< ヨブ 記 17 >

1 わが氣息は已にくさり 我日すでに盡なんとし墳墓われを待つ
Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.
2 まことに嘲弄者等わが傍に在り 我目は彼らの辨爭ふを常に見ざるを得ず
Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.
3 願くは質を賜ふて汝みづから我の保證となりたまへ 誰か他にわが手をうつ者あらんや
Masìna Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?
4 汝彼らの心を閉て悟るところ無らしめたまへり 必ず彼らをして愈らしめたまはじ
Fa ny fon’ ireto dia voahidinao tsy hidiran’ ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.
5 朋友を交付して掠奪に遭しむる者は其子等の目潰るべし
Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason’ ny zanany.
6 彼われを世の民の笑柄とならしめたまふ 我は面に唾せらるべき者となれり
Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin’ ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.
7 かつまた我目は憂愁によりて昏み 肢體は凡て影のごとし
Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.
8 義しき者は之に驚き 無辜者は邪曲なる者を見て憤ほる
Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.
9 然ながら義しき者はその道を堅く持ち 手に潔淨き者はますます力を得るなり
Fa ny marina mifikitra tsara amin’ ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.
10 請ふ汝ら皆ふたたび來れ 我は汝らの中に一人も智き者あるを見ざるなり
Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.
11 わが日は已に過ぎ わが計る所わが心に冀ふ所は已に敗れたり
Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin’ ny foko indrindra;
12 彼ら夜を晝に變ふ 黒暗の前に光明ちかづく
Ny alina ataon’ ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.
13 我もし俟つところ有ば是わが家たるべき陰府なるのみ 我は黒暗にわが牀を展ぶ (Sheol h7585)
Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hita fonenako ihany; Ao amin’ ny maizina no hamelarako ny fandriako. (Sheol h7585)
14 われ朽腐に向ひては汝はわが父なりと言ひ 蛆に向ひては汝は我母わが姉妹なりと言ふ
Ny fasana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.
15 然ばわが望はいづくにかある 我望は誰かこれを見る者あらん
Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?
16 是は下りて陰府の關に到らん 之と齊しく我身は塵の中に臥靜まるべし (Sheol h7585)
Midìna any amin’ ny vavahadin’ ny fiainan-tsi-hita izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin’ ny vovoka aho. (Sheol h7585)

< ヨブ 記 17 >