< サムエル記Ⅱ 17 >

1 時にアヒトペル、アブサロムにいひけるは請ふ我に一萬二千の人を擇み出さしめよ我起て今夜ダビデの後を追ひ
Ary hoy Ahitofela tamin’ i Absaloma: Aoka aho hifantina lehilahy roa arivo amby iray alina ka hiainga hanenjika an’ i Davida anio alina;
2 彼が憊れて手弱なりし所を襲ふて彼をおびえしめん而して彼とともにをる民の逃ん時に我王一人を撃とり
ary ho tonga ao aminy aho amin’ ilay izy mbola sasatra sy reraka iny, ka dia hotairiko; dia handositra ny vahoaka rehetra izay any aminy, ary ny mpanjaka ihany no hasiako;
3 總の民を爾に歸せしむべし夫衆の歸するは爾が求むる此人に依なれば民みな平穩になるべし
dia haveriko ho etỳ aminao ny vahoaka rehetra miankina amin’ io lehilahy tadiavinareo io ny hiverenan’ ny vahoaka rehetra, ka dia hiadana ny olona rehetra.
4 此言アブサロムの目とイスラエルの總の長老の目に的當と見えたり
Ary sitrak’ i Absaloma sy ny loholon’ ny Isiraely rehetra izany.
5 アブサロムいひけるはアルキ人ホシヤイをも召きたれ我等彼が言ふ所をも聞んと
Kanefa hoy Absaloma: Mba antsoy kosa Hosay Arkita, ary aoka ho rentsika koa izay teniny.
6 ホシヤイ乃ちアブサロムに至るにアブサロムかれにかたりていひけるはアヒトペル是のごとく言り我等其言を爲べきか若し可ずば爾言ふべし
Ary nony tonga teo amin’ i Absaloma Hosay dia hoy Absaloma taminy: Izao no hevitr’ i Ahitofela; ka hanao araka ny teniny va isika? Sa ahoana kosa no hevitrao?
7 ホシヤイ、アブサロムにいひけるは此時にあたりてアヒトペルが授けし計略は善らず
Ary hoy Hosay tamin’ i Absaloma: Tsy mety ny hevitra nataon’ i Ahitofela tamin’ ity.
8 ホシヤイまたいひけるは爾の知るごとく爾の父と其從者は勇士なり且彼等は野にて其子を奪れたる熊の如く其氣激怒をれり又爾の父は戰士なれば民と共に宿らざるべし
Ary hoy kosa Hosay: Hianao mahalala ny rainao sy ny olony, fa olona mahery izy sady masiaka tahaka ny bera very anaka any an-tsaha; ary lehilahy mpiady rainao ka tsy miara-mitoetra amin’ ny vahoaka raha alina.
9 彼は今何の穴にか何の處にか匿れをる若し數人の者手始に仆なば其を聞く者は皆アブサロムに從ふ者の中に敗ありと言はん
Fa, indro, miery any an-davaka anankiray izy izao, na ao amin’ ny fitoerana hafa; ka raha misy resiny amin’ ny voalohany, izay mandre izany dia hanao hoe: Nahafatesana ny olona manaraka an’ i Absaloma,
10 しからば獅子の心のごとき心ある勇猛き夫といふとも全く挫碎ん其はイスラエル皆爾の父の勇士にして彼とともにある者の勇猛き人なるをしればなり
ary na dia izay mahery ka manana fo tahaka ny fon’ ny liona aza dia ho ketraka tokoa; fa fantatry ny Isiraely rehetra fa lehilahy mahery rainao, sady lehilahy mahery koa ireny manaraka azy ireny.
11 我は計議るイスラエルをダンよりベエルシバにいたるまで海濱の沙の多きが如くに悉く爾の處につどへ集めて爾親ら戰陣に臨むべし
Koa izao kosa no mba hevitro: Aoka hovorina ho eto aminao avokoa ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba, toy ny fasika amoron-dranomasina no hamarony; ka dia ny tenanao no hankany an-tafika.
12 我等彼の見出さるる處にて彼を襲ひ露の地に下るがごとく彼のうへに降らんしかして彼および彼とともにあるすべての人々を一人も遺さざるべし
Dia ho tonga ao aminy amin’ izay fitoerana anankiray hahitana azy isika, ka dia hilatsaka aminy toy ny filatsaky ny ando amin’ ny tany, ka tsy hasiantsika miangana na dia iray akory aza izy mbamin’ izay olona rehetra manaraka azy.
13 若し彼何かの城邑に集らばイスラエル皆繩を其城邑にかけ我等これを河に曳きたふして其處に一の小石も見えざらしむべしと
Fa raha miditra an-tanàna izy, dia hitondran’ ny Isiraely rehetra mahazaka izany tanàna izany, ka dia hotarihintsika ho any amin’ ny ony izany ambara-paha-tsy hisy na dia vato kely iray aza hita ao.
14 アブサロムとイスラエルの人々皆アルキ人ホシヤイの謀計はアヒトペルの謀計よりも善しといふ其はヱホバ、アブサロムに禍を降さんとてヱホバ、アヒトペルの善き謀計を破ることを定めたまひたればなり
Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon’ i Ahitofela ny nataon’ i Hosay Arkita. Fa efa notendren’ i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon’ i Ahitofela, hampidiran’ i Jehovah loza amin’ i Absaloma.
15 爰にホシヤイ祭司ザドクとアビヤタルにいひけるはアヒトペル、アブサロムとイスラエルの長老等のために斯々に謀れりきた我は斯々に謀れり
Dia hoy Hosay tamin’ i Zadoka sy Abiatara mpisorona: Izany ka izany no hevitra nomen’ i Ahitofela an’ i Absaloma sy ny loholon’ ny Isiraely; ary izao ka izao kosa no hevitra nomeko azy.
