< 역대상 12 >

1 다윗이 기스의 아들 사울을 인하여 시글락에 숨어 있을 때에 그에게 와서 싸움을 돕는 용사 중에 든 자가 있었으니
Ary izao no nankany amin’ i Davida tany Ziklaga, fony izy mbola niery an’ i Saoly, zanak’ i Kisy; ary isan’ ny lehilahy mahery mpanampy amin’ ny ady ireo
2 저희는 활을 가지며 좌우 손을 놀려 물매도 던지며 살도 발하는 자요 베냐민 지파 사울의 동족인데 그 이름은 이러하니라
sady mpitondra tsipìka ka nahay nanavia sy nanavanana raha nitora-bato na nandefa tsipìka. Isan’ ny Benjamita, rahalahin’ i Saoly, ireo.
3 그 두목은 아히에셀이요 다음은 요아스니 기브아 사람 스마아의 두 아들이요 또 아스마웹의 아들 여시엘과 벨렛과 또 브라가와 아나돗 사람 예후와
Ny lohany dia Ahiezera sy Joasy, zanak’ i Sema Gibeatita, sy Jeziela sy Peleta zanak’ i Azmaveta, ary Beraka sy Jeho Anatotita
4 기브온 사람 곧 삼십인 중에 용사요 삼십인의 두목된 이스마야며 또 예레미야와 야하시엘과 요하난과 그데라 사람 요사밧과
ary Jismaia Gibeonita, lehilahy mahery isan’ ny telo-polo lahy sady mpifehy ny telo-polo lahy, ary Jeremia sy Jahaziela sy Johanana sy Jozababa Gaderatita
5 엘루새와 여리못과 브아랴와 스마랴와 하룹 사람 스바댜와
sy Elozay sy Jerimota ary Bealia sy Semaria sy Sefatia Harofita
6 고라 사람들 엘가나와 잇시야와 아사렐과 요에셀과 야소브암이며
sy Elkana sy Jisia sy Azarela sy Joezera ary Jasobeama Koraïta
7 그돌 사람 여로함의 아들 요엘라와 스바댜더라
ary Joela sy Zebadia, zanak’ i Jerohama avy any Gedora.
8 갓 사람 중에서 거친 땅 견고한 곳에 이르러 다윗에게 돌아온 자가 있었으니 다 용사요 싸움에 익숙하여 방패와 창을 능히 쓰는 자라 그 얼굴은 사자 같고 빠르기는 산의 사슴 같으니
Ary tamin’ ny Gadita nisy lehilahy mahery niendaka hanatona an’ i Davida ho amin’ ny fiarovana tany an-efitra, dia ny miaramila nahay niady ka nahatana ampinga lehibe sy lefona; ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’ ny liona, ary faingam-pandeha tahaka ny gazela eny an-tendrombohitra izy.
9 그 두목은 에셀이요 둘째는 오바댜요 세째는 엘리압이요
Ezera no voalohany, Obadia no faharoa, Eliaba no fahatelo,
10 네째는 미스만나요 다섯째는 예레미야요
Mismana no fahefatra, Jeremia no fahadimy,
11 여섯째는 앗대요 일곱째는 엘리엘이요
Atahy no fahenina, Eliala no fahafito,
12 여덟째는 요하난이요 아홉째는 엘사밧이요
Johanana no fahavalo, Elizabada no fahasivy,
13 열째는 예레미야요 열 한째는 막반내라
Jeremia no fahafolo, Makbanay no fahiraika ambin’ ny folo.
14 이 갓 자손이 군대 장관이 되어 그 작은 자는 일백인을 관할하고 그 큰 자는 일천인을 관할하더니
Ireo no isan’ ny taranak’ i Gada sady samy mpifehy miaramila; ny kely indrindra naharesy olona zato, ary ny lehibe indrindra naharesy arivo.
15 정월에 요단강 물이 모든 언덕에 넘칠 때에 이 무리가 강물을 건너서 골짜기에 있는 모든 자로 동서로 도망하게 하였더라
Ireo no nita an’ i Jordana tamin’ ny volana voalohany, fony iny nihoatra ny morony rehetra; ary nampandositra izay rehetra teny amin’ ny lohasaha na atsinanana na andrefana ireo.
16 베냐민과 유다 자손 중에서 견고한 곳에 이르러 다윗에게 나오매
Ary nisy tamin’ ny taranak’ i Benjamina sy Joda nankany amin’ i Davida tany amin’ ny fiarovana.
