba; fa Davida kosa nijanona tany Jerosalema ihany. Ary Joaba nahafaka an’ i Raba, ka dia nandrava azy.
2 다윗이 그 왕의 머리에서 보석있는 면류관을 취하여 달아보니 중량이 금 한 달란트라 그 면류관을 자기 머리에 쓰니라 다윗이 또 그 성에서 노략한 물건을 무수히 내어오고
Dia nesorin’ i Davida ny satro-boninahitr’ ilay mpanjaka teo an-dohany, ka hitany fa talenta volamena iray no lanjany, sady nisy vato soa, ary dia nisatrohan’ i Davida. Ary navoakany ny babo azo tao an-tanàna ka be dia be.
3 그 가운데 백성을 끌어 내어 톱질과 써레질과 도끼질을 하게 하니라 다윗이 암몬 자손의 모든 성읍을 이같이 하고 모든 백성과 함께 예루살렘으로 돌아오니라
Ary dia navoakany koa ny olona izay tao, ka nasiany tamin’ ny tsofa sy tamin’ ny fangao-by lehibe sy ny famaky; toy izany no nataon’ i Davida tamin’ ny tanànan’ ny taranak’ i Amona rehetra. Ary Davida sy ny vahoaka rehetra dia niverina nankany Jerosalema.
4 이 후에 블레셋 사람과 게셀에서 전쟁할 때에 후사 사람 십브개가 장대한 자의 아들중에 십배를 쳐 죽이매 저희가 항복하였더라
Ary nony afaka izany, dia nisy ady tamin’ ny Filistina tao Gazera; tamin’ izany no namonoan’ i Sibekay Hosatita an’ i Sipay, izay isan’ ny taranaky ny Refaïta, ka dia naetriny ny Filistina.
5 다시 블레셋 사람과 전쟁할 때에 야일의 아들 엘하난이 가드 사람 골리앗의 아우 라흐미를 죽였는데 이 사람의 창자루는 베틀채 같았더라
Ary dia nisy ady tamin’ ny Filistina indray ary Elanana, zanak’ i Jaïra, namono an’ i Lamy, rahalahin’ i Goliata Gatita, izay nanan-jaran-defona tahaka ny vodi-tenon’ ny mpanenona.
6 또 가드에서 전쟁할 때에 그 곳에 키 큰 자 하나는 매 손과 매 발에 가락이 여섯씩 모두 스물 넷이 있는데 저도 장대한 자의 소생이라
Ary nisy ady indray tao Gata; ary tao nisy lehilahy vaventibe izay enin-drantsana, ka dia efatra amby roa-polo no isan’ ny rantsan-tànany sy ny rantsan-tongony; ary izy koa mba isan’ ny taranaky ny Refaïta.
7 저가 이스라엘을 능욕하는 고로 다윗의 형 시므아의 아들 요나단이 저를 죽이니라
Ary nony nihaika ny Isiraely izy, dia nahafaty azy Jonatana, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida.
8 가드 장대한 자의 소생이라도 다윗의 손과 그 신복의 손에 다 죽었더라
Ireo no taranaky ny Refaïta tao Gata, ka matin’ ny tànan’ i Davida sy ny tanan’ ny mpanompony ireo.

< 역대상 20 >