16 されば爾ら速に人を遣してダビデに告て今夜野の渡場に宿ることなく速に渡りゆけといへおそらくは王および倶にある民皆呑つくされん
Koa maniraha haingana izao, ary ambarao amin’ i Davida hoe: Aza mitoetra any amin’ ny fitàna any amin’ ny efitra anio alina, fa mità faingana tokoa, fandrao ho levona na ny mpanjaka na ny olona rehetra any aminy.
17 時にヨナタンとアヒマアズはエンロゲルに俟居たり是は城邑にいるを見られざらんとてなり爰に一人の仕女ゆきて彼等に告げければ彼らダビデ王に告んとて往く
Ary Jonatana sy Ahimaza nitoetra tao En-rogela; fa tsy sahy niseho tao an-tanàna izy; ary nisy ankizivavy anankiray nivoivoy nanambara taminy; dia lasa nandeha nanambara tany amin’ i Davida mpanjaka kosa izy roa lahy.
18 しかるに一人の少者かれらを見てアブザロムにつげたりされど彼等二人は急ぎさりてバホリムの或人の家にいたる其人の庭に井ありてかれら其處にくだりければ
Fa nisy zazalahy iray nahita azy ka nanambara tamin’ i Absaloma; nefa lasa faingana izy roa lahy ka tonga tao an-tranon’ olona tao Bahorima, izay nisy lavaka fantsakana tao an-tokotaniny, dia nidina tao izy roa lahy.
19 婦蓋をとりて井の口のうへに掩け其上に擣たる麥をひろげたり故に事知れざりき
Ary nalain’ ny vadin-dralehilahy ny rakotra ka narakony teo am-bavan’ ny lavaka fantsakana, ary dia nanahy koba teo amboniny izy, ka tsy nisy nahalala.
20 時にアブサロムの僕等其婦の家に來りていひけるはアヒマアズとヨナタンは何處にをるや婦かれらに彼人々は小川を濟れりといふかれら尋ねたれども見當ざればエルサレムに歸れり
Ary nony tonga tao amin-dravehivavy tao an-trano ny mpanompon’ i Absaloma, dia nanao hoe: Aiza Ahimaza sy Jonatana teto? Fa hoy ravehivavy taminy: Tafita ny renirano kely izy izay. Ary nony efa nitady azy ireo ka tsy nahita, dia niverina nankany Jerosalema.
21 彼等が去し時かの二人は井よりのぼりて往てダビデ王に告げたり即ちダビデに言けるは起て速かに水を濟れ其はアヒトベル斯爾等について謀計を爲したればなりと
Ary nony efa lasa ireo, dia niakatra avy ao amin’ ny lavaka fantsakana izy roa lahy, ka lasa nandeha izy, dia nanambara tamin’ i Davida mpanjaka hoe: Miaingà, ka mità faingana ny rano; fa izany no hevitra nataon’ i Ahitofela hamelezana anareo.
22 ダビデ起て己とともにある凡ての民とともにヨルダンを濟れり曙には一人もヨルダンを濟らざる者はなかりき
Dia niainga Davida sy ny olona nanaraka, azy, ka nita an’ i Jordana izy; ary nony maraina ny andro, dia tsy tafita an’ i Jordana na dia olona iray aza.
23 アヒトベルは其謀計の行れざるを見て其驢馬に鞍おき起て其邑に往て其家にいたり家の人に遺言して自ら縊れ死て其父の墓に葬らる
Ary nony hitan’ i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin’ ny fasan-drainy.
24 爰にダビデ、マナハイムに至る又アブサロムは己とともにあるイスラエルの凡の人々とともにヨルダンを濟れり
Ary Davida tonga tao Mahanaima. Ary Absaloma nita an’ i Jordana, dia izy sy ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely izay nanaraka azy.
25 アブサロム、アマサをヨアブの代りに軍の長と爲りアマサは夫のナハシの女にてヨアブの母ゼルヤの妹なるアビガルに通じたるイシマエル人名はヱテルといふ人の子なり
Ary Amasa no notendren’ i Absaloma ho komandin’ ny miaramilany ho solon’ i Joaba; ary Amasa dia zanak’ ilay Isiraelita atao hoe Jitra, ilay nandry tamin’ i Abigaila, zanakavavin’ i Nahasy sady rahavavin’ i Zeroia, renin’ i Joaba.
26 かくてイスラエルとアブサロムはギレアデの地に陣どれり
Ary ny Isiraely sy ny Absaloma nitoby tany amin’ ny tany Gileada.
27 ダビデ、マハナイムにいたれる時アンモンの子孫の中なるラバのナハシの子シヨビとロデバルのアンミエルの子マキルおよびロゲリムのギレアデ人バルジライ
Ary nony tonga tao Mahanaima Davida, dia, indreo, tamy Soby, zanak’ i Amona, sy Makira, zanak’ i Amiela, avy any Lo-debara, ary Barzilay Gileadita, avy any Rogelima,
28 臥床と鍋釜と陶器と小麥と大麥と粉と烘麥と豆と小豆の烘たる者と
Avy mitondra fandriana sy bakoly sy vilany tany sy vary hordea sy koba sy lango sy tsaramaso sy voanemba ary voanemba voaendy
29 蜜と牛酪と羊と犢をダビデおよび倶にある民の食ふために持來れり其は彼等民は野にて饑憊れ渇くならんと謂たればなり
sy tantely sy rononomandry sy ondry ary zanak’ omby ho an’ i Davida sy ny olona nanaraka azy; fa hoy izy: Noana sy sasatra ary mangetaheta atỳ an-efitra ny vahoaka.

< サムエル記Ⅱ 17 >