< 1 Chronik 4 >

1 Judas Söhne sind Peres, Chesron, Karmi, Chur und Sobal.
Ny zanakalahin’ i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala.
2 Sobals Sohn Reaja zeugte Jachat und Jachat den Achumai und den Lahad. Dies sind die Geschlechter der Soratiter.
Ary Reaia, zanakalahin’ i Sobala, niteraka an’ i Jahata; ary Jahata niteraka an’ i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon’ ny Zoraïta.
3 Diese haben Etam zum Vater: Jezreel, Sima und Idbas. Ihre Schwester heißt Haslelponi.
Ary izao no avy amin’ ny rain’ i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran’ ny anabaviny,
4 Ferner Penuel, Gedors Vater, und Husas Vater Ezer. Dies sind die Söhne Churs, des Erstgeborenen Ephrats, des Vaters von Bethlehem.
ary Penoela, rain’ i Gedora, sy Ezera, rain’ i Hosa. Ireo no zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata, razamben’ ny any Betlehema.
5 Tekoas Vater Aschur hatte zwei Weiber, Chela und Naara.
Ary Asora, razamben’ ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara.
6 Naara gebar ihm Achuzam, Chepher, Temni und die Achastariter. Dies sind Naaras Söhne.
Ary Nara niteraka an’ i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin’ i Nara.
7 Der Chela Söhne sind Seret, Ischar und Etnan.
Ary ny zanakalahin’ i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana.
8 Kos zeugte Anub und Sobeba sowie die Sippen des Acharchel, des Harumsohnes.
Ary Hakoza niteraka an’ i Anoba sy Zobeba ary ny fokon’ i Aharela, zanakalahin’ i Haroma.
9 Jabes aber war vornehmer als seine Brüder. Seine Mutter hatte ihn Jabes genannt; sie sprach: "Ich habe ihn ja mit Schmerzen geboren."
Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy.
10 Und Jabes rief zu Israels Gott: "Daß Du mich segnest und mein Gebiet vergrößerst und daß Deine Hand mit mir sei und Du Unheil ablenkest, auf daß ich keinen Verdruß habe!" Und Gott erfüllte das, worum er bat.
Ary Jabeza niantso an’ Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin’ ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen’ Andriamanitra azy ny nangatahiny.
11 Suchas Bruder Kelub zeugte Mechir. Das ist der Vater von Eston.
Ary Keloba, rahalahin’ i Soha, niteraka an’ i Mehira, rain’ i Estona;
12 Eston zeugte Bet Rapha, Paseach und Techinna, den Vater der Stadt Nachas. Dies sind die Männer von Reka.
ary Estona niteraka an’ i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain’ Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka.
13 Des Kenat Söhne sind Otniel und Seraja. Otniels Söhne sind: Chatat.
Ary ny zanakalahin’ i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin’ i Otniela dia Hatata.
14 Meonotai zeugte Ophra, und Seraja den Joabs den Vater des Tales der Zimmerer. Denn sie waren Zimmerleute.
Ary Meonotahy niteraka an’ i Ofra; ary Seraia niteraka an’ i Joaba, razamben’ ny ao an-dohasahan’ ny mpiasa; fa mpiasa ireo.
15 Des Jephunnesohnes Kaleb Söhne sind Ir, Ela und Naam, und der Sohn des Ela ist Kenaz.
Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, zanakalahin’ i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin’ i Elaha dia Kenaza.
16 Des Jehallel Söhne sind Ziph, Zipha, Tirja und Asarel.
Ary ny zanakalahin’ i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela.
17 Ezras Sohn ist Jeter; Mered aber heiratete Jalon. Und sie gebar Mirjam, Sammai und Isbach, des Estemoa Vater.
Ary ny zanakalahin’ i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an’ i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben’ ny any Estemoa.
18 Sein jüdisches Weib aber hat Jered, den Vater Gedors, geboren, ferner Cheber, Sokos Vater, und Jekutiel, den Vater von Zanoach. Dies sind die Söhne der wirklichen Pharaotochter, die Mered geheiratet hat.
Ary Jehodia vadiny niteraka an’ i Jareda, razamben’ ny any Gedora, sy Hebera, razamben’ ny any Soko, ary Jakotiela, razamben’ ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin’ i Bitia, zanakavavin’ i Farao, izay novadin’ i Mareda.
19 Die Söhne der Schwester Rachams und der Frau des Hodia sind der Garmiter, Kegilas Vater, und der Maakatiter Estemoa.
Ary ny zanakalahin’ i Hodia vadiny, izay anabavin’ i Nahama, dia ny razamben’ ny an’ i Keila Garmita sy Estemoa Makatita.
20 Simons Söhne sind Ammon, Rinna, Ben Chanan und Tilon. Iseis Söhne sind: Zochet und des Zochet Sohn.
Ary ny zanakalahin’ i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta.
