< Exode 34 >

1 Et l'Éternel dit à Moïse: Taille-toi deux tables de pierre comme les premières; et j'écrirai sur les tables les paroles qui se trouvaient sur les premières tables que tu as brisées.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manamboara ho anao vato fisaka roa tahaka ilay teo, dia hosoratako amin’ ireo vato fisaka ireo ny teny izay tamin’ ilay vato fisaka teo, izay novakivakinao;
2 Et tiens-toi prêt dès le matin et monte le matin à la montagne de Sinaï, et t'y présente à moi sur le sommet de la montagne.
ary aoka hivonona ianao mandra-pahamaraina; dia miakara raha maraina ho ao amin’ ny tendrombohitra Sinay, ka mitsangana eo anatrehako ao an-tampon’ ny tendrombohitra.
3 Et que personne ne monte avec toi, et que personne ne se montre sur toute la montagne, et que ni menu ni gros bétail ne pâture du côté de cette montagne-là.
Ary aoka tsy hisy olona hiakatra afa-tsy ianao, ary aoka tsy hisy olona ho hita eny amin’ ny tendrombohitra Sinay rehetra; ary ny ondry aman’ osy koa sy ny omby dia aoka tsy hisy handrasana eny akaikin’ izany tendrombohitra izany
4 Alors Moïse tailla deux tables de pierre comme les premières, et il se leva le matin et monta à la montagne de Sinaï selon l'ordre qu'il avait reçu de l'Éternel, et il prit dans sa main les deux tables de pierre.
Dia nanamboatra vato fisaka roa tahaka ilay teo Mosesy, ary nifoha maraina koa izy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Sinay, araka izay nandidian’ i Jehovah azy; ary nentiny teny an-tànany ny vato fisaka roa.
5 Alors l'Éternel descendit dans la nue et s'y rencontra avec lui, et Il prononça le nom de l'Éternel.
Ary Jehovah nidina tao anatin’ ny rahona ka nijanona teo aminy, dia nanonona ny anaran’ i Jehovah.
6 Et l'Éternel passa devant lui et proclama « l'Éternel, l'Éternel, Dieu miséricordieux et clément, patient, et riche en amour et en fidélité,
Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
7 qui conserve son amour jusqu'à la millième génération, qui pardonne l'iniquité, la désobéissance et le péché, mais qui ne laisse pas toujours impuni, faisant tomber la peine des pères sur les enfants et les enfants des enfants jusqu'à la troisième et à la quatrième génération. »
mitahiry famindram-po ho an’ ny olona arivo mandimby, mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana, kanefa tsy mety manamarina ny meloka, fa mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka sy ny zafy hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika.
8 Alors Moïse aussitôt se prosterna contre terre et adora
Ary Mosesy dia niondrika faingana tamin’ ny tany ka niankohoka;
9 et il dit: Si j'ai pu trouver grâce à tes yeux, Seigneur, que le Seigneur passe au milieu de nous, puisque c'est un peuple au col roide, et pardonne notre égarement et notre péché, et fais de nous ta propriété.
dia hoy izy: Tompo ô, raha mba mahita fitia eo imasonao aho, aoka Hianao, Tompo ô, handeha ao afovoanay (fa firenena mafy hatoka izy), ka mamelà ny helokay sy ny fahotanay ary raiso ho lovanao izahay.
10 Et Il dit: Voici, je conclus une alliance; devant tout ton peuple je veux opérer des miracles tels qu'il n'en a point été produit en aucun pays et chez aucune nation, et tout le peuple, au sein duquel tu es, verra l'œuvre de l'Éternel; car ce que je vais faire avec toi sera terrible.
Ary hoy Izy: Indro, manao fanekena Aho, ka eo anatrehan’ ny olonao rehetra no hanaovako zava-mahagaga, izay tsy mbola nisy natao tany amin’ ny tany rehetra sy tany amin’ ny firenena rehetra; ary ny olona rehetra izay itoeranao dia hahita ny asan’ i Jehovah, fa mahatahotra izay zavatra efa hataoko amin’ ny fiombako anao.
11 Prends garde à ce que je te commande aujourd'hui! Voici, je chasserai devant toi les Amoréens et les Cananéens et les Héthiens et les Phérisiens et les Hévites et les Jébusites.