17 다윗이 나가서 맞아 저희에게 일러 가로되 만일 너희가 평화로이 와서 나를 돕고자 하면 내 마음이 너희와 연합하려니와 만일 너희가 나를 속여 내 대적에게 붙이고자 하면 내 손에 불의함이 없으니 우리 열조의 하나님이 감찰하시고 책망하시기를 원하노라 하매
Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon’ ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.
18 때에 성신이 삼십인의 두목 아마새에게 감동하시니 가로되 다윗이여 우리가 당신에게 속하겠고 이새의 아들이여 우리가 당신과 함께하리니 원컨대 평강하소서 당신도 평강하고 당신을 돕는자에게도 평강이 있을지니 이는 당신의 하나님이 당신을 도우심이니이다 한지라 다윗이 드디어 접대하여 세워 군대장관을 삼았더라
Ary Amasay, lehiben’ ny mpanafika malaza, dia nampitenenin’ ny Fanahy hoe: Anao izahay, ry Davida ô, fa miandany aminao, ry zanak’ i Jese; fiadanana, eny, fiadanana anie ho anao, ary fiadanana anie ho an’ ny manampy anao; fa Andriamanitrao no manampy anao. Dia noraisin’ i Davida ireo ka notendreny ho mpifehy ny miaramila.
19 다윗이 전에 블레셋 사람과 함께가서 사울을 치려할때에 므낫세 지파에서 두어 사람이 다윗에게 돌아왔으나 다윗 등이 블레셋 사람을 돕지 못하였음은 블레셋 사람의 방백이 서로 의논하고 보내며 이르기를 저가 그 주 사울에게로 돌아가리니 우리 머리가 위태할까하라 함이라
Ary nisy sasany tamin’ ny Manase niala hanatona an’ i Davida, raha nomba ny Filistina hiady amin’ i Saoly izy, nefa tsy nanampy azy izy; fa ireo andrianan’ ny Filistina nifampisaina, dia nampandeha azy ka nanao hoe: Ny lohantsika no ho entiny mila sitraka hiverenany amin’ i Saoly tompony.
20 다윗이 시글락으로 갈 때에 므낫세 지파에서 그에게로 돌아온 자는 아드나와 요사밧과 여디아엘과 미가엘과 요사밧과 엘리후와 실르대니 다 므낫세의 천부장이라
Raha nankany Ziklaga izy, nisy tamin’ ny Manase nanatona azy, dia Adna sy Jozabada sy Jediada sy Mikaela sy Jozabada sy Eliho ary Ziletahy, mpifehy arivo tamin’ ny Manase.
21 이 무리가 다윗을 도와 적당을 쳤으니 저희는 다 큰 용사요 군대 장관이 됨이었더라
Ary ireo dia nanampy an’ i Davida hamely ny antokon’ ny jirika; fa lehilahy mahery avokoa izy sady komandy amin’ ny miaramila.
22 그 때에 사람이 날마다 다윗에게로 돌아와서 돕고자 하매 큰 군대를 이루어 하나님의 군대와 같았더라
Fa tamin’ izany nisy nankany amin’ i Davida isan’ andro isan’ andro hanampy azy mandra-pahatongany ho toby lehibe toy ny tobin’ Andriamanitra.
23 싸움을 예비한 군대 장관들이 헤브론에 이르러 다윗에게로 나아와서 여호와의 말씀대로 사울의 나라를 저에게 돌리고자 하였으니 그 수효가 이러하였더라
Ary izao no isan’ ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’ i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’ i Saoly ho azy araka ny tenin’ i Jehovah:
24 유다 자손 중에서 방패와 창을 들고 싸움을 예비한 자가 육천 팔백명이요
Tamin’ ny taranak’ i Joda, valon-jato amby enina arivo, mpitondra ampinga lehibe sy lefona sady efa voaomana hiady.
25 시므온 자손 중에서 싸움하는 큰 용사가 칠천 일백명이요
Tamin’ ny taranak’ i Simeona, zato amby fito arivo, lehilahy mahery sady matanjaka amin’ ny ady.
26 레위 자손 중에서 사천 육백명이요
Tamin’ ny taranak’ i Levy, enin-jato amby efatra arivo.
27 아론의 집 족장 여호야다와 그와 함께한 자가 삼천 칠백명이요
Ary Joiada dia lehiben’ ny Aronita, ary nisy fiton-jato amby telo arivo teo aminy;
28 또 젊은 용사 사독과 그 족속의 장관이 이십 이명이요
ary Zadoka, zatovo mahery, sy ny fianakaviany, dia roa amby roa-polo lahy mpifehy.
