< Yoshuwa 11 >

1 Sa’ad da Yabin sarkin Hazor ya ji wannan, sai ya aika saƙo zuwa wurin Yobab sarkin Madon, da sarkin Shimron, da Akshaf,
Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan’ i Hazora, dia naniraka tany amin’ i Jobaba, mpanjakan’ i Madona, sy ny mpanjakan’ i Simrona sy ny mpanjakan’ i Aksafa,
2 ya kuma aika zuwa ga sarakunan arewa waɗanda suke kan tuddai da kuma waɗanda suke cikin Araba a kudancin Kinneret da cikin filayen kwari, da cikin Nafot Dor a yamma;
ary ireo mpanjaka tany amin’ ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin’ ny tani-hay atsimon’ i Kinerota sy tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin’ ny havoan’ i Dora andrefana,
3 ya kuma aika zuwa ga Kan’aniyawa a gabas da yamma; da kuma zuwa ga Amoriyawa, Hittiyawa da Ferizziyawa, da Yebusiyawa da suke kan tuddai; da kuma Hiwiyawa masu zama a gindin dutsen Hermon a yankin Mizfa.
dia tamin’ ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin’ ny tany havoana, ary tamin’ ny Hivita tany am-bodin’ i Hermona, tany amin’ ny tany Mizpa.
4 Suka fito da dukan rundunansu da keken yaƙi masu yawan gaske, babbar runduna, yawansu ya yi kamar yashin bakin teku.
Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
5 Duk sarakunan nan suka haɗa mayaƙansu tare, suka kafa sansani a bakin Ruwayen Meron don su yi yaƙi da Isra’ilawa.
Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin’ ny Isiraely ka nitoby teo anilan’ ny rano Meroma.
6 Ubangiji ya ce wa Yoshuwa, “Kada ka ji tsoronsu, domin war haka gobe zan ba da dukansu a hannun Isra’ilawa, za su kuwa karkashe su. Za ku gurgunta dawakansu, ku kuma ƙone keken yaƙinsu.”
Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan’ ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin’ ny afo ny kalesiny.
7 Sai Yoshuwa da dukan mayaƙan suka auka musu a bakin Ruwayen Meron.
Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron’ ny rano Meroma, dia namely azy.
8 Ubangiji kuwa ya ba Isra’ilawa nasara a kan su, suka ci su da yaƙi, suka fafare su har zuwa Sidon Babba, zuwa Misrefot Mayim, har zuwa Kwarin Mizfa a gabas, ba wanda suka bari da rai.
Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin’ ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
9 Yoshuwa ya yi musu yadda Ubangiji ya umarta, ya gurgunta dawakansu, ya kuma ƙone keken yaƙinsu.
Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy: ny soavalin’ ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin’ ny afo.
10 A lokacin nan Yoshuwa ya koma da baya ya ci Hazor da yaƙi, ya kuma kashe sarkinta da takobi. (Hazor ce babbar masarautan ƙasashen nan.)
Ary tamin’ izany dia niverina Josoa ka nahafaka an’ i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin’ ny sabatra, satria Hazora no lohan’ ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
11 Suka karkashe duk mazaunan ƙasar da takobi, ba su bar wani mai numfashi ba, suka kuma ƙona Hazor.
Ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin’ ny afo.
12 Yoshuwa ya ƙwace masarautun nan duka ya kuma kashe sarakunansu da takobi, ya hallakar da su ƙaƙaf kamar yadda Musa bawan Ubangiji ya umarta.
Ary ny tanàna rehetra izay an’ ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon’ i Josoa ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah.
13 Duk da haka Isra’ilawa ba su ƙone biranen da suke kan tuddai ba, sai Hazor kaɗai Yoshuwa ya ƙone.
Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran’ ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran’ i Josoa.
14 Isra’ilawa suka kwashi ganima da dabbobi na waɗannan birane, amma suka karkashe mutanen duka da takobi, ba su bar wani mai numfashi ba.
Ary ny fananana rehetra tao amin’ ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain’ ny Zanak’ Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
15 Yadda Ubangiji ya umarci bawansa Musa, haka Musa ya umarci Yoshuwa, shi kuwa ya yi duk abin da Ubangiji ya umarci Musa.
Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy mpanompony no nandidian’ i Mosesy an’ i Josoa; ka dia izany no nataon’ i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
16 Saboda haka Yoshuwa ya cinye ƙasar duka da yaƙi, dukan Negeb, duka yankin Goshen, filayen kwari na yamma, Araba da tuddai na Isra’ila da kwarinta.
Dia lasan’ i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan’ ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa,
17 Daga Dutsen Halak wanda ya miƙe zuwa wajajen Seyir, zuwa Ba’al-Gad a Kwarin Lebanon ƙasa da Dutsen Hermon. Ya kama sarakunansu ya karkashe su.
hatramin’ ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seïra, ka hatrany Bala-gada eo amin’ ny lohasahan’ i Libanona am-bodin’ ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
18 Yoshuwa ya daɗe yana yaƙi da dukan waɗannan sarakuna.
Ela no niadian’ i Josoa tamin’ ireny mpanjaka rehetra ireny.
19 Sai Hiwiyawa kaɗai waɗanda suke zama a Gibeyon, sauran ba ko birni ɗaya da ta yi yarjejjeniya ta salama da Isra’ilawa, Isra’ilawa kuwa suka ci dukansu da yaƙi.
Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin’ ny ady avokoa izy rehetra.
20 Gama Ubangiji ne ya taurare zukatansu waɗannan sarakuna suka yi yaƙi da Isra’ilawa don yă hallaka su gaba ɗaya, yă gamar da su ba jinƙai, yadda Ubangiji ya umarci Musa.
Fa avy tamin’ i Jehovah no nanamafian’ ireo ny fony hiady amin’ ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
21 A lokacin nan Yoshuwa ya je ya hallaka Anakawa daga ƙasar tudu. Daga Hebron, Debir da Anab. Daga dukan ƙasar tuddai na Yahuda, da kuma dukan ƙasar tudu ta Isra’ila, Yoshuwa ya hallaka su duka da garuruwansu.
Dia nandeha tamin’ izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin’ ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin’ ny tany havoan’ i Joda rehetra, ary tany amin’ ny tany havoan’ Isiraely rehetra: naringan’ i Josoa avokoa izy sy ny tanànany.
22 Ba a bar waɗansu Anakawa a harabar Isra’ila ba; sai dai a Gaza, Gat da Ashdod ne aka samu waɗanda suka ragu da rai.
Tsy nisy sisa tany amin’ ny tanin’ ny Zanak’ Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.
23 Yoshuwa kuwa ya ƙwace dukan ƙasar yadda Ubangiji ya umarci Musa, ya ba da ita ta zama ƙasar gādo ga Isra’ilawa, kabila-kabila. Ta haka ƙasar ta huta daga yaƙi.
Dia lasan’ i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy; ary nomen’ i Josoa ho lovan’ ny Isiraely izany, araka ny fizaran’ ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.

< Yoshuwa 11 >