Tandremo izay andidiako anao anio; indro, efa horoahiko hiala eo anatrehanao ny Amorita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
12 Garde-toi d'accorder une alliance aux habitants du pays où tu entreras, de peur d'avoir en eux un piège parmi vous;
Koa mitandrema, fandrao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany izay halehanao ianao, ka ho fandrika eo afovoanao izany.
13 vous détruirez au contraire leurs autels et briserez leurs statues, et arracherez leurs Aschères,
Fa ravao ny alitarany, ary torotoroy ny tsangam-baton-tsampiny, ary jinjao ny Aserahany.
14 car tu n'adoreras aucun autre Dieu; car l'Éternel, dont le nom est le Jaloux, est un Dieu jaloux;
Fa tsy hiankohoka eo anatrehan’ izay andriamani-kafa ianao; fa Jehovah, dia saro-piaro no anarany, satria Andriamanitra saro-piaro Izy,
15 garde-toi d'accorder une alliance aux habitants du pays, de peur que, lorsqu'ils se prostituent à la suite de leurs dieux et font des sacrifices à leurs dieux, ils ne t'invitent et que tu ne manges de leurs victimes,
fandrao ianao hanao fanekena amin’ ny mponina eo amin’ ny tany, ka hijangajanga hanaraka ny andriamaniny sy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ ny andriamaniny izy, ary hasainy ianao ka hihinana amin’ ny fanatiny;
16 et que tu ne maries tes fils parmi leurs filles, et que leurs filles, se prostituant à la suite de leurs dieux, n'entraînent tes fils à se prostituer à la suite de leurs dieux.
ary andrao koa haka amin’ ny zananivavy ho vadin’ ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny.
17 Tu ne te feras point de dieu de fonte.
Aza manao andriamanitra an-idina ho anao.
18 Tu observeras la fête des azymes; sept jours tu mangeras des azymes, comme je te l'ai prescrit, à l'époque du mois des épis; car c'est dans le mois des épis que tu es sorti d'Egypte.
Tandremo ny andro firavoravoana, dia ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira. Hafitoana no hihinananao ny mofo tsy misy masirasira, araka izay nandidiako anao, amin’ ny fotoan’ andro amin’ ny volana Abiba, fa tamin’ ny volana Abiba no nivoahanao avy tany Egypta.
19 Toutes les prémices de la maternité m'appartiennent, ainsi que dans tous tes troupeaux tout mâle premier-né du gros et du menu bétail.
Izay voalohan-teraka rehetra no Ahy, dia ny lahy amin’ ny voalohan-teraky ny bibinao, na omby na ondry aman’ osy;
20 Mais le premier-né de l'âne tu le rachèteras au moyen d'un mouton; et si tu ne le rachètes pas, tu l'assommeras. Tu rachèteras tout premier-né de tes fils, et l'on ne se présentera pas devant moi les mains vides.
fa ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia hosoloanao zanak’ ondry; ary raha tsy hanolo azy ianao, dia hofolahinao ny vozony; ary ny lahimatoa rehetra amin’ ny zanakao dia havotanao. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehako.
21 Six jours tu travailleras, mais tu chômeras le septième jour, même pendant les semailles et la moisson tu le chômeras.
Henemana no hiasanao, fa amin’ ny andro fahafito dia hitsahatra ianao: na dia amin’ ny taom-pamafazana sy amin’ ny taom-pijinjana aza dia hitsahatra ihany ianao.
22 Tu feras la fête des Semaines en offrant les prémices du froment moissonné, et la fête de la rentrée des récoltes l'année étant révolue.
Ary tandremo ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro amin’ ny fanaterana ny voaloham-bokatra, raha mijinja ny vary tritika, sy ny andro firavoravoana amin’ ny fanangonana amin’ ny fitsingerenan’ ny taona.
23 Trois fois par an tous tes mâles se présenteront devant le Seigneur, l'Éternel, Dieu d'Israël.
Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny Isiraely.
24 Car je chasserai les nations devant toi et étendrai tes frontières, et personne ne convoitera ton pays, lorsque trois fois par an tu iras en pèlerinage te présenter devant l'Éternel, ton Dieu.
Fa handroaka firenena eo alohanao Aho ka hanitatra ny fari-taninao; ary tsy hisy olona haniry ny taninao, raha miakatra hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao intelo isan-kerintaona ianao.