21 Des Judasohnes Sela Söhne sind Er, der Vater von Leka, und Lada, der Vater von Maresa, sowie die Sippen des Hauses der Baumwollarbeiter zu Bet Asbe,
Ary ny zanakalahin’ i Sela, zanak’ i Joda, dia Era, rain’ i Leka, sy Lada, rain’ i Maresa, sy ny fokon’ ny mpanao rongony fotsy madinika amin’ ny ankohonan’ i Asbea;
22 ferner Jokim und die Männer von Kozeba, sowie Joas und Saraph, die Moab erobert haben, und Jasubi Lechem. Die Geschichten aber sind alt.
ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany.
23 Dies sind die Töpfer und Bewohner von Netaim und Gedera. Sie haben dort beim König in seinem Dienste gewohnt.
Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin’ ny mpanjaka hanao ny asany.
24 Simeons Söhne sind Nemuel und Jamin, Jarib, Zerach und Saul,
Ny zanakalahin’ i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly,
25 dessen Sohn war Sallum, dessen Sohn Mibsam und dessen Sohn Misma.
dia Saloma no zanakalahin’ i Saoly, Mibsama no zanakalahin’ i Saloma, Misma no zanakalahin’ i Mibsama.
26 Mismas Söhne sind: sein Sohn Chammuel, dessen Sohn Zakkur und dessen Sohn Simei.
Ary ny zanakalahin’ i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin’ i Hamoela, Simey no zanakalahin’ i Zakora.
27 Simei aber besaß sechzehn Söhne und sechs Töchter. Seine Brüder aber hatten nicht viele Söhne. Und ihre ganze Sippe mehrte sich nicht so, daß sie den Judäern gleichgekommen wäre.
Ary Simey nanan-janaka enina ambin’ ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak’ i Joda ny fokony rehetra.
28 Sie wohnten in Beerseba, Molada, Chasar Sual,
Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala
29 in Bilha, Esem, Tolad,
sy Bila sy Ezema sy Tolada
30 in Betuel, Chorma, Siklag,
sy Betoela sy Horma sy Ziklaga
31 in Bet Markabot, Chasar Susim, in Bet Biri und Saarim. Dies waren ihre Städte, bis David König ward.
sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan’ i Davida.
32 Ihre Dörfer waren Etam, Ajin, Rimmon, Token und Asan, fünf Städte.
Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo,
33 Dazu all ihre Dörfer rings um diese Städte bis nach Baal hin. Dies waren ihre Wohnsitze. Sie hatten auch ihre eigene Sippenliste.
ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy.
34 Ferner: Mesobab, Jamlek und des Amasja Sohn Josab.
Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak’ i Amazia,
35 Joel, Jehu, des Josibja Sohn und Enkel des Asielsohnes Seraja,
ary Joela sy Jeho, zanak’ i Josibia, zanak’ i Seraia, zanak’ i Asiela,
36 und Eljoënai, Jaakoba, Jesochaja, Asaja, Adiel, Jesimiel, Benaja
ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia
37 und Ziza, Siphis Sohn, Allons Enkel und Urenkel des Jedaja, des Sohnes des Simri und Enkels des Semaja.
sy Ziza, zanak’ i Sify, zanak’ i Alona, zanak’ i Jedaia, zanak’ i Simry, zanak’ i Semaia;
38 Diese mit Namen Aufgeführten sind in ihren Sippen Fürsten, und das Haus ihrer Väter ist weit verbreitet.
ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin’ ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany.
39 Sie zogen vom Zugange nach Gedor, bis östlich vom Tal, um für ihre Herden Weiden zu suchen.
Ary nankany amin’ ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin’ ny ilany atsinanana amin’ ny lohasaha, hitady ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny.
40 Sie fanden auch eine fette und gute Weide. Das Land war geräumig, ruhig und friedlich; denn die früheren Bewohner gehörten zu Cham.
Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak’ i Hama no nonina tany taloha.
41 Diese namentlich Aufgeführten kamen in den Tagen des Judakönigs Ezechias und schlugen Chams Gezelte und die der Mëuniter, die dort waren, und rotteten sie aus bis auf den heutigen Tag. Dann wohnten sie dort an ihrer Stelle. Denn dort war für ihre Herden Weide.
Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin’ ny andron’ i Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an’ ny ondriny aman’ osiny tany.
42 Ein Teil davon aber, von Simeons Söhnen, zog auf das Gebirge Sëir, fünfhundert Mann. An ihrer Spitze Pelatja, Nearja, Rephaja und Uziel, Iseis Söhne.
Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin’ ny taranak’ i Simeona nankany amin’ ny tendrombohitra Seïra ka nanana an’ i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin’ i Jisy, ho mpifehy azy.
43 Sie schlugen Amaleks letzten Rest und wohnten dort bis auf diesen Tag.
Ary namely ny sisa afaka tamin’ ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany.

< 1 Chronik 4 >