< Iosua 13 >

1 A ELEMAKULE o Iosua, a nui no hoi kona mau makahiki. Olelo aku la o Iehova ia ia, Ua elemakule oe, a nui kou mau makahiki, a nui no hoi ka aina i koe iho aole i komo.
Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
2 Eia ka aina i koe, o na wahi a pau o ka poe Pilisetia, a o Gesura a pau,
Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an’ ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,
3 Mai Sihona mai aia imua o Aigupita a hiki i ka palena o Ekerona ma ka akau ae, ua heluia no ka poe Kanaana; elima haku o ka poe Pilisetia; ka poe Gaza, a me ka poe Asedoda, a me ka poe Esekalona, a me ka poe Gata, a me ka poe Ekerona; a o ka poe Avita kekahi.
hatrany Sihora, izay atsinanan’ i Egypta, ka hatramin’ ny fari-tanin’ i Elzrona eo avaratra, izay atao ho an’ ny Kananita, ireo andriana dimy amin’ ny Filistina dia ny Gazita sy ny Asdodita sy ny Askelonita sy ny Gatita sy ny Ekronita ary ny Avita
4 Mai ke kukuluhema mai o ka aina a pau a ka poe Kanaana, a me ka Meara, kahi e pili ana i ko Sidona poe a hiki i Apeka i ka palena o ka Amora.
any atsimo, dia ny tanin’ ny Kananita rehetra sy Meara, izay an’ ny Sidoniana, hatrany Afeka ka hatramin’ ny fari-tanin’ ny Amorita,
5 O ka aina o ka poe Gibeli, a o Lebanona a pau loa ma ka hikina a ka la, mai Baalagada aku malalo ae o ka mauna o Heremona a hiki i kahi e komo ai iloko o Hamata.
ary ny tanin’ ny Gebalita sy Libanona rehetra any atsinanana, hatrany Bala-gada eo am-bodin’ ny tendrombohitra Hermona ka hatrany akaikin’ i Hamata,
6 A o ka poe noho ma ka mauna, mai Lebanona mai a hiki i Miserepotemaima, a me ko Sidona a pau, o lakou, ka'u e kipaku aku auanei mai ka Iseraela aku: aka, e puunaue oe ia mea ma ka hailona no ka poe mamo a Iseraela i wahi e noho ai, me au i kauoha aku ai ia oe.
ary ny mponina rehetra any amin’ ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-mamia, dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin’ ny filokana ho lovan’ ny Zanak’ Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.
7 Ano e puunaue oe i keia aina i noho ana no na ohana eiwa, a me ka ohana hapa a Manase.
Ary ankehitriny zarao izao tany izao ho lovan’ ny firenena sivy sy ny antsasaky ny firenen’ i Manase.
8 Malaila i loaa'i ka Reubena a me ka Gada, ko lakou wahi e noho ai, kahi a Mose i haawi aku ai ia lakou ma kela kapa o Ioredane ma ka hikina, e like me ka Mose, ke kauwa a Iehova i haawi aku ai ia lakou;
Ary niaraka tamin’ ireo koa no nahazoan’ ny Robenita sy ny Gadita ny lovany, dia ilay nomen’ i Mosesy azy any an-dafy atsinanan’ i Jordana, araka izay nomen’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, azy,
9 Mai Aroera mai ma ke kapa o ka muliwai o Arenona, a me ke kulanakauhale aia ma ka muliwai, a me ke awawa a pau o Medeba a hiki i Dibona;
dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba ka hatrany Dibona,
10 O na kulanakauhale a pau o Sihona, ke alii o ka poe Amora, ka mea i alii ai ma Hesebona a hiki i ka palena o na keiki a Amona;
ary ny tanàna rehetra izay an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona, hatramin’ ny faritanin’ ny taranak’ i Amona,
11 A me Gileada, a me ka palena o ka poe Gesura, a me ka poe Maakati, a o ka mauna a pau o Heremona, a me Basana a pau a hiki i Saleka;
ary Gileada sy ny tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita sy ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Saleka,
12 A me ke aupuni a pau o Oga, ma Basana, ka mea i alii ai ma Asetarota a me Ederei, oia ka mea i koe iho no ka poe Repaima; o ka poe a Mose i pepehi ai, a i kipaku aku no hoi.
dia ny fanjakana rehetra an’ i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin’ ny Refaïta); fa resin’ i Mosesy ireny ka noroahiny.
13 Aka, aole i kipakuia ka poe Gesuri, a me ka poe Maakati e ka Iseraela; aka, noho pu no ka poe Gesuri, a me ka poe Maakati me ka Iseraela a hiki i keia la.
Kanefa tsy mba noroahin’ ny Zanak’ Isiraely ny Gesorita sy ny Makatita; fa mitoetra eo amin’ ny Zanak’ Isiraely mandraka androany ny Gesorita sy ny Makatita.
14 Aole i haawiia mai ka ainahooili no ka Levi; o na mohai o Iehova, ke Akua o ka Iseraela, oia ko lakou ainahooili, e like me ia i olelo mai ai.
Ny firenen’ i Levy ihany no tsy nomeny lova; ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany araka izay nolazainy taminy.
15 Haawi o Mose no ka ohana a Reubena e like me ko lakou mau hale.
Ary nomen’ i Mosesy lova ny firenena taranak’ i Robena araka ny fokony
16 Aia ko lakou palena mai o Aroera mai, ma ke kapa o ka muliwai o Arenona, a me ko kulanakauhale ma ua muliwai la, a me ka papu a pau ma Medeba.
Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
17 O Hesebona, a me na kulanakauhale ona a pau ma ka papu; o Dibona, a me Bamota Baala, a me Betabaalameona,
dia Hesbona sy ny tanànany rehetra, izay eo amin’ ny tany lemaka, sy Dibona sy Bamotabala sy Beti-bala-meona
18 A me Iahasa a me Kedemota, a me Mepaata,
sy Jahaza sy Kedemota sy Mefata
19 A me Kireataima, a me Sibema, a me Zeretasahara ma ka mauna no ka papu,
sy Kiria-taima sy Sibma sy Zareta-sahara amin’ ny tendrombohitra ao an-dohasaha,
20 A me Betepeora a me Asedota-pesega, a me Beteiesimota,
sy Beti-peora sy ny ao am-bodin’ i Pisga ary Beti-jesimota
21 A me na kulanakauhale a pau o ka papu a me ke aupuni a pau o Sihona ke alii o ka Amora, ka mea i alii ai ma Hesebona, ka mea a Mose i pepehi ai me na kaukaualii hoi o Midiana. Oia o Eli a me Rekema a me Gura a me Hura a me Reba, oia na makualii o Sihona e noho ana ma ka aina.
ary ny tanàna rehetra any amin’ ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nanjaka tany Hesbona fa resin’ i Mosesy izy sy ireo andrianan’ ny Midianita, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba, andriana izay nanoa an’ i Sihona ka nitoetra teo amin’ ny tany.
22 O Balaama ke kilo ke keiki a Beora, oia kekahi i pepehiia e ka Iseraela me ka pahikaua, iwaena o ka poe i pepehiia e lakou.
Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak’ i Beora, dia novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra niaraka tamin’ izay novonoiny.
23 A o ka palena o ka Reubena o Ioredane no ia, a me kona palena. Oia ka aina hooilina o ka Renbena ma ko lakou mau hale, o na kulanakauhale a me na kauhale olaila,
Ary ny fari-tanin’ ny taranak’ i Robena dia ny amoron’ i Jordana. Izay no lovan’ ny taranak’ i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
24 Puunaue ae la o Mose no ka ohana a Gada, no na mamo a Gada mamuli o ko lakou poe ohua.
Ary nomen’ i Mosesy koa ny firenen’ i Gada, dia ny taranak’ i Gada araka ny fokony.
25 Aia no ia lakou ka palena o Iazera, a me na kulanakauhale a pau o Gileada, a me ka hapalua o ka aina o ka poe mamo a Amona a hiki i Aroera aia imua o Raba.
Ary ny faritaniny dia Jazera sy ny tanàna rehetra any Gileada ary ny antsasaky ny tanin’ ny taranak’ i Amona, hatrany Aroera, izay tandrifin’ i Raba,
26 A mai Hesebona a hiki ia Ramotamizepa, a me Betonima; a mai Mahanaima a hiki i ka mokuna o Debira.
ary hatrany Hesbona ka hatrany Ramatamizpa sy Betonima ary hatrany Mahanaima ka hatramin’ ny faritanin’ i Debira;
27 Ma ke awawa o Betearama a me Betenimera a me Sukota, a me Zapora, ke koena o ko aupuni o Sihona, ke alii o Hesebona, o Ioredane a me kona palena a hiki i kahakai o Kinerota ma kela kapa o Ioredane ma ka hikina.
ary teo amin’ ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin’ ny fanjakan’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona, sy ny amoron’ i Jordana hatramin’ ny amoron’ ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan’ i Jordana.
28 Oia ka hooilina a ka poe mamo a Gada ma ko lakou poe ohua, o na kulanakauhale, a me na kauhale olaila.
Izany no lovan’ ny taranak’ i Gada araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
29 A puunaue ae la o Mose na ka ohana hapa a Manase: eia ka hooilina na ka poe keiki a Manase ma ko lakou mau ohua.
Ary nomen’ i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen’ i Manase; ary izao no an’ ny antsasaky ny firenena taranak’ i Manase araka ny fokony:
30 Aia ko lakou palena mai Mahanaima ae o Basana a pau, o ke aupuni a pau o Oga, ke alii o Basana, a me na kauhale a pau o Iaira, aia no ma Basana kanaono kauhale:
Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an’ i Jaïra, izay any Basana, dia tanàna enim-polo.
31 A o ka hapa o Gileada a me Asetarota, a me Ederei, na kulanakauhale o ke aupuni o Oga ma Basana, oia na ka poe mamo a Makira ke keiki a Manase, na ka ohana hapa no a Makira ma ko lakou mau ohua.
Ary ny antsasak’ i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin’ ny fanjakan’ i Oga any Basana, dia an’ ny taranak’ i Makira, zanak’ i Manase, dia ho an’ ny antsasaky ny taranak’ i Makira araka ny fokony.
32 Oia ka Mose i puunaue ai i ainahooili ma ka papu o Moaba ma kela kapa o Ioredane, ma ka hikina o Ioriko.
Ireo no voazaran’ i Mosesy ho lova tany Arbota-moaba an-dafy atsinanan’ i Jordana tandrifin’ i Jeriko.
33 Aka, aole i haawi o Mose i ainahooili na ka Levi. O Iehova ke Akua o ka Iseraela, oia ko lakou ainahooili, e like me ka mea ana i olelo mai ai ia lakou.
Ary ny firenen’ i Levy tsy mba nomen’ i Mosesy lova; fa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no lovany, araka izay efa nolazainy taminy.

< Iosua 13 >