25 Tu n'immoleras point sur du levain le sang de mes victimes, et là victime de la fête de Pâques ne sera point conservée jusqu'au matin.
Aza manatitra ny ran’ ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy ianao, raha mbola misy masirasira ao aminao; ary aza avela ho tra-maraina ny zavatra vonoina hatao fanatitra ho Ahy amin’ ny andro firavoravoana amin’ ny Paska.
26 Tu apporteras à la maison de l'Éternel, ton Dieu, la fleur des prémices de ton sol. Tu ne feras pas cuire le chevreau au lait de sa mère.
Ny santatra amin’ ny voaloham-bokatry ny taninao dia haterinao ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’ osy amin’ ny rononon-dreniny.
27 Et l'Éternel dit à Moïse: Mets par écrit ces paroles; car c'est aux termes de ces paroles que je conclus une alliance avec toi et avec Israël.
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty ireo teny ireo, fa araka ireo teny ireo no nanaovako fanekena aminao sy amin’ ny Isiraely.
28 Et Moïse fut là avec l'Éternel quarante jours et quarante nuits; il ne mangea point de pain et ne but point d'eau; et il écrivit sur des tables les paroles de l'alliance, dix paroles.
Dia teo amin’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina izy sady, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ary nosoratan’ i Jehovah tamin’ ny vato fisaka ny tenin’ ny fanekena, dia ny Didy Folo.
29 Et lorsque Moïse descendit du mont de Sinaï, les Deux Tables du Témoignage étant dans les mains de Moïse qui descendait de la montagne, Moïse ne se doutait pas que la peau de son visage resplendît, parce qu'il s'était entretenu avec Lui.
Ary Mosesy nidina avy tao an-tendrombohitra Sinay, ary teny an-tànany ny vato roa izay nisy ny Vavolombelona tamin’ izy nidina avy teo an-tendrombohitra, ary tsy fantany ho namirapiratra ny hoditry ny tavany noho ny nitenenany taminy.
30 Et Aaron et tous les enfants d'Israël regardèrent Moïse, et voici, la peau de son visage rayonnait, et ils craignaient de l'aborder.
Ary nony hitan’ i Arona sy ny Zanak’ Isiraely rehetra Mosesy, ka, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany, dia natahotra azy izy.
31 Mais Moïse les appela, et Aaron et tous les princes de l'assemblée se dirigèrent vers lui, et il leur parla.
Ary Mosesy niantso azy, dia niverina Arona sy ny lohan’ ny fiangonana rehetra ho eo aminy; ary Mosesy niteny taminy.
32 Après cela, tous les enfants d'Israël s'approchèrent, et il leur transmit tous les ordres que l'Éternel lui avait donnés sur le mont de Sinaï.
Ary rehefa afaka izany, dia nanakaiky koa ny Zanak’ Isiraely rehetra; ary Mosesy nandidy azy araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah taminy tao amin’ ny tendrombohitra Sinay.
33 Et Moïse ayant terminé le discours qu'il leur adressait, mit un voile sur sa figure.
Ary rehefa vita ny teny nataon’ i Mosesy taminy, dia nasiany fisalobonana ny tavany.
34 Et lorsque Moïse pénétrait devant l'Éternel pour lui parler, il ôtait le voile jusqu'à ce qu'il sortît; et étant sorti, il redisait aux enfants d'Israël tout ce qui lui avait été ordonné.
Ary raha niditra teo anatrehan’ i Jehovah Mosesy hiteny aminy, dia nanaisotra ny fisalobonana izy mandra-pivoakany. Dia nivoaka izy ka nilaza tamin’ ny Zanak’ Isiraely izay efa nandidiana azy.
35 Et les enfants d'Israël voyant le visage de Moïse, aperçurent la peau resplendissante de son visage. C'est pourquoi Moïse mettait le voile sur son visage jusqu'à ce qu'il entrât pour parler avec Lui.
Ary hitan’ ny Zanak’ Isiraely ny tavan’ i Mosesy, fa, indro, namirapiratra ny hoditry ny tavany; dia nasaron’ i Mosesy ny tavany indray ny fisalobonana mandra-pidiny hiteny aminy indray.

< Exode 34 >