29 베냐민 자손 곧 사울의 동족은 아직도 태반이나 사울의 집을 좇으나 그 중에서 나아온 자가 삼천명이요
Ary tamin’ ny taranak’ i Benjamina, havan’ i Saoly, telo arivo; fa hatramin’ izany ny ankamaroany mbola nomba ny mpianakavin’ i Saoly ihany.
30 에브라임 자손 중에서 본 족속의 유명한 큰 용사가 이만 팔백명이요
Ary tamin’ ny taranak’ i Efraima dia valon-jato amby roa alina, lehilahy mahery avokoa sady samy nalaza tamin’ ny fianakaviany avy.
31 므낫세 반 지파 중에 녹명된 자로서 와서 다윗을 세워 왕을 삼으려 하는 자가 일만 팔천명이요
Ary tamin’ ny antsasaky ny firenen’ i Manase dia valo arivo amby iray alina, izay notononina anarana ho avy hampanjaka an’ i Davida.
32 잇사갈 자손 중에서 시세를 알고 이스라엘이 마땅히 행할 것을 아는 두목이 이백명이니 저희는 그 모든 형제를 관할하는 자며
Ary tamin’ ny taranak’ Isakara dia roanjato no lohany, samy nahay namantatra tsara izay fotoana mety ka nahalala izay lokony hataon’ ny Isiraely; ary ny rahalahiny rehetra nanaraka ny teniny.
33 스불론 중에서 모든 군기를 가지고 항오를 정제히 하고 두마음을 품지 아니하고 능히 진에 나아가서 싸움을 잘하는 자가 오만명이요
Tamin’ ny Zebolona, izay azo nalefa hanafika ka nahay niady tamin’ ny fiadiana samy hafa rehetra dia dimy alina, izay nahay nilahatra tsara tamin’ ny firaisan-kina.
34 납달리 중에서 장관 일천명과 방패와 창을 가지고 함께한 자가 삼만 칠천명이요
Ary tamin’ ny Naftaly dia nisy mpifehy arivo, ary manaraka azy dia nisy fito arivo amby telo alina amin’ ampinga lehibe sy lefona.
35 단 자손 중에서 싸움을 잘하는 자가 이만 팔천 륙백명이요
Ary tamin’ ny Danita dia enin-jato amby valo arivo sy roa alina izay nahay niady.
36 아셀 중에서 능히 진에 나가서 싸움을 잘하는 자가 사만명이요
Ary tamin’ ny Asera, efatra alina izay azo nalefa hanafika sady nahay niady.
37 요단 저편 르우벤 자손과 갓 자손과 므낫세 반 지파 중에서 모든 군기를 가지고 능히 싸우는 자가 십이만 명이었더라
Ary avy tany an-dafin’ i Jordana, tamin’ ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen’ i Manase, nisy roa alina amby iray hetsy nitana fiadiana samy hafa rehetra.
38 이 모든 군사가 항오를 정제히 하고 다 성심으로 헤브론에 이르러 다윗으로 온 이스라엘 왕을 삼고자 하고 또 이스라엘의 남은 자도 다 일심으로 다윗으로 왕을 삼고자 하여
Ireo miaramila rehetra ireo, izay nahay nilahatra tsara, dia niray fo nankany Hebrona hampanjaka an’ i Davida amin’ ny Isiraely rehetra; ary ny sisa rehetra tamin’ ny Isiraely koa niray fo hampanjaka an’ i Davida.
39 무리가 거기서 다윗과 함께 사흘을 지내며 먹고 마셨으니 이는 그 형제가 이미 식물을 예비하였음이며
Ary tao amin’ i Davida hateloana izy sady nihinana sy nisotro; fa efa nanao nahandro ho azy ny rahalahiny.
40 또 근처에 있는 자로부터 잇사갈과 스불론과 납달리까지도 식물을 나귀와 약대와 노새와 소에 무수히 실어 왔으니 곧 과자와 무화과병과 건포도와 포도주와 기름이요 소와 양도 많이 가져왔으니 이스라엘 가운데 희락이 있음이었더라
Ary izay teo akaikiny koa hatramin’ ny Isakara sy ny Zebolona ary ny Naftaly dia samy nampitondra hanina samy hafa nentin’ ny boriky sy rameva sy ampondra ary omby, dia koba sy ampempan’ aviavy sy voaloboka maina sy divay sy diloilo, ary omby sy ondry aman’ osy betsaka koa; fa nisy fifaliana tamin’ ny Isiraely.

< 역대상